COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Nous nous sommes habitués à acheter les fruits de mer sèches au bord de la rue et ils sont ainsi considérés comme des produits de bas de gamme. Ismène Neima voulait montrer une autre image de ces produits en rendant son business plus professionnel avec sa petite entreprise « Pitrawaka ». Cette dernière s’occupe du nettoyage, de la mise en paquet et de la commercialisation des fruits de mer sèches de toutes sortes. Elle utilise la vente en ligne pour son business.

Rehefa hazan-drano maina, na trondro, na patsa, na pirina, dia sokajiana matetika hoe natao hamidy eny amin’ny sisin-dalana sy eny rehetra eny foana no ao antsaintsika matetika. Fomba hafa entina nampisongadina ireo vokatra ireo kosa ny an’i Ismène Neima satria dia namoronany orinasa kely antsoina hoe Pitrawaka ny fikarakarana sy famarotana hazan-drano maina ary mampiasa tambajotran-tserasera izy handafosany ireo vokatra.

jeudi, 23 juin 2022 12:02

Le Journal du 23 Juin 2022

- Mampitombo ny fahatokisan-tenan’ireo mpiasa ny fampiasana ny teny malagasy anaty orinasa.

- Misy karazany ireo fenitra arahana amin’ny fampiasana ny sainam-pirenena.

- Tantsoroka ataon’ireo mpandraharaha zokiny amin’ireo mpandraharaha zandriny.

- Mozika malagasy : Tsy afa-misaraka amin’ny malagasy.

 

 

 

- Vakinankaratra : l’entrepreneuriat au cœur de la discussion pendant le Forum des jeunes.

- Analanjirofo : le Dinabe pour la gestion de la Baie d’Atongil a été promulgué.

- Haute Matsiatra : accueil de l’équipe EBF à Fianarantsoa, Champion national U18 Garçon.

- Vakinankaratra : Zaikaben’ny tanora niresahana momba ny fandraharahana.

- Analanjirofo : nankatoavina ny Dinabe hitantanana ny elodranomasina Atongil.

- Matsiatra Ambony : fandraisana ny ekipa EBF mpandresy tamin’ny U18 basikety.

Oui, l’OMS a annoncé au mois de mai l’homologation d’urgence du vaccin Convidecia issu des laboratoires chinois CanSino Biologics.   

Ce vaccin ne nécessite qu’une seule dose et peut être administré aux individus âgés de plus de 18 ans.

 Selon l’OMS, ce vaccin prévient à 64% l’apparition des symptômes de la Covid-19 et réduit de 92% les risques formes graves.

Le Convidencia peut aussi être utilisé comme dose de rappel après un schéma vaccinale complet avec un  autre vaccin anti-COVID-19.

C’est le onzième vaccin contre la COVID-19 homologué par l’OMS. Cette homologation permet au système Covax d’utiliser ce vaccin pour approvisionner les pays pauvres.   

Convidecia est actuellement approuvé dans plus de dix pays, dont la Chine, le Pakistan, le Mexique, L’Hongrie et le Chili.

Covid-19 : inona ilay vaksiny vaovao nankatoavin’ny OMS ?

Convidencia no anaran’ilay vakisny. Ny laboaratoara CanSino Biologics no namokatra azy ary ny volana may teo no nakantoavin’ny OMS vonjimaika ny fampiasana azy. 

Tokana ihany ny fatra hanaovana izany. Ireo olona 18 taona miakatra no afaka manao io vaksiny io.

Raha ny fanazavan’i OMS hatrany dia mampihena 64% ny fipoiran’ny soritr’aretin’ny Covid-19 izy ary mampihena 92% ny  tranga misy fahasarotana. 

Azo hampiasaina hanaovana « rappel » koa ny Convidencia rehefa nahavita fatra feno tamina vaksiny hafa.

Ity no vaksiny faha 11 nankatoavin’ny OMS, izay efa azo aparitaka any amin’ireo firenena mila izany amin’ny alalan’ny fandaharanasa Covax any.

Amam-polony izao ireo firenena mampiasa ny Convidencia ankehitriny, isan’izany ny Sina, Pakistan, Mexique, Hongrie ary Chili.

 

mercredi, 22 juin 2022 11:56

Le Journal des régions du 22 Juin 2022

Sainte Marie : la saison des baleines jusqu’en mois d’aout.

Alaotra Mangoro : la production est environ 1 millions de litres par an.

Toamasina : nettoyage de l’Université Barikadimy par les étudiants en Environnement.

Fianarantsoa : initiative de charité par un groupe de jeunes.

 

Sainte Marie : hatramin’ny volana aogositra ny « saison des baleines ».

Alaotra Mangoro : manodidina ny 1 tapitrisa litatra isan-taona ny vokatra ronono.

Toamasina : fanadiovana ny oniversitén’i Barikadimy nataon’ireo mpianatra « Environnement ».

Fianarantsoa : tetikasa fanasoavana nataona fikambanana tanora.

mercredi, 22 juin 2022 11:45

Le Journal du 22 Juin 2022

- Ho foanana ny fandraisana mpampianatra FRAM manomboka izao.

- Mitombo ireo tanora mpianatra maniry ny ho mpandraharaha rahatrizay ao Toamasina.

- Hatraiza ny fahaleovantenan’i Madagasikara ?

- Ravelomanantsoa Sophie : nitàna anjara toerana lehibe teo amin’ny tantara sy ny fandaharana an’onjampeo.

 

En effet, même après un schéma vaccinal complet, certains individus présentent  une forme grave de la Covid-19.   Des chercheurs français issus de l’Inserm et de l’Université Paris Cité ont démontré que cela est dû à la présence d’un auto-anticorps, suite à une maladie auto-immune. En d’autres termes, les anticorps s’attaquent aux cellules de l’organisme. Par conséquent, les cellules ne peuvent pas se défendre contre le virus de la Covid-19.  Et la prise des médicaments immunosuppresseurs doublent le risque. 

D’autres parts, un groupement d'intérêt scientifique a également prouvé que les sujets ayant un âge avancé et les sujets présentant des comorbidités comme la transplantation rénale, l’insuffisance rénale, le cancer du poumon, la trisomie 21 et le retard mental sont également susceptible de développer une forme grave de la Covid-19, même après un schéma vaccinal complet.

 

Covid 19 : inona no mahatonga ny olona efa vita vaksiny feno tratran’ny tranga misy fahasarotana ?

Raha ny fikarohana nataon’ny mpikaroka avy amin’ny Inserm sy ny oniveriste Paris Cité dia olana eo amin’ny hery fiarovana no mahatonga izany.  Misy ilay hoe « auto-anticorps » ao anatin’ny vatan’ilay olona ka mamono indray ireo sela tokony hiady amin’ny otrik’aretina Covid-19 miditra anatin’ny vatany.  Manamafy izany ihany koa ny fihinana fanafody mamono izany hery fiarovana izany  noho ny toe-pahasalamany manokana.

Ankoatra izay, misy fikambanana sciantifika iray ihany koa nanambara fa ireo olona efa nahazoazo taona sy ireo olona manana aretina vokatry ny famindràna taova, ny homamiadan’ny avokavoka sy ny « trisomia 21 » ary fahataran’ny fivoaran’ny saina dia mora voan’izany tranga misy fahasarotana izay na dia vita vaksiny aza. 

- Region Ihorombe : 10 000 hectares à cultiver de riz hybride.

- Region Alamanga : l’usage de strapontin est de nouveau autorisé dans les taxi be.

- Fête de la musique : diverses animations dans les Régions.

- Region Sava : la campagne de la vanille prévue le 07 Juillet.

- Faritra Ihorombe : 10 000 hekitara hambolena vary safiotra.

- Faritra Analamanga : efa afaka mitondra mpandeha eo amin’ny « strapotin » ny taxi be.

- Fetin’ny mozika : Faritra maro mikarakara hetsika.

- Faritra Sava : Amin’ny 7 jolay no hisokatra ny fihotazana lavanila.

mardi, 21 juin 2022 11:24

Le Journal du 21 Juin 2022

- Zaza marenina 11 avy amin’ny AKAMA no niatrika ny fanadinana CEPE androany.

- Nanaovana fitsirihana ADN ny fikarohana ny fiandohan’ny Malagasy.

- Ambatondrazaka: boky haisoratra Malagasy no be mpamaky.

- Boky Asaramanitra : ahoana ny fahatsiarovanao ny fankalazana ny fetimpirenena 26 Jona ?

 

D’après le rapport de l'Enquête par Grappes à Indicateurs Multiples ou Multiple Indicators Cluster Survey (MICS) réalisée en 2018, deux femmes sur 10 accouchent dans un établissement médical et une femme sur deux est accouchée par une personne qualifiée. Ambovombe Androy est concerné par cette réalité, mais depuis, la situation s’est assez améliorée selon le reportage dans le Centre Hospitalier de Référence Régional Monja Jaona d’Ambovombe. A part la crainte de venir dans les hôpitaux, avec les coûts des soins occasionnés, le long déplacement vers les centres de santé se trouve être un autre problème. Les femmes enceinte sont obligées soit de marcher, soit de faire la route en charrette, même si la prise en charge est gratuite pour le moment.

Si les femmes ne viennent pas accoucher à l’hôpital, c’est qu’elles se font consulter auprès des  matrones : accoucheuse traditionnelle. C’est risqué pour la santé de la femme et l’enfant parce que les matrones n’utilisent pas de matériels aux normes médicales, ni de techniques appropriées à l’accouchement, nous explique Razafimamonjy Tiana Nandrianina, major de service à la maternité du CHRR Ambovombe.

Araka ny antontan’isa azo avy amin’ny fanadaihadiana MICS tamin’ny taona 2018 dia 2 amin’ny vehivavy 10 eo  ihany no miteraka any amin’ny tobim-pahasalamana ary amin’ny 1 amin’ny vehivavy roa no ampiterahan’olona matihanina. Isan’ny mbola ahitana izay tranga tsy fanantonana tobim-pahasalamana izany ny any Ambovombe Androy na dia efa misy fivoarany aza izany amin’izao fotoana araka ny fanadihadiana tao amin’ny hopitaly be Monja Jaona Ambovombe. Mbola sakana ho an’ny vehivavy ankoatra ny tahotra sy ny fandaniana ny halaviran’ny tobim-pahasalamana. Kanefa tsy misy fitaterana ankoatra ny sarety sy ny dia an-tongotra any an-toerana na dia maimaimpoana aza ny fandraisana an-tanana azy ireo ao amin’ny hopitaly.

Rehefa tsy makany amin’ny hopitaly anefa izy ireo dia any amin’ny reninjaza, izay vehivavy mpampiteraka amin’ny fomba nentim-paharazana. Atahorana anefa izany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zanany noho ny tsy fampiasan’izy ireo fitaovana matihanina sy tekinika ary fomba ara-medikaly araka ny fanazavan’i Razafimamonjy Tiana Nandrianina, major de service ao amin’ny Maternité Hopitaly be Ambovombe, ary mety ahazoana aretina toy ny VIH Sida. 

- Toamasina : doués pour le Basket, Foot, pétanque et Rugby.

- Région Ihorombe : des évènements dédiés aux jeunes pendant la fête Nationale.

- Région Bongolava : selection régional pour l’U12 et U14 basketball.

- Région Analamanga : 194 Jeunes filles formées dans le « She4She » challenge.

 

 - Toamasina: misongadina amin’ny basikety, kitra, kanetibe ary rugby.

 - Région Ihorombe : hetsika maro ho an’ny tanora mandritra ny fetim-pirenena.

 - Faritra Bongolava : fifaninana hakana ny U12 sy U14 taranja baskety.

 - Faritra Analamanga : Tovovavy 194 nofanina tamin’ny programa « She4She ».

lundi, 20 juin 2022 11:56

Le Journal du 20 Juin 2022

- CEPE Antananarivo 2022 : sahirana ireo ray aman-dreny amin’ny fanomanana.

- Manasarotra ny fahazahoana manenjika ny olom-boafidy ny tolo-dalana nolanian’ny Antenimieram-pirenena.

- Electronic’s Day : fampirantiana ireo tetik’asa elektronika nataon’ny mpianatra ao amin’ny sekoly politeknika Vontovorona.

- Teatra Malagasy : Somary takona eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Madagascar, il  y a beaucoup de fausses idées sur l’origine des handicaps mentaux, comme une punition divine ou un sortilège, alors qu’il y a des explications rationnelles et des raisons médicales. Avec ces préjugés, la prise en charge des personnes ayant des handicaps mentaux se trouve négligée. Le reportage nous emmène à la rencontre d’une de ces centres d’éducation des enfants atteintes de ce handicap dans la capitale, plus ou moins en périphérique à Andoharanofotsy. 

En deuxième partie,  le Psychiatre, docteurMickael Rirason nous explique les origines et donne quelques exemples de cas de handicap mental. Par la même occasion, il parle de la prise en charge de ces personnes et des traitements possible.

Eto Madagasikara dia betsaka ny fihevi-diso momba ny niandohan’ny fahasembanana ara-tsaina, toy ny hoe vokatry ny famaizana avy amin’Andriamanitra na vokatry ny ody sy famosaviana.  Kanefa misy fanazavana marim-pototra sy ny antony ara-tsiansa izy io. Vokatr’ireny fomba fihevitra diso ireny dia atao tsinontsinona ny fikarakarana ny olona manana fahasembanana ara-tsaina eto amintsika. Entin’ny fanadihadiana mahakasika izay amina ivon-toeram-panabeazana ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina ireo eto an-drenivohitra  ianao eny amin’iny tanan’Andoharanofotsy iny.

Ao amin'ny fizarana faharoa, ny manam-pahaizana manokana, Dokotera Rirason Mickael dia manazava amintsika ny fahasembanana ara-tsaina araka ny fikarohana ara-tsiansa ka manazava ny niandohany izany  izy  sy ny karazan’aretina sasantsasany avy aminy. Ao anatin’izany ihany koa no iresahana ny momba ny fikarakarana ireo olona manana fahasembanana ireo sy ny fitsaboana azo atao.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter