Le rock-sudiste est un genre de musique qui mélange le rock, du blues au Heavy Metal, avec la musique traditionnelle du Sud de Madagascar comme le Banaiky ou le Tsapiky. Ça commence avec un peu de blues au début, un petit zest de Reef de Heavy Metal puis on ajoute le rythme du Tsapiky, nous raconte Doc Metaly, membre du groupe Mendorave, sur la composition de leur morceau Mangily Ambony Ambany. Solofo Ranaivo, journaliste spécialiste du Rock et du Metal explique que la musique traditionnelle ne perd pas son identité, la base est toujours là.
Karazana mozika mampifangaro ny mozika roka, toy ny Blues na Heavy Metal, sy ireo mozika netim-paharazana avy any atsimon’i Madagasikara, Tsapiky na Banaiky, ny « Rock-sudiste ». Atomboka amina Blues kely aloha amin’ny voalohany ary apiana “Reef” ana “Heavy Metal” indray avy eo ary izay vao ataingina eo ny gadona Tsapiky hoy i Doc Metaly, mpikambana ao amin’ny tarika Mendorave, raha miresaka ny namoronany ny hiran’izy ireo mitondra ny lohateny hoe Mangily Ambony Ambany. Manazava kosa i Solofo Ranaivo, mpanao gazety mpikirakira momba ny mozika rock sy metal fa tsy mahavery ny maha izy azy ilay mozika netim-paharazana ny fanafangaroana azy amin’ny mozika avy any amin’ny firenena hafa rehefa ao ny fototra itoeran’ilay izy.
La charte de bonne conduite pour les partis politiques a atteint plus d’une trentaine de signatures. C’est une initiative lancée par la fondation Friedrich Ebert Stiftung qui a été présentée officiellement hier à Antananarivo. Mireille Clémence Andriambolanoro, la responsable des programmes de gouvernance participative auprès de la FES Madagascar nous a expliqué l’importance de cette charte vis-à-vis de la situation politique à Madagascar. L’application et la suite de cette charte jusqu’à l’élection présidentielle sont les rôles des organisations de la société civile et les institutions étatiques.
Nahatratra telopolo mahery ireo antoko politika nanao Sonia ilay sata mifehy ny antoko politika. Izay notontosain’ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung ka natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 23 aogositra. Fanazavan’i Mireille Clémence Andriambolanoro, tompon’andraikitra amin’ny fandaharan’asa gouvernance participative ao amin’ny FES Madagascar. Ny maha zava-dehibe izany sata izany manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Ny fampiharana sy ny fanohizana io sata io hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny andraikitry ny firaisamonim-pirenena sy ny andrim-panjakana amin’ny fampiharana io sata io.
Grâce au bulletin unique, il est simple pour l’électeur de choisir son candidat durant une élection. Les électeurs n’ont qu’un seul bulletin à manipuler, du coup cela évite les confusions durant la phase de réflexion dans l’isoloir. Cela facilite également la manière de voter : il suffit tout simplement de cocher la case où il y a le candidat de votre choix. Le choix des électeurs est facilité du fait que les candidats sont tous présent sur le même support. En même temps, les candidats ont une égalité de chance d’être présent sur le bulletin de vote, ainsi la visibilité est égale pour tous les candidats. Cela évite pour tous candidats d’être avantagés à cause de sa disposition sur la table au bureau de vote.
Sur le côté organisationnel, le bulletin unique réduit les coûts de l’impression des bulletins de vote.
Inona no maha zava-dehibe ny bileta tokana ?
Manamora ny fifidianana ny fampiasana ny bileta tokana. Mora ho an’ny mpifidy ny misafidy amin’izay fotoana izay satria hita eo amin’io bileta tokana io daholo izay kandida ho fidiana rehetra. Noho izay anarany izany, bileta tokana ihany no kirakirain’ny mpifidy ary izany indrindra no manamora ny safidiny rehefa ao amin’ny tranofisainana. Asiana marika eo amin’ny faritra mifanitsy amin’ilay kandida tiana ho fidiana. Mitovy tantana ny fandraisana ireo kandida sy ny fisehon’izy ireo rehefa mampiasa bileta tokana. Tsy manome vahana amin’izay ny laharany eo amin’ny latabatra hitoerany raha bileta tsirairay no hampiasaina
Eo amin’ny lafiny fikarakarana kosa, tsy mandany vola ny bileta tokana eo amin’ny resaka fanotana.