Quand on dit vacances, nous pensons tout de suite à la mer, à la plage et aux baignades. Mais il y a d’autres manières de profiter pleinement de ces moments de détente. Comme les balades en pirogue. Toutefois c’est à chacun de choisir ce qui lui convient, la pirogue à pagaie ou celle à moteur. Raymond avec sa pirogue à pagaie va nous faire visiter les barrages naturels et les animaux marins dans la mer de Foulpointe. Quant à Dadao, il va nous emmener faire quelques kilomètres avec sa pirogue à moteur pour découvrir les plages de l’île aux Nattes, qui se trouvent dans la pointe Sud de l’île Sainte Marie.
Mieritreritra avy hatrany ny ranomasina sy ny hilomano isika rehefa fotoanan’ny fialantsasatra. Misy fomba hafa anefa afaka hanararaotana izany, toy ny fitsangatsanganana amin’ny lakana. Anjaran’ny tsirairay noho izany ny misafidy izay mety aminy, na ny lakana fivoy na ny lakana mandeha amin’ny maotera. Entin’i Raymond mijery ireo biby any andranomasina sy ny tohodrano voajanahary isika any amin’ny ranomasin’i Foulpointe. I Dadao kosa dia hitondra antsika amin’ny lakana motera amina kilometatra vitsivitsy, hitsidika ireo torapasika mampalaza an’i îles aux Nattes, izay any amin’ny tendrony atsimon’ny nosy Sainte Marie.
Le choléra se manifeste par la diarrhée et des vomissements. C’est une maladie causée par le bacille Vibrio Cholerae, une bactérie contenue dans les selles d’un malade et qui se transmet avec l’eau sale. Suite aux passages des cyclones Cheneso et Freddy, l’OMS avertit Madagascar sur un risque d’épidémie. Pourquoi le risque est-il accru en cas d’inondations ? Réponse avec l’épidémiologiste Maherisoa RATSITORAHINA.
Ny choléra dia mahatonga olona iray hivalana sy handoa. Aretina vokatry ny bacille Vibrio Cholerae izy io, bakteria ao amin’ny dikin’ny marary iray izay mifindra amin’ny alalan’ny rano maloto. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso sy Freddy dia mampitandrina ny mety hisian’ny valan’aretina eto Madagasikara ny OMS. Fa maninona no atahorana kokoa izany rehefa misy tondra-drano ? Mamaly antsika ny manam-pahaizana mikasika ny valan’aretina, Maherisoa RATSITORAHINA.
La filariose se manifeste par le gonflement du pied, appelé également éléphantiasis, ou le gonflement du testicule. C’est une maladie tropicale causée par des vers parasites introduits par les moustiques. Grâce à la sensibilisation à l’utilisation des moustiquaires, le nombre de cas diminue graduellement. Les malades se chargent eux même du traitement s’il y avait un projet de soin spécial pour cette maladie avant à Mananjary.
Miseho amin’ny alalan’ny fivontosan’ny tongotra, antsoina ihany koa hoe éléphantiasis, sy ny fivontosan’ny bonga eo amin’ny lehilahy ny aretina filariose. Voasokajy ho isan’ireo aretina mpahazo ireo firenena eo anelanelan’ny tropika izy io. Vokatry ny fisiana kankana any anaty rà azo taorian’ny kaikitry ny moka. Efa vitsy ireo tranga ankehitriny. Mitsabo tena irery ireo marary sisa tavela raha nisy ny tetikasa manokana mitsabo izany tany Mananjary taloha.
La menthe est une plante herbacée riche en vitamine C, fer, magnésium et manganèse. Elle aide à la digestion. C’est un anti inflammatoire naturel grâce à ces vertus. Un remède naturel contre la toux, grâce aux menthols.
Le cornet est un organe dans le nez. Il se gonfle en cas des allergies nasales. Le traitement consiste à boucher des vaisseaux sanguins du cornet inférieur, grâce à la chaleur ou produits appliqués localement. En cas d’échec, il faut l’enlever à travers une opération.
Manankarena Vitamine C, fer, magnésium ary Manganèse ny solila. Manampy amin’ny fandevonan-kanina, ody fery ary ody kohaka izy noho izy manan-karena menthol.
Ny kambon’orona dia taova ao amin’ny vatan’olombelona. Mivonto kosa izy rehefa misy zavatra tsy zakany ary mbola azo tsaboina izany. Raha tsy mahomby izany dia dorana na tapahina tanteraka ny fitsaboana azy.
Ce n’est pas très courant le traitement avec de l'eau thermale à Antsirabé. Quand on y pense cela nous fait toujours pensé à un moment de détente entre amis ou bien en famille. Cependant il y a plusieurs maladies qui peuvent être guéries par cette méthode. Si on passe au centre à Antsirabé on peut apercevoir des personnes atteintes de maladie cardio-vasculaire, des accidentés de la circulation ou autres, il y a même une liste des maladies traitées affichés sur un grand mur.
Dans la partie deux de l’émission le docteur Andrianaivomamonjisoa Hasimihamina Hobiana va nous expliquer ce qu’est l’acupuncture.
Tsy dia fahenon-tsika matetika ny hoe fitsaboana atao amin’ny ranomafana any Antsirabe any. Toa hitsangatsangana sy hilona rano mafana foana ihany no mahazatra. Aretina maro anefa no tsaboina any ary efa maro ireo nahita vokan-tsoa tamin’izy io. Hita eny avokoa ireo tapaka lalan-dra; ireo malemy izay atositosika amin’ireo seza misy kodiarana ireny, fa efa misy lisitra na aretina maro azo tsaboina kosa hita amina takelaka goavana eo amin’ny fidiran’ny dobo filomanosana.
Eo amin’ny tapany faharoan’ny fandaharana kosa dia hamahavaha an’izany hoe “Acupuncture” na fitsaboana amin’ny fanjaitra volamena ny dokotera Andrianaivomamonjisoa Hasimihamina Hobiana.
La santé sexuelle n’est pas au premier plan pour les jeunes Malgaches surtout le traitement des MST. Selon les médecins les nombres de jeunes qui viennent chez eux pour des raisons sexuelles sont encore insignifiants. Et les hommes sont en plus petit nombre par rapport aux femmes.
Dans ce reportage on va vous emmener dans un Centre de santé de base CSB. Comment se font les prises en charge? Quels sont les bons à savoir, les protections à faire ? Meva, sage-femme, nous explique.
Mahamenatra matetika ny manatona tobim-pahasalamana raha mahakasika ny fananahana, indrindra moa fa hoe misy aretina mahazo. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia vitsy ireo tanora tonga mizaha mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ary anatin’ireo dia vitsy ihany koa ny lehilahy fa matetika na manam-bady aza dia ny vehivavy irery ihany no tena manatona mpitsabo.
Entiko eny amin’ny toeram-pitsaboana fototra na CSB iray isika. Nandeha nanadihady mahakasika ny fandraisana an-tanana sy ny faharisihan’ny tanora hahazo fitsaboana mahakasika ny fananahana aho. Ny Rasazy Meva no nandray ahy.
La plupart du temps quand on a un problème auditif, des irritations ou bien des gènes au niveau de l’oreille on a tendance à toute de suite se curer les oreilles. Si le problème persiste on va chez le médecin ORL.
On fait parfois fausse route car c’est peut-être dû à des allergies surtout quand ses problèmes auditifs sont accompagnés du nez bouché.
Nous avons demandé à un technicien Audiologiste, Jocely, de nous donner plus d’explication à ce sujet. En plus de la corrélation entre allergie et problème auditif il nous livre des conseils pour une bonne hygiène des oreilles.
Rehefa manana olana amin’ny sofiny isika, mangidihidy, tsentsina, tsy maheno tsara dia manana fahazarana ny hisikotra sofina avy hatrany. Rehefa tsy mbola hahitam-bahaolana izany dia manantona mpitsabo sofina.
Indraindray anefa tsy olana eo amin’ny sofina no mahatonga an’izy iny fa avy amina tsy fahazakana savatra manokana na ilay hoe “Allergies”.
Handeha ary hanontanian-tsika an’ireo matihanina indray hanazava misimisy kokoa ny mahakasika an’ity tranga ity. I Jocely izay teknisiana mahakasika ny fandrenesana no hanazava misimisy kokoa ny mahakasika an’izany. Sady hanolotra fikafika fitandroana ny sofina.
C’est à partir de l’intensité du vent qu’on mesure l’intensité du cyclone. En général, cette intensité passe par 5 à 6 niveaux : perturbation tropicale (PT), dépression tropicale (DT), on lui donne un nom au moment où il devient une tempête tropicale modérée (TTM) avec des rafales à partir de 60km/h, forte tempête tropicale modérée (FTM), cyclone tropicale (CT), cyclone tropicale intense, (CTI), cyclone tropicale très intense (CTTI). Certains cyclones sont plus intenses que les autres. Cela dépend de l’endroit où il s’est formé. Par exemple, le cyclone Freddy s’est évolué depuis un certain moment dans l’océan, l’humidité et la chaleur de l’océan lui procure son intensité explique Lovandrainy Ratovoarisoa, météorologue.
Amin’ny alalan’ny hamafin’ny rivotra entin’ny rivo-doza no handrefesana ny hamafiny. Amin’ny ankapobeny, mandalo eo amin’ny antanantohatra 5 hatramin’ny 6 eo izany hamafiny izany : perturbation tropicale (PT), dépression tropicale (DT), omena anarana izy rehefa tonga ho tempête tropicale modérée (TTM) miaraka amin’ny tafiotra 60km isan’ora, forte tempête tropicale modérée (FTM), cyclone tropicale (CT), cyclone tropicale intense, (CTI), cyclone tropicale très intense (CTTI). Misy amin’ireo rivo-doza sasany mafy noho ny hafa noho ny toerana niforonany. Ohatra izao ny rivo-doza Freddy izay nivoitra tany amin’ny ranomasina efa fotoana ela ela, ny hamandoana sy ny hafanan’ny ranomasina no manome azy izay hamafiny izay hoy ny fanazavan’i mpamantatra ny toetr’andro Ratovoarisoa Lovandrainy.
Durant la COP27 au mois de novembre 2022, Madagascar a réclamé la somme d’argents que les pays du Nord ont promis de donner pour compenser les pollutions industrielles. Selon les explications du responsable de projet chez CRAAD-OI, Toavina Rasolofoson, la question financière n’a pas encore été abordée. Madagascar n’a reçu que des aides techniques : sur le plan météorologique, on peut prédire les catastrophes naturelles afin de mieux se préparer. Selon toujours ses explications, Madagascar a besoin d’une aide technique et à la fois financière.
Nandritra ny COP 27 tamin’ny novambra 2022, nangataka ilay vola nampanantenain’ireo firenena avy any avaratra ho fanonerana ny fandotoana i Madagasikara. Araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra ara-tetikasa ao amin’ny CRAAD-OI, Rasolofoson Toavina, mbola tsy nahazo an’io vola io i Madagasikara fa tohana ara-teknika no azo. Hahafahana mahafantatra mialoha ireo loza voajanahary ireo tohana ara-teknika ireo hahafahana miomana araka ny fanazavana. Sady tohana ara-bola no tohana ara-teknika no ilain’i Madagasikara hoy hatrany i Rasolofoson Toavina.
À chaque nouvelle année comme celle-ci, la plupart d'entre nous se défient de réaliser des résolutions tout au long de l’année : pratiquer du sport, arrêter de fumer, économiser plus d’argent etc. Mais à la fin de l’année, certaines n’ont même pas été entamés et d’autres sont vite abandonnées. Comment bien choisir ses nouvelles résolutions ? Comment trouver la motivation et la discipline pour les tenir ? Tahiry Rakotondratsimba, pyschologue, et Toavinarivelo Andriamiarintsoa, étudiant chercheur en philosophie vont en débattre.
Matetika rehefa voalohan’ny taona toy izao dia mazoto daholo ny ankabeazan-tsika hametraka vina mandritra ny taona. Ohatra hoe tsy hifoka sigara intsony, hanomboka hanao fanatajahantena, hanangom-bola amin’izay sns. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, tonga ihany ny faran’ny taona ka mijery ny zava-bita, ao ny tanteraka ao ny tena tsy natomboka mihitsy aza. Ahoana ny hifidianana tsara izay vina tokony apetraka sy azo tratrarina ? Ahoana ny hambolena fahazotoana sy fahazarana any amin’ny tsirairay ? Maneho hevitra momba izany i Rakotondratsimba Tahiry, mpahay toetr’olona sy i Andriamiarintsoa Toavinarivelo, mpianatra mpikaroka filozofia.