Plus que 3 filles sur 10 peuvent poursuivre leurs études jusqu’au second cycle.
Ordre des Journalistes de Madagascar: la plupart des journalistes s’accumulent à Antananarivo.
Coupures d’éléctricité: les entrepreneurs d’Ambatondrazaka et de Fianarantsoa font état de leur déficit.
Zazavavy malagasy 3 amin’ny folo sisa no afaka manaraka fianarana eny amin’ny ambaratonga faharoa.
Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara: mitangorona eto Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao gazety.
Famatsiana herin’aratra: Mitaraina ho maty antoka noho ny fahatapahan-jiro lavareny ireo mpamokatra ao Fianarantsoa sy Ambatondrazaka.
- Menabe: le nombre de mineurs jugés en hausse.
- Moramanga: quand l’éducation passe par la culture.
- Talatamaty: une des localités qui approvisionnent Antananarivo.
- Vakinankaratra: les reboisements écoliers, efficaces à 75%.
- Menabe: mitombo ny isan’ireo zaza tsy ampy taona miakatra fitsarana ao Miandrivazo.
- Moramanga : miampita amin’ny fampilomanosana anaty kolontsaina ihany koa ny fanabeazana.
- Talatamaty : isan’ny mamatsy ny ampahan’ny sakafo miditra eto Antananarivo.
- Vakinankaratra: Nahomby hatramin’ny 75% ny fambolen-kazo nataon’ny mpianatra.
- Manana filàna siramamy 220 000 taonina isan-taona isika.
- « Demokrasia mivantana » : manan-danja @ fiainam-pirenena ny safidim-bahoaka.
- Fakana an-keriny : Efa misy ireo rafibaiko azo hampiasana hanairana ireo olona akaiky.
- Iray volan’ny teny Malagasy : kanto ho an’ny vahiny ny teny Malagasy.
Nos trois jeunes étudiants à l’université d’Antananarivo, Misa, Tsioriniaina et Aniah, vont s’exprimer sur les actualités de la semaine : le kidnapping des jeunes filles dans certaines régions de Madagascar, le phénomène foroche et le harcèlement scolaire.
Isan’ny vaovao nisongadina tamin’ity herinandro ity ny mahakasika ny raharaha fakana an-keriny tovovavy tamina faritra maromaro teto Madagasikara, ny mahakasika ireo tovolahy mpanao herisetra na ilay antsoina hoe foroche ary ny herisetra any an-tsekoly. Hiady hevitra momba ireo ny tanora telo mpianatry ny Oniversite eny Antananarivo dia Misa, Tsioriniaina sy Aniah.
Ce sont toutes deux des maladies respiratoires. La COVID 19 est causée par un virus, et la tuberculose causée par une bactérie. Elles attaquent le poumon mais affectent également d'autres organes du corps. Elles se transmettent d’une personne à une autre. Sauf pour la forme de tuberculeuse latente.
Sueurs nocturnes, douleurs thoraciques, crachat de sang, perte de poids. Ce sont en général les symptômes pour la tuberculose. Mais les patients peuvent présenter des symptômes communs avec les COVID-19 : essoufflements, fatigue, fièvre et frisson et la personne peut transmettre la maladie quand elle tousse ou éternue.
Il est tout à fait possible d’attraper en même temps la COVID 19 et la tuberculose. Durant les périodes de confinement, les centres de traitement ont eu à faire à des cas pareils. Sur 442 cas observés lors d’une étude effectuée en France entre 2020 et 2021, 3% des patients avaient en même temps la COVID-19 et la tuberculose.
Si on a déjà la tuberculose, on fait partie des personnes vulnérables et cela peut entraîner des formes graves de la COVID-19. Il est donc important de consulter régulièrement son médecin traitant, de respecter les gestes barrières et en cas de symptômes, approcher tout de suite un centre de traitement.
Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny COVID-19 sy ny raboka?
Samy aretin’ny taovam-pisefoana izy ireo. Vokatry ny tsimokaretina ny COVID 19, ary vokatry ny bakteria kosa ny raboka. Ny havokavoka no tena tafihan’izy ireo saingy misy fiantraikany amin’ny taova hafa ihany koa. Mifindra eo amin’ny olona samy olona ireo aretina ireo hafa tsy ilay karazana raboka na « tuberculose latente ».
Tsembondratsy amin’ny alina, manaintaina ny tratra, mandrehoka rà, mihamahia. Ireo matetika no soritr'aretin'ny raboka. Saingy misy fisehon’aretina hitovizany amin’ny COVID-19: sempotra, vizana, fanaviana ary marikoditra. Mifindra amin’ny alalan’ny kohaka ihany koa ny raboka.
Mety misy mihitsy ny hoe sady voan’ny COVID 19 no voan’ny raboka amin'ny fotoana iray ihany. Nandritra ny fotoana fihibohana dia nahita tranga toy izay ireo tobim-pitsaboana. Tany Frantsa ohatra, tamin'ireo tranga 442 nanaovana fanadihadiana teo anelanelan'ny taona 2020 sy 2021, ny 3%-n'ny marary dia sady voan'ny COVID-19 no voan’ny raboka.
Raha efa voan'ny raboka ianao dia iray amin'ireo olona marefo ary mety hitarika amin'ny tranga atahorana amin'ny COVID-19 izany. Noho izany, zava-dehibe ny manatona dokotera tsy tapaka, manaja ny fihetsika sakana ary raha vao misy soritr'aretina, manatona tobim-pitsaboana avy hatrany.
Reportage :
Madagascar compte près d’un millions de pêcheurs, selon les chiffres de la banque mondiale. Pourtant, nombreuses sont les pressions qui nuisent à leurs activités. Parmi eux, la pêche abusive et l’utilisation des matériels non adéquats. De ce fait, les communautés locales et les associations de pêcheurs dans les côtes ont mis en place des règlements appelés « Dina » afin de remédier petit à petit à ces problèmes. Dasera, Jenny et Bako, sont membres de ces associations locales, ils témoignent de l’importance de l’efficacité des “Dina”. Leurs associations rejoignent le réseau Mihari. Un réseau qui aide ces associations à mieux gérer leurs ressources à travers des formations, des plaidoyers et des activités de conservation. Le secrétaire exécutif, Solofo Ralaimihoatra nous explique.
ITW :
La pêche durable implique en général de laisser suffisamment de poissons dans l'océan afin que les personnes qui vivent de la pêche puissent subvenir durablement à leur besoin. Cela implique également de respecter l’environnement marine. Parmi les solutions proposées et réalisées par le Blue Ventures, une organisation internationale de conservation marine, il y a la mise en place d’un modèle de gestion durable pour la population locale et les associations des pêcheurs.
Herizo Ravelomanana, chargé de projet au sein de Blue Ventures nous donne plus de détails.
DIY
OYA : un moyen d’arroser vos plantations en économisant plus d’eau.
Reportage :
1.5 tapitrisa mahery eo ny Malagasy mihary amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara raha ny isa navoakan’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny taona 2021. Maro ireo tsindry manimba io sehatra io. Isan’izany ny fampiasana fitaovana tsy ara-dalàna sy ny fanaovana jono vaventy tsy ara-dalàna. Nametraka lamina ireo vondron’olona ifotony sy ireo fikambanan’ny mpanjono mba hitantana maharitra ireo harena an-dranomasina amin’ny fampiharana ny dina sy fametrahana tahirin-daoka. Mijoro vavolombelona amin’izany I Dasera, Jenny ary Bako, tompon’andraikitra fikambanana any amin’ny faritra avaratry ny nosy any. Mivondrona ao anatin’ny tambazotra Mihari ny fikambanana kely toa azy ireo. Ny tambazotra Mihari izay manome tantsoroka azy amin’ny alalan’ny fiofanana sy ady sisika maro isan-karazany, araka ny fanazavan’I Ralaimihoatra Solofo, sekretera mpanatanteraka ao amin’ny tambazotra Mihari.
ITW :
Ny atao hoe jono maharitra dia fitantanana maharitra ireo harena an-dranomasina mba hahavita hiahy ny fiainany ny olona mihary amin’izany. Tanjona amin’izy io ny mba hahafahan’ny trondro mitombo ara-dalàna sy hiarovana ny toeram-ponenany. Manoloana ireo tsindry manimba ny tontolo an-dranomasina sy hametrahana ny jono maharitra dia isan’ireo hetsika ataon’ny Blue Ventures ny famolavolana modely hahafahana mametraka fitantanana maharitra. Eo ihany koa ny fiadiana amin’ny jono vaventy tsy manara-dalàna, ny fanaraha-maso ny tahirin’ireo vondron’olona ary ny fampiroboroboana ny mangarahara mikasika ny jono.
Resadresaka niarahana tamin’I Ravelomanana Herizo, mpitantana tetikasa ao amin’ny fikambanana Blue Ventures. Ny Blue Ventures moa dia fikambanana iraisam-pirenena iray izay manampy ireo mpanjono sy miaro ny tontolo an-dranomasina.
DIY
OYA : Fikafika hanondrahana voly mba tsy handany rano be loatra.
Lorsqu’on est salarié, notre employeur doit nous souscrire chez une assurance sociale afin de couvrir ce genre de cas. A Madagascar, la CNAPS est la seule institution en charge de la prévoyance sociale et elle est obligatoire pour toutes entreprises. En cas d’accident de travail, la CNAPS prend en charge les frais hôpitaux et les indemnités journalières de l’employé. En cas de décès de l’employé, dans le cadre de son travail, la famille reçoit des pensions alimentaires. Pour les profils Freelancer et entrepreneurs, ils peuvent souscrire à une assurance privée et recevront les prestations relatives à la cotisation qu’ils ont payées. Plus de détails avec Ranto Rasolonjanahary, juriste.
Rehefa miasa anaty orinasa lehibe iray dia tsy maintsy maka fiantohana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa ny mpampiasa. Ho an’ireo orinasa tsy miankina dia ny CNAPS no miantoka ara-tsosialy azy ireo. Raha misy loza manjoa ireo mpiasa anaty fanatanterahana ny asany dia hiantohan’ny CNAPS ny saran’ny fitsaboana azy sy ny tambin-karamany. Raha toa ka maty amperin’asa indray ilay mpiasa dia mandray ny fisotron-dronono ny fianakaviany. Ho an’ireo olona miasa tena kosa dia afaka misoratra anarana any amin’ny mpiantoka tsy miankina amin’ny fanjakana izy ireo. Arakaraky ny latsakemboka aloha any amin’ny mpiantoka ihany ny kalitaon’ny tolotra mety ho azony.
Fanavazana entin’i Rasolonjanahary Ranto, mpahay lalàna
- Les membres du “Fan’s Club Studio Sifaka”, formés dans la fabrication du savon à Ambositra.
- Antsiranana II : le Benjamin à l’examen du CEPE a 7 ans.
- Moramanga : la plupart des écoles débutent les grandes vacances.
Ireo tanora ao amin’ny “Fan's Club Studio Sifaka”: Nahazo fampiovanana manamboatra savony tao Ambositra.
Antsiranana faharoa : 7 taona no zandriny indrindra hiatrika ny fanadinana CEPE.
Moramanga : Miroso ny fialan-tsasatra lehibe ny ankamaroan’ireo sekoly.
- Famatsiana herinaratra : hanatsara ny famatsiana herinaratra ny fametrahana toby famokarana herinaratra « hybride ».
- « Demokrasia mivantana » : manan-danja @ fiainam-pirenena ny safidim-bahoaka.
- Herisetra nihatra tamina zaza: matetika tsy sahy mitoroka ny nanatrimaso noho ny tahotra.
- VEZO : vondron’olona isany farany manerantany mbola miaina amin’ny jono sy ny ranomasina.
La violence se présente sous 5 formes : physique, verbale, sexuelle, psychologique et économique. Souvent, elles ne se détachent pas lors de la présentation d’un cas.
Il est très important de détecter les formes de violence pour aider les victimes à ne pas les considérer comme des situations normales, auxquels cas elles accepteraient de rester constamment dans une condition alarmante qui impactera toute leur vie. Elles essaieront dans ce cas de s’adapter à toute forme de soumission que leurs bourreaux leur feront subir à l’encontre de leurs libertés fondamentales et payeront éternellement les préjudices. Sariaka Nantenaina, responsable auprès de l’ONG C for C nous donne plus de détails dans l’émission Hono ho aho.
Misy karazany 5 ny herisetra: ara-batana, amin’ny fiteny, ara-pananahana, ara-tsaina ary ara-toekarena. Matetika dia miara-miseho izy ireo anatina herisetra mihatra amina olona iray. Zava-dehibe anefa ny hamantarana fa iharana herisetra ny olona iray, mba ahafahana misoroka ny fiheverany izany ho zavatra tokony hiseho ara-dalàna. Hisarika azy hanova ny fomba fiainany hifanaraka amin’ilay zavatra sedrainy ao anatin’ilay herisetra izany fiheverana izany ka ahatonga azy hanaiky ny fanitsakitsahana ny zony sy ny fahalalahana ananany. Manazava misimisy i Sariaka Nantenaina, tompon’andraikitra avy ao amin’ny C for C.
Les dermatologues et chercheurs provenant de 10 pays se sont réunis à Madagascar du 6 au 8 juin 2022, pour trouver des solutions de traitement des maladies de la peau en Afrique. C’est la 17ème édition. Ces maladies touchent toutes catégories de personnes : enfants, jeunes et adultes. La maladie tropicale négligée a fait partie des principales thématiques, ce sont des catégories de maladie que l'on trouve dans le monde entier mais qui se répandent surtout dans les zones d’extrême pauvreté, en raison des retards de traitement. Il peut s'agir d'une maladie héréditaire, virale, elle peut être transmise par un animal ou une plante, elle peut provenir d'une blessure ou d'une allergie. Selon le professeur Rabenja Rapelanoro, de la Société Malgache de Dermatologie, le manque de moyens constitue le principal problème, les coûts des médicaments sont élevés. Le but de cette rencontre est de trouver des solutions et des protocoles adaptées au pays.
Nivory teto Madagasikara ireo mpisabo sy mpikaroka amina firenena 10 mba hitadiavana vahaolana mikasika ny fitsaboana ny aretin-koditra aty Afrika, ny 6 hatramin’ny 8 Jona teo. Andiany faha 17 izy ity. Voaresaka tao daholo na ireo aretinkoditra mpahazo ny zaza, ny ankizy ary ny olondehibe. Ary noresahana manokana ihany ny maladie tropicale négligée, izay aretina mety fahita erak’izao tontolo izao saingy mahazo vahana kokoa aty Afrika, noho ny fahataran’ny fitsaboana. Mety aretina manaranaka, mety azo avy amin’ny biby na ny zavamaniry, avy amin’ny tsimokeratina, mety avy amin’ny ratra na tsy fahazakana akora iray. Olana hoy ny Profesora Rapelanoro Rabenja, avy ao amin’ny Société Malgache de Dermatologie, ny tsy fahampian’ny fanafody, ny tsy fananan’ireo marary entimanana hitsaboana tena. Antony hanaovana izao fihaonana izao mba hitadiavana vahaolana mifanaraka amin’i Afrika.
Reportage:
La permaculture urbaine, une méthode agricole axée sur le respect de l’environnement, est au cœur des activités de l’association écovillage Madagascar. A part la pratique, l’association dispense également des formations. Les écoles primaires sont les premiers bénéficiaires de la formation et de l'appui, mais des agriculteurs habitant aux alentours sont aussi formés.
ITW:
L’écoconstruction, appelée aussi construction écologique consiste à construire une maison à l’aide des matériaux disponibles localement. L’objectif est de valoriser les matières premières locales et de créer une réalisation humaine la moins polluante possible.
Reportage:
Fikambanana iray mampiofana sy mampihatra ny fambolena maharitra an-drenivohitra ny éco-village Madagascar. Fomba fambolena mifototra amin’ny fahaiza-miaina ara-tontolo iainana sy fizakan-tena ara-tsakafo izany. Azo ampiharina na amin'ny tany kelikely na amin’ny tany malalaka tahaka ny tany fambolena eny ambanivohitra. Ny sekoly eny amin’ny ambaratonga fototra no tena misitraka bebe kokoa an’ilay fiofanana sy fanampiana, saingy manampy ny tantsaha ihany koa izy ireo.
ITW:
Ny éco-construction na fanorenana ara-ekolojika dia fanorenana miainga amin’ny akora izay misy eo an-toerana ihany, mety ho vato izany, hazo, tany manga sns. Afaka hampiharana izay fanorenana ara-ekolojika izay ny trano sy ireny tamboho ireny. Tanjona ny hanomezana lanja ny zava-misy eo an-toerana sy ny hiarovana ny tontolo iainana, ary mihena kokoa ny sara-panorenana manoloana ny trano amin’izao fotoana.
La coronasomnie ou « Covid-somnia », est l’insomnie due au stress causée par la COVID-19.
La pandémie de la COVID-19 a provoqué beaucoup d’inquiétudes dans le monde entier. Cela a rendu les gens anxieux, et certains sont devenus insomniaques.
Durant la première année de la pandémie, quatre personnes sur six avaient des problèmes de sommeil au lieu d’une personne seulement auparavant, d’après l’Université de Southampton au Royaume- Uni. En majorité, ce sont des mères de familles, des personnes en situation d’handicap, ou aussi des agents de santé.
Selon les experts, la principale cause est le changement d’habitudes quotidiennes, le changement de notre environnement, l’incertitude sur l’avenir, le travail, la vie privée etc. Selon Angela Drake, professeur de santé clinique à l'Université de Californie,
Plus nous étions restés à la maison, moins nous étions exposés à la lumière naturelle. Tout cela peut réduire notre sommeil.
Inona ny atao hoe Coronasomnia?
Coronasomnie na "Covid-somnia", tsy fahitan-tory vokatry ny adin-tsaina ateraky ny COVID-19.
Niteraka ahiahy sy tebiteby be tamin’ny maro ny valan'aretina COVID-19. Ary nisy mihitsy ireo lasa tsy mahita tory.
Tamin'ny taona 2020, no nanomboka hita fa nitombo ireo olona manana olana amin'ny torimaso, lasa olona 4 amin’ny olona 6 izany raha iray ihany taloha, hoy ny Université de Southampton ao Royaume Unis. Renim-pianakaviana, olona manana fahasembanana, na mpiasan’ny fahasalamana no tena ankamaroany.
Ny fiovan’ny fahazarana andavanandro, ny fiovan’ny tontolo iainana, ny tebiteby amin’ ny ho avy, ny asa, ny fiainana manokana sns no tena anton’izany. Araka ny voalazan'i Angela Drake, mpikaroka avy ao amin’ny Oniversiten'i California, arakaraka ny nijanonana tao an-trano no nampihena ny fifandraisana amin’ ny hazavana voajanahary. Mampihena ny torimasontsika izany rehetra izany.