La colonisation a marqué l’histoire de Madagascar. En effet, aux yeux des Européens, étrangers, tous les Malgaches n’avaient qu’une seule identité, de là est ainsi née leur unité. Pour l'historien Dr Denis Alexandre Lahiniriko, l'opinion nationaliste a joué un rôle dans la création de la nation malgache. La religion chrétienne, présente à Madagascar depuis le XIXe siècle, y a également contribué. Autrement dit, l'interaction entre les locaux et les étrangers a renforcé la perception que Madagascar est un pays. Cependant, il y a d'autres conséquences du contact entre les étrangers venus coloniser Madagascar et la population autochtone. Il s'agit notamment du processus électoral et de la formation de partis politiques tels que le MDRM. Vous suivrez dans l'émission les produits et les autres formes de cette interaction, ainsi que les tensions qu'elle a créées dans la société malgache.
Nanamarika ny tantaram-pirenena malagasy ny fisian’ny fanjanahan-tany, satria manoloana ny eoropeana izay vahiny, no tena nahatsapa ireo malagasy avy amin’ny lafivalon’ny nosy ny maha iray azy tokoa. Araka ny fikarohana samihafa, izay nohamafisin’ny mpikaroka ara-tantara Lahiniriko Denis Alexandre fa nandray anjara tamin’ny fandrafetana ny fisian’ny firenena malagasy ny fivoizana an-gazety ny hevitr’ireo nasionalista. Nanampy tamin’izany ihany koa ny fivavahana kristiana izay efa niditra teto Madagasikara hatramin’ny taonjato faha-19. Izany hoe, ilay fifampikasohan’ny avy eto an-toerana sy ny avy ivelany dia nanamafy orina ny fahatsapana fa firenena iray i Madagasikara. Misy vokatra hafa ihany koa anefa nateraky ny fifampikasohan’ireo vahiny tonga nanjanaka teto Madagasikara ireo tamin’ny avy eto an-toerana. Isan’izany ohatra ny fomba fifidianana, sy ny fananganana antoko politika toy ny MDRM. Arahinao ato anatin’ny fandaharana ny vokatra sy ny endrika hafa avy amin’izany fifampikasohana izany, miaraka amin’ny disadisa naterany teo amin’ny fiaraha-monina malagasy.
Les idéologies venues de l'extérieur peuvent créer des tensions dans une société lorsqu'elles interagissent avec la culture et les institutions locales. Il faut bien les identifier, et trouver les moyens de concilier ces perspectives pour plus d'effets positifs que négatifs au sein de la société d’accueil. Plus d’explications avec le Dr Manoa Faliarivola, du projet de recherche Hybricon.
Mety hiteraka disadisa ho an’ny fiaraha-monina anakiray ny firehan-kevitra vaovao avy any ivelany raha mifampikasoka amin’ny eo an-toerana. Ilaina ny mamantatra tsara azy ireny, ary mila ihany koa mitady fomba ampihavanana ireo fomba fijery sy fihevitra ivelany sy avy eo an-toerana ireo mba ahazoana tombony betsaka kokoa mihoatra noho ny vokadratsiny eo amin’ny fiaraha-monina anakiray. Manome fanazavana mikasika izany ny Dr Faliarivola Manoa, avy ao amin’ny tetikasam-pikarohana Hybricon.Â
La hausse des prix sur le marché dépasse l’entendement. Une hausse presque systématique, notamment pendant les fêtes, lors d’un cyclone ou durant une pandémie. Pour Alain Razafindravony, consommateur, impossible faire des économies ou se constituer un stock chez soi depuis quelques mois.
Les marchands sont souvent pointés du doigt. Josiane Raholiniriana, grossiste, explique que l’état actuel des infrastructures routières, la saison de pluie ou encore le prix du pétrole à l’international sont les causes d’une hausse inévitable.
Selon l’économiste Sidriste Jaoarson, l’État doit encourager les industries locales à transformer sur place nos matières premières. Aussi, il faut revoir les taxes applicables sur les produits importés de façon à valoriser la production locale.
Tsy mitsaha-miakatra ireo vidin’entana eny an-tsena, indrindra rehefa fotoan’ny fety, rivodoza na valan’aretina. Tsy afaka manao tahiry intsony noho izany, hoy i Razafindravony Alain, mpanjifa.
Mahazo tsiny matetika ireo mpivarotra sy mpamongady. Nanazava i Raholiniriana Josiane, mpamongady, fa isan’ny mahatonga ny vidin’entana miakatra ny faharatsiana na tsy fisian’ny fotodrafitrasa toy ny lalana. Eo koa ny fotoan’ny orana, izay mahavitsy ny famokarana ireo entana sasany, fa indrindra ny vidin’ny solika eo amin’ny iraisam-pirenena.
Ny soso-kevitry ny mpahay toekarena Jaoarson Sidriste manoloana izany : tokony hanome tosika ireo indostria eto amintsika ny fanjakana mba hamadihana ireo akora eto an-toerana. Ferana ireo entana hafarana avy any ivelany mba hiarovana ny toekarena anatiny sy hahamarin-toerana azy.
À l’origine, la durée de conservation des flacons du vaccin Pfizer était de 6 mois, à une température comprise entre – 60°C et – 90°C. Mais elle a été prolongée de trois mois, sous recommandation de l’agence européenne du médicament en septembre 2021. Il peut donc se conserver jusqu’à 9 mois actuellement.
Pour Moderna, le flacon non ouvert peut être conservé au réfrigérateur entre 2 et 8 °C, à l'abri de la lumière, pendant 30 jours au maximum. Mais pour assurer une conservation jusqu’à six mois, la température doit être maintenue à -20°C, selon le fabricant.
Quant à l’AstraZeneca, il peut être conservé, transporté et manipulé pendant au moins six mois, avec une température comprise entre 2 et 8 °C. Et enfin, le vaccin Janssen peut rester stable pendant deux ans à -20 °C et au moins trois mois entre 2 et 8 °C, affirme le fabricant.
Et pour tous ces vaccins, une fois le flacon ouvert, il doit être utilisé dans les 6 prochaines heures.
Covid-19 : hafiriana no azo tahirizina ireo vaksiny miady amin’ny covid-19 ?
Tamin’ny voalohany, enim-bolana no fotoana fitahirizana ny vaksiny Pfizer ao anaty maripana eo anelanelan’ny 60°C sy 90°C ambanin’ny 0. Nampitomboina 3 volana iofe-potoana io taorian’ny sosokevitra nomen'ny Agence Européene du Médicament tamin’ny septambra 2021. Izany hoe mety ampiasaina hatramin'ny 9 volana izany izy amin’izao fotoana izao.
Ho an’ny Moderna, azo tahirizina anaty vata fampangatsiahana, tsy hitan’ny hazavana, eo anelanelan’ny 2 sy 8°C ny tavoahangy kely misy ny vaksiny, mandritra ny 30 andro fara fahabetsany.
Ny Astra Zeneca indray, azo tahirizina sy afindrafindra toerana ao anatin’ny enim-bolana fara fahakeliny, ao anatin'ny maripana 2 hatramin’ny 8°C hatrany.
Ny vaksiny Jenssen kosa dia azo tahirizana hatramin’ny 2 taona anatin’ny maripana 20°c latsaky ny 0 - ary 3 volana fara fahakeliny ao anaty maripana anelanelan’ny 2 sy 8°C hoy ireo mpanamboatra azy.
Ho an’ireto vaksiny rehetra ireto anefa, rehefa nisokatra ny tavoahangy nisy azy dia tsy maintsy ampiasaina ao anatin’ny 6 ora aorian’ny nanokafana ny fitoerany izy.
Le jus de canne à sucre dans les rues d’Analakely se vend à 500 ariary le verre. Rodin, un des vendeurs, s’est procuré sa machine de seconde main chez un ancien propriétaire, à un prix plus raisonnable que dans les magasins Karana, dit-il. Certains vendeurs louent le matériel à 4000 ariary la journée et font une dépense supplémentaire pour acheter les autres ingrédients comme le citron ou gingembre. Ils s’approvisionnent en canne à sucre du côté de Alakamisy Fenoarivo ou Imerintsiatosika. Selon les saisons, ils peuvent gagner entre 15 000ariary à 30 000 ariary dans la journée.
La pâtisserie en ligne prend progressivement sa place grâce à l’existence des groupes de partage de bons plans culinaires sur les réseaux sociaux. Un business rentable, selon Maradonna qui s’est lancé dans ce milieu depuis 2020. Il reçoit au minimum deux commandes par jour et voit son chiffre d’affaires doubler pendant le weekend et en période de fête. De son côté, les boutiques de pâtisserie ne chôment pas non plus grâce à une fidèle clientèle qui s’est construite. La hausse du prix des ingrédients reste le plus gros défi des entrepreneurs dans ce domaine.
Asa tsy mbola betsaka mpanao nefa efa nisy ampolo taonany ny fivarotana ranona fary mandehandeha. Misy milina manokana ipotserana ny fary, tsy mbola vita eto an-toerana izy io fa vidina eny amin’ny tsenam-barotra karà na. Ny an’i Rodin kosa, izay mpivarotra ranona fary nanaovanay fanadihadiana, dia novidiany tamina teratany vahiny iray nanao ity asa ity teto amintsika. Raha eto Antananarivo, dia eny Analakely no tena ahitana mpivarotra ranona fary. Any alakamisy Fenoarivo na Imerintsiatosika izy ireo no maka fary rehefa ririnina. Atao sakafon’omby ny faikam-pary avy eo na ariana. 500 Ar no amarotan’izy ireo ny iray vera, izay ahazoany manodidina ny 15000 Ar isanandro eo. Manasitrana kohaka sy manamafy ny hery fiarovana ny fary.
Rehefa andro fety no betsaka mpanjifa ny mofomamy. Misy ireo mahalany tanteraka ny entana amidiny rehefa andavanandro, fa ao koa ireo tsy mahalafo firy noho ny tsy fahafaha-mividin’ny mpanjifa. Miaka-bidy koa ireo akora hanamboarana mofomamy, ka voatery mampiaka-bidy ny mpivarotra, hoy I Fidy sy Mami, mitantana toeram-pivarotana mofomamy. Raha ny mpivarotra mofomamy amin’ny tambazotra indray na ilay atao hoe en ligne, dia mandray kaomandy roa isanandro eo i Maradonna, izay tafaresaka taminay. Mitombo avo roa heny izany rehefa faran’ny herinandro. Ho arahantsika ato anaty fandaharana ketrika sy kandra ny mahakasika izay.
PASCOMA ou l'Office National de Prévention des Accidents Scolaires est responsable de l'assurance des accidents scolaires à Madagascar. La cotisation annuelle est de 200 ariary par élève. Selon Razafinandrasana Florina, responsable de l'assurance scolaire chez CISCO Anatananarivo Renivohitra, toutes les écoles publiques devraient souscrire à ce service, dès le préscolaire au lycée. Les écoles privées, en revanche, ont libre choix de s’adresser à la compagnie d’assurance qui lui convient. Selon le responsable, PASCOMA assure les élèves au moment où ils quittent leur maison pour rejoindre l’école, pendant toutes les activités scolaires et pendant les sorties scolaires, telles les classes vertes. Dans le cas d'un accident à l'école, le responsable de l'école doit aviser la compagnie d'assurance. Celle-ci rembourse ensuite les frais de médicaux et la prise en charge de l’élève, avancés soit par les parents soit par l’école elle-même.
Ny PASCOMA na Office Nationale de la Prévention des Accidents Scolaire no miandraikitra ny fiantohana ny loza mitranga any an-tsekoly eto Madagasikara. 200 ariary isan-taona no latsakemboka aloan’ny mpianatra tsirairay amin’izany. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra ho an’ny fiantohana ho an’ny sekoly ao amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra, Razafinandrasana Florina, tsy maintsy manao fiantohana ny loza mitranga any an-tsekoly ireo sekolim-panjakana rehetra, ny mpianatra madinika hatramin’ny lisea. Manan-tsafidy kosa ireo sekoly tsy miankina amin’izay trano fiantohana hatoniny. Araka ny fanazavany ity tompon’andraikitra ity hatrany, miantoka ireo ankizy vao miala any an-tranony hatrany am-pianarana, mandritra ireo taranja rehetra atao ao am-pianarana ny PASCOMA. Izany dia atao mandritra ny taom-pianarana iray manontolo. Toy izany ihany koa rehefa mivoaka manao kilasy maitso. Tsy maintsy mampahafantatra ireo mpianatra rehetra misoratra aminy ny sekoly sy mandoa ny latsakemboka mba hahazoany izany fiantohana izany. Raha sanatria misy loza mitranga noho izany any an-tsekoly dia tsy maintsy mampandre ny trano fiantohana ny tompon’andraikitry ny sekoly. Afaka mitsabo ny ray aman-dreny na ny sekoly. Alefa any amin’ny trano fiantohana ny atotan-taratasy avy eo dia miverina ny vola.