COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

mardi, 06 septembre 2022 13:00

La nécrose dentaire et les dents de sagesse

La nécrose dentaire est caractérisée par une couleur bleue ou/et grise des dents et entraine des dents mortes. Elle est due à une carie sévère où les nerfs qui nourrissent les dents meurent petit à petit. La nécrose peut également être due à un acte médical pour arrêter la douleur en cas de maladie dentaire.

Les dents de sagesse poussent entre l’âge de 18 à 25 ans. Il est possible que ces dent n’apparaissent jamais s’il n’y pas assez ou pas du tout de place dans la mâchoire. Les dents de sagesse ne sont pas indispensables pour la mastication donc ce n’est pas grave si elles ne poussent pas, explique la dentiste Rakotondrasoa Lantotiana Tatamo.

Ny nify mangana sy ny fara-vazana

Ny nify mangana dia vokatry ny areti-nify tsy notsaboina ka maty ireo « nerf » mitondra ny otrik’aina ao aminy. Mety ho niniana natao ara-medikaly ihany koa ny famonoana ireo « nerf » mba hampitsaharana ny fanaintainana rehefa maharary loatra ilay nify. Maty tanteraka ilay nify ka mety hiala ho azy na mijanona eo fotsiny manampy amin’ny fitsakoana.

Eo amin’ny faha18 ka hatramin’ny faha25 taonany ny olona no maniry ny fara-vazana. Mety ho taran’izay anefa na tsy mipoitra mihitsy ilay izy raha tery na tsy misy ny toerana haniriany ao amin’ny valanorano. Manampy amin’ny fitsakoana ny faravazana ary tsy misy fiantraikany ratsy na tsy mipoitra mihitsy aza hoy ny mpitsabo nify sy ativava, Rakotondrasoa Lantotiana Tatamo.

mardi, 06 septembre 2022 07:50

Sifflet du 03 Août 2022

- Basket Ball, L’équipe Malgache U18 fin prêt pour l’Afrobasket.

- Les athlètes Malgaches champions d’Afrique en judo et haltérophilie ont reçu un « Chevalier de l’Ordre du mérite de Madagascar ».

- Aujourd’hui, c’est la journée Mondiale du capoeiriste.

- Baskety, Vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy latsaky ny valo ambinifolo taona hiatrika ny Afrobasket U18.

- Fankasitrahana atleta : Notoloran’ny fanjakana mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre du mérite de Madagascar » ireo atleta nitondra avo ny taranja judo sy fibatana fonjam-by.

- Capoeira : Anio no hankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Capoeriste na ireo mpikatroka ny haiady capoiera.

lundi, 05 septembre 2022 13:20

Le Journal des régions du 05 Septembre 2022

  • Rentrée scolaire: timide retour en classe pour Toamasina, Ihosy et Toliary.
  • JMJ Antsirabe: les pèlerins se plaignent de la hausse des frais des taxi-brousse.
  • Androy: le projet “Mianatra”, pour renforcer la lutte contre l’analphabétisme.

  • Fidiran’ny mpianatra: malaina hiverina an-dakilasy ny sasany amin’ireo mpianatra ao Toamasina, Ihosy sy Toliary.
  • JMJ Antsirabe: manararaotra mampiakatra saran-dalana ireo mpitatitra.
  • Androy: tetikasa “Mianatra”, ho famafisina ny ady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra.
lundi, 05 septembre 2022 13:03

Le Journal du 05 Septembre 2022

- Les inscriptions continuent dans les écoles publiques.

- Ikongo : Besoin de beaucoup d’éclaircissements avant de pouvoir appliquer la loi.

- Plus de 30 000 jeunes sensibilisés pour la protection de l’environnement durant la Journée mondiale de la Jeunesse à Antsirabe.

- Restitution de la valeur de la culture Zafimaniry dans le livre « Dans la bulle des Zafimaniry ».

 

 

- Mitohy ny fisoratana anarana eny amin’ireo sekolim-panjakana.

- Ikongo : Mbola mila fanazavana betsaka vao azo hampiharina ny lalàna.

- Tanora maherin’ny 30.000 no noentanina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana nandritra ny andro maneran-tany ho an’ny tanora tany Antsirabe.

- Famerenana ny hasin’ny kolontsaina Zafimaniry ao amin’ny boky “Dans la bulle des  Zafimaniry”.

Oui. Les données d’une étude britannique, réalisée grâce à l’application Zoe Covid en aout 2022, ont révélé les symptômes les plus fréquents actuellement. Le mal de gorge, maux de tête et écoulement nasal figurent parmi les principaux symptômes déclarés par les 17 500 participants. Viennent ensuite l’éternuement, la fatigue et les douleurs musculaires. La fièvre ainsi que la perte de l’odorat ou du gout sont désormais moins courants, concluent les chercheurs du King's College de Londres.

Ces changements pourraient être liés aux nouvelles mutations du virus et l’apparition de nouveaux variants, selon les scientifiques du projet React-1 (à lire Riact one) de l'Imperial College London.

 

Nisy fiovany ve ny soritraretin’ny Covid-19 ?

Eny. Rehefa nangonina ny vokatry ny fanadihadiana natao ny volana aogositra teo, tamin’ny alalan’ilay rafibaiko Zoe Covid, dia ireto ny soritraretina miverina matetika : aretin-tenda, aretin’andoha, orona tsentsina na be lelo. Nisy maromaro ihany koa niteny hoe lasa mihevinevina, mora reraka ary manaintaina ny hozatra. Olona miisa 17 500 mitondra ny tsimokaretina no nahazoana ireo. Efa tsy dia fahita firy ireo soritraretina teo aloha nahazatra, toy ny fiakaran’ny maripana, tazo na ny fahaverezan’ny fahatsapana tsiro sy fofona, hoy ireo mpikaroka ao amin’ny King's College any Londres.

Nivoatra nanaraka ireo fiovanendrika vaovao nipoitra taty aoriana ny soritraretina Covid-19, hoy ny nambaran’ireo siantifika amin’ilay tetikasa React-1 (à lire Riact one) avy amin’ny Imperial College London.

 

vendredi, 02 septembre 2022 13:39

Le Journal des régions du 02 Septembre 2022

- L’économie et le JMJ à Antsirabe.

- Hommage aux victimes à Ikongo : L’association Grand Sud Est Fédéral a organisé une marche silencieuse.

- Cette année, la coopérative KTMA produit près de 125 tonnes de Curcuma.

- Ny fihariana ao Antsirabe mandritra ny JMJ.

- Nahatsiaro ireo lavo tao Ikongo ireo mpianatra ao amin’ny fikambanana Grand Sud Est Fédéral.

- Nahavokatra tamotamo 125 taonina ireo  koperativan’ireo tantsaha mpamboly ao amin’ny KTMA.

vendredi, 02 septembre 2022 12:40

Le Journal du 02 Septembre 2022

- Intersaison : Une période où les risques de feux de forêt sont accrus.

- Surveiller la transparence au niveau des établissements scolaires publics sera une priorité pour les organisations de la société civile.

- Histoires pour enfants “Diary Nofy” : « Les 6 villages ennemis » de Ravaka Mihamina parmi les Lauréats du concours 1ère édition.

- La fanfare du gouvernement joue un rôle dans le développement à travers les jeunes.

 

 

- Doro-tanety : efa miomana hiatrika izany ireo  fitaleavam-paritry ny tontolo iainana mandritr’izao manasara-taona izao.

- Fahasalamana, tsindrona heroine (trebaiky) anisan’ny manaparitaka tsimon-karetina VIH ao Nosy Be.

- « Diary Nofy » : Isan’ny nandresy tamin’ny fifaninana andiany voalohany ilay tantara  « Ireo tanàna kely enina mpifandrafy » nosoratan’i Ravaka Mihamina.

- Fanfaran’ny goverenemanta : mandray anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fizarana mozika amin’ny tanora.

L'agro-business est un ensemble d’activités visant à booster l’agriculture, axé plus dans l’entrepreneuriat et dans la production industrielle. Il requiert la production sur un vaste terrain, la transformation des produits, leur commercialisation, les conditions de stockage etc. Cela concerne autant les produits obtenus que toutes les techniques qui l'entourent comme les choix de semences, les engrais, les matériels utilisés etc. Il fait partie des stratégies de lutte contre l'insécurité alimentaire et c'est une opportunité pour améliorer la qualité de productions des agriculteurs, selon l'entrepreneur, Christian Ratompoarison. Selon lui, c’est également une manière de valoriser la production et à la consommation locale.  Les agriculteurs doivent se regrouper pour que les productions du terroir soient mises en avant. Cependant, l’agro-business peut causer des problèmes dans l'agriculture familiale. Il peut y avoir des conflits fonciers, a souligné le spécialiste en agroécologie, Jean Andriamihaja Randriamboahary. Une politique doit être mise en place pour impliquer plus les agriculteurs et assurer l'environnement dans lequel ils travaillent comme l’amélioration des infrastructures. Il faut leur donner plus de place dans la production, a-t-il dit, et c'est aux entrepreneurs, particulièrement aux jeunes, de participer à la transformation des produits. C'est une opportunité pour les agriculteurs, a suggéré l’agronome, Harimanana Sombiniaina Larrissa, parce que cela engendre la création d’emploi autour. Cependant, des normes doivent être établies afin de faire respecter l'environnement. Les agriculteurs et les entreprises doivent établir des accords de coopération. Ces méthodes permettront d’assurer le commerce équitable et l'autonomie des agriculteurs ainsi que l'harmonie de la chaîne de production.

Endrika vaovao hanosehana ny tontolon’ny fambolena ny agro-business, mba hiditra anaty fandraharahana sy ny famokarana indostrialy. Tafiditra ao anatiny avokoa ny famokarana amin’ny velaran-tany midadasika, ny fanodinana ny vokatra, ny famarotana izany, ny fitahirizana sns. Na eo amin’ireo vokatra azo na eo amin’ireo teknika rehetra manodidina izany toy ny masomboly, ny zezika, ny fitaovana ampiasaina sns. Paikady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izy ity ary sehatra azo hanatsarana ny kalitaom-bokatr’ireo tantsaha hoy ny mpandraharaha amin’izany Ratompoarison Christian. Omena lanja kokoa hoy izy ny famokarana sy ny fanjifana anatiny, ary mila mivondrona ireo tantsaha mba hahazo lanja kokoa ny famokaran’izy ireo, indrindra izay mampiavaka ny faritra tsirairay avy. Mety hiteraka olana ny fambolena iombonan’ny fianakaviana anefa izy ity noho ny olana ara-tany hoy ny mpisehatra amin’ny famokarana lovain-jafy, Randriamboahary Jean Andriamihaja. Tokony misy politika apetraka mba hampandraisana anjara ireo tantsaha sy hiatohana ny tontolo iasan’izy ireo, ohatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Mila omena sehatra hatrany izy ireo amin’ny famokarana hoy izy ary anjaran’ny mpandraharaha, indrindra ny tanora, ny misehatra amin’ny fanodinana sy ny famarotana. Tombony ho an’ireo tantsaha izy ity hoy ny mpiofana manokana mikasika ny fambolena, Harimanana Sombiniaina Larrissa, satria maro ireo asa miforona anatin’izany. Mila apetraka kosa anefa ny fenitra mba hampanajana hatrany ny tontolo iainana ary mila mametraka fifanaraham-piarahamiasa ireo tantsaha sy ny orinasa. Tanjona hoy izy ireo ny hisian’ny fizarana mitovy, fizakantenan’ny tantsaha ary ny firindran’ny rojom-pihariana.

jeudi, 01 septembre 2022 13:17

Le Journal du 01 Septembre 2022

La coopération décentralisée entre le département français, Ille et Vilaine et la région Alaotra Mangoro est en suspension

- 8è Conférence internationale de Tokyo sur le développement de l’Afrique (TICAD 8) : Madagascar prend l’occasion dans l’espoir d’atteindre l’autosuffisance alimentaire.

- Décès liés à la Covid 19 : Le rapatriement des corps est désormais autorisé sous certaines conditions.   

- Les étudiants ont une large gamme de choix sur les spécialisations dans la mention sociologie.

 

- Miato ny fiaraha-miasa amin’ny departemanta frantsay, Ille et Vilaine sy ny faritra Alaotra Mangoro.

- Natao anio ny fampahafantarana ireo komitin’ny fandriam-pahalemana eto analamanga.

- Covid 19 : misy fepetra tokony harahina hahafahana mamindra ireo razana. 

- Fitaterana : manararaotra mampiakatra saran-dalana ireo kaoperativa.

 

 

jeudi, 01 septembre 2022 13:05

Le Journal des régions du 01 Septembre 2022

- Quarante trois détenus évadés ont été capturés, jusqu’ici.

- Le vol reliant Nosy Boraha à La Réunion sera ouvert le 17 septembre prochain.

- Vakinankaratra : Le « Kianjamaintso » réduit le litige foncier à Andriambilany.

- Efa tafaverina ny 43 amin’ireo voafonja nitsaoka tao Ikongo.

- Ny 17 septambra izao no hisokatra ny sidina mampitohy ny Nosy Boraha sy ny Nosy La Réunion.

- Nampihena ny disadisa vokatry ny ady tany ny fisian’ny rafitra kianja maintso tao Andriambilany, Vakinankaratra.

L’organisation mondiale de la Santé reconnait, dans un communiqué publié en février, que des troubles auditifs peuvent apparaitre comme séquelles de la Covid-19.

L’année dernière, des chercheurs britanniques ont rapporté les résultats d’une étude sur les complications auditives liées à la covid-19. L’acouphène concerne 15% des cas rapportés. Il se manifeste par des bruits, des sifflements ou des bourdonnements dans l’oreille interne. En effet, une infection virale, comme le coronavirus ou la rougeole, peut endommager le nerf auditif. Celui-ci émet des signaux parasites au cerveau. En général, ce phénomène diminue avec le temps.

L’OMS a signalé aussi l’apparition d’acouphène comme effets secondaires des vaccins contre la Covid-19. Mais le nombre de cas recensé reste très faible : un cas sur 90 000 en France, par exemple.

Misy ifandraisany ve ny Covid-19 sy ny acouphène ?

Nanambara ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momban’ny fahasalamana tamin’ny volana febroary teo, fa mety hamela takaitra eo amin’ny fandrenesana ny Covid-19.

Tamin’ny herintaona, nisy mpikaroka britanika maromaro nandinika manokana momba izay. Hitan’izy ireo fa 15% isanjaton’ny olona voan’ny coronavirus no nahitana acouphène. Izany hoe mandre feo maneno izy ireo ao anatin’ny sofiny ao, toy ny misioka kely na toy ny hoe misy jorery. Misy voakitika mantsy ny selan’ny fandresena vokatry ny tsimokaretina, ka mamorona ireo feo ireo sy mampita izany any amin’ny atidoha. Afaka ho azy anefa io rehefa mandeha ny fotoana.

Mety ho fiatraikan’ny vaksiny Covid-19 amin’ny vatana ihany koa ny acouphène hoy ny OMS. Nefa tranga iray amin’ny 90 000 no ahitana izany hatreto raha ao Frantsa manokana. 

 

 

 

 

La préparation psychologique des enfants avant la prochaine rentrée scolaire consiste à les remettre au rythme scolaire, c’est-à-dire, l’heure où il faut se réveiller pour aller à l’école, moins de jeux et plus de leçons, etc. Ces préparations aident les enfants à ne pas avoir peur d’une situation inconnue parce qu’ils vont affronter une nouvelle année scolaire, surtout s’ils changent d’école. Selon les explications de la psychologue Ashley Razafindrabe, les parents peuvent simuler des jeux avec les enfants tout en leur faisant comprendre qu’il y aura des changements. Ils peuvent eux-mêmes simuler le changement avec leurs amis, toujours avec des jeux.

Hamerenana indray ireo ankizy amin’ny fahazarana mandritra ny fotoam-pianarana ny fiomanana ara-tsaina mialohan’ny fidiran’ny mpianatra. Izany hoe, zarina ny ankizy amin’ny ora fifohazana rehefa handeha hianatra, hamela ireo kilalao fa hifantoka amin’ny fianarana amin’izay, sns. Manampy ireo ankizy hanala ny tahotry ny tsy fahafantarana izay ho zava-misy any am-pianarana sy mandritra ny taompianarana ny fiomanana ara-tsaina, indrindra moa raha niova fianarana ilay ankizy. Araka ny fanazavan’ny psykology, Razafindrabe Ashely, azo atao amin’ny alalan’ny kilalao ataon’ny ray aman-dreny sy ny zanaka izany. Azon’ny ankizy ataon’izy samy izy ihany koa izany nefa.

mercredi, 31 août 2022 12:56

Le Journal des régions du 31 Août 2022

- Huit milliards Ariary d’impôts ont été perçus au premier semestre 2022 dans la région Boeny.

- Quarante des cent soixante-sept détenus évadés ont été capturés.

- 58 « Tsena Mora » ont été installés à Antsirabe.

 

- Faritra Boeny : Valo miliara ariary ny hetra voaray tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny 2022.

- Voafonja efapolo amin’ireo 167 tafatsoaka no efa tafaverina.

- Tsena mora miisa 58 no napetraka ao Antsirabe.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter