On peut détecter à l’avance les comportements d’une personne pouvant effectuer un acte de violence selon Rasamimanana Mihaja, animateur de l’ONG C-For-C. Cela peut être observé dans sa façon de vivre, ses habitudes, …. Si, par exemple, au sein d’un couple, l’un d’eux a du mal à s’exprimer et se sent obligé de prendre de la drogue ou des boissons alcoolisées à chaque fois qu’il veut communiquer quelque chose. Parfois, il y a ceux qui ne savent pas maitriser leurs sentiments et recourt directement la violence pour se faire entendre.
Malgré tout, on peut très bien soigner les personnes violentes. Il y a des médecins spécialisés ou bien des cellules d’écoute avec des experts qui aident ces personnes à retrouver une vie calme auprès de leurs familles. On peut venir en aide aux victimes en dénonçant les actes de violence. Mais en consultant des médecins ou des experts dès qu’on constate les signes de violence chez un individu, on pourrait éviter le pire.
Ny olona mpanao herisetra dia misy fihetsika maro hita taratra eny aminy, fomba fanao, fomba fiaina hoy Rasamimanana Mihaja, Mpanentana avy ao amin’ny C-For-C. Maro noho izany ny fambara sy fihetsika hahalalana fa mitady hirona amin’izany ny olona iray. Ao an-tokan-trano ohatra dia misy manana fahasahiranana amin’ny fifandraisana amin’ny vadiny ny olona iray, hany ka lasa tsy maintsy mandray zava-mahadomelina vao afaka maneho hevitra. Misy ihany koa ireo tsy mahay mifehy sy maneho ny fihetseham-po ka mampiasa herisetra avy hatrany.
Na izany aza, afaka fehezina izy io mba tsy ho tonga any amin’ny tena herisetra. Afaka tsaboina ihany koa anefa ho an’ireo izay efa mpanao izany. Afaka manantona mpitsabo na ihany koa miditra anatin’ilay hoe “cellule d’écoute” izay hahitana matihanina manampy ireo mpanao herisetra. Azo atao ihany koa ny miaro ireo hiharan’ny herisetra. Amin’ny alalan’ny fitorohana. Ao ihany koa fandinihina mba hahalalana an’ireo fiadohana herisetra sy firesahana an’izany amin’ireo mpitsabo na ireo tompon’andraikitra samihafa miady amin’ny herisetra mba hisorohana izany.
La prise en charge des personnes victime de violences existe à Madagascar selon Rasamimanana Mihaja, animateur de l’ONG C-For-C. Ce sont les psychothérapeutes qui se chargent de cette tâche. Une reconstruction de l’être est nécessaire car ces personnes sont malades et ressentent le besoin de changement ou de reconstruction que ce soit physiquement ou mentalement. Elles ont besoin de discuter, d’extérioriser leurs ressentis. Les points positifs de cette technique c’est que ces personnes prennent conscience qu’elles ont été victimes de violences. On peut leur procurer les soins nécessaires pour qu’elles puissent reprendre leur vie en main. Et vice-versa pour ceux qui ont fait l’acte. Ces individus ont besoin de cette prise en charge pour restaurer leur confiance en eux et éviter par conséquence toute forme de dépression pouvant causer une violence envers eux-mêmes ou voir même à un suicide.
Misy tokoa ny fandraisana an-tanana an’ireo hiharan’ny herisetra sy ireo mpanao herisetra raha ny fanazavan’I Rasamimanana Mihaja, mpanentana avy ao amin’ny ONG C-For-C. izay no voafaritra anatin’ny asan’ireo atao hoe “Psychothérapeute” . Fanovana ary fanarenana ara-tsaina ny olona iray hiharan’ny herisetra no votoatin’izany, satria misy zavatra marary ao aminy, nisy nanjo azy ka mila an’izay. Mila resadresaka ihany koa izy ireo ka amin’ny alalan’io psychothérapie io no hanaovana an’izany. Tombony amin’izany ny fahafantarany fa herisetra no nahazo azy ary tsaboina izy ka hiverina amin’ny laoniny ny fiainany. Ho an’ireo nanao herisetra ihany koa dia ilana an’ito psychothérapie ito mba hialana amin’ilay hoe tsy fatokisan-tena, famonoan-tena, ratra, sy famerenana ny herisetra. Tsy maintsy olona matihanina sy voahofana ihany anefa no manao azy ity .
La schizophrénie est une maladie mentale chronique. En général, elle affecte particulièrement les jeunes entre 15 et 25 ans en cours d’études. Elle se manifeste par des pensées ou des perturbations totalement irréelles. Les schizophrènes n'ont plus les mêmes habitudes de vie. Ils ont, par exemple, des comportements désorganisés et ne sont pas très actifs dans les activités quotidiennes. Il se pourraient qu’ils rencontrent des difficultés de concentration et des problèmes de mémoire.
Le Docteur Fenohasina Toto Jean Félicien de l'association Psy-kôzy Madagascar, nous donne plus d’explications sur la "Schizophrénie".
Ireo tanora mbola mianatra eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 25 taona matetika no tena tratran’ny schizophrenia. Sokajiana ho aretin'ny saina izy io kanefa tsy azo lazaina hoe very saina ireo olona manana io toe-batana io. Miseho amin'ny endriny samihafa ity aretina ity : ohatra amin’izany ny fahatsapana sy ny fieritreretana zavatra tsy misy, ny fitokatokanana, ny fisitahana aman’olona. Mety hanana fahasarotana amin'ny fifantohana sy ny fitadidiana ihany koa ny olona miaina miaraka amin’izy ity.
Hanome fanazavana fanampiny mahakasika ny « schizophrénie » ny Dokotera Fenohasina Toto Jean Félicien ao amin'ny association Psy-kôzy Madagascar.
- Délestage tournant de quatre jours dans la capitale : Quelles prévisions pour les organisateurs événementiels ?
- Comment les numériques peuvent-ils renforcer la résilience face aux différentes catastrophes naturelles ?
- Refonte électorale : Certains agents recenseur n’ont pas encore reçu une tablette.
- Camp de Basket : quelques basketteurs sélectionnés intègreront National Basket-ball Américain (NBA) Académie en Afrique et auront la chance d’aller à la NBA.
- Fahatapahan-jiro mifandimby mandritry ny efatra andro eto an-drenivohitra : manao ahoana ny fanomanan’ireo mpikarakara lanonana ?
- Maro amin’ireo mpanisa mpifidy avy amin’ny CENI no tsy mbola nahazo tablety
-Tara ny fikatonan’ny jono ao Menabe tamin’ity taona ity.
- Basketball camp : mety hisy ho tafiditra amin’ny Akademian’ny ligy amerikana amin’ny Basket (NBA) sy hanana irika atafitana amin’ny ligy NBA ny mpilalao.
-Pétanque : championnat de Madagascar, les clubs UBM et PAC Analamanga, BIC Matsiatra Ambony se sont démarqués.
-Football : ouverture du championnat de football Nosy le 15 octobre pour la saison 2022 et 2023.
-Handball : Mahajanga va accueillir la Coupe des Clubs de l’Ocean Indien 2022, du 15 au 23 octobre.
-Tsipy kanety be : fifaninana iadiana ny amboara nasionaly, nandrombaka ny amboara ny klioba UBM sy PAC Analamanga ary BIC Matsiatra Ambony.
-Baolina Kitra : hisokatra ny 15 Oktobra ny fifaninana baolina kitra ao Nosy ho an’ny taom-pilalaovana 2022 sy 2023.
-Handball : any Mahajanga no handraisana ny Coupe des Clubs de l’Ocean Indien 2022, ny 15 hatramin’ny 23 Oktobra izao.
- Seulement 7 communes disposent de sapeurs-pompiers à Madagascar.
- Comment les fokontany s’organisent-ils pour les cas d’insécurité dans leur quartier ?
- Infrastructures sanitaires publiques : Le mode de gestion des particuliers.
- Des alternatives durables pour réduire le coût des constructions immobilières à Madagascar.
- Kaominina 7 ihany no manana sampana mpamonjy voina eto Madagasikara.
- Ahoana no ataon’ny eny anivon’ny fokontany mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny faritra hiandraiketany?
- Fahadiovana : Miantso ireo liana hitantana trano fivoahana ny kaominina.
- Mampidina ny vidin’ny fanamboarana trano ny fampiasana akora manaja ny tontolo iainana.
La conception des médicaments à base de plantes médicinales suit plusieurs étapes de recherche. Les chercheurs de l’Institut Malgaches de Recherche Appliqués (IMRA) réalisent des enquêtes à partir de l’automédication naturelle de la population locale. Ils s’inspirent également des résultats de recherche dans des revues scientifiques, mémoire de recherche des étudiants etc. Puis ils récoltent des plantes et procèdent à une analyse en laboratoire pour distinguer les éléments composants. Les produits finis de l’IMRA sont enregistrés à l’Office Malgache de la Propriété Intellectuelle pour éviter les contrefaçons. Le Professeur Rafatro Herintsoa, Président de la Comité Scientifique au sein de l’IMRA nous en apporte plus d’explication.
Dingana maro no ataon’ireo mpikaroka zava-maniry atao fanafody eo anivon’ny IMRA na Institut Malgache de Recherches Appliqués vao afaka mamoaka vokatra iray. Loharano ahafahan’izy ireo manao ny fikarohana ny fanamarihana ny lovan-tsofina heno eny amin’ny fiaraha-monina, fijerena ireo rakitra tadidy, manao fihotazana ary entina karohina eny anivon’ny laboratoara. Arovana eo anivon’ny OMAPI ireo vokatra vita mba hiadiana amin’ny hosoka, araka ny fanazavan’ny Profesora Rafatro Herintsoa, Filohan’ny Komity Siantifika eo anivon’ny Imra.
Interdit depuis le mois de mai 2020, le rapatriement des corps des décès liés à la Covid 19 est désormais autorisé sous certaines conditions. Pour ce faire, il faut préparer l’attestation de décès, l’attestation de la cause du décès, le permis d’inhumé obtenu auprès de la commune où le corps sera transféré et une demande adressée à la préfecture de police. L’adjoint au préfet de police, Rakotondravaly Danielli Pascal explique que seuls les décès datant d’au moins un an peuvent être exhumé.
Voarara nanomboka ny volana may 2020 ny fandevenana ny razana lavon’ny Covid-19 ivelan’ny faritra nahafaty ilay olona. Ankehitriny, efa azo atao izany. Misy ireo fepetra tsy maintsy arahina ary misy atontan-taratasy tsy maintsy omanina. Razana feno herintaona no azo hafindra raha ny fanazavan’i lefitry ny prefen’Antananarivo, Rakotondravaly Danielli Pascal.
Plusieurs clients se sont plaints du fait que certains cash point demandent des frais pour les dépôts d’argent via Mvola. Les opérateurs mobiles ainsi que la direction de protection des consommateurs auprès du ministère de l’industrie et du commerce affirment que le fait de percevoir des frais sur les dépôts sont contraires à la loi et à aux engagements des cash point envers les opérateurs. Haingo Andriamadison, commissaire du commerce et directrice de la protection des consommateurs auprès du ministère de l’industrie et du commerce nous explique que des sanctions seront entamées pour ceux qui persistent à faire cette pratique.
Herinandro vitsy lasa izay, nitaraina ny mpanjifa noho ireo Cash point maka sarany rehefa manao petra-bola na « dépôt ». Nanamafy ireo tambazotra misahana ny fifandraisan-davitra niaraka tamin’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra, fa tsy azo atao ny maka sarany amin’io tolotra io. Raha mbola minia manao izany ireo mpandraharaha madinika amin’ny Cash point dia hiroso amin’ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra hoy i Haingo Andriamadison, kaomiseran’ny varotra sady talen’ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra.
Les Inspecteurs Général d’Etat ont pour mission de faire des inspections sur l’utilisation des fonds et bien publics. Ils sont sous tutelle de la présidence de la République. Après rapport et publication des résultats, ils font des recommandations aux responsables de la Collectivité concerné ou à la justice qui vont prendre les décisions y afférant à l’endroit du coupable. Le Directeur Général de l’IGE, Daniel Randrianarivony nous en apporte plus d’Explications.
Ny IGE dia sampana iray eo anivon’ny fiadidina ny repoblika, misahana manokana ny fitsirihana ireo fitantanam-bola sy ny fananam-panjakana. Aorian’ny tatitra izay ataony dia manao tolo-kevitra amin’ilay sampandraharaham-panjakana izy ireo ny amin’ny fepetra azo raisina. Anjaran’izay iantefany kosa no manapaka hevitra momba ilay mpiasam-panjakana tompon’andraikitra amin’ny fahadisoam-pitantanana. Manazava misimisy kokoa momba izay ny Tale Jeneralin’ny IGE, Daniel Randrianarivony.
La valeur d’un dollar américain est passée de 3 500 ariary à plus de 4 000 ariary en mois de Juin. La diminution du volume d’exportation de marchandises vers des pays utilisant le dollar en est la principale cause. Mais la dépréciation d’une monnaie n’est pas forcément néfaste pour l’économie de notre pays, explique l’économiste Zo Andriatsitohaina. Il s’agit d’une opportunité pour multiplier et soutenir la production locale.
Niakadanja mihoatra amin’ny ariary ny sandan’ny dolara amerikana. Lasa 4 000 ariary raha 3 500 ar teo aloha manodidina ny volana jona teo. Ny fahavitsian’ny dolara miditra eto amintsika no antony. Nihena ny fanondranatsika entana izay mampiditra dolara anefa isika manafatra entana betsaka amina tsena iraisam-pirenena mampiasa dolara. Tsy voatery ho ratsy ho an’ny toekarena ny fitotongan’ny sandambola raha hay ny mampitombo ny famokarana sy misintona mpividy betsaka ho aty Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Andriatsitohaina Zo.