COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Le divorce par consentement mutuelle implique que les deux époux mettent fin à leur relation sans aucune faute commise. Il n’y a que le divorce pour faute, posé par la loi 2007-022 qui est applicable à Madagascar et qui nécessite que l’un des époux ait commit une violation des obligations du mariage pour qu’il y ait divorce. Selon les explications de l’avocate au barreau de Madagascar, Verohanta Ranaivoson, le consentement mutuel n’a pas été mise dans cette loi parce qu’elle doit tout d’abord être conforme aux traditions et aux mœurs de la société malgache. Et pour la changer il faut que les acteurs législatifs, comme les avocats par exemple, doivent interpeller la législation sur la non-conformité de la loi par rapport à la société actuelle. Le tribunal malgache n’accorde le divorce par consentement que pour les époux ayant contracté le mariage dans un pays où cette loi est appliquée.

 

 

 

Ny fisaraham-panambadiana hifanarahana midika fa tsy misy ny fahadisoana eo amin’ny iray amin’ny mpivady no hisarahana fa nifanaraka izy ireo. Ny lalana 2007-022 misahana ny fanambadiana eto Madagasikara dia tsy mandray an’izay karazana fisaraham-panambadiana izay fa fisarahana noho ny fisiana adisoana eo amin’ny iray amin’ireo mpivady no ekeny. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava eo anivon’ny Tribonalin’i Madagasikara, Verohanta Ranaivoson, dia tsy misy izany satria tsy maintsy mifanaraka amin’ny fomba amam-panao eo amin’ny fiaraha-monina malagasy ny lalàna mihatra eto amin’ny fiaraha-monina. Ary mba hanovana izany, ny mpampiasa lalàna, toy ny mpisolovava ohatra, dia tsy maintsy manamarika eo an’ivon’ireo mpanao lalàna fa tsy mifanaraka amin’ny fiaraha-monina ankehitriny intsony io lalàna io. Ny fitsarana malagasy dia manome alalana ny fisaraham-panambadiana hifanarahana hafa-tsy ho an'ireo mpivady nanao fanambadiana tany amin'ny firenena izay mampiharatra izany.

 

jeudi, 25 août 2022 13:35

Le Journal du 25 Août 2022

- Les nouvelles séries L, S, OSE ont apporté un surplus pour les étudiants à l’université.

- Code Municipal d’Hygiène : les clients de gargotes insalubres ne sont pas habitués à porter plainte.

- Carrière de portraitiste: un nouveau monde professionnel exploitable pour les jeunes talentueux malgaches.

- Chine-Taiwan : entre distorsion et réunification ?

- Liana amin’ny vatsim-pianarana any ivelany ny ankamaroan’ny mpianatra vao afaka Bakalorea ao Toamasina. 

- Fahadiovana ara-tsakafo eny amin’ny trano fisakafoana : tsy manana fahazarana mitaraina eny amin’ny kaominina ireo mpanjifa.

- Haiteny, azo hampanarahina vanin-potoana ny kabary.

- Chine-Taiwan : fifandirana sa fifanarahana ?

- Bongolava : pas de frais pour les  dépôts d’argent Mvola auprès des cash point.

- Toliara : recommandations pour la lutte contre la corruption et l’exploitation illégale des tortues radiées.

- Amoron’i Mania : un format livre du « dinam-paritra » sera distribué aux autorités concernés.

- Bongolava : tsy azo hangalàna sarany ny fametrahana vola na « dépôt » eny amin’ny Cash point.

- Toliara : soso-kevitra hampihenana trangana kolikoly miantraika any amin’ny fiarovana ny sokatra.

- Amoron’i Mania : ho hatonta boky ny dinam-paritra ary hamparitaka isaky ny mpisehatra. 

jeudi, 25 août 2022 11:42

Des conseils santé pour les vacances

Andry Tiana RAMAROSANDRATANA, naturopathe, donne quelques conseils à ceux qui ont le mal des transports. Pour éviter les vomissements dans la voiture, on peut utiliser du charbon végétal et de l’argile verte pour alléger l’estomac.  

Pendant les vacances, il faut des soins adaptés pour la peau selon la dermatologue DR Fandresena SENDRASOA. Ainsi, le bronzage est déconseillé du fait que le soleil vieillit rapidement la peau si on s’y expose trop souvent.

Elle explique également l’origine du vitiligo (dépigmentation de la peau) et rassure que celui-ci n’est pas contagieux. Cette maladie de la peau se manifeste surtout pendant la saison chaude.

Misy amintsika mety tsy mahazaka mandeha fiara lavitra rehefa hiala sasatra iny. Manome torohevitra momba izay i RAMAROSANDRATANA Andry Tiana, manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry na naturopathe. Ny charbon végétal sy argile verte hoy izy dia manamaivana ny vavony, ka afaka misoroka na manala ilay maloiloy  na ilay te handoa iny.

Mila haintsika koa ny mikarakara ny hoditra rehefa mandeha amin’ny toerana. Araka ny fanazavan’i Dokotera SENDRASOA Fandresena, tsy dia tsara loatra ny fanaovana ireny bronzage ireny satria manafaingana ny fahanteran’ny hoditra. Tsy mitombona koa, hoy izy, hoe mifindra amin’ny samy olona ny aretin’ny hodi-potsy. Amin’ny andro mafana no tena miseho izy ity. Ny fanatonana mpitsabo ihany no tokony atao indrindra ho an’ireo olona tsembo-dava ohatra.

jeudi, 25 août 2022 11:24

Sifflet du 21 Août 2022

- CAN U23 : Madagascar affronte les Seychelles au premier tour du tournoi.

- BAREA CHAN : la liste des 23 joueurs qui rencontreront le Botswana a été publiée.

- Madagascar participera à la compétition Africaine de football scolaire.

- Trois compétitions nationales, U14, U16, Vétéran, se dérouleront dans trois régions différentes à Madagascar.

- Les tournois nationaux de volley-ball U14 hommes et femmes, U19 femmes et U21 hommes et la deuxième division Madagascar Cup sont en cours.

- CAN U23 : mifandona amin’i Seychelles i Madagasikara amin’ny lalao dingana voalohan’ny fifanintsanana.

- Barea CHAN : nivoaka ny lisitry ny mpilalao 23 hiaona amin’ny Botswana.

- Handray anjara amin’ny fifaninanana Afrikanina amin’ny baolina kitra an-tsekoly i Madagasikara.

- Basket Ball : Fifaninanam-pirenena telo, U14, U16, Vetéran, mandeha amin’ny faritra telo samy hafa eto Madagasikara.

- Ao anatin'ny fifaninanam-pirenena amin’ny volleyball ny U14 lahy sy vavy, U19 vehivavy sy U21 lehilahy ary ny amboaran’i Madagasikara divisiona faharoa.

jeudi, 25 août 2022 10:59

Sifflet du 17 Août 2022

- BAREA : 40 joueurs présélectionnés pour le regroupement au mois de septembre en vue de la préparation de la CAN 2023.

- Les BAREA CHAN joueront un match amical contre le CFFA Andoharanofotsy dimanche à 14h30.

- Le Championnat National de Basket U16 se déroulera à Fort Dauphin du 20 au 28 août.

 

- BAREA : Mpilalao 40 no voafantina mialoha amin’ny fampivondronana amin’ny septambra hanomanana ny fifanintsan’ny CAN 2023.

- BAREA CHAN : hanao lalao ara-pirahalahina amin’ny CFFA Andoharanofotsy amin’ny alahady amin’ny 2 ora sy sasany.

- Hatao any Fort Dauphin amin’ny 20 hatramin’ny 28 aogositra ny fifaninanam-pirenena amin’ny Basket-ball U16.

mercredi, 24 août 2022 13:14

Le Journal du 24 Août 2022

  • Il faut revoir un peu les leçons de l’année dernière pour se préparer à la prochaine rentrée.
  • Les habitants en région subissent la hausse des prix des PPN avec un niveau de vie relativement faible.
  • Festival 321, une opportunité à saisir pour les chorégraphes Malgaches.

  • Mila mamerin-desona kely ihany hanomanana ny fidirana mianatra manaraka.
  • Vatsim-pianarana : Manoka-baravarana ho an’ireo liana handranto fianarana maimaimpoana any ampitan-dranomasina ireo firenen-tsamihafa.
  • Mitokamonina tanteraka ny mponina ao nosy varika vokatrin’ny lalam-pirenena faha 11 tapaka.

mercredi, 24 août 2022 12:43

Le Journal des régions du 24 Août 2022

- Toliara : les étudiants de l’université de Toliara poursuivront leurs grèves jusqu’à ce que leurs demandes soient entendues et réglés.

- Moramanga : la plupart des plaintes reçues auprès de Centre d'écoute est liée à l’adultère.

- Diana : l’aire protégée de Galoko Kalobinono a été incendié hier, 20ha de forêt ont été réduit en cendre.

- Toliara : tsy hitsahatra ny fitakiana hataon’ireo mpianatra raha sy mivaly avokoa ny fangatahany rehetra. 

- Moramanga : Herisetra fampirafesana no maro an'isa voarain’ny  Centre d'écoute Moramanga.

- Diana : may ny alina teo ny faritra arovana Galoko Kalobinono.

Le Bureau National de la gestion des risques et des catastrophes (BNGRC) utilise une matrice de suivi de déplacement pour pister le mouvement de la population. Cela permet de repérer l’urgence et d’estimer le nombre de migrants. Après les repérages, le BNGRC peut entreprendre des actions anticipatives : écoute de besoins de la population, identification des personnes vulnérables. Le BNGRC, avec d’autres acteurs, procurent des aides sanitaires, alimentaires ou selon les domaines respectifs de ces acteurs.

 

Ny Birao Nasionaly misahana ny loza voajanahary (BNGRC) dia mampiasa fitaovana fanaraha-maso ny fifindra-monina mba hijereny ny fihetsiky ny mponina. Izany dia ahafahana mamantatra ny hamehana sy manombana ny isan'ny mpifindra monina. Aorian'ny fijerena dia afaka manao hetsika mialoha ny BNGRC: fihainoana ny filan'ny mponina, famantarana ireo olona marefo. Ny BNGRC, miaraka amin’ireo mpisehatra hafa, dia manome fanampiana ara-pahasalamana sy ara-tsakafo na araka ny sehatra misy ireo mpisehatra ireo.

mercredi, 24 août 2022 09:27

Le « fafy vady » ou le mariage bara

Le « Fafy vady » (ou tandra vady) est un rituel incontournable dans la tradition bara.

C’est l’équivalent du mariage civil au sein de la tribu, sans quoi les nouveaux mariés ne seront pas légitimes, et donc ne pourront rien hériter de leurs familles respectives. Le « Fafy vady » est l’étape qui suit la demande en mariage. Cette dernière se fait sous le « Hazomanga », arbre sacré du village,

où un zébu est sacrifié pour demander aux ancêtres de bénir le nouveau foyer. Selon Andrianandraina Jacques Modeste, gardien de tradition bara, Le sacrifice de zébu est important, surtout dans la tradition bara, car il efface toute impureté et enlève le tabou si les deux personnes à marier viennent de la même famille.

 

Restons dans l’Ihorombe. Les éleveurs de zébus de la tribu bara ont coutume de pratiquer la culture sur brûlis. Selon le doyen de village et éleveur de bovin, Rakotonirina Jean Fidèle, il n’est pas question de nuire à l’environnement mais justement d’aider la terre à se régénérer. Une pratique régie par les lois de la nature dit-il. Cela aide les nouveaux plants de pousser et ainsi de permettre aux zébus de prendre de la force.  La localité d’Ampandra, à Ihosy par exemple, le fait pendant le printemps (de septembre à novembre), après la tombée de la deuxième pluie, afin d’accélérer les graines de germer. Si quelqu’un brûle la terre avant ou après cette période, c’est criminel car cela perturbe l’ordre naturel, comme ce qui se passe dans beaucoup de régions, termine-t-il.

 

 

Ny « Fafy vady » na « tandra vady » dia fomba fampakaram-bady ao amin’ny foko bara. Mitovy amin’ny fisoratam-panambadiana eny anivon’ny fanjakana izy io, izany hoe misitraka ireo zo rehetra sy ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina ny mpivady aorian'ny fanaovana azy. Eo ambany hazomanga no anaovana azy ary mamono omby mba hanan-kery imason’ny fiaraha-monina ilay fomba. Nilaza i  Andrianandraina Jacques Modeste, mpitandro ny fomba bara, fa manala ireo fady amin’ny lahy sy ny vavy ihany koa izy io, raha misy rohim-pihavanana ny roa tonta.

Ao Ihorombe hatrany, isan’ny fomba bara ny mandoro tanety. Notsipihin’ny ray aman-dreny ara-drazana, Rakotonirina Jean Fidèle, anefa fa tsy hanimba tontolo iainana no tanjona fa hanampy ny tany hamokatra kokoa aoriana. Manaraka ny lalàn’ny zava-boahary, hoy izy, ny fanaovana azy : tsy maintsy lohataona ary miandry orana roa milatsaka izany no atao. Mifanaraka ihany koa ireo tanana manodidina fa tsy miara-mandoro. Rehefa izay dia mora mitsiry ireo bozaka sy hazo, ampy ny sakafon’ny omby ary mamokatra ny tany hoy izy.

mardi, 23 août 2022 13:08

Le Journal du 23 Août 2022

- Le salon de l’étudiant et de l’emploi 2022 propose un large choix sur les universités publiques et privées à Madagascar.

- Faire des études en sciences politiques n’intéresse que peu de jeunes Malgaches

- Préparation à la période de pluies : le nettoyage d’égouts ne suffira pas.

- Politique nationale de la protection sociale : le projet « filets sociaux de sécurité » s’attend à toucher 15% de ménages extrêmement pauvres d’ici 2023  

- Manome safidy betsaka hoan’ireo tanora ny salon de l’étudiant et de l’emploi amin’ireo oniversite misy.

- Fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra eto an-drenivohitra : tsy ampy raha fanadiovana tatatra fotsiny no atao.

- Hetsika fandoavan-ketra ao amin'ny faritra boeny.

- Asa fanaovana sary varatava: Tontolo arak’asa azon’ny tanora mana-talenta malagasy trandrahana tsara.

- Alaotra Mangoro : le Réseau des Jeunes Ambatondrazaka permettra aux jeunes de partager leurs expériences.

- Vatovavy : le congrès national des paramédicaux se déroule actuellement à Mananjary.

- Boeny : la commune et les individus qui gèrent actuellement la petite plage n’ont tous les deux aucune autorisation de gestion.

- Alaotra Mangoro : hahafahan’ireo tanora mifampizara traikefa ny Réseau des Jeunes Ambatondrazaka.

- Vatovavy : fanokafana ny kongresy nasionaly ny paramedy ao Mananjary.

- Boeny : tsy mbola manana fahazoan-dalana hitantana ny tora-pasika ny kaominina sy ny mpandraharaha mampiasa azy ankehitriny.

Le « nano-finance » est un système de gestion financière, d’épargne et de prêts à petite échelle.  Il est essentiellement appliqué dans une communauté locale, c'est-à-dire dans un groupe de villageois ou de quartier ou dans une association.  Les membres versent leurs contributions dans la caisse communautaire, l’argent peut servir de fonds pour les projets du groupe ou peut servir de prêt pour les membres. L’émission a pris  l'exemple du "Groupe d'épargne communautaire" dans la région de Sofia. Il peut y avoir 3 ou 5 groupes dans chaque village avec 10 à 30 membres dans chaque groupe. Les membres versent une cotisation chaque semaine et peuvent ensuite emprunter de l'argent chaque mois, explique le chargé de projet de la Fondation Aga Khan à Sofia, Tolojonahary Serge Angelo. 2 ou 3 personnes gardent l'argent et seuls les membres en sont au courant. Selon l'économiste Ralalason Jarus, cela fait partie des mesures qui peuvent être mises en place, pour la garantie de ce système. Mais il y a aussi les accords communautaires comme le « Dina ».

 

Fitantanam-bola, fanaovana tahirimbola sy findramam-bola amin’ny sehatra madinika ny atao hoe « nano-finance ». Eny ifotony no tena ampiharana azy, izany hoe misy olona mivondrona eo amina tanàna na fokontany iray, miara-manangona vola amin’ny alalan’ny latsakemboka ka iny vola iny no hiasana avy eo, hanaovana ny adidy na hampindramina ireo izay mila izany. Naka ny ohatra an’ilay « Groupe d’épargne communautaire » ao amin’ny faritra Sofia ny fandaharana. Misy vondrona 3 na 5 eo isaky ny fokontany ka misy mpikambana 10 hatramin’ny 30 isaky ny vondrona iray. Mandrotsaka vola ao isakerinandro izy ireo ary  afaka mindrana vola ao isambolana hoy   tomponandraikitry ny fondation Aga Khan faritra Sofia, Solofondraibe Tolojonahary Serge Angelo. Olona 2 na 3 eo no mitazona ny vola ka ireo mpikambana ihany no mahafantatra hoe aiza no misy izany. Anisan’ny azo ampiharina izany fepetra izany hoy ny mpahay toekarena, Ralalason Jarus, mba hahazoana antoka ity tahirimbola ifotony ity. Eo ihany koa ny fanoavana Dina na fifanekem-piarahamonina. 

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter