COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

L'un des petits appareils qui nous accompagne tout le temps ce sont les écouteurs. Ce sont les jeunes qui les utilisent en général. RABARISOA Miora, spécialiste en traitement du son, affirme que ces écouteurs peuvent avoir un impact sur la santé s'il est utilisé trop longtemps. Il a également déclaré qu'ils ne devraient pas être utilisés plus de sept heures et qu’on doit faire une pause de 10 minutes après en avoir écouté. Selon le site Ampfilon, le niveau de notre voix se mesure en décibels et le son que nous devrions entendre est d'environ 80 DB, au-delà de ça, cela peut entraîner l'incapacité d'entendre ou l'ouverture du tympan.

Anisan’ny fitaovana kely tsy misaraka amin-tsika intsony ny toho-pihainoana na ny « écouteurs » amin’izao fotoana izao. Ny tanora no tena tia mampiasa azy io amin’ny ankapobeny. Mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana anefa ny fampiasana azy ireny raha maharitra loatra ny fotoana ampiasaina azy hoy i RABARISOA Miora, manam-pahaizana manokana momban’ny fikirakirana ny feo. Nolazainy ihany koa fa tokony tsy hioatran’ny adin’ny fito ny fampiasaina azy ireny ary mila miato 10 minitra isaky ny avy mihaino. Raha araka ny tranokala Ampfilon moa dia voarefy amin’ny Decibel ny ahavon’ny feon-tsika ary 80 Db eo ny feo tokony ho izy henontsika fa raha mihoatra kosa dia mety hitarika any amin’ny tsy fahenoana ny fahavakian’ny apongan-tsofina izany.

lundi, 03 octobre 2022 13:24

Deux métiers, deux passions

Le Myciculture consiste notamment à la plantation des champignons. Suite à des essais de culture de champignons adaptable aux climats de Madagascar, Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy y travaille dans ce domaine depuis 10ans. Elle cultive notamment les champignons Shitake, les champignons de baobab, les champignons de paris, les pleurottes ainsi que les champignons volamena.

Les méthodes de plantations en myciculture se diffèrent de celles de l’agriculture car les champignons demandent beaucoup plus de procédures et d’exigences à suivre. Travaillant avec une équipe de 10personnes, la société « Champignon de Sabotsy Namehana » de Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy, vend, en barquette, dans les grandes surfaces de Madagascar les champignons fraichement cueillis. Elle propose également des formations en myciculture pour les intéressés afin de mettre sur les différents marchés locaux et de garantir l’accessibilité des champignons à tous.

 

Avant de devenir professeur de Chinois, Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy a suivi des cours de Mandarin au Conficius Ankatso. Convaincu que l’apprentissage de cette langue est compliqué, tant à l’oral qu’à l’écrit, elle a ses propres méthodes d’enseignement afin de faciliter la compréhension aux apprenants. Elle apprend cette langue aux parents ainsi qu’aux enfants qui désirent l’apprendre. En collaboration avec le Conficius de l’Université d’Antananarivo, les apprentis passent les examens internationaux YCT et HSK en langue chinoise.

« Myciculteur » no hiantsona ireo mpamboly holatra. Anisan’ny asa ataon’i Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy izy io rehefa nanao fanandramana karazana holatra mifanaraka amin’ny toetrandro eto Madagasikara izy nanomboka tamin’ny taona 2009. Anisan’ny holatra hamboleny izao ohatra ny shitake, ny pleurotte, ny champignon volamena, ny champignon de Paris ary ny champignon baobab.

Tsy mitovy amin’ny fambolena rehetra ny fambolena holatra raha ny fanazavany satria misy fepetra sy dingana maro tsy maintsy lalovana. Ekipa 10 no mandrafitra ny orinasa « Champignon de Sabotsy Namehana ». Any amin’ireo mpivarotra lehibe manerana ny Madagasikara no alefan’izy ireo ny vokatra azony. Fa mampiofana ireo izay liana amin’ny fambolena holatra ihany koa i Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy. Mandrisika ireo mpiofana izy mba hanaparitaka ny holatra hambolena eny amin’ny tsenam-pokontany.

Asa iray ataon’i Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy ihany koa  ny fampianarana fiteny Sinoa. Nanaraka fiofanana teny amin’ny Conficius Ankatso izy mialohan’ny nahalasany ho mpampianatra. Resy lahatra izy fa sarotra ny mianatra io fiteny io, na am-bava na an-tsoratra, ka manana ny fomba fampianarana azy manokana izy mba hanamora ny fahaizan’ny mpianatra. Miara-miasa amin’ny Conficius eny amin’ny oniversiten’Antananarivo i Nasolonjanahary Nirintsoa Namasy mba hahafahan’ireo reto mpianatra miatrika ny fanadinana iraisam-pirenena toy ny YCT sy ny HSK.

lundi, 03 octobre 2022 13:15

Le Journal du 03 Octobre 2022

- Refonte électorale : lancée ce samedi, les autres régions n’ont pas pu commencer les recensements faute de matériels.

- Le Covid19 en milieu carcéral : un détenu sur trois a pu recevoir au moins une dose de vaccin anti-covid.

- Le cahier de charge pour les taxi motos à Antananarivo en pleine négociation.

- Salon de la gastronomie : Les producteurs malgaches recherchent l'innovation dans le packaging et dans le mélange des ingrédients.

 

 

 

- Fanavaozana lisi-pifidianana : natomboka tamin’ny sabotsy fa mbola tsy afaka nanao ny faritra sasany mbola tsy nahazo fitaovana. 

- Voafonja iray amin’ny telo no nahavita ny vaksiny Covid19 fatra voalohany.

- Eo andalam-pamolavolana ny bokin’andraikitra ho an’ireo taxi moto eto Andrenivohitra.

- Mitady fanavaozana amin’ny endriny sy ny fangaro ara-tsakafo ampiasaina ireo mpamokatra malagasy.

Réseaux routiers : 17 millions de résidents ruraux enclavés, selon le rapport annuel 2022 de la Banque mondiale.

Ressources halieutiques : La pêche, la mise en vente, la vente, l’achat, le transport et le colportage des langoustes sont prohibés jusqu’en fin décembre.

Gestion des risques et catastrophes :  Le Plateforme Humanitaire du Secteur Privé en appui au BNGRC a été mis en place dans la région Atsimo Andrefana.

Fanamboaran-dalana: Manodidina ny fito ambinifolo tapitrisa ireo malagasy mitoka-monina ankehitriny nohon’ny tsy fisiana na faharatsian’ny lalana.

Harena an-dranomasina: Mikatona tanteraka nanomboka tamin’ny faran’ny volana septambra lasa teo ny fanjonoana oran-dranomasina amina faritra sivy manerana ny nosy.

Fitantanana ny loza sy tandindon-doza: Tafapetraka ao Atsimo Andrefana ny solon-tenam-paritra avy amin'ny vovonan'ny sehatra tsy miankina misahana ny maha olona

Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Randrianatoandro Santatra Liantsoa, Randriamahefa Manitra, et Raharinivo Jen, vont s’exprimer sur le rapport de détournement de bien public annoncé par l’inspection générale de l’Etat. Ils vont débattre aussi au sujet des marchands ambulants de la capitale, et à propos du respect du drapeau national.

Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba ahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio Randrianatoandro Santatra Liantsoa, Randriamahefa Manitra, ary Raharinivo Jen no haneho hevitra mahakasika fanodikodinam-bolampanjakana araka ny tatitra navoakan’ny l’inspection générale de l’Etat. Hiresaka mahakasika ny mpivarotra amoron-dalana sy ny fanajan’ny malagasy ny fananganantsainam-pirenena ihany koa.

Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Rakotomanga Sanda, Rakotondrainibe Hasina et Andrianantenaina Hoby Nomena, étudiants en informatique, vont s’exprimer sur les difficultés rencontrées par les parents pendant la rentrée scolaire face à l’inflation. Ils vont aussi parler de la journée internationale de l’alphabétisation et finalement Du « Sommet sur l’adaptation au changement climatique en Afrique »

Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba ahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio i Rakotomanga Sanda, i Rakotondrainibe Hasina sy i Andrianantenaina Hoby Nomena no haneho hevitra mahakasika ireo olana sedrain’ny ray aman-dreny manoloana ny fiakaram-bidim-piainana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Hiresaka ny andro maneran-tany ho an'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra koa izy ireo ary ny Fihaonan’ireo firenena matanjaka amin’ireo firenena afrikanina momba ny fiovaovan’ny tontolo iainana.

lundi, 03 octobre 2022 12:00

Les maladies de la saison chaude

La Diarrhée ainsi que les maux de ventre sont les plus fréquents pendant la saison chaude dans les hautes terres. Cette saison rime également avec la récolte des fruits, à l’origine de la multiplication des déchets organiques et de l’apparition des mouches. Les microbes se propagent ainsi plus rapidement explique un médecin au sein du CSB2 Antsahamamy.

L’albumine est un élément dans notre sang. C’est une protéine naturelle produit par le foie, explique le docteur Ratovoson Solozaka. L’excès du taux de l’albumine dans le corps est néfaste pour la santé car il peut boucher la veine du patient.

Ny areti-kibo sy aretim-pivalanana no matetika miseho rehefa fotoanan’ny hafanana aty afofoan-tany, hoy ny mpitsabo iray ao amin’ny CSB2 Antsahamamy Antananarivo. Ny loto vokatry ny hoditra voankazo no tena mahatonga izany. Eo ihany koa ny fahabetsahanan’ny lalitra mpitondra ny mikraoba rehefa mafana ny andro.

