En ce moments nous faisons face a beaucoup de stress et même la dépression. Dans cette nouvelle édition du Santénaka, nous allons essayer de proposer des solutions pour pouvoir faire face au stress mais aussi vaincre la dépression. Je parlerai également du Qi Gong qui est un art martial chinois qui utilise une technique de concentration et des respirations profondes pour se débarrasser du stress et de cette dépression.
Hiaraha-mahalala amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao ny rotorotom-piainana sy adin-tsaina samihafa. Miteraka rarin-tsaina ireny na Stress ary mety ho tonga any amin’ilay atao hoe Depression na fahaketrahan-tsaina lalina mihitsy aza.  Ho amin’ity Santénaka antsika androany ity izany dia hiezaka isika hanolotra vahaolana kely hahafahana mamehy io rarin-tsaina io. Hiresaka ihany koa mahakasika ny Qi Gong aho izay haiady sinoa iray mampiasa ny fifantohana lalina sy ireo teknika hahafahana mamehy sy miala amin’io rarin-tsaina sy fahaketrahan-tsaina lalina io.
Le secteur soie dans l’Itasy fait face à des défis dus à la destruction des forêts de tapia. Conséquences ? Les superficies couvertes de forêts ont diminué jusqu’à 3% tandis que la production stagne à 1% par rapport aux années précédentes. C'est pourquoi "Planète Urgence" a développé le projet TAPIA dans la région. Les vers à soie sont alors élevés à la « magnanerie » de la commune d'Ankalalahana, à Arivonimamo II, avant d’être relâchés dans leur habitat naturel. Car il faut les multiplier afin d’assurer la survie du secteur soie. Parallèlement, des hectares de bois de tapia ont également été plantés pour restaurer progressivement cette zone. C’est un métier qui demande amour et persévérance, avance Ranaivoson, premier responsable de la magnanerie.
Secteur menuiserie : Depuis une centaine d’années, la culture et l'exploitation des pins, des quinines et d’autres bois locaux ont beaucoup aidé le quotidien des malgaches. L’exploitation de ces types d’arbres a épargné les forêts primaires selon Andriamiharisoa Anthony, commerçant de bois à Antananarivo. Or, depuis 2 ans, les prix des arbres ont augmenté de 20 %. Il est de plus en plus difficile, dit-il, de couper et de transporter du bois.Â
Misedra olana ny seha-pihariana landy ao Itasy noho ny fahapotehan’ireo ala tapia. Vokany, nihena ho 3% ireo faritra rakotr’ala raha 1% sisa ireo vokatra landy raha oharina amin’ny teo aloha. Antony namolavolan’ny « Planète Urgence » ny tetik’asa TAPIA. Tezaina ao amin’ny « magnanerie » ao amin’ny kaominina Ankalalahana, Arivonimamo II aloha ireo landibe mba hitombo isa, mialohan’ny amotsorana azy eny an’ala. Asa mitaky finiavana hoy Ranaivoson, mpikarakara. Ala tapia amin’ny hektara maro ihany koa no novolena mba amerenana ity sehatra ity tsikelikely.
Â
Asa manodidina ny hazo hatrany : tato anatin’ny 100 taona, nanampy betsaka ny malagasy ny fambolena sy fitrandrahana ny hazo kesika, ny kinina sy hazo gasy hafa. Niaro ireo ala voajanahary tamin’ny fitrandrahana ny fisiany. Roa taona izay, niakatra 20% ny vidin’ireo hazo. Mihasarotra ihany koa ny fitrandrahana sy ny fanafarana azy noho ny antony maro hoy i Andriamiharisoa Anthony, mpivaro-kazo iray eto Antananarivo.Â
Les femmes enceintes doivent faire du sport et ne doivent être trop paresseuses. Nous parlerons des sports adaptés à ces femmes dans la première partie de l’émission Santénakà d’aujourd’hui. Le sport est recommandé par les médecins pour que la mère et l’enfant soient en forme. Un médecin donne des conseils et astuces concernant les mouvements adaptés pour les femmes enceintes. En ce qui concerne les femmes sportives, elles peuvent continuer leurs activités jusqu’à un certain temps. Le médecin nous l’explique dans la deuxième partie de l’émission.
Ny fihomanana arabatana tokony hataon’ny vehivavy bevohoka indray no ho resahin-tsika ato amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana Santénakà anio. Voalaza matetika oe tsy tokony hipetrapetraka ny vehivavy mitondra vohoka fa tokony manao fampihetseham-batana hampatanjaka azy sy ny zaza ao an-kibony. Misy fanazavana entin’ny mpitsabo mahakasika izay miaraka amin’ny toro-hevitra maromaro. Ho an’ny vehivavy mpanao fanatanjahan-tena kosa no hitondran’ny mpitsabo iray toro-hevitra mandritran’azy mitondra vohoka ao amin’ny tapany faha roa. Araho atramin’ny farany ary ny fandaharana.
Nous allons aborder dans notre émission Santénakà d’aujourd’hui une maladie de la peau appelée furoncle. Ce n’est pas le résultat d’une blessure mais d’une infection bactérienne centrée par un poil. Il apparait surtout au niveau de l’épaule, de la gorge, de la fesse et du membre inférieur. Il peut être dangereux s’il apparait au niveau du visage. Un dermatologue nous explique les causes du furoncle, comment le soigner et quelles sont les précautions à prendre.
Hiresaka momban’ny vay indray isika ato anatin’ny fandaharana Santénakà anio. Mibontsina menamena kely eo amin’ny hoditra. Tsy vokatry ny ratra akory izy io fa baktery miparitaka any amin’ny taova hanirian’ny volo. Eny amin’ny soroka, ny tenda, ny fitombena ary ny tongotra no tena hisehoany matetika. Mety ampidi-doza ny vay raha eny amin’ny faritry ny tarehy no mipoitra. Mitondra fanazavana ny mpitsabo hoditra ny mahatonga ny vay, ny fitsaboany azy ary ny fitandremana tokony hatao.
L’Académie malgache consacre le mois de juin à la revalorisation de la langue malgache portant sur le thème la langue malgache et l’administration publique. Harilala Ranjatohery, historien et académicien nous partage l’évolution de l’utilisation de la langue malgache comme langue officielle depuis l’indépendance de Madagascar.
Natokana hanandratana ny teny malagasy ny volana jona. Ny teny malagasy sy ny raharaham-panjakana, io no loha-hevitra natokan’ny akademia malagasy hodinihana mandritra ity volana ity. Hanazava amin-tsika ny fivoaran’ny fampiasana teny gasy nandritra ny vanim-potoana teto amin’ny firenena Harilala Ranjatohery, mpahay tantara, mpikambana eo anivon’ny akademia malagasy.
Nous allons parler des maladies typiques de la saison des pluies dans notre émission Santénakà d’aujourd’hui. Il en existe beaucoup telle la diarrhée, le paludisme, la fièvre, etc. Nous vous donnons quelques conseils pour prévenir cela. Dans la deuxième partie, Dr Tahiana nous donne plus de détails concernant le choléra : qu’est-ce qui la provoque, quels sont les symptômes et comment la soigner ?
Mahakasika ny aretina mety hiseo mandritra ny fotoanan’ny orana indray no ho resahin-tsika ato anaty fandaharana Santénakà . Isan’izany ny tazomoka, ny tazo, ny aretin-kibo, sns. Misy toro-hevitra vitsivitsy ireto hisorohana izany. I Dr Tahiana kosa ato amin’ny tapany faharoa dia hanazava amin-tsika ny mikasika ny aretina kolera. Manazava ny mety mahatonga ny aretina, ny fisehony ary ny fitsaboana tokony atao sy ny fitandrema rehetra.
La campagne électorale est l'ensemble des opérations de propagande précédant une élection, visant à amener les électeurs à soutenir et à faire voter pour un candidat en compétition dans une élection. La durée de la campagne électorale varie selon le type de vote :
Afin d’éviter le chevauchement des campagnes électorales et des scrutins correspondants, l’élection du Président de la République, celle des députés et celle des sénateurs doivent se tenir à des dates distinctes. La campagne électorale officielle s'achève dans tous les cas vingt-quatre (24) heures avant le jour du scrutin. C’est ce qu’on appelle le silence électoral.
Inona marina ny atao hoe fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ?
Atao hoe fampielezan-kevitra izay hetsika rehetra ataona kandida iray na antoko politika iray mba handresena lahatra ny olona hifidy azy amin’ireo kandida maromaro misy. Miovaova araka ny karazana fifidianana ny faharetan’io fampielezan-kevitra io :
Tsy maintsy tanterahina amin’ny andro samihafa ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka ary loholona, mba hisorohana ny fifangaroan’ny fampielezan-kevitra sy ny fandatsaham-bato isaky ny karazana fifidianana avy.
Mifarana 24 ora mialoha ny andro fandatsaham-bato ny fampielezan-kevitra ôfisialy. Izay no antsoina hoe fahanginana amin’ny fifidianana.
Dans notre émission Santénakà d’aujourd’hui, nous allons parler de l’addition à l’alcool et aux boissons alcoolisées. Nombreuses sont les raisons qui engendrent cela mais en tout cas, il existe des moyens médicaux et psychologiques. Ndrema en désintoxication chez Vokovokomanga à Beravina Sabotsinamehana en témoigne. Une psychiatre nous donne plus d’explications concernant les causes, conséquences et comment la traiter.
Hiresaka mahakasika ny fihankinan-doha amin’ny taoka na zava-pisotro misy alikaola isika ato anatin’ny fandaharana Santénakà . Maro ny antony mahatonga izany nefa misy koa ny fitsaboana azo atao ialana amin’izany. Fijoroana vavolom-belona ataon’i Ndrema ao amin’ny ivon-toerana Vokovoko manga ao Beravina Sabotsinamehana. Mpitsabo saina iray koa mitondra fanazavana ny mahatonga ny olona iray hiankin-doha amin’ny taoka, ny voka-dratsiny sy ny fitsaboana tokony arahina.
Après des travaux de réhabilitation et de dragage, le canal des Pangalanes est de nouveau opérationnel au trafic fluvial selon l’APMF. À part le transport de marchandises, ce canal est un atout majeur pour le tourisme de la région Atsinanana. On parle de 200.000 visiteurs par an. Eliane Andrianjatovo, propriétaire d’une agence de voyage avance que 95% des touristes visitant la région empruntent ce canal historique. À ce jour, les frais de transports sont encore élevés. On parle de 1 million d’Ariary pour le trajet Toamasina à Manambato. Elle estime que plus il y a d’offres et d’infrastructures touristiques aux abords du canal des Pangalanes, plus il y aura de la concurrence et les frais diminueront considérablement.
Efa misokatra ho an’ny daholobe ny lakandranon’i Pangalana amin’izao, taorian’ny fanamboarana izay natao, hoy ny APMF. Ankoatry ny hoe fitaterana entana dia mety hampivelatra ny lafiny fizahantany any amin’iny faritra iny koa izany. Manodidina ny 2 hetsy ireo olona mivezivezy isan-taona. Manamafy i Eliane Andrianjatovo, tompon’orinasa iray mpitatitra mpizahan-tany, fa ny 95%-n’ireo mpitsidika ny faritra atsinanana dia mandalo amin’ny lakandranon’i Pangalana avokoa. Hatreto, mbola lafo ny saram-pivahinianana hoy izy. 1 tapitrisa Ariary izany raha ny mampitohy an’i Toamasina sy Manambato. Ihena anefa io sarany io raha mitombo isa ireo tolotra ara-pizahantany sy fotodrafitrasa manamorona ny lakandrano, toy ireo seranan-tsambo madinika, trano fandraisam-bahiny sns.
On a recensé de nouveau cas de peste dans le district d’Akora, région d’Ihorombe septembre dernier. Nous avons eu un entretien avec le Médecin inspecteur du district et il nous donne plus de détails concernant le symptôme, les précautions et les différents soins. Dans la deuxième partie de notre émission Santénakà , le docteur Jaurès nous explique ce qu’est le glaucome, une maladie des yeux.
Nahitana trangana pesta tany amin’ny distrikan’i Akora, faritra Ihorombe ny volana septambra teo. Nitafatafa tamin’ny Médecin inspecteur tao an-toerana izahay ary tamin’izany no nitondrany fanampim-panazavana mikasika ny fisehony sy ny tokony hatao. Atao amin’ny tapany faharoa kosa dia momban’ny areti-maso antsoina hoe glaucome no hitondran’ny mpitsabo dokotera Jaurès fanazavana mikasika io aretina io. Aza adino ary ny manaraka ny fandaharana Santénakà eto Studio Sifaka.