COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

jeudi, 07 juillet 2022 08:00

Santé sexuelle des hommes

Santé sexuelle, les hommes aussi doivent prendre part dans la résolution des difficultés à procréer. Dans la plupart des cas, surtout à Madagascar, les femmes sont toujours les premiers à être blâmé d’infertile.

Selon le médecin (nom du médecin interviewé), la négligence des hommes concernant leurs santés sexuelles peut les conduire à l’infertilité et même l’impuissance. Une étude menée par des médecins européennes a même démontré que 40% des hommes atteignant la quarantaine font face à des problèmes d’érection et même d’impuissance. Les problèmes de cœur et la perturbation hormonale sont étroitement liés à cette situation. 

L’on ne peut alors négliger la santé sexuelle des hommes. Les hommes doivent au moins consulter deux fois par an. On doit aussi suivre et s’occuper de la santé sexuelle des hommes dès leur plus jeune âge. Les couples doivent consulter ensemble et suivre les prescriptions du médecin en cas de problème. 

 

Matetika ny vehivavy foana no mby an-tsaina raha vao resaka fahasalamana ara-pananahana izany. Ilaina ihany koa anefa ny mijery sy manara-maso an’izany ho an’ireo tovolahy.

Maro ny voka-dratsin’ny tsy fijerena matetika an’io toe-pahasalamana io. Araka ny fikarohan’ireo mpitsabo manam-pahaizana any ampitan-dranomasina any ny efapolo isanjaton’ireo lehilahy hananika ny efapolo taona no tratran’ny fahalemena na fahafatesan’ny filahiana mihitsy aza.  Mifandray avokoa ny zava-drehetra ao amin’ny vatantsika ao. Anisan’ny mifandray amin’ny fananahana ohatra ny fahasalaman’ny fo sy ny tahan’nytsiry mpanentana”. Eo ihany koa ny fahaiza-miaina sy fandanjalanjana ny sakafo sy ireo zava-pisotro.

  Tsy tokony tsinotsinoavina izany ny fananahana eo amin’ny lehilahy. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo aza, ilaina ny mitily sy mizaha mahakasika an’izany in-droa isan-taona fara faharatsiny. Mila tsinjovina sy jerena dieny mbola kely ihany koa io fahasalamana ara-pananahan’ny lehilahy io. Raha sanatria ka tojo olana kosa, ilaina amin’ny ny fiarahan’ny olon-droa ny manatona dokotera sy miaraka mitsabo ary manaraka antsakany sy andavany an’izay lazain’izy ireo.

Le test d’aptitude militaire s’inscrit parmi les devoirs d’une personne entre 19 et 31 ans en tant que citoyen selon la loi n°78-02. C’est une responsabilité nationale.  Auparavant, cela  nécéssitait l’application de plusieurs procédures comme les visites médicales. Les citoyens devaient aussi effectuer le service national. Maintenant, cela est devenu un acte volontaire selon le Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves, Général Roger Rasolonirina  .  Par contre, la carte verte reçue lors du test d’aptitude militaire est utile dans plusieurs domaines comme les examens nationaux et l’obtention de passeport.

 

Anisan’ny adidy tokony hefain’ny olom-pirenena iray manodidina ny 19 ka hatramin’ny 31 taona ny fanatanterahana ny fitsarana miaramila araka ny lalàna laharana faha 78-02. Tsy maintsy atao izany. Mafimafy kokoa noho ny ankehitriny ny endriny teo aloha satria nandalo fitsidihana ara-pahasalamana ireo notsaraina ary nampidirina toby avy hatrany avy eo nanaoasa fanompoam-pirenena.  Niova ho safidy fa tsy an-tery izany taty aoriana hoy ny Talen’ny Fanompoamp-pirenena sy fiandry, Jeneraly Rasolonirina Roger . Ilaina amin’ny toe-javatra maro toy ny fanamboarana kara-dia na ny fanadinam-panjakana  ny fananana ny karatra maitso azo avy amin’ny fitsarana miaramila.