Ny « albumine » dia ao amin’ny vatan’ny olona tsirairay fa ny tahany ambony loatra no manimba ny fahasalamana. Mampivonto ny lalan-drà izy io ka mety hanentsina azy, ny fitiliana ihany no ahafahana mamantatra izay hoy ny tokotera dokotera Ratovoson Solozaka.

vendredi, 30 septembre 2022 12:38

Le Journal des régions du 30 Septembre 2022

  • La gendarmerie incite les personnes victimes des défaillances de moteur à cause d’essence ou du gas-oil mélangé à porter plainte.
  • Alaotra Mangoro : L'hôpital de Moramanga a ouvert un service d’ergothérapeute
  • 1 800 bornes d’eau seront alimentées dans trois régions victimes de sécheresses et dans 8 régions en difficultés pendant les périodes d’étiage.

  • Mamporisika ny olona tratran’ny fahasimbana motera vokatry ny solika mitapoka any amin’ny faritra rehetra hametraka fitoriana ny zandarimaria.
  • Alaotra Mangoro : nahazo «ergothérapeute» na ny sampandraharaha misahana ny fanarenana ara-batana ny ao amin'ny hopitalin’i Moramanga.
  • Hamelomana paompin-drano 1800 any amin’ny faritra telo isehoan’ny kere sy faritra 8 sahiranana amin’ny rano.
vendredi, 30 septembre 2022 12:41

Le Journal des régions du 24 Septembre 2022

- Toamasina : 60% des jeunes ont participé activement à la formation au recensement citoyen.

- Matière Mathématique : Le Ministère de l'Education Nationale organise un concours pour les élèves de terminale de catégorie S ou C le 4 novembre prochain.

- Andriambilany Ambatolampy : Commune classée digne en terme de gouvernance locale au titre foncier.

- 50 permis côtiers seront accordés à ceux qui terminent la formation de matelotage, qui a commencé le 15 septembre et se terminera le 5 octobre.

- Toamasina : 60 % ireo tanora nazoto nandray anjara tamin’ny fihofanana momba ny fanisam-bahoaka.

- Taranja Matematika : Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpianatra kilasy famaranana sokajy S na C ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny 04 Novambra izao.

- Andriambilany distrikan’Ambatolampy : Kaominina anisan’ny voasokajy ho mendrika amin’ny lafiny fitantanana eny ifotony amin’ny fananantany.

- Permis côtier 50 no omena ireo mahavita fiofanana tatsambo nanomboka ny 15 Septambra teo ary hifarana hatramin’ny 05 oktobra izao.

vendredi, 30 septembre 2022 12:32

Le Journal du 30 Septembre 2022

- Le 11 ème accord de pêche entre Madagascar et l’Union Européenne débutera en 2023.

- A Madagascar, l’infection néonatale touche 10 pour 100 des nourrissons.

- Coopération entre les anciens et les jeunes dans la protection des Droits Humains.

- Une petite découverte culinaire au salon de la gastronomie.

- Hiatra manomboka ny 2023 ny fifanarahana jono lamatra eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eropeana.

- Zaza iray amin’ny folo no tratran’ny aretina vokatry ny otrik’aretina.

- Fifanampiana eo amin’ny olobe sy ny tanora aty Taolagnaro amin’ny fiarovana ny zon’olombelona.

- Fitsidihana kely ara-tsakafo ny foaran’ny sakafo sy ny lakozia.

  • Palais de la Reine de Madagascar : un travail de restauration pour pérenniser le patrimoine
  • Nosy Be : la préfecture de la ville a mis en place des nouvelles règles de comportement et de tenue vestimentaire pour les conducteurs des transports publics.
  • Vatovavy : le tribunal a tenu une journée porte ouverte hier à Mananjary.

  • Rova an’i Madagasikara : misy ny asa fanarenana hampaharitra ny vakoka sy hisorohana ny loza mety hitranga.
  • Nosy Be : nampihatra fitsipika fitondrantena sy fitafy ho an’ny mpitondra fitateram-bahoaka ny prefektioran’ny tanana.
  • Vatovavy : nanatanteraka varavarana misokatra ny fitsarana ao mananjary omaly alarobia.
jeudi, 29 septembre 2022 13:10

Le Journal du 29 Septembre 2022

  • La majorité des malgaches veut un partage à égalité des biens fonciers.
  • Certains Fokontany ne reçoivent plus des pièces attestant qu’une personne est ou a été condamnée.
  • Khosta2, le cousin de la COVID19 détecté en Russie.
  • Festival Madajazzcar 33ème édition : apporter sa contribution au redressement du tourisme local.

  • Ny ankamaroan’ny Malagasy eto Madagasikara dia maniry ny hisian’ny fitovian-jo amin’ny fananan-tany
  • Tsy mahazo taratasy avy any amin’ny fitsarana intsony ny Fokontany manamarina oe efa nifonja ny olona iray
  • Khosta 2 : tsimok’aretina mitovy amin’ny COVID 19 any Rosia.
  • Madajazzcar andiany faha-33: mandray anjara amin’ny famerenana tsikelikely ny fizahantany.

Le nombre de cas de violences sexuelles perpétrées par des hommes envers les femmes et les enfants se multiplie dans la région de Vakinankaratra. Le taux est élevé à Betafo, selon les données recueillies par les jeunes, formés dans le projet OBSMADA, au sein du service de la population du district. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka. Si le nombre de cas en 2021 était de 53, on compte 90 cas depuis le mois de janvier jusqu’en août 2022, dont des cas de viols en majorité. Le plus jeune est un enfant de 7 mois. Des personnes en situation d’handicap sont aussi concernées, a affirmé la jeune Noeline Nadine RAMINOARIJAONA. Les gens ont peur de dénoncer ce fait car dans la plupart des cas, le présumé coupable est souvent un membre de la famille, a-t-elle précisé. Les familles optent alors souvent pour des résolutions à l’amiable. Pourtant, une fois le crime prononcé, les responsables au niveau de la direction régionale de la population suit l’affaire, en aidant les victimes dans les démarches, selon le chef de service de la population, de la protection sociale et de la promotion de la femme, du district de Betafo, Rivo Harifetra ANDRIAMAROSOLO. Chaque entité concernée devrait faciliter les procédures suggère-t-il, à commencer par la délivrance de certificats médicaux, les démarches auprès des forces de l’ordre et aussi au niveau de la justice. On devrait faire connaître les lois et les procédures à suivre à la population, rétorque le jeune Lova Niaina Patrick RAMAMONJISOA. Selon lui, la population et les autorités devraient suivre de près l’application de la peine. Selon nos invités, le chômage est l'une des raisons de l'augmentation des cas, mais il y a aussi la toxicomanie. Selon l'adjointe au maire de Betafo, Zolinirina Randriamiandra, on doit revaloriser la matière « éducation civique » dans les écoles. Un centre d’écoute et de conseil juridique devrait être mis en place dans les communes et surtout des structures inclusives et un centre de loisir pour les jeunes.

Mitombo isa ny herisetra ara-nofo ataon’ ny lehilahy amin’ny vehivavy ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Ambony indrindra ny taha eto Betafo, araka ny angon-kevitra nataon’ireo tanora niofana  ato anatin’ny tetikasan’ny OBSMADA. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka. Raha 53 no isan’ny tranga voahangona ny taona 2021, miisa 90 izany ny Janoary hatramin’ny Aogositra 2022. Tranga fanolanana zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Zaza menavava 7 volana no zandriny indrindra ary misy amin’ireo iharan’ny herisetra ihany koa ny olona manana manana fahasembanana ara-batana hoy ny tanora, RAMINOARIJAONA Noeline Nadine. Tsy mahasahy mitoroka ireo olona voakasik’izany amin’ny ankapobeny hoy izy satria fiankaviana ihany matetika no manao ilay herisetra. Raharaham-pihavanana araka izany no hamahan’izy ireo ny olana. Manaraka ny raharaha avy hatrany anefa hoy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny mponina, ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, distrikan’I Betafo, ANDRIAMAROSOLO Rivo Harifetra raha vao fantatr’izy ireo ny tranga. Mila hamoraina ireo dingana lalovana amin’izany hoy izy. Ohatra ny fanamorana ny famoahana ny taratasy fanamarinam-pahasalamana, manaraka izany ihany koa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Mila hampahafantarina ny mponina ny lalàna sy ny dingana arahina ary mila araha-maso tsara ny fampiharana ny sazy hoy ny tanora RAMAMONJISOA Lova Niaina Patrick, satria misy ireo tsy maty manota. Anisan’ny antony mahatonga ny fiakaran’ny tranga moa araka ny filazan’ireto vahiny ireto ny tsy fananana asa fa indrindra ny fifohana zavamahadomelina. Tokony averina atao taranja matanjaka any ampianarana ny fitaizana ho olom-banona hoy ny Ben’ny tanàna lefitra ao Betafo, Randriamiandra Zolnirina. Tokony apetraka hoy izy ireo ny ivon-toerana fandraisana fitarainanana sy fanomezana torohevitra eny amin’ny Kaominina ary indrindra ihany koa ny rafitra mampiaty sy toerana fialamboly ho an’ny tanora.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter