COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

A Madagascar, les jeunes mères célibataires sont les jeunes les plus vulnérables. Souvent déscolarisées et mal vues par la société, elles ont du mal à trouver un travail décent et subissent divers types de violence. C’est pour leur venir en aide qu’est né le projet Sandratra. Un projet qui a aidé 300 mères célibataires d’Antananarivo à être indépendantes. Que vivent-elles au quotidien et quels sont leurs besoins ? Réponse avec RANDRIARIMANANA Feno, chef du projet Sandratra.

Eto Madagasikara dia ireo tovovavy niteraka tsy nanambady no tanora marefo indrindra. Matetika izy ireo dia voatery nandao ny sekoly ary ahilikin’ny fiarahamonina. Sarotra ho azy ireo noho izany no mahita asa mendrika, ary mbola iharan’ny herisetra isankarazany ihany koa. Ny hanampy azy indrindra no nipoiran’ny tetik’asa Sandratra, tetikasa nanampiana reny tsy manambady miisa 300 tao Antananarivo mba hahaleo tena. Inona no iainan’izy ireo amin’ny andavanandro ary inona no fanampiana ilainy ? Mamaly antsika RANDRIARIMANANA Feno, mpandrindra ny tetikasa Sandratra.

lundi, 27 mars 2023 09:11

Infos vues par les jeunes

De nouveaux thèmes d’actualité ont suscité l’attention de nos jeunes participants lors du débat de ce vendredi. Zoharilala Fanomezantsoa Ny Hasina, Andriarimananjara Fanomezana Sarobidy et Rakotonirina Anjara Joël ont partagé leurs idées par rapport au nouvel an malgache et comment le valoriser, à la place de la femme en milieu professionnel, et aux cas de violence policière rencontrés dans le pays.

Niady hevitra mikasika ireo lohahevitra tena nisongadina nandritra ny vaovao iny herinandro iny indray ireo tanora, vahinin’ny Studio Sifaka tao anatin’ny ady hevitra notontosaina ny zoma teo. Zoharilala Fanomezantsoa Ny Hasina, Andriarimananjara Fanomezana Sarobidy ary Rakotonirina Anjara Joël no nandray anjara tamin’izany. Niompana tamin’ny ny lanja tokony omena ny taom-baovao malagasy, ny toeran’ny vehivavy any amin’ny toeram-piasana, ary ny herisetra ataon’ny polisy ny ady hevitra.

L’intérêt des femmes n’est pas pris en compte lors de la consultation effectuée par l’entreprise extractive. Ces femmes perdent leur terre ou leur ressource en matières premières pour l’artisanat. C’est l’intérêt du chef de famille ou du chef traditionnel qui est priorisé. Transparency international Initiave Madagascar a mis le point sur l’importance de l’application de la politique sur le genre dans la loi. Valery Ramaherison, chargé projet Mines du TIII nous explique plus.

Voakitika ny fiharian’ny vehivavy rehefa misy ny tetikasa fitrandrahana toy ny taniny na tanimboly misy zava-maniry anaovany asan-tanana. Tsy voaantso amin’ny fidinana ifotony ataon’ny orinasa mialohan’ny hanombohana ny fitrandrahana ny vehivavy fa ny loham-pianakaviana sy ny olobe no laharam-pahamehana.Tokony ampidirina anaty lalàna ny fampiharana ireny miralenta na resaka genre ireny raha ny sosokevitra natolotry ny Transparency International Initiative Madagascar taorian’ny fanadihadiana nataony. Hiresaka ny momba ny fisehon’izany i Valery Ramaherison, misahana ny tetikasa fitrandrahana eo anivon’ny TIII.

Les jeunes ne s’intéressent pas aux élections. Ils ne se rendent pas compte de l’importance de voter, leur choix sur leur vie. Une formation en leadership a été mis en œuvre par la Fondation Friedrich Ebert Stiftung pour les aider à communiquer et s’échanger avec les partis politiques. Dr Hanta a Andrianasy, coordinateur programme FES nous explique davantage.

Variana amin’ny fitadiavana ny olom-pirenena ka tsy liana amin’ny fiainam-pirenena. Taomina manokana ny tanora handray anjara amin’ny fifidianana. Hofanina hahay hiserasera sy hifandresy lahatra amin’ny tanora namany izy ireo fa indrindra hifanakalo hevitra amin’ny mpanao politika. Mikarakara fiofanana momban’ny fahaiza-mitantana ho an’ny tanora ny Friedrich Ebert Stiftung. Hiresadresaka amin-tsika Dr Hanta Andrianasy, mpandrindra ny fandaharan’asa FES.

L’observatoire Safidy a rapporté leur première observation du processus effectué par la CENI sur la refonte de la liste électorale.  Les observateurs ont effectué des suivis dans 108 districts répartis dans les 23 régions. Ils ont apporté des recommandations. Stella Razafimahefa nous en dit plus.

Nanara maso ny dingana nataon’ny CENI tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny avy eo anivon’ny firaisamonim-pirenena Sampana Mpanara maso ny Fifidianana Safidy. Distrika 108 manerana ny faritra 23 no notsirihan’ny mpikamban’izy ireo. Misy ny sosokevitra narosony hanatsarana ny fomba fiasa mba ahazo antoka ny lisim-pifidianana. Vahinin-tsika i Stella Razafimahefa tompon’andraikitra eo anivon’ny Safidy fanaraha-maso ny fifidianana.

lundi, 27 mars 2023 07:59

Paludisme : les tests sont gratuits

Les symptômes du paludisme peuvent tromper, et parfois sont considérés comme une simple fièvre. Alors pour savoir s’il s’agit bien de cette maladie mortelle, il faut faire un test auprès des centres de santé public ou privé. Notons que c’est gratuit. Mais les soins dépendent de l’évolution de la santé du malade. Des frais peuvent alors être à la charge du patient. Le Médecin inspecteur SDSP Mandritsara Jackie Randrianarisoa explique.

Mety mamitaka ny soritr’aretin’ny tazomoka, ary matetika hafangaron-tsika amin’ny tazo tsotra. Noho izany dia mila manao fitiliana eny amin’ny tobim-pahasalamana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, mba hahafantarana raha ilay aretina tazomoka mahafaty tokoa ilay izy. Marihina fa maimaim-poana izany. Miankina amin’ny fivoaran’ny fahasalaman’ny marary anefa ny fitsaboana. Tsy maintsy handoa vola vidim-panafody izy mandrapahasitrany. Manazava ny Médecin inspecteur SDSP Mandritsara Jackie Randrianarisoa.

Le Chef Lalaina réputé pour ces pizzas, le Chef Toky pour ses cuisines tropicales, et Tiavina une fanatique de la cuisine malgache, tous les trois vont nous mettre l’eau à la bouche dans cet échange de compétences en cuisine. Nombreux points sont encore à améliorer pour que nos saveurs puissent s’étaler pleinement à l’international, selon ses professionnels, même si quelques chefs réputés ont déjà représenté notre pays à l’étranger.

Nous disposons de nombreux épices, mais il suffit de savoir les utiliser et les exploiter. Ecoutez Ndao Hilaoeky pour plus de détails.

I Chef Lalaina malaza amin’ny fanamboarana pizza, i Chef Toky amin’ny nahandro avy any amin’ny faritra, ary Tiavina mpankafy ny nahandro malagasy. Izy telo mianadahy ireo no hampilona an-tsika anaty tontolon’ny sakafo, amin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo. Mbola maro ny teboka mila hatsaraina mba hampipaka tanteraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsiron-tsakafon-tsika, hoy ireo matihanina ireo, na dia efa nisolo tena an’i Madagasikara tany ivelany aza ny chef malaza sasany.

Manana laron-tsakafo maro isika, fa mila hay ny mampiasa sy mitrandraka azy. Henoy ary ny Ndao Hilaoeky hahafantaranao misimisy kokoa ny momba izay.

La maison de la reine Betty datant du 17 siècle, qui est maintenant devenue un musée, renferme toute l’Histoire de Sainte Marie. Le nom « île au Madame » rend hommage à cette femme, qui autrefois représentait la grande monarchie de cette île. Plus tard, sa maison a été transformée en bureau administratif. Mais suite à un incendie, tout a été déplacé sur l’île même, en construisant de nouveaux bureaux. L’ancienne maison Betty est maintenant un musée depuis 2003 après des réhabilitations. Actuellement, le quartier administratif qui se situe non loin du musée, rassemble toutes les directions régionales : le centre fiscal, la perception principale, l’Agence Portuaire Maritime et Fluviale, la cité administrative et celle du préfet, ainsi qu’une société de pêche et le port.

Ny tranon'ny Mpanjakavavy Betty tamin'ny taonjato faha-17, izay lasa tranombakoka ankehitriny, dia mirakitra ny tantaran'i Sainte Marie manontolo. Ny anarana hoe "Ilot au Madame" dia natao ho fahatsiarovana an’ity Mpanjaka ity, izay nanamarika ny vanim-potoana fahampanjaka tany an-toerana. Navadika ho biraom-panjakana ny tranony taty aoriana. Saingy taorian'ny hain-trano nisy, dia nafindra teo akaiky teo ihany io birao io, ary efa nahavitana trano vaovao maro hafa. Taorian’izay dia niova ho tranombakoka ny tranon’i Betty teo aloha, tamin'ny taona 2003. Amin'izao fotoana izao, dia mivondrona tsy lavitra ny mosea ny ivonketra, ny fangalana fisotroan-dronono, ny fitaleavam-paritra rehetra, ny tranon’ny mpiasam-panjakana miasa ao sy ny tranon’ny prefet, ny APMF, ny orinasa jono ary ny seranan-tsambo.

Selon Amnesty International, la moitié des détenus provisoires à Madagascar ne sont pas jugés à temps. La détention ne doit pas dépasser 12 mois pour les peines correctionnelles comme les vols, et 18 mois pour les peines lourdes comme le meurtre. Si ce délai est dépassé, il y a violation des droits des détenus, surtout qu’il n'y a aucune charge retenue contre eux selon l’avocate Andriamananony Narindra. Les détenus, ajoute-t-elle, ont le droit de connaître leurs droits et ainsi demander une libération provisoire.

Tsy voatsara ara-potoana ny antsasak’ireo voafonja vonjimaika eto Madagasikara hoy ny Amnesty International. Tsy tokony hihoatra ny 12 volana izany raha sazy maivana toy ny halatra, ary 18 volana kosa ho an’ny sazy mavesatra toy ny vono olona. Midika ho fanitsahana ny zon’ny voafonja izany raha mihoatra io fe-potoana io, indrindra raha tsy misy antony itazomana azy ireo hoy i Andriamananony Narindra, mpisolo vava. Manan-jo hangataka fanafahana vonjimaika sy ahalala ny zony kosa ireo voafonja.

REPORTAGE

Le changement climatique affecte les femmes, surtout celles dans les zones rurales. Quand les récoltes sont réduites en raison du manque d'eau, elles sont soumises à la violence conjugale ou sont exposées à l’insécurité quand elles puisent de l’eau à des kilomètres de leur village. L’une de solutions proposées est la transition énergétique et l’adaptation des récoltes. Cela améliorera le niveau de vie du foyer. Les 8 et 9 août 2022, de nombreuses associations de femmes venant de plusieurs régions se sont réunies pour parler de la résilience de la femme face aux changements climatiques. 

INTERVIEW

De nombreuses espèces sont menacées d’extinction ou ont déjà disparu chez nous ou en raison des changements climatiques causés par l’Homme. Oiseaux éléphants, hippopotames, lémuriens, etc. Il en va de même pour les plantes. Le biologiste et botaniste Mijoro Rakotoarinivo explique la différence entre "espèces vulnérables", "espèces menacées" et "espèces en danger critique d'extinction" dans le programme. Selon lui, ces espèces seront classées en fonction du nombre d’individu survivant par superficie. L'UICN est l'organisme mondial responsable de l’inventaire et de la conservation des espèces menacées.

DIY

Fabriquer un extincteur manuel à base de pneus usés. Couper les pneus en "rasta". Les attacher à une manche en bois. Les fixer par des clous et du fil de fer. C’est ce qu’on utilisera pour éteindre le feu en cas de feu de brousse.

FANADIHADIANA

Miantraika amin’ny vehivavy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo eny ambanivohitra no tena iharan’izany. Rehefa mihena mantsy ohatra ny vokatra noho ny tsy fisian’ny rano, dia iharan’ny herisetra ataon’ny vadiny na ny fiaraha-monina izy ireo. Vahaolana iray naroso ny firosoana amin’ireo angovo madio, izay manatsara ny fari-piainan’ny ankohonana ka manalefaka ny tsindry atao amin’ny vehivavy. Nidinika ny fiatrehana izany ireo fikambanam-behivavy maro manerana ny nosy ny 8 sy 9 aogositra 2022 lasa teo.

TAFATAFA

Maro ireo biby lany tamingana teto amintsika na ahiana noho ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vorombe, lalomena, vorona, gidro sns. Toy izay koa ireo karazan-javamaniry. Manazava ny maha-samy hafa ny atao hoe “espèces vulnérables”, “espèces menacées” ary ny “espèces en danger critique” kosa ny mpikaroka momba ny biolojia sy zava-maniry, Mijoro Rakotoarinivo ao anatin’ny fandaharana. Miankina amin’ny isany sy ny velaran-tany misy azy, hoy izy, no hisokajiana azy ireo. Ny UICN no sampana maneran-tany misahana io fanisana sy fiarovana io.

DIY

Fanamboarana aro afo avy amin’ny kodiarana efa niasa. Tetehina atao « rasta » ny kodiarana, apetaka amin’ny tahon’angady efa niasa ary fehezina amin’ny fantsika sy tariby. Iny no itapohana afo rehefa misy dorotanety.

REPORTAGE

La majorité des malgaches utilisent encore du charbon de bois et du bois de chauffage. Le pouvoir d'achat des consommateurs est faible et il n'y a pas assez d’offres en matière d'énergie renouvelable. Selon certains producteurs, on obtient 20 sacs de charbon à partir de 40 pieds d’arbres. Le métier du charbon est très lucratif et ils ne sont pas prêts à changer d’activité. La transition énergétique est donc un vrai défi jusque-là.

INTERVIEW

La "botanique" est la matière qui étudie tous les aspects des plantes. Leur nomenclature, leurs généalogies ou encore l'époque à laquelle elles sont apparues sur terre. La « botanique » étudie également les composants de chaque plante. Selon le botaniste Alain Rakotonely, cette matière doit être intégrée dans nos programmes scolaires dès l’école primaire pour mieux penser à la préservation des plantes.

DIY

Comment fabriquer des ustensiles comestibles ? Mouler la pâte de riz ou de blé en forme de cuillère, de tasse ou d’assiette. Frire, conserver et utiliser. Ça évite les déchets plastiques.

FANADIHADIANA

Mbola mampiasa saribao sy kitay ny ankamaroan’ny malagasy. Ambany ny fahefa-mividin’ny mpanjifa. Tsy ampy koa ireo tolotra mampiasa angovo madio hialany amin’izany. Hazo 40 fototra no ahazoana saribao 20 gony hoy ireo mpamokatra arina fandrehitra. Mahavelona azy ireo izany ka tsy vonona hiova asa intsony izy ireo raha ny nambarany. Mbola sarotra noho izany hatreto ny miampita amin’ny fampiasana ireo angovo madio ranoray.

TAFATAFA

Ny “botanika” dia taranja mandalina ny zava-maniry rehetra eto ambonin’ny tany : ny anarany, ny tarazony, ny fotoana nipoirany. Mianatra momba ireo kasinga ao anatin’ny zava-maniry koa ny “botanika”. Taranja tokony hiditra amin’ny fandaharam-pianarana ny fambolena sy ny fiarovana ny zava-maniry hoy i Rakotonely Alain, mpahay voahary.

DIY

Fanamboarana sotro, kaopy sy lovia azo hanina. Vita amin’ny kobam-bary na koba varim-bazaha. Mora ampiasaina sy azo tehirizina. Misoroka ny fampiasana akora plastika.

Fabrice est un jeune peintre, Saint Marien qui vit de ses inspirations. D’une tortue submergée par le bleu de l’Océan et des deux queues de baleines flottant entre les vagues et le ciel, il nous fait vibrer avec ses toiles qui ne passent pas inaperçues.

Tinah est une créatrice et vendeuse de bijoux en graine de Baobab, d’hibiscus, de palissandre, et aussi des coquillages. Son petit atelier se trouve sur la plage de Foulpointe. Toujours en quête de vacanciers pour les vendre, son sourire témoigne de la satisfaction de son métier.  

Mpanao sary hosodoka i Fabrice, avy any Sainte Marie, miaina amin’ny aingam-panahiny. Sarina sokatra voadidin’ny ranomasina manga,  rambona trozona roa milahatra anelanelan’ny onja sy ny lanitra, ireo no anisan’ny entiny mampanofy ny mpandalo mahita ny asa tanany.

Mpamorona sy mpivarotra firavaka vita amina voa-na Baobab, hibiscus, palissandre ary akorandriaka kosa i Tinah. Eo amin’ny torapasik’i Foulpointe no misy ny trano iasany. Miandry ireo mpiala sasatra izy hanjifa ireo zava-bitany, ary manaporofo ny fitiavany ny asany ny tsikiny.

Le photokératite est une inflammation des yeux due aux rayons du soleil. Cette maladie peut se manifester sous plusieurs formes. Au début, la partie interne de l'œil peut devenir sablonneuse, rouge, enflée et cela est accompagné de douleur. Si ces symptômes se présentent, il est impératif de consulter un médecin immédiatement selon l’ophtalmologue, Docteur Rafomanetsoa Rindra.

Il existe de nombreux types d'infections oculaires causées par les microbes. La conjonctivite infectieuse est la plus fréquente. Les yeux sont rouges, démangent et peuvent faire mal.

Ny atao hoe photokératite dia famaizan’ny maso noho ny taratry ny masoandro.  Maro ireo antony mety ahalalana fa voan’ity aretina ity ny mason’ny olona iray. Amin’ny voalohany, mety hamasipasika ny ao anaty maso ao, mena maso, mivonto ary mety hanaintaina sy hangirifiry ihany koa. Ny fanantonana mpitsabo aingana ihany no tokony atao raha sendra an’ireo fisehony ireo raha ny nambaran’ny mpitsabo manam-pahaizana momba ny maso, Dokotera Rafanomezantsoa Rindra

Misy karazany maro ireo areti-maso vokatry ny otrikaretina. Ny conjonctivites infectieuses no tena matetika mpahazo ny olona. Mena ny maso, mangidihidy ary mety hangirify.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter