COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesProverbes / Kozio ahy

Rovasoa Andriamparany

Rovasoa Andriamparany

La propagation du « coronavirus » a des impacts négatifs sur l’économie malgache. Si l’on prend l’exemple des bateaux qui ont été refoulés dans les ports malgaches, cela constitue un manque à gagner pour l’opérateur économique et l’Etat, à travers les frais de douanes.


Misy fiantraikany goavana ara-toe-karena ny fiparitahan’ny aretina « coronavirus ». Raha raisina izao ohatra ny fiantraikan’ireny sambo mpitondra entana tsy nahazo alalàna niditra teto Madagasikara ireny dia sady mampisy fatiantoka ny tompon’entana no mampihena ny vola miditra amin’ny fanjakana.

Santionany izay fa araho ao anatin’ny fandaharana « Hono Hoà » ny andinindininy miaraka amin’ny mpahay toekarena Jarus Ralalason.

Quatre mois après la découverte du Covid-19, le nombre de personnes infectées ne cesse d’augmenter et le virus touche aujourd’hui plusieurs pays.

Face à cette menace, les entreprises malgaches prennent des précautions en sensibilisant leurs employés à travers des affiches.  Les informations essentielles telles que les symptômes, les comportements à adopter au cas où une personne est infectée est le plus important : quelles précautions prendre pour limiter la propagation de la maladie.

Par ailleurs, les médecins et le personnel de santé préconisent le lavage fréquent des mains et la propreté en générale.

Le plagiat commence à marquer la culture malgache d'aujourd'hui. Est-ce qu'on peut qualifier cela d'inspiration ou d'influence ?


Matetika ny rivotra avy any ivelany any no entin’ny ankamaroan’ny mpihira amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Aingam-panahy izany fakan-tahaka ?

Ny fakan-tahaka dia tarazo, raha ny eritreritr’i Ramanankasina Daddy, mpandraharaha ara-kolotsaina. Ary isan’ny manome vahana io fakan-tahaka io ny tsy fisian’ny « conservatoire de musique » eto Madagasikara.

Mampiray Solofoniaina kosa, izay mpahay tantara ary ingénieur culturel, dia mahita fa ny lalàna mifehy ny maha-artista na mpanakanto dia tokony hampahafantarin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ary tokony hakambana anaty fehezan-dalàna iray izy ireo (code) mba tsy hiparitahany.

mercredi, 11 mars 2020 14:21

Revue de presse du 11 Mars 2020

La tenue du match aller pour la qualification pour la CAN 2021 entre les Barea de Madagascar et les Eléphants de la Côte d’Ivoire dépendra de la décision de la Confédération Africaine de Football.

Affaire Thierry Rakotonarivo : La Haute Cour Constitutionnelle n’est pas en mesure de destituer le vice-président de la CENI et renvoie au règlement intérieur de cette entité.

Attaque à main armée à Ilanivato : Un père de famille mort abattu par balle, son enfant et un collégien sont aussi blessés. 


Lalaon’i Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire : Miandry ny fanapahan-kevitry ny kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina Kitra (CAF) ny hanatanterahana na tsia ny lalao.

Fanonganana ny filoha lefitry ny CENI : Mbola misy ny fepetra tokony harahin’ny mpitory ny filoha lefitra vao afaka tonga amin’ny fanonganana azy na tsia hoy ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana.

Fanafihana teny Ilanivato : Raim-pianakaviana iray no maty voatifitry ny jiolahy, naratra mafy kosa ny zanany sy mpianatra iray.

mercredi, 11 mars 2020 13:52

Sifflet du 11 Mars 2020

Après l'annonce faite par le Ministère de la Jeunesse et des Sports sur l’annulation de toutes les rencontres internationales à Madagascar, le match des Bareas contre les Elephants pour l’éliminatoire de la CAN 2021 semble compromis. Toutes les instances sportives concernées attendent encore le verdict de la CAF, prévue pour cette semaine.

Le judo club de l’ASCO Tuléar est l’un des clubs les plus prestigieux de Madagascar. Ils ont raflé de nombreux palmarès et leurs athlètes font toujours partie des meilleurs appelés en équipe nationale.


Tsy mbola fantatra na hisy na tsy hisy ny lalao eo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefanta an’i Côte d’Ivoire izay tokony hatao ny 29 martsa sy 31 martsa ho avy izao. Tao aorian’ny naoty navoakan’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena omaly mikasika ny fiatoan’ny fikarakarana sy fandraisana lalao iraisam-pirenena eto Madagasikara. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny CAF.

Ny klioba Judo ASCO Tuléar dia isan’ireo klioba manana ny lazany indrindra eto Madagasikara. Efa nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara ny mpikatroka avy ao aminy ary antsoina handrafitra ny ekipam-pirenena matetika.

mercredi, 11 mars 2020 13:48

Journal des régions du 11 Mars 2020

Cyrille Cornu, photographe, expose les baobabs citernes du Sud à la Galérie indigo Antsiranana.

200 balises électriques alimentées par l'énergie solaire ont été installées sur la piste de l’aéroport de Fort Dauphin.

La saison des randonnées 2020 de l'ORTANA débutera le 14 mars à Ambohimanga.


Hisokatra eny Ambohimanga amin’ny 14 martsa izao ny fitsangatsanganana mandeha tongotra lavitra taona 2020 ataon’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga

Baobabs citernes : ireo baobab lavahana atao fitahirizan-drano any amin’ny foko Mahafaly. Anaovana fampirantiana any Antsiranana

Seranam-piaramanidina ao Fort Dauphin : Efa afaka mandray sidina amin’ny alina.

Rado Andriamanisa est un artiste complet. Auteur et compositeur, il excelle dans l’écriture de paroles. Il nous partage ses petits secrets pour trouver l’inspiration. Nous allons également faire connaissance avec le jeune batteur, Tsiory, qui va nous parler de son travail.


Isan’ ny ain-dehiben’ ny mozika ny tononkira hoy i Rado Andriamanisa, mpamoronan-kira sy tonony ary feony. Amin’ny maha-kanto ny famoronan-kira dia manan-danja lehibe ny aingam-panahy. Manana ny fahazarany i Rado rehefa te-hamoha ny aingam-panahiny.

Ankoatra izay, hamantatra ny asan’izany mpively amponga maroanaka izany koa isika miaraka amin’i Tsiory.

« Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihatona ». Cela peut être traduit par l'expression "on récolte ce que l’on sème". Plus de détail avec l’enseignant chercheur à l'Université d'Antananarivo, Jule Razafiharijaona.


Fehezan-teny entina hilazana fa arakaraky ny zavatra hatao eo amin’ny fiarahamonina ihany ny fiatraikan’izany eo amin’ny fiainana any aoriana any hoy Jule Razafiharijaona, mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo.

mercredi, 11 mars 2020 13:35

Sandrify : « Kabary »

La parole est indissociable de la vie des malgaches, selon la tournure ou l’intonation, elle peut améliorer ou détruire une situation. Le « Kabary » ou l’art oratoire fait partie de ces paroles et il a évolué avec le temps.

Manana endrika maro ary tsy mitsahatra mivoatra ny kabary, nanomboka tamin’ny faha-Mpanjaka ka hatramin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Tsy afa-misaraka amin'ny fiainan’ny malagasy ny kabary ary fitaovana iray mety hanatsara na hanimba fiainana sy fiarahamonina.

L’écouteur" est utilisé pour écouter de la musique ou pour passer un appel téléphonique. De nos jours, les jeunes ont tendance à abuser de ces écouteurs. Or, l’utilisation abusive d’écouteurs peut nuire à la santé, selon le Docteur Sedra Niaina.


Ny « écouteur » dia ilay fitaovana ampiasaina amin’ ny fihainoana mozika na antso an-telefaonina ireny. Ny ankamaroan’ ny olona dia mampiasa azy ireny amin’ izao fotoana izao fa indrindra isika tanora. Tsara ho fantatra nefa fa misy voka-dratsy ny fampiasana azy ireny tafahoatra araka ny fanazavan’ i Dr Sedra Niaina, mpitsabo. Horesahina ao amin’ ny tapany faharoan’ ny fandaharana kosa ny mikasika ny fitevehana vatana.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter