Le lac sacré de Mangatsa se trouve à 18 km au Nord de la Ville de Mahajanga. C’est un endroit où on fait des vœux à un lac transparent. Pour ce faire, Chris, notre guide nous montre ce qu’il faut faire. Il faut préparer 5 matériels : de la viande de zébu, une bougie, de l’encens, du miel et du pain. Apporter également de l’argent, des pièces de monnaies ou des billets de banque, mais il faut que la somme soit paire : 400 ariary ou 4.000 ariary ou 20.000 ariary. Les donner ensuite au Tangalamena qui se chargera de les mettre dans une assiette pour la donner en offrande au lac.
Any amin’ny 18km avaratry ny tananan’i Mahajanga no misy ny lac sacrée na matsabory any Mangatsa. Toerana iray fanaovana hataka amina matsabory mangatsakatsaka izy io. Mba hanaovana izay fangatahana izay, manoro antsika ny tokony hatao i Chris, mpitaridia ao an-toerana. Mila manomana zavatra 5 ianao alohan’ny akanesana any : nofonken’omby, labozia, agarbati, mofo dopaina ary tantely. Mitondra vola ihany koa ianao ary tsy maintsy ankasa ireo vola ho entina : 400 ariary na 4.000 ariary na 20.000 ariary. Omena ny Tangalamena ireo ary ataony anaty vilia omena ny matsabory.
Un référendum permet de consulter l’avis des citoyens sur une mesure que les autorités envisagent de prendre. Dans ce cas, les citoyens procèdent à un vote pour exprimer leur opinion. Ces mesures peuvent se porter sur une proposition de loi, qu’on appelle référendum législatif. Il y a également le référendum constitutionnel qui vise à modifier la constitution d’un pays. Dans un referendum, l’électeur a le choix de voter pour un « oui » ou pour un « non », ou peut choisir deux options proposées.
Une élection générale consiste à désigner un représentant politique, comme les députés ou les présidents de la république. Les citoyens sont également invités à voter leurs représentants lors de différentes prises de décision politique. Dans une élection, l’électeur est invité à voter pour un candidat ou un groupe de candidats.
Inona no mahasamihafa ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifidianana ?
Ny fitsapakevi-bahoaka dia natao hahafantarana ny hevitry ny olom-pirenena mahakasika fanapahan-kevitra kasain’ireo mpitondra ho raisina. Amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato no hanehoan’ireo olom-pirenena izany heviny izany. Mety mahakasika volavolandalana io fanapahan-kevitra io, ary antsoina hoe referendum législatif izy amin’izay fotoana izay. Mety ho fanovana ny lalam-panorenana mihitsy aza izany ka antsoina hoe referendum constitutionnel. Anatin’ny fitsapakevi-bahoaka, dia asaina misafidy ny mpifidy na hanao “eny” na “tsia” na koa misafidy iray amina hevitra roa na maromaro aroso.
Ny fifidianana kosa dia mba hanendrena ireo ho solontenan’ny olom-pirenena toa ireo solombavam-bahoaka na filoham-pirenena. Amin’ny alalan’ny latsabato ihany koa no hahafahan’ireo olom-pirenena manendry izay mpisolo tena azy ireo. Anatin’ny fifidianana izany, dia olona na vondron’olona no fidiana.
Du pus sortant de la verge, suivi d’une douleur ; ces signaux alarment David avant de consulter un médecin. Résultat positif, il a la Syphilis. Cette maladie qui touche encore près de sept millions de personnes dans le monde d’après l’OMS, se transmet même par la salive. On peut la guérir par injection, et pour les prochaines relations sexuelles, l’individu doit se protéger à tout prix, comme utiliser un préservatif. Une prise de sang est alors obligatoire pour savoir s’il s’agit bien de cette maladie sexuellement transmissible.
Tsiranoka mivoaka avy ao amin'ny filahiana, arahina fanaintainana ; ireo famantarana ireo no nanaitra an’i Davida, mialohan’ny nanantonany mpitsabo. Nivaly ny fitiliana nataony, voan'ny Solopiso izy. Io aretina io, izay mbola mamely olona efa ho fito tapitrisa maneran-tany, araka ny voalazan’ny OMS, dia mifindra na amin’ny alalan’ny rora aza. Azo sitranina amin'ny tsindrona izy, ary tsy maintsy mampiasa fiarovana toy ny fimailo amin'ny firaisana ara-nofo manaraka. Tsy maintsy manao fitiliana rà noho izany mba hahitana raha tena io aretina azo avy amin'ny firaisana io tokoa no mahazo na tsia.
Pour célébrer les moments importants de la vie, comme le mariage ou la circoncision, la musique traditionnelle Hôsika se démarque dans la région Alaotra.
A travers le chant et la danse inchangées depuis des générations, les membres d’une famille qui constitue un groupe rend en même temps hommage aux ancêtres en utilisant leurs instruments d’origine. A savoir l’accordéon et le tambour. Des sauts et des pieds appuyant forts contre le sol, des applaudissements, et des voix résonnants à des mètres plus loin ; du hira gasy à l’ancienne mais très demandé sur place.
Les Dornasy assurent en représentant tous les Sihanaka.
Ho fankalazana ireo fotoana manan-danja eo amin’ny fiainana, toy ny fanambadiana na ny famorana, dia misongadina any amin’ny faritra Alaotra ny mozika nentim-paharazana Hôsika.
Amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy tsy miova nifandimbiasan’ny taranaka tany aloha sy ankehitriny, dia manome voninahitra ny razana amin'ny fampiasana ny zava-maneno tany am-boalohany ny mpikambana ao amin'ny fianakaviana iray izay mivondrona ho tarika iray. Ny aponga sy ny angorodao izany. Ny godogodona sy tongotra manindry mafy amin'ny tany, ny tehaka, ary feo manako metatra maro miala eo ; hira gasy mitazona ny fomba fa malaza any an-toerana.
Ny tarika Dornasy dia misolo tena ny Sihanaka rehetra.
Jeunesse, élection et la participation dans la politique à Madagascar. Emission spéciale célébration de la Journée internationale de la jeunesse. Le rôle accordé aux jeunes dans les partis politiques, le renforcement de capacité pour les jeunes membres d’un parti politique. Le but de leur adhésion à un parti politique. Interview avec trois jeunes malgaches : Dimitri Randrianantenaina, Rakotoson Ambinintsoa Kevin et Lolly Ranaivoson. Ils sont tous membres du parti politique Hery Vaovao ho an’i Madagascar ou HVM.
Ny tontolon’ny tanora sy ny fifidianana ary ny fandraisan’anjara ao anaty antoko politika eto Madagasikara. Izay mifanindry andalana amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora. Ny anjara andraikitra omena ireo tanora ao anatin’ny antoko politika. Ireo karazana fanamafisana traikefa sy fanabeazana ara-politika izay omena azy ireo. Ny tanjona hidiran’izy ireo ao anaty antoko politika. Resadresaka niarahana tamin’ny Tanora telo mianadahy : Dimitri Randrianantenaina, Rakotoson Ambinintsoa Kevin ary i Lolly Ranaivoson. Izy ireo dia samy mpikambana ao amion’ny antoko politika Hery Vaovao ho an’i Madagasikara na HVM.