Vaton’akoho ou Pierre de Mantasoa. Il s’agit d’une pierre orange, teintée de rouge et de rose, taillée et utilisée comme pot de fleur, décoration murale et de jardin. On peut le trouver dans le district de Manjakandriana, mais en ce moment il se vend aussi à Antananarivo, comme à Ambohibao. Les pots fabriqués à partir de cette pierre, mélangés avec du ciment et de l’eau pèsent entre 5 à 70 kilos. Njaka, un fabricant nous présente son travail.
L’émission nous amène aussi à la découverte d’une maison blanche dans la pointe Sud de Sainte Marie. C’est une maison d’hôte, se situant dans les altitudes de l’île aux Nattes. Avec une vue de 360°, elle fait rêver les visiteurs. On peut y voir les îles avoisinantes. La maison blanche est devenue en quelque sorte un site touristique. Elle a été révélée en 2008.
Vaton'akoho na Pierre de Mantasoa. Karazana vato iray milokom-boasary, misy pentina mena sy mavokely, notapahina ary navadika ho tavim-boninkazo, ho haingona rindrina sy zaridaina. Any amin’ny distrikan’i Manjakandriana no ahitana azy, fa amin’izao fotoana izao efa amidy eto Antananarivo koa izy, toy ny eny Ambohibao. Ny tavim-boninkazo vita amin’io vato io, mifangaro amin’ny simenitra sy rano. Milanja 5 hatramin’ny 70 kilao. Mitantara i Njaka mpanamboatra azy.
Resahana anatin’ny fandaharaha ihany koa ilay maison blanche any amin'ny tendrony atsimon'i Sainte Marie. Trano fandraisam-bahiny, any amin'ny tampo-kavoanan’ny Île aux Nattes. Hita avy eny ireo nosy manodidina. Ary nanjary lasa toerana fizahantany izy amin’izao fotoana. Tamin’ny taona 2008 no nanomboka nalaza ity trano ity.
Anxiété, dépression, schizophrénie, troubles de l’alimentation…des exemples de troubles de santé mentale chez les adolescents. 70% des problèmes de santé mentale apparaissent vers l’âge de 13 à 19 ans.
Bien sûr, les adolescents ont tendance à avoir des sautes d’humeur mais quand les signes sont intenses et durent longtemps, il faut faire une intervention.
Et quels sont donc ces signes ?
Leurs résultats scolaires peuvent se régresser. Ils évitent dès fois leurs entourages. Présentent des excès de colère. Ont des problèmes de sommeil. Ne se soucient pas de leur apparence. Ou au contraire, être obsédés par leur apparence. Manque de motivation et dépriment en tout temps. Ça peut aller même jusqu’à la consommation précoce d’alcool et de stupéfiant.
Ces comportements sont inquiétants s’ils perturbent la vie de l’adolescent au quotidien. Et les parents peuvent réagir, en observant bien le comportement de son enfant, en l’écoutant ou en consultant un professionnel.
Inona avy ireo soritra hamantarana fa manana fikorontanana ara-tsaina ny adolantsento ?
Fanahiana lava, fahaketrahana, ny fikorontanana amin’ny fisakafoanana…ohatra amin'ny fikorontanana ara-tsaina eo amin'ny adolantsento ireo.
Ny 70% amin'ny fikorontanana ara-tsaina dia miseho eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 19 taona.
Toetra voajanahary amin’ny zatovo ny fiovaovana toetra sy fihetseham-po, saingy ilaina fifantohana izany rehefa mafy sy maharitra ela ny fisehony.
Dia inona avy ireo famantarana ireo?
Midina ho azy ny naoty any ampianarana. Lasa tsy tia mifanerasera amin’ny manodidina azy tampoka eo izy. Lasa tezi-dava. Manana olana amin'ny torimaso. Misotro toaka sy mandray zava-mahadomelina aloha loatra. Tsy mivaky loha amin’ny vatany sy toetenany. Na ny mifanohitra amin'izay, variana loatra amin'ny fikarakarana izany. Tsy mazoto ary ketraka ara-tsaina isan’andro.
Mampanahy ireo fihetsika ireo raha toa ka manelingelina ny fiainan’ilay zatovo isan’andro.
Ny ray aman-dreny no afaka mamantatra sy mandinika ireo voalohany, mihaino ilay zanany na maka hevitra amin’ny matihanina manokana.
Non. Différentes fausses informations sont partagées sur le lien entre le sport et l’infertilité depuis les années 1990. Par exemple, on dit souvent que nager peut exposer plus la femme aux infections vaginales. Mais selon les Centres américains pour le contrôle et la prévention des maladies, on ne peut pas attraper cette infection pendant la natation. Cette maladie est plus causée par un rapport sexuel avec plusieurs partenaires et le lavage interne.
Au contraire, pour la bonne santé, il faut bouger et faire du mouvement car cela réduit le stress. On dit aussi souvent que faire de l’endurance empêche l’ovulation. Les règles irrégulières touchent en effet 44% des femmes coureuses selon l'American College of Sports Medicine. Mais ce qui l’explique, c’est la perte d’énergie qui perturbe l’ovulation. Les chercheurs conseillent donc aux sportives de réguler les heures d’entrainement, pour pouvoir calculer les besoins en calories ou en énergie.
En résumé, il faut juste éviter le sport intensif qui pourrait amener à une perte d’énergie. Le problème n’est donc pas le sport, mais la perte d’énergie.
Marina ve fa mampamomba ny fanaovana fanatanjahantena?
Tsia. Maro ny vaovao diso nozaraina momba ny fifandraisana eo amin'ny fanatanjahan-tena sy ny fahamombana, nanomboka tamin'ny taona 1990. Voalaza matetika, ohatra, fa mety mahatonga aretina ao amin’ny mahavehivavy ny filomanosana. Saingy araka ny filazan'ny Foibe amerikana momba ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina, tsy mandritra an’io fotoana io no hahazoan’ny vehivavy aretina ao amin’ny mahavehivavy. Fa vokatry ny firaisana ara-nofo amin'ny olona maro samihafa sy ny fisokirana ny any anaty any rehefa misasa.
Mifanohitra amin'izany aza, mba ho salama tsara dia ilaina ny mihetsiketsika satria mampihena ny rarin-tsaina izany. Matetika koa lazaina fa manakana ny fotoana mahalonaka ny fihakazahana na endurance. 44% amin'ny vehivavy mpihazakazaka mantsy no tsy aradalàna ny fadimbolany hoy ny American College of Sports Medicine. Fa tsy ilay fanatanjahantena no antony, fa ilay harerahana. Noho izany, tokony alamina ny ora hikotranana, mba hahafahana manao kajy tsara ny kaloria sy angovo ilaina.
Raha fintinina, ny fanatanjahan-tena mahery vaika no mila lanjalanjaina. Tsy ny fanatanjahantena mantsy no olana eto izany, fa ny fahaverezan’ny angovo.
Nos trois jeunes invités : Manitra, Emilienne et Holy, ont débattu sur la malnutrition dans le milieu carcéral à Madagascar, le problème d’accès à l’eau potable et la médecine traditionnelle dans l’émission Infos vues par les jeunes.
Maneho ny heviny mahakasika ny tsy fahampian-tsakafo misy eny amin’ireo fonja eto Madagasikara, ny olan’ny fahazoana rano fisotro madio ary ny fitsaboana nentim-paharazana, ireo tanora nivahiny teto amin’ny Ndao hilaoeky. I Manitra, Emilienne ary i Holy.
Cette année s'est tenu la toute première édition du forum des jeunes de l'Océan Indien sur l'entrepreneuriat dans l'économie bleue. 18 jeunes malgaches ont eu l'occasion d'y participer pour présenter chacun leurs entreprises et projets innovants. Celui de Hoby Rakotosoa, une participante et entrepreneure dans la vente des produits cosmétiques naturels. L'idée est de créer des produits moins polluants pour la mer, à l’exemple sa crème solaire naturelle.
Tontosa tamin'ity taona ity ny fihaonam-ben'ny tanora eto amin'ny ranomasimbe Indianina voalohany momba ny fandraharahana amin'ny sehatry ny toe-karena manga. Tanora malagasy 18 teo no afaka nampahafantatra ny orinasa sy tetik'asan'izy ireo. Ho an'i Rakotosoa Hoby, isany nandray anjara sy mpandraharaha amin'ny famokarana vokatra fikoloana bika aman'endrika natoraly. Manamboatra vokatra mampihena ny loto atao an-dranomasina no tanjony. Isany amin'izany ny "crème solaire" novokariny.