Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, trois étudiants de l’Université d’Ankatso : Raby Soanandrasana Pamela, Andrianavalomandimby Anjarasoa Finoana et Randriamahefa Nolalaina Andrisoa, vont s’exprimer au sujet du conflit à cause des migrations climatiques en premier lieu. Puis, ils vont parler de l’examen officiel et du diplôme BEPC et finalement ils vont discuter du test d’aptitude militaire.
Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba hahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio dia mandray mpianatra telo avy eny amin’ny Oniversiten’Ankatso isika, misy an’i Raby Soanandrasana Pamela, Andrianavalomandimby Anjarasoa Finoana ary i Randriamahefa Nolalaina Andrisoa. Maneho hevitra mahakasika ny olan’ny fifindramonina noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy ireo. Avy eo dia miresaka mahakasika ny fanadinana sy ny marim-pahaizana BEPC sy ny momba ny fitsarana Miaramila amin’izao fotoana izao.
Selon l’OMS la circoncision diminue de moitié le risque de contamination au VIH et les MST. Elle prévient aussi le cancer du pénis même si cette maladie est encore très rare et aide à conserver la propreté et avoir une bonne hygiène intime selon le docteur Razafindralambo Naina.
Pour nous malgache, c’est le rite de passage pour devenir un homme. Le rituel le plus important dans sa vie.
Il y a différentes façons de pratiquer une circoncision. La façon traditionnelle et la façon moderne. Les parents ont le choix, malgré tout pour plus de sécurité et de surveillance les médecins conseillent la méthode moderne.
Concernant l’âge, cela dépend aussi de la culture. Dans certains pays il y a des jeunes hommes et même des hommes d’un âge avancé qui décident d’eux même de se faire circoncire dans les grands hôpitaux. Dans la religion juive, les nouveaux nés âgés de huit jours seulement se font circoncire. Pour les Malgaches, en général, la circoncision se fait au moment ou l’enfant va entrer à l’école.
Mangatsiaka izao ny andro, fotoanan’ny hasoavanjaza na didimpoitra. Fotoana hampitana ny zazalahy ho tena lehilahy izy io ho antsika Malagasy, dingana goavana tokoa izany.
Manampy amin’ny fahadiovana sy fahasalaman’ny filahiana ny famorana hoy ny dokotera Razafindralambo Naina . Araka ny fanambaran’ny vondrona maneran-tany ho an’ny fahasalamana OMS aza, manena amin’ny antsasany ny fiparitahan’ny Sida sy ireo areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny fanaovana azy io. Miaro amin’ny homamiadan’ny filahiana ihany koa na tsy fahita firy aza ity aretina ity.
Maro karazana ny fombahanaovana an’ity hasoavanjaza ity, ao ireo fombafomba nentin-drazana, ao koa ilay ataontsika hoe fomba moderina na ilay ataon’ny mpitsabo. Manana ny safidiny manokana ireo ray aman-dreny ho amin’ireo tekinika hampiasaina.
Tsy misy taona voafaritra ny fanaovana hasoavan-jaza. Any ampitan-dranomasina any aza misy ireo efa olon-dehibe hatramin’ny lahy antitra vao tapakevitra ny hanao hasoavana ary miditra toeram-pandidiana mihitsy. Misy vao teraka andro vitsivitsy dia efa atao hasoavana, ho an-dry zareo manaraka ny finoana jiosy indray izay. Aty amintsika kosa matetika alohan’ny hidiran’ny zazalahy hianatra no hanaovana azy.
- Mifarana ny fivoriana faha-50 ataon’ny firenena mikambana ho an’ny zon’olombelona.
- Ny fametrahana fitoriana eny anivon’ny Brigady misahana ny heloka bevava.
- Nametraka vondrona mpanara-maso teto Analamaga ny OBS MADA.
- Fanabeazana : aleo mametraka ny fahefana amin’ny alalan’ny fanajana toy izay amin’ny alalan’ny fampihorohorona.
Reportage
Sahanala forme les paysans à Vohémar sur des activités qui limitentl’exploitation des aires protégés. La transformation des produits locaux à Vohémar même est plus rentable et crée des emplois pour les habitants. Angelo nous conduit dans la foret de vanille à Mororobe, environ à 50 kilomètres de Vohémar, pour l’amélioration de culture de vanille.
Interview
Le Vondron’Olona Ifotony est un groupe de personnes représentant un territoire bien déterminé, autorisé légalement à gérer cette espace et les ressources qui s’y trouvent. Cela peut être une aire protégée, une forêt, etc. Un contrat signé avec l’Etat, un cahier de charge, détermine sa fonction, tels que la gestion des richesses naturelles, la surveillance des lieux etc. Rasolofoharivelo Tovonanahary, un environnementaliste, nous explique les fonctions des VOI.
Astuces
Un purificateur d’air naturel à base de de vinaigre blanc, alcool, bicarbonate, et savon liquide.
Actus
Sommet Mondial des Océans à Lisbonne Portugal le 27 Juin à 3 juillet. Une délégation malgache y est assistée.
Fanadihadiana
Sahanala dia mampianatra ireo tantsaha any Vohemar hampihena ny fikasihan’izy ireo ny ala voajanahary. Ny fanodinana ireo akora ao an-toerana dia ahazoana tombony misimisy kokoa ho an’ny mponina any an-toerana. Alana lavanila any Mosorobe, 50 kilometatra miala an’i Vohemar, no itondran’i Angelo antsika mikasika ny fanatsarana ny fambolena ny lavanila hahazoana tombony misimisy kokoa.
Resadresaka
Ny Vondron’olona Ifotony dia fikambanan’ny olona misolontena ny fokonolna eo amin’ny toerana voafaritra iray ka mangataka hitantana ny valanjavaboahary eo amin’izany Faritra izany. Misy ny fifanarahana sy bokin’andraikitra vita sonia amin’ny fanjakana ka miankina amin’izay ny asan’izy ireo. Mety hoe manao fisafoana, mitantana ireo ala sy ny sisa. Vahiny hanazava izany i Rasolofoharivelo Tovonanahary, mpiaro ny tontolo iainana.
Torohevitra
Fangaro natoraly vita amin’ny vinaigitra, alikaola, karibonetra ary ranontsavony hanadiovana ny rivotra ao an-trano.
Vaovaon’ny tontolo iainana
Fihaonana an-tampony momba ny ranomasina tany Lisbonne Portugal ny 27 jona hatramin’ny 3 jolay teo. Nisy ireo solotena malagasy niatrika izany tany an-toerana.
On obtient divers produits dérivés d’une ruche telle que la cire, le « siramamy gasy », la propolis ou une sorte de colle naturelle anti-bactérie, etc. Une ruche peut donner 2 kilos de cire brute par an. Ce produit doit être mélangé avec du paraffine et du pétrole pour obtenir environ 23 kilos de cire utilisable. Celle-ci peut couter 30 milles ariary le kilo.
Le fond de départ dans l’apiculture peut s’élever à 150 milles ariary. Cette filière nécessite un endroit calme avec beaucoup de plantes à fleur sur un rayon de 3 kilomètres. Une ruche peut donner 20 kilos de miel tous les 3 mois si les conditions sont biens respectées. L’apiculteur Rahajamalala Tiana Finaritra nous partage des informations sur cette filière.
Vokatra maro no azo avy amin’ny fiompiana tantely toy ny savoka, siramamy gasy, lakaoly natoraly hiarovana amin’ny bakteria antsoina hoe « propolis » sns. Mamoaka savoka 2 kilao isan-taona ny trano tantely iray. Mbola ahodina sy laroina fangaro hafa izany vao lasa savoka azo ampiasaina. Manodidina ny 30 000 ariary ny kilao eny an-tsena.
Manodidina ny 150 000 ariary kosa indray no ilaina raha hiditra amin’ny fiompiana tantely. Mila toerana be zava-maniry sy milamina ny fiompiana azy mba hahazoana vokatra manodidina ny 20 kilao isaky ny 3 volana. Manazava momba ny fiompiana tantely ny mpiompy iray Rahajamalala Tiana Finaritra.
Le Centre D’Appui et de Formation Professionnelle Agricole Andranovaky Mahitsy est l’un des sept centres qui forment les jeunes pour devenir entrepreneurs agricoles professionnels à Madagascar pendant une période de trois ans. Auparavant, les jeunes dans tout Madagascar pouvaient suivre cette formation ici dans la capitale mais actuellement seuls les jeunes d’Itasy, de Bongolava et d’Analamanga sont acceptés. Ces jeunes bénéficient de toutes les techniques d’élevage et d’agriculture.
Le centre est situé à 7km de Mahitsy. Pour les jeunes ayant terminé la classe de troisième, l’inscription pour la prochaine formation est ouverte au mois de juillet 2022, au siège à Andranovaky ou auprès de la direction régionale de l’élevage de Bongolava ou Itasy.
Ny CAFPA na ny Centre D’Appui et de Formation Professionnelle Agricole Andranovaky Mahitsy dia ivo-toerana iray amin’ireo fito eto Madagasikara mamolavola tanora ho mpandraharaha matihanina amin’ny fambolena na ny fiompiana ka telo taona ny faharetan’ny fiofanana. Hianarana ao avokoa ny teknika rehetra momban’ny fiompiana sy ny fambolena. Taloha dia ireo tanora avy amin’ny faritra rehetra manerana an’I Madagasikara dia afaka nanovo fianarana teto saingy amin’izao dia ireo tanora avy any amin’ny faritra Itasy sy Bongolava ary Analamanga no nomena tombony.
Eo amin’ny 7km miala ny tampon-tanan’ny Mahitsy no misy ny CAFPA Andranovaky. Ny volana jolay 2022 no hisokatra ny fisoratana anarana sy fandraisana ireo antontan-taratasy ho an’ny taom-piofanana manaraka, ho an’ireo tanora nahavita ny taona fahatelo maniry ny hiofana momban’ny fambolena sy fiompiana. Ho an’ireo any amin’ireo faritra Bongolava sy Itasy kosa dia eny amin’ny fitaleavam-paritry ny fiompiana isaky ny faritra avy no handraisana izany.
L'ONG a été fondée en 1999. Elle est spécialisée dans la formation professionnelle et l’alphabetisation des enfants et jeunes vulnérables. La formation dure environ 2ans. Durant ces 23 années d’existence, environ 800 jeunes ont bénéficié des formations en menuiserie, ouvrage metallique, mécanique automobile, coiffure et restauration. Le centre de formation est à Ambohijanaka et l’alphabetisation à Tsiadana.
Ny taona 1999 no niorina ny ONG Manda . Misehatra amin’ny fampiofana arak’asa sy fampianarana mamaky teny sy manoratra ireo zaza sy tanora izy ireo. Omeny tombony amin’izany ireo zaza sy tanora marefo ara-pivelomana. Ny rafitra hazo, ny asa mombany vy, ny fanamboarana fiara, ny fampianarana manao taovolo, sy mahando sakafo no hampiofanana ireo tanora ireo. Tanora manodidina ny efapolo eo no volavolainy ao anatin’ny roa taona, izany hoe manodidina ny valon-jato eo izany izay ny tanora nahazo tombony tao anatin’izay 23 taona nisiany izay. Eny Ambohijanaka no misy ny toeram-piofanana ary eny Tsiadana kosa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.
- Fizarana kopia faobe: antony maro no tsy ahafahan’ny olona manamboatra ny kopia ara-potoana.
- Mahasolo ny vary fihinantsika isan’andro ve ny vary mainty ?
- Fanentanana ny tanora haneho hevitra ao amin’ny tranokala U-Report Mahajanga.
- Art thérapie na fanasitranana amin’ny zava-kanto : na ianao mihira na mandihy isan’andro io aza dia efa izy.
Au même titre qu'une personne physique, l'État, qui est une personne morale, peut également disposer de ses biens propres. D'une part, il dispose d'un domaine public qui n'est ni saisissable, ni prescriptible, ni commercialisable. Il s'agit des domaines naturels comme la mer et l'eau, des domaines artificiels comme les ports ou les aéroports, ainsi que ceux prévus par la loi comme les rues. En revanche, le domaine privé de l'État est constitué des biens titrés et immatriculés au nom de l'État, de ceux qui ne sont ni titrés ni immatriculés mais qui n'ont été exploités par personne, des îles ou des îlots.
Le domaine privé de l’Etat peut être acquis par tout Malgache jouissant de ses droits civils et politiques et ayant atteint la majorité civile, par les entreprises ainsi que par les différentes institutions. Mais comment ? Le Chef du service régional du domaine d'Analamanga, Rakotodrazanany Norohanta Emilda donne les réponses.
Toy ny olon-tsotra rehetra dia manana ny fananany manokana ihany koa ny fanjakana iray. Misy ny atao hoe « domaine public » izay natokana ho an’ny daholobe ary tsy azo hamidy na hafindra amin’ny olona hafa. Tafiditra ao anatin’izay izao ohatra ireo izay voajanahary toy ny ranomasina, ny rano, izay harin-tananan’ny olombelona toy ny seranan-tsambo ary ihany koa ireo lalàna. Etsy ankilany dia misy ihany koa anefa ny atao hoe « domaine privé » izay azon’ny Malagasy, ny orinasa na sampan-draharaham-panjakana hangatahana ho vidina.
Hitondra fanazavana mahakasika izay fangatahana izay ny filohan’ny sampandraharahan’ny fananantany Analamanga, Rakotodrazanany Norohanta Emilda.
- Résultat du CEPE : Une hausse a été enregistré.
- Melaky: Les enseignants des EPP formés en « e-learning ».
- Nosy Be: Haify Loky Malagasy initie les enfants à l’art de la table et à la cuisine.
- Voka-panadinana CEPE : Nisy fiakarany ny taham-pahombiazana tamin'ity taona ity.
- Melaky: fiofanana mikasika ny « e-learning » ho an’ ireo mpampianatra.
- Nosy Be: Raikitra indray ny Haify Loky Malagasy “Meva sy Matsiro”.