 

jeudi, 07 juillet 2022 06:00

Métier autour de l’eau

A cause de la sècheresse dans la partie Sud de Madagascar, l’accès à l’eau s’avère difficile dans nombreuses villes et villages, comme le cas d’Ambovombe, la capitale de la région Androy. À cause de la situation, « le travail d’eau » ou « les chercheurs d’eau » sont très importants pour l’ensemble des ménages à Ambovombe. Izintsoa est un jeune homme dans les vingtaines d’année, il fait ce travail avec ses barils bleu sur sa charrette en bois tiré par deux bœufs. Il parcourt une heure de voyage en aller et une heure de voyage en retour pour chercher de l’eau à un puit, où il achète de l’eau pour ensuite le revendre.

Jocelyn, un père de famille à Ambovombe, fait partie des dizaines de ménages clients d’Izintsoa. Jocelyn se fait livrer 240 litres jusqu’à 480 litres d’eau par semaine, selon la consommation de son foyer, qu’il paye mensuellement en tant qu’abonnée d’Izintsoa. L’économie de la consommation en eau est appliquée par chaque ménage en raison des prix de l’eau en une partie mais surtout à cause de la difficulté d’en trouver lors des saisons sèches. Dès fois, ces travailleurs d’eau n’arrivent vraiment pas à en trouver et les ménages sont obligés d’acheter de l’eau légèrement salé dans les bassins de la ville s’il y en a aussi.

Vokatry ny hain-tany mahazo ny faritra Atsimon’i Madagasikara iny dia manano sarotra ny fahazoana rano amin’ny faritra maro, ary tafiditra anatin’izany ny tananan’Ambovombe, renivohitry ny faritra Androy. Asa manan-danja ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano araka izany ny mpantsaka rano, na ny antsoina mihitsy hoe « mpiasa rano ». Tovolahy vao 20 taona i Izintsoa, miaraka amin’ny barika mangabe roa eo ambony sarety hazo taritin’omby izy,  no manao io asa io efa aman-taonany. Mandeha eo amin’ny lalana adiny iray eo mandroso, adiny iray miverina izy maka ny rano : vidiany amina tompona vovon-drano.  

Anisann’ny tokantrano mpanjifa rano amin’i Izintsoai Jocelyn, raim-pianakaviana iray ao Ambovombe ao. Mahatratra 240 litatra hatramin’ny 480 litatra ny rano jifainy isan-kerinandro amin’ny fandaniana ao an-tokatranony : alohany isam-bolana amin’i Izintsoa. Iainan’ny tokatrano tsirairay any an-toerana ny fitsitsiana rano noho ny vidiny fa indrindra nohony mahasarotra azy amin’ny fotoanan’ny maintany. Misy fotoana manko tena tsy misy io rano mamy alain’ny mpaka rano io dia voatery mividy rano matsaboka avy amin’ny vovo amin’ny bassin eo an-tanana, raha misy ihany koa.

mercredi, 06 juillet 2022 13:02

Le Journal des régions du 06 Juillet 2022

 

  • Moramanga : le CISCO a un candidat mal voyant qui passe le BEPC.
  • VATOVAVY : la saison de récolte de la vanille verte est ouverte ce 02 juillet.
  • Amoron’i Mania : la production de citron dans le district de Manandriana rencontre des problèmes.

  • Moramanga : manana mpiadina manana olana ara-pahitana amin’ny BEPC ny CISCO.
  • VATOVAVY : nisokatra ny 02 jolay teo ny taom-piotazana lavanila maitso.
  • Amoron’i Mania : misedra olana ny famokarana voasary makirana ao distrikan’i Manandriana.
mercredi, 06 juillet 2022 12:40

Le Journal du 06 Juillet 2022

- Mpianatra fito mianadahy avy ao amin’ny AKAMA no miatrika ny BEPC.

- Fitsarana miaramila: karapanondro sy penina ihany no ilaina.

- Fifaninana lahatsoratra amin’ny fiteny bara, faniriana te-hanandratra ny tenim-paritra no nanosika ireo mpandray anjara.

- Fialam-boly ataon’ny ankizy  4-6 taona eo amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao.

mercredi, 06 juillet 2022 09:25

S’exprimer proprement en malgache ?

Le thème d’aujourd’hui concerne l’usage de la langue malgache dans le quotidien, notamment sur le slogan « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ». Qui veut dire « je maitrise ma langue maternelle et je respecte celle des des autres ». Maitriser la langue malgache exige le respect absolu de la règle grammaticale, les vocabulaires et l’usage des mots proprement en malgache si on s’exprime en malgache. Cela nécessite une auto discipline sur l’usage de la langue. La maitrise de la langue malgache facilite l’apprentissage d’autres langues car c’est à partir d’une langue bien prononcée qu’on traduit les autres langues. Certes, il existe déjà plusieurs dictionnaires qui traduisent les autres langues en langue malgache mais un dictionnaire spécifique pour chaque domaine aidera beaucoup les entrepreneurs à s’exprimer mieux en malgache surtout sur les termes techniques. L’académicienne et présidente de l’Havatsa Upem, Hajaina Andianasolo, l’enseignant Jen Raharinivo, et l’entrepreneur dans le domaine de la communication et tourisme Rova Ni débâtent sur le sujet.  

Lohahevitry ny andao hilaoeky androany ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny andavanandro amin’ilay hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ». Ny hoe andrianiko ny teny dia midika hoe hajaina ny teny malagasy eo amin’ny fomba fiteny sy fanoratra. Izany hoe mampiasa ny teny malagasy tsy misy diso tsipelina, manara-drafitra ary tsy mifangaro teny vahiny hafa. Mila fanabeazana ara-tsaina sy famolahatena ny fahatanterahan’izany. Ny fahafehezana ny teny malagasy ihany koa dia manamora ny fianarana ny teny hafa satria miainga amina teny misy fototra sy tsy misy diso. Betsaka ny rakibolana malagasy efa nivoaka saingy tsy ampiasain’ny malagasy loatra. Mila rakibolana manokana isaky ny sehatra izay mirakitra ny voambolana malagasy momba ilay sehatra ihany koa hahafahana milaza ireo voambolana teknika amin’ny teny malagasy. Miady hevitra momba io i Andrianasolo Hajaina, akademisiana sady filohan’ny Havatsa Upem, Raharinivo Jen, mpampianatra ary Rova Ni, mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny serasera sy fizahantany.

  • Alaotra Mangoro : les travaux de construction de la deuxième partie de la RN44 entre Amboasary et Vohidiala avancent à 75%.
  • Ankazobe : Ambolotarakely sera parmi les zones d’émergence piscicole.
  • Antsiranana : LANONA Stevino, lauréat d’une formation couture.

  • Alaotra Mangoro : eo amin’ny 75 isan-jato ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 tapany faharoa eo anelanelan’Amboasary sy Vohidiala.
  • Ankazobe : hametrahana ny faritra anandratana ny fiompian-trondro ny tanan’Ambolotarakely.
  • Antsiranana : LANONA Stevino, anisan’ny namiratra nandritra ny fiofanana momba ny zaitra.
mardi, 05 juillet 2022 11:17

Le Journal du 05 Juillet 2022

- Fampiakarana ny saran-dàlana : Tsy afaka manapa-kevitra irery ny fikambanan’ny koperativa.

- Fanadinana BEPC : Misy fepetra raisina hoan’ireo hosoka laza adina.

- Miteraka disadisa ny fifindra-monina noho ny fiovan’ny toetr’andro na ny migration climatique.

- Notolorana fitaovam-pahasalamana vaovao ireo faritra hahitana taha-pahafatesana ambony eo am-piterahana.

- Covid-19 : une dizaine de cas ont été signalés dans 5 régions la semaine dernière.

- Amoron’i Mania : le déroulement du BEPC dans la région.

- Nosy Be : le village d'Ambatozavavy représente Madagascar au concours mondial du meilleur village touristique.

- Elgeco Plus Analamanga remporte la coupe de Madagascar 2022.

 

- Covid-19 : Faritra dimy no nahitana tranga am-polony tamin’ny herinandro teo.

- Amoron’i Mania : Fizotran’ny fanadinana BEPC any Amoron’I Mania.

- Nosy Be : ny tananan’Ambatozavavy no andraisantsika anjara amin’ny fifaninanana tananam-pizahantany tsara indrindra maneran-tany.

- Norombahin’ny Elgeco Plus ny tompon-dakan’i Madagasikara amin’ny baolina kitra 2022.

lundi, 04 juillet 2022 11:29

Le Journal du 04 Juillet 2022

- Mifangaro amin’ny gripa matetika ny Covid19.

- Sahirana ny fiara mifandona amin’ny sarety eto andrenivohitra amin’ny tsy fananan’izy ireny fiantohana rehefa sendra loza.

- Ny fomba atao ahazoana tanim-panjakana.

- Sampam-pampianarana teknika: mahavelom-bolo ny tanora ireo fanararaotra azo trandrahana ao anatiny.

 

samedi, 02 juillet 2022 11:07

Le Journal du 01 Juillet 2022

- Fitsinjaram-pahefana : tsy mazava ireo fepetra fametrahana kaominina sy fokontany vaovao eto amintsika.

- Ankizin’ny lalana  : Misy ivontoerana miahy an’izy ireo.

- Traikefa ho an’ny mpiasa: ilaina ny fampiofanana eny anivon’ny orinasa mba hialana amin’ny tsy fananan’asa.

- Tsy manana fahazarana hampiasa ny anaran-dalàna isika eto Madagasikara.

samedi, 02 juillet 2022 10:45

Le Journal des régions du 01 Juillet 2022

- Menabe : Une hausse innatendue du récolte de riz à Vondrove.

- Miandrivazo : 95% de la forêt a disparu en six ans.

- Les volontaires de « Peace Corps » seront de retour à Madagascar au mois d’Aout.

 

- Menabe: fanavaozana fotodrafotrasa, tafikatra efatra taonina isaky ny hektara ny voka-bary.

- Miandrivazo :  Ringana avokoa ny 95% an’ny ala ao amin’ny distrikan’ny Miandrivazo ankehitriny.

- Hiverina eto Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps.

 

Souvent, on porte des gants pour protéger notre peau des virus. Mais cela ne nous protège pas complètement de la COVID-19. Cela peut même multiplier les risques.   

Lorsqu’on porte un gant, ce dernier peut être contaminé. Et lorsqu’on touche d’autres surfaces, il peut contaminer d’autres objets. Ce qui peut contaminer d’autres personnes et nous contaminer aussi lorsqu’on touche nos visages. Evitons donc de porter des gants en continu. La manière la plus efficace d’éliminer le virus est de se laver les mains avec du savon ou avec du gel hydro-alcoolique.

Il faut aussi noter que le port des gants à usage unique est réservé seulement au personnel de santé ou aux personnes qui vont utiliser des produis chimiques pour éviter des irritations. Dans ces cas, éviter de toucher le visage et  se laver aussi les mains après avoir enlevé les gants.  Les jeter à la poubelle après.

 

COVID -19: miaro antsika amin'ny tsimokaretina tokoa ve ny fanaovana fonon-tanana?

Manao fonon-tanana isika matetika mba hiarovana ny hoditra amin'ny tsimokaretina. Saingy mety tsy maharo antsika tanteraka anefa izany. Mety hampitombo ny risika ahazoantsika ny COVID19 aza.

Rehefa hanaovana isanandro eo ny fonon-tanana dia mety mahakasika tsimokaretina. Ary mifindra amin’ny zavatra hafa indray iny avy eo rehefa mikitika fitaovana hafa ianao. Izay mety hamindra ny aretina amin’ny olona hafa mampiasa an’iny na aminao ihany koa. Tsara kokoa raha tsy dia hanaovana maharitra araka izany ny fonon-tanana. Ny fanasana tanana amin'ny savony na gel hydro-alcoholic ihany hatreto no fomba mahomby indrindra hamonoana ny tsimokaretina.

Misy koa anefa ny fonontanana natokana ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana na ho an’ireo olona mikirakira fanafody sy vokatra simika.  Hiarovana ny hoditra sao misy maratra na tsy fahazakana ilay ranompanafody. Tsy mikitika tarehy rehefa manao azy ary sasana ny tanana rehefa alana izany. Ario anaty fako avy hatrany.

 

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter