-la riz pisciculture : une filière qui offre des opportunités économiques importantes pour Antananarivo
-Des étudiants veulent sensibiliser les jeunes à revendiquer leurs droits à travers un concours interuniversitaires.
-La chaine du livre rencontre des difficultés à Madagascar
- Mba ho fisorohana ny aretina Coronavirus, mandray fepetra amin’ ny fampahafantarana ny mpiasa sy ny olona mivezivezy ao aminy ny orinasa sasany.
- Fomba iray hahafahana mampitombo ny famokarana vary sy famokarana trondro eto Antananarivo ny fiompiana trondro eny an-tanimbary.
- Hamahana ny olana sedrain’ny rohin’ny boky eto Madagasikara dia niova ho rafitra mpandrindra ny tontolon’ny boky ny tranombokim-pirenena.
« Mokondoha » désigne une personne qui persiste sur la véracité de ce qu’il ou elle dit. Selon les scientifiques, le « Mokondoha » est le centre qui commande les fonctionnements du cerveau.
Ny hoe « Mokondoha » dia faritra somary mivonto eo amin’ny loha, ao ambony hatoka ao. Ao no misy ny foibe mibaiko ny fiasan’ny ati-doha. Ny hoe « be mokondoha » dia fizirizirian’ny olona iray amin’ny heviny hoy i Fanja Razafimamonjy, mpikaroka momba ny teny.Â
Le rôle d'un responsable des ressources humaines ne se limite pas à l’administration du personnel. En cas de problème avec les travailleurs, il se charge de dialoguer avec le syndicat des travailleurs afin de trouver des solutions adéquates. Â
Tsy mijanona eo amin’ny hoe fandaminana ny fotoana hiasan’ny mpiasa sy ny fandraisana mpiasa ihany ny asan’ny « Responsable des Ressources humaines ». Tafiditra ao anatin’ny asan’izy ireo ihany koa ny miresaka amin’ny Sendikan’ny mpiasa hahafantarany ireo olana mianjady amin’ny mpiasa mba hahafahany mamaha ireo olana sedrain’ireo mpiasa.
La politique nationale de gestion maritime a été validée hier Indemnités des enseignants.
Le ministère de l’éducation nationale dit accélérer la mise en œuvre de l’accord de 2018.
Travailler au Canada : Comment faire ? Vous aurez la réponse dans le journal.
 Miandry fanovana didim-panjakana vao azo aloha avokoa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra sy ny mpiasa birao ao Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
Nolaniana omaly ny politika nasionaly mikasika ny fitaterana an-dranomasina.
84 % ny tanora no miatrika loza amin’ny fampiasana aterineto araka ny fanadihadiana nataon’ny ONG Youth First tamin’ny 2019.
Les 3 lauréats du Bacc 2019 choisis par la Fondation Siteny pour un voyage aux Etats-Unis sont de retour au pays. Cette fondation organise ce genre de voyage pour encourager les jeunes à exceller dans leurs études.
Tafaverina omaly ireo ankizy 3 afaka bakalorea 2019 nosafidian’ny Fondation Siteny homena valisoa ka nitsidika an’i Etazonia. Entina hamporisihina ny mpianatra ho mendrika hatrany sy hijery traikefa hafa no nahatonga ny « Fondation Siteny » hikarakara ity hetsika ity, nanomboka ny taona 2017.
Alaotra Mangoro : les rizières utilisées pour le riz « Jeby » sont inondées par les fortes pluies de janvier. Ce qui rend la récolte difficile et les propriétaires doivent recourir aux services des « mpandidy vary » ou petits moissonneurs, mais cela implique un partage de la récolte.Â
Tuléar : Le centre « Vonjy » qui accueillera les victimes d’exploitation sexuelle va être inauguré incessamment par l’Unicef à Toliary.
Antananarivo : Deux individus ont été placés sous mandat de dépôt à la Maison centrale d’Antanimora pour la vente de poissons impropres à la consommation. Les poissons viennent du Marais Masay et sont prévus être écoulés dans quelques marchés de la capitale.
Madagascar : la saison de pêche crevettière 2020 s’ouvrira le 1e mars 2020 à 5 heures du matin dans tout Madagascar. Par ailleurs, il est interdit de pêcher entre 21h et 5h du matin pour la côte ouest dès l'ouverture jusqu'au 14 avril.
 Alaotra : Difotry ny rano ny vary jeby any alaotra noho ny habetsahan’ny ranon’orana nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona.
Tuléar : Hitokana ny ivotoerana faha-dimy handraisana sy hihainoana ny vehivavy iharan’ny herisetra sy ny fanararaotana ny Unicef. Nampitondraina ny anarana hoe « Vonjy » ilay ivotoerana ary hiasa manomboka ny voalohan’ny volana martsa 2020.
Tana : Olona roa tratran’ny polisy nitondra trondro milanja 15 kilao avy nojonoina tao amin’ny ranon’ny Masay (Andranobevava). Saika ho entina amidy eny amin’ny tsenan’Ambohimanarina, Talatamaty, Ambohibao ary Ivato ireto trondro ireto izao tra-tehaka izao.
Madagascar : Misokatra ny vanim-potoana fanjonoana makamba ho an’ity taona ity , hanomboka ny voalohan’ny volana martsa amin’ny 5 ora maraina izany ary hifarana ny faha 14 aprily. Marihina fa tsy azo atao ny manjono manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina ho an’ireo mpanjono mipetraka amin’ny sisin-tany andrefana mandritra ny vanim-potoana fanjonoana. Â
L’hypocondrie et la bipolarité ne sont pas des maladies mais une trouble mentale. On peut donc les éviter, les soigner ou faire un suivi auprès d’un psychologue. Le psychologue Rakotondratsimba Tahiry nous en parle dans l’émission Sante Nakà .
Tsy aretina ny hypocondrie sy ny bipolarité fa fikorontanan-tsaina. Noho izany dia azo atao tsara ny misoroka sy mitsabo azy ireo ary azo arahi-maso akaiky raha manatona psychologue. Azavain’ny psychologue Rakotondratsimba Tahiry ao anatin’ny fandaharana Sante Nakà ny fitsaboana ireo aretina ireo.
La progéniture se dit « sombiniaina », « menaky ny aina » ou encore « silaky ny aina » en malgache. Elle hérite des comportements de ses parents. Selon le proverbe malgache, c’est également la première richesse d’un ménage. L’infertilité d’un des parents est la pire des sorts selon les explications de l’orateur Santatra Rabefihavanana. Dans l’ancienne société malgache, les personnes infertiles étaient rejetées par la société et n’étaient pas enterrées dans le tombeau familial. Les enfants sont les seuls sur qui les parents peuvent compter quand ils sont vieux. Une période où ils attendent le fameux « valim-babena »
Ny zanaka dia ilay antsoina hoe sombiniaina, menaky ny aina, silaky ny ainy. Ambara ihany koa hoe atody orokoroka na ilay famindrana ny toetran’ ilay ray amandreniny amin’ ny zanany. Araka ilay ohabolana dia ny zaza no voalohan-karena ary tena fara-fahoriana ho an’ ny malagasy ny tsy fananan-janaka araka ny fanazavan’ i Santatra Rabefihavanana, mpikabary. Tsy milevina am-pasan-drazana ary ahilikin’ ny fiaraha-monina ny olona momba teo amin’ny malagasy. Rehefa tonga ny fahanterana dia ny zanaka no farany ianteherana sy iandrandrana valim-babena.
Qu’est-ce que la bonne gouvernance sportive ? Où en étions-nous côté gestion ? On parlera de cette forme de bonne gouvernance pour chaque discipline sportive au niveau de chaque responsable dans l’émission hilaoeky. Les intervenants du jour : Antsoniandro Andrianorosoa Directeur technique national du rugby et Rajaonosoa Faly Nirina Vice-président du CBT (pétanque).
Inona no atao hoe fitondrana tsara tantana eo amin’ny sehatry ny fanatajahantena na « Bonne gouvernance » ? Manao ahoana ny rafi-pitantanana raha hiresaka momba ny fanatanjahantena isika eto Madagasikara ? Hilaoeky mikasika ny fitondrana tsara tantana eny anivon’ireo mpitantana isan’ambaratongany amin’ny fanatajahantena i Antsoniandro Andrianorosoa tale tekinika nasionaly ny baolina lavalava sy i Rajaonosoa Faly Nirina, filoha lefitry ny CBT (tsipy kanetibe).
Le vin, c’est de nombreux métiers à chaque étape de la production, mais aussi toute une culture qu’il faut approfondir. Après des années d’expérience en tant qu’œnologue, Isabelle Rakotozafy s’est convertie à l’enseignement pour partager sa passion et inviter les jeunes à s’y intéresser.
Mamorona asa maro ny famokarana divay, manomboka any amin’ny fambolena voaloboka ka mandrapahatongan’ilay zava-pisotro eny ambony latabatra. Ankoatra izay dia mifono kolontsaina sy fahaiza-manao ihany koa izy. Sehatra mbola azon’ny tanora hivelarana tsara izy io, indrindra amin’ny lafiny fikarohana, hoy i Isabelle Rakotozafy, manam-pahaizana manokana momba ny divay.