Après la pandémie de la Covid-19, le tourisme durable reprend un nouveau souffle. Mais malgré la bonne volonté et les efforts entrepris par les acteurs du tourisme, certains paramètres sont plus difficiles à maitriser. Intervenant : Formateur en développement durable auprès d’un tour opérateur, Mamitiana Randriamaherisoa.
Miha miverina tsikelikely ny fizahantany lovainjafy, taorian’ny valan’aretina Covid 19. Na dia eo aza izay fiverenany izay, mbola maro ireo sehatra mila fehezina amin’ny fametrahana azy ity. Intervenant : Mpampiofana momba ny fampandrosoana lovain-jafy ao aminà ivon-toerena misehatra amin’ny fizahantany Analamanga, Randriamaherisoa Mamitiana.
Team Kintana, un groupe de jeunes Malgaches qualifié à la formation internationale tech for good. Cette formation s’est axée sur la technologie et l'informatique. Ce sont des étudiants des universités partenaires de Huawei qui ont été choisis pour suivre cette formation. C'est notre deuxième participation. La formation a duré plus d’une semaine.
Team Kintana, vondrona tanora malagasy vosafidy ho mendrika tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena tech for good. Io fiofanana io izay niompana tamin’ny teknolojia sy ny informatika. Mpianatra avy amin’ireo oniversite mpiara miasa amin’ny huawei no nosafidiana hanao an’ity fiofanana ity. Andiany faharoa izy ity hoantsika eto Madagasikara. Nandritra ny 8 andro no nanaovan’izy ireo an’izay fiofanana an’habaka izay.
De plus en plus de jeunes Malgaches s'intéressent désormais à l'art oratoire. Les jeunes se réunissent et regroupent des idées autour d’un fait social. Ils expriment leur opinion à ce sujet et décident ensemble comment faire une plaidoirie pour changer la situation. C'est là que les compétences sur l’art oratoire entrent en jeu. Tous les départements de l'université commencent à créer leur propre club d'art oratoire.
Il existe également des organismes qui forment spécifiquement les jeunes dans ce domaine. Ces organismes forment les jeunes sur les compétences linguistiques, la gestion et le débat.
Efa miha betsaka amin’izao ireo tanora malagasy no liana amin’ny fanaovana hay-taky amin’ny alalan’ny hainteny. Mivondrona sy miady hevitra ho anà hevitra iray ireo tanora. Manangona hevitra momba iny izy ireo ary miara manapa-kevitra amin’izay fomba hitakiana an’iny mba hampiova ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina. Eo no miditra ny hainteny. Amin’izao, manomboka manangana ny fikambanana art oratoire-ny avy ny sampam-pianarana rehetra eny amin’ny oniversite.
Efa misy ihany koa amin’izao ireo fikambanana mampiofana manokana an’ireo tanora amin’izany hainteny izany. Misy taranja maro hianarana ao anatin’izany. Ao ny taranja momba ny fitantanana sy ny fanaovana adi-hevitra.
L'agriculture intelligente l’adaptation des techniques agricoles aux nouvelles technologies. Cela requiert l'utilisation d'outils de prévision météorologique et pluviométrique. Certains agriculteurs travaillent déjà avec le centre de prévision météorologique pour voir la période adéquate pour les semis. Safidy, président du groupement des agriculteurs Analamanga, nous en parle dans l'émission KSK.
L’agriculture intelligente face au climat est l’un des types d'agriculture intelligente. C’est également l’utilisation de technologies dans l'agriculture pour mieux gérer les intempéries. Selon l'expert agricole Raharison Maharavo Elysée, l'un des avantages de l'utilisation de la technologie dans l'agriculture est d'obtenir de bons résultats en fonction de la saison de plantation.
Tsy fomba fambolena vaovao akory ny agriculture intelligente fa fikajiana sy fampifanarahana an’ireo teknikam-pambolena amin’ny teknolojia vaovao. Tafiditra anatin’izany ny fampiasana an’ireo fitaovana famantarana ny toetr’andro sy ny fotoana filatsahan’ny orana. Misy ireo vondron’ny tantsaha no efa miara miasa amin’ny foibe famantarana toetr’andro hijerena ny tokony ho fotoam-pambolena. Mitantara an’izany amintsika ato anatin’ny fandaharana KSK i Safidy, filohan’ny vondron’ny Tantsaha eto Analamanga.
Anisan’ny karazan’ny agriculture intelligente ihany koa ny fampiasana an’ireo teknolojia amin’ny fambolena manoloana ny toetr’andro. Mitovy amin’ireo fomba fijerin’ireo tantsaha taloha ny andro tsara ambolena ihany izy ity fa miampy fitaovana fotsiny. Anisan’ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny teknolojia amin’ny fambolena ity ihany koa ny ahazoana vokatra tsara mifanaraka amin’ny fotoam-pambolena raha ny nambaran’ ny manampahaizana momba ny fambolena, Raharison Maharavo Elysée.
Un point qui nous interpelle depuis le début de l'année est la baisse de la valeur de l'ariary. C'est le résultat de nos importations de biens de l'étranger, qui ne représentent pas la même valeur que nos exportations. Il faut beaucoup de temps aussi avant que les devises étrangères soient rapatriées. En plus d'augmenter nos réserves d'or, l'exportation est l'une des solutions pour augmenter la valeur de l’Ariary.
Un débat dans #NdaoHilaoeky avec le jeune économiste Randriamahefa Manitra, l’entrepreneur Domoina Rasamoelison et le journaliste économique Haridina Riamaholy.
Teboka iray izay nanaitra antsika hatramin’ny fiatombohan’ny taona ny fidinan’ny sandan’ny ariary. Izany dia vokatry ny fanafarantsika entana avy any ivelany, izay tsy mitovy habetsaka amin’ny fanondranana ataontsika. Ela ihany koa vao tafaverina eto amintsika ireo vola vahiny azo avy aminy. Ankoatran’ilay hoe fampitomboana ny tahirim-bolamenantsika, ny fanondranana no isan’ny vahaolana hampitomboana io sandan'ny ariary io.
Miady hevitra ato anatin’ny #NdaoHilaoeky ny tanora mpahay toekarena Randriamahefa Manitra, i Domoina Rasamoelison, mpandraharaha, ary i Haridina Riamaholy, mpanao gazety ara toe-karena.
Depuis que Madagascar a adopté le régime républicain après la période coloniale, la constitution suit les principes démocratiques et le système monarchique s’est dissout. Mais pas totalement car les ascendances royales tiennent toujours leur place dans les différentes régions et la société malgache actuelle. Quels rôles jouent-ils exactement dans un pays démocratique comme le nôtre ?
Isan’ny firenena tsy manaraka intsony ny fitondrana Andriamanjaka I Madagasikara hatramin’ny taona 1896. Natsahatra tanteraka araka izany io rafi-pitondrana io ka nosoloina ny fitondrana entina olom-boafidy. Tsy lefy anefa na izany aza ny lanja sy hasina omen’ny vahoaka ireo taranaka andriamanjaka amin’ny faritra maro eto amintsika. Inona ary no sehatra mbola ilà na ireo mpanjaka sy ampanjaka amina firenena demokratika toa an’I Madagasikara?
Bien que Madagascar ait gagné 4 rangs dans l’indice de perception de la corruption (IPC)2022, sa note reste la même que l’année précédente, 26/100. Ce n’est pas une surprise, affirme Transparency International Initiative Madagascar. Selon cette dernière, la corruption dans le domaine sanitaire, foncier et judiciaire s’accroit constamment. Or, le budget alloué pour lutter contre ce phénomène ne fait que 0,12% du budget de l’Etat. Une des principales raisons de cette stagnation.
Nijanona toy ny tamin’ny taon-dasa, 26/100 ny naotin’i Madagasikara tamin’ilay mari-drefy famantarana ny kolikoly (IPC) 2022, na dia nanatombo laharana 4 aza izy. Mahazo vahana ny kolikoly avolenta eo amin’ny sehatry ny fitsarana, fahasalamana ary fananantany eto an-toerana. Tsy mifanaraka amin’izay anefa ny tetibola natokana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, izay 0,12% monja ao amin’ny tetibolam-panjakana. Antony iray mahatonga antsika tsy mihetsika amin’io naoty ratsy io izany, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar.
Madagascar sort finaliste de l’ « ICT Compétition » 2022-2023, organisé par Huawei sur une quinzaine de pays africains. Une équipe composée de six jeunes s’est battue pour en arriver à ces bons résultats, à travers deux disciplines clés : le « network computing » et le « cloud ». L'objectif est d'élever le niveau de la jeunesse malgache dans le domaine des nouvelles technologies, précise Quesiah Botoale, ambassadrice de Huawei en Afrique de l’Est et du Sud.
Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana informatika « ICT Compétition » 2022-2023 isika malagasy. Tanora enina no nisolotena antsika nandritra izany ary taranja informatika roa no nifanintsanana. Firenena afrikanina 16 kosa no nifaninana tamin-tsika. Tanjona ny hampitomboana ny lentan’ny tanora malagasy amin’ny sehatry ny teknolojia vaovao hoy i Quesiah Botoale, masoivohon’ny Huawei aty Afrika Atsinanana sy Atsimo.
Madagascar accède aux huitièmes de finale du concours interuniversitaire de débat à La Haye. Les étudiants de l'Université Catholique de Madagascar nous représentent pour cela. Ils ont pris le dessus par rapport aux équipes concurrentes grâce à leur petite astuce : l’usage des métaphores, des proverbes et des poèmes pour mieux soutenir leur plaidoyer. Les sujets varient à chaque match et chaque équipe a une semaine pour se préparer. 32 pays sont en lice et tous les matchs sont diffusés en direct sur YouTube.
Tafakatra amin’ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fifaninanana ady hevitra iraisam-pirenena any La Haye i Madagasikara. Ireo mpianatry ny UCM no misolotena antsika amin’izany. Tombony ho azy ireo ny nahaizany nampiasa ireo teknika maro tamin’ny fandaharan-teny toy ny fanoharana, ohabolana sy tononkalo. Miovaova isaky ny dingana ireo lohahevitra ary manana herinandro izy hiomanana. Firenena 32 no mifanandrina, ary mandeha mivantana amin’ny Youtube avokoa ireo lalao.