COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

L’addiction à la drogue dure est observée dès l’âge de 15 ans chez les jeunes malgaches. Depuis la pandémie COVID-19, l’addiction à la consommation de cette drogue n’a cessé d’augmenter chez les jeunes. Le traitement de sevrage est un des moyens pour aider les personnes avec des addictions. Docteur Ando Christian RAMPARANY, Médecin chef au Centre de santé mentale Saint Benoît Menni Imerintsiatosika nous en parle dans l’émission.

Manomboka eo amin’ny faha 15 taona dia efa ahitana tanora malagasy tratran’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika na ny drogue dure. Raha ny hita dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ireo tanora tratran’ny fiankinan-doha amin’ity drogue dure ity nanomboka tamin’ny nidiran’ny COVID-19 teto amintsika. Ny sevrage dia fomba iray ahafahana manampy ireo tratran’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Manazava izany amintsika ato anatin’ny fandaharana ny mpitsabo Ando Christian RAMPARANY, Tale mpikarakara ny lafin’ny ara-pitsaboana eny amin’ny Centre de santé mentale Saint Benoît Menni Imerintsiatosika.

L'une des causes profondes des conflits entre couple et peut même conduire à la séparation est le manque de communication. On ne le remarque pas mais la plupart le vie quotidiennement. Comment réagissent les jeunes face à cela ? Quatre jeunes en ont débattu. Parmi eux, ceux qui se sont mariés à la mairie et à l’église et ceux qui vivent juste ensemble. Un coach en amour les a aidés à trouver des solutions.

Anisan’ny fototry ny olona eo amin’ny adin’ny mpivady sy ny fisarahana mihintsy aza ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny serasera eo amin’ireo olon-droa. Tsy hita mibaribary izy io fa hianana andavanandro anefa. Ahoana ny fanehoan-kevitr’ireo tanora ? Tanora efatra no niady hevitra mahakasika an’izany. Ao ny efa manambady ara-dalana vita soratra vita mariazy tany am-piangonana, ao ny miara mipetraka fotsiny ihany ao ireo vita fomba ihany koa. Nanampy azy ireo nikaro-bahaolana ny mpanabe iray mpanolo-tsaina mahakasika ny fiaraha-miainan’ny mpifankatia.

Reportage

Les agriculteurs d’Ambohitanety dans la commune Alasora utilisent des engrais chimiques pour accélérer la production. Les engrais bio sont plus lents à fabriquer et la terre n’est pas assez fertile dans cette zone. L’association Femme en Action Rurale de Madagascar ou FARM propose le compostage, en plus des engrais issus de boue de zébu.

Interview

Le feu de brousse et la culture abusive sur les pentes dégradent les bassins versants. Le sol s’écoule vers les rizières, les lacs ou encore les rivières. La culture en terrasse est une solution pour y faire face, propose le docteur Anselmo Andrianandrasana, environnementaliste.

Actus

Journée mondiale de la vie sauvage

Astuce

Comment faire un compostage direct sur le sol ?

Reportage

Tsy afa-misaraka amin’ny fampiasana zezika simika ireo tantsaha eny Ambohitanety Alasora satria maika hampiakatra vokatra. Ela kokoa ny famokarana zezika biolojika ary manta ny tany. Vahaolana aroson’ny fikambanana FARM na Femme en Action Rurale de Madagascar kosa ny fanaovana « compost » hafangaro zezi-pahatra.

Interview

Ny doro tanety sy fiasana ny tany hambolena anefa tsy voakarakara akory no isan’ny manimba ny « bassin versant », ilay lemaka sy havoana anelanelan’ny tendrombohitra iny. Mivarina eny amin’ny renirano sy eny an-tanimbary ny atsanga entin’izany. Fanaovana voly manaraka antanatohatra no vahaolana raha te hamboly eny an-tapotanety, hoy ny dokotera momba ny tontolo iainana, Anselmo Andrianandrasana.

Actus

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiainana dia.

Astuces

Ahoana no fanaovana zezika rakotra ?

mercredi, 22 mars 2023 13:17

Le Journal du 22 Mars 2023

  • 29 Mars 1947 : Une date qui n’est pas encore ancrée dans la mémoire de tous les citoyens
  • GIEC : Madagascar parmi les pays très vulnérable au changement climatique
  • NTIC : 1 femme sur 100 a accès à l’ordinateur à la campagne
  • Technologie numérique : les jeunes trouvent un emploi à travers l’internet mobile

  • 29 Martsa 1947 : daty tsy mbola mitoetra ao anatin’ny fahatsiarovan’ny olom-pirenena rehetra
  • Teknolojia vaovao : vehivavy 1 amin’ny 100 no afaka mampiasa solosaina eny ambanivohitra
  • GIEC : Tafiditra ao anatin’ireo firenena marefo mora an-dairan’ny fiovan’ny toetry ny andro i Madagasikara
  • Teknolojia Nomerika : Mahita asa amin’ny alalan’ny internet amin’ny findainy ny tanora

mercredi, 22 mars 2023 13:12

Le Journal des régions du 22 Mars 2023

  • Diana : les habitants d'Antsiranana se plaignent des problèmes de coupure d'eau
  • Amoron'i Mania : des cas de peste confirmés dans trois districts, Ambositra, Manandrina et Ambatofinandrahana
  • Itasy et Androy : développement de la culture du maïs et du sorgho en Itasy, pour approvisionner la banque alimentaire de l'Androy

  • Diana : mitaraina amin’ny fahatapahan-drano lavareny ireo mponina ao Antsiranana
  • Amoron’i Mania : Distrika telo no voamarina fa ahitana trangana peste, Ambositra, Manandrina ary Ambatofinandrahana
  • Itasy sy Androy : ho ampitomboina ny fambolena katsaka sy apemba ao Itasy, hamatsiana ny tahirin-tsakafo ho an’ Androy

De nombreux symptômes peuvent indiquer qu'une personne souffre d'arthrite. L'arthrite peut souvent être douloureuse. La zone touchée peut être meurtrie ou enflée. Dès fois, on ressent la douleur le matin ou lorsqu’on bouge notre corps. Il existe plus de 100 types d'arthrite et ils ont tous des symptômes différents. L'un d'eux est l'arthrose, qui est une maladie causée par le vieillissement des os.

Il existe des aliments spécifiques pour améliorer la santé des os. L’ostéopathe Dr Jacquie Rabeharison conseille spécifiquement les aliments riches en calcium. Cependant, il a également indiqué que pour les femmes enceintes et les personnes âgées, ils devront faire attention au régime alimentaire à propos des aliments riches en calcium.

Maro ireo soritra mety hamantarana fa voan’ny arthrite ny olona iray. Matetika dia mety ho manaintaina ny vanin-taolana, mety ho mangana na mivonto ihany koa eo amin’izany faritra marary  izany. Rehefa ilay mifoha maraina iny na rehefa mampihetsi-batana matetika no ahatsapana an’izay fanaintainana izay. Maherin’ny 100 ny karazana ny arthrite ary samy manana ny fisehony avokoa izy ireo. Anisan’izany ny arthrose izay aretina vokatry ny fahanteran’ny taolana.

Misy ireo sakafo tsara hoanina mba hanatsarana ny fahasalaman’ny taolana. Ireo sakafo manan-karena kalisioma no tena voalazan’i mpitsabo manam-pahaizana manokana momba ny taolana Dr Rabeharison Jacquie. Mila fitandremana ihany koa anefa ny sakafo fihinan’ireo vehivavy bevohoka sy efa nahazo taona amin’izay fihinana sakafo be kalisioma izay.

mercredi, 22 mars 2023 07:57

Sifflet du 19 Mars 2023

  • Levée de fond des personnes handicapées à travers le foot à Mandritsara
  • Les sportifs de Mananjary sont confrontés à des problèmes suite à la destruction de leurs infrastructures après le récent cyclone
  • La 1ere édition Critérium d'Aviron Traditionnel s'est déroulée le samedi 11 mars
  • Le tournoi FIBA ​​​​3x3 World Cup Qualifier 2023 se tiendra à Eilat - Israël, où l'équipe féminine Ankoay participera

  • Fitadiavam-bola ataon’ireo manana fahasembanana amin’ny alalan’ny kitra any Mandritsara
  • Misedra olana ireo mpanao fanatanjahatena ao mananjary vokatrin’ny fahampotehana fotondrafitr’asa tamin’ny fandalovany rivodoza farany teo
  • Natao ny sabotsy 11 martsa teo ny andihany volohany Critérium d'Aviron Traditionnel
  • Atao any Eilat – Israely ny fifaninanana FIBA 3x3 World Cup Qualifier 2023 izay andraisan’ny Ankoay vavy anjara

Le secteur de l’eau, de l’assainissement, et de l’hygiène présente une opportunité d’investissement à Madagascar. Afin de répondre aux besoins dans ce domaine, il nécessite une contribution des jeunes porteurs de projets. Les partenaires techniques et financiers comme l’UNICEF sont accessibles aux appuis et soutiens de tous projets innovants. Les exemples des projets déjà mis en œuvre sont dans la communication, l’infrastructure etc…

Mba hanomezana fahafaham-po ny filana amin'ity sehatra ity dia mitaky ny fandraisan'anjaran'ireo tanora mpamorona tetikasa. Ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola toa ny UNICEF dia afaka manohana sy miara-miasa amin'ny tetikasa vaovao rehetra. Ohatra amin’ireo tetikasa efa tanterahana amin’izao dia eo amin’ny lafin’ny serasera sy fifandraisana, ny fotodrafitrasa, sns.

L’ARTEC répertorie 40 000 cas de cyberattaques tous les jours. Il s’agit surtout de piratages de comptes et de vol de données. Des attaques numériques qui peuvent arriver aussi bien aux entreprises qu’aux utilisateurs individuels. Comment les reconnaître et les éviter ? Réponse avec Harry Rakotondratompo, professeur à la Haute Ecole d’Informatique Antananarivo.

Trangana Cyberattaques 40 000 isan’andro no voaisan’ny ARTEC. Matetika izany dia fanaovana hosoka kaonty sy fangalarana torohay. Fanafihana nomerika izay mety mahazo ny orinasa sy ny tsirairay. Ahoana no ahafantarana sy isorohana azy ireo ? Ny valiny miaraka amin’i Harry Rakotondratompo, mpampianatra ao amin’ny Haute Ecole d’Informatique Antananarivo.

Antsirabe, Ambatondrazaka sont les principaux points d'importation des vendeurs de nymphe à Analakely.

Certains de ces vendeurs vendent 10 à 20 crapauds par jour. Selon eux, son commerce est plus ou moins rentable. Patricia et son mari font partie des vendeurs de sahobakaka qui sont là depuis des décennies. Les gens les achètent souvent en tant que remède.

Cuisse de nymphe fait partie des plats populaires. Il existe différentes manières de le préparer et de le cuisiner. Vous suivrez tous les détails dans l’émission ketrika sy kandra avec une gérante d’un restaurant Ony Razafindrakoto.

Any Antsirabe, Ambatondrazaka iny no tena fanafaran’ireo mpivarotra sahobakaka eny Analakely.

Misy amin’ireo mpivarotra ireo no mahalafo sahobakaka 10 hatramin’ny 20 isan’andro. Raha ny filazan’izy ireo dia mahavelona ihany ny varotra sahobakaka. Anisan’ny Mpivarotra sahobakaka efa amam-polo-taonany maro i Patricia sy ny vadiny. Ataon’ny olona fanafody matetika no tena hividianan’ny olona an’izy ity.

Anisan’ny sakafo be mpitia ihany koa ny cuisse de nymphe. Misy karazany ireo fomba fikarakarana sy fandrahoana azy. Ho arahinao anatin’ny fandaharana ketrika sy kandra avokoa izay anatin’ny fanazavan’i Razafindrakoto Ony, tompon’andraikitra iray aminà  trano fisakafoanana iray.

Reportages :

- Le changement climatique impacte continuellement nos vies surtout pour ceux qui vivent de l’agriculture. Insuffisance de pluie, la saison froide se rallonge… Certains agriculteurs changent leurs façons de cultiver la terre par rapport à ce changement climatique. Pour les autorités, ils ont instauré le calendrier de culture en prenant en compte le climat de chaque région. C’est l’alternative qui permet de réduire l’impact du changement climatique sur l’agriculture. On peut voir dans ce calendrier les étapes de culture, le moment de préparation de la terre, les engrais, le repiquage, …, jusqu’aux moissons.

- Les lumières artificielles qui envahissent l’espace public présentent un risque réel pour l’environnement. Explications avec Rajaonarivelo Andoniaina directeur de l’Observatoire de Besely, sur la pollution lumineuse.

ACTUS :

-  Une réunion des pays membre du projet CHEMOBS ou Chemical Observatory s’est tenu à Madagascar le 24 janvier jusqu’au 26 janvier 2023. Ce projet vise à mettre en place une plateforme de surveillance des produits chimiques pour pouvoir ainsi réduire les impacts négatifs sur la santé et l’environnement.

Astuces :

- Les plantes aromatiques et fleurs, antimoustique et répulsive à mouches

Fanadihadiana :

- Miovaova izao ny toetry ny andro. Tato ho ato, taraiky ny orana, mihalava ny vanimpotoana mangatsiaka. Efa manana ny fikafikany anefa ireo mpamboly entina hiatrehana an’ity fiovaovan’ny toetry ny andro ity. Ny fampifanarahana ny tetiandrom-pambolena isaky ny faritra kosa no isan’ ny paikady hamerana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny famokarana sy ny fambolena. Hevitra iray hampitomboana sy hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ara-pambolena. Hita anaty tetiandro avokoa ny ambaratonga arahina mandritra ny fambolena, fotoana hikarakarana ny tany, fanapariahana zezika, fanetsana, fiavana, fanotorana, fihotazana.

- Miteraka loto ihany koa ny hazavana na ireo jiro artifisialy izay ampiasaintsika isanandro. Io ilay hoe « Pollution lumineuse ». Misy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana ihany koa izy ireny. I Rajaonarivelo Andoniaina, talen’ny Observatoire de Besely no sady manampahaizana manokana momba ny habakabaka no hanazava amintsika mahakasika an’ity loto ateraky ny hazavana artifisialy ity.

Vaovao :

- Nanatanteraka fivoriana teto amintsika tamin’ny 24 janoary hatramin’ny 26 janoary teo ireo firenena misitraka ny tetikasa CHEMOBS na Chemical Observatory. Tetikasa izay mikendry ny hametrahana Ivon-toeram-panaraha-maso ny akora simika hahafahana mampihena ny tandindon-doza mety haterany eo amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.

Fikafika:

-Ireo voninkazo sy hazo manitra manala moka sy lalitra

mardi, 21 mars 2023 12:55

Le Journal du 21 Mars 2023

  • Célébration du Taom-baovao Malagasy ou nouvelle an Malgache dans les écoles : pour la valorisation de notre culture
  • Les femmes ont moins d’accès aux postes de cadre selon l’UNFPA
  • Immigration clandestine : 7 tentatives échouées
  • Concours interuniversitaire de débat de La Haye : l’équipe malgache accède aux 8èmes de finale

  • Fankalazana ny Taom-baovao Malagasy any an-tsekoly : ho fampiroboroboana ny kolon-tsaintsika
  • Vitsy kokoa ny vehivavy mahazo toerana ambony ao amin’ny orinasa araka ny UNFPA
  • Fifindra-monina tsy ara-dalàna : 7 andrana tsy nahomby
  • Fifaninanana fahaiza-mandaha-teny ho an’ny mpianatra : Tafakatra ampahavalon-dalana ny ekipa malagasy

  • Diana : un parc solaire installé à Ankorikahely, Antsiranana
  • Atsinanana : les associations représentant les habitants de Toamasina réclament le lancement du projet Volobe 2
  • Bongolava : le taux de paiement des impôts en hausse dans le district de Tsiroanomandidy
  • Arrêt de la circulation sur de la route nationale 7 au niveau de Behenjy en raison de la montée des eaux

  • Diana : tafapetraka ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ankorikahely, Antsiranana
  • Atsinanana : mitaky ny hampandehanana ilay tetikasa Volobe 2 ireo mponina ao Toamasina
  • Bongolava : niakatra ny tahan’ny fandoavan-ketra ao amin’ny Distrika Tsiroanomandidy
  • Tapaka ny lalampirenena faha7 eo Behenjy noho ny fiakaran’ny rano
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter