Grâce au bulletin unique, il est simple pour l’électeur de choisir son candidat durant une élection. Les électeurs n’ont qu’un seul bulletin à manipuler, du coup cela évite les confusions durant la phase de réflexion dans l’isoloir. Cela facilite également la manière de voter : il suffit tout simplement de cocher la case où il y a le candidat de votre choix. Le choix des électeurs est facilité du fait que les candidats sont tous présent sur le même support. En même temps, les candidats ont une égalité de chance d’être présent sur le bulletin de vote, ainsi la visibilité est égale pour tous les candidats. Cela évite pour tous candidats d’être avantagés à cause de sa disposition sur la table au bureau de vote.
Sur le côté organisationnel, le bulletin unique réduit les coûts de l’impression des bulletins de vote.
Inona no maha zava-dehibe ny bileta tokana ?
Manamora ny fifidianana ny fampiasana ny bileta tokana. Mora ho an’ny mpifidy ny misafidy amin’izay fotoana izay satria hita eo amin’io bileta tokana io daholo izay kandida ho fidiana rehetra. Noho izay anarany izany, bileta tokana ihany no kirakirain’ny mpifidy ary izany indrindra no manamora ny safidiny rehefa ao amin’ny tranofisainana. Asiana marika eo amin’ny faritra mifanitsy amin’ilay kandida tiana ho fidiana. Mitovy tantana ny fandraisana ireo kandida sy ny fisehon’izy ireo rehefa mampiasa bileta tokana. Tsy manome vahana amin’izay ny laharany eo amin’ny latabatra hitoerany raha bileta tsirairay no hampiasaina
Eo amin’ny lafiny fikarakarana kosa, tsy mandany vola ny bileta tokana eo amin’ny resaka fanotana.
Le lac sacré de Mangatsa se trouve à 18 km au Nord de la Ville de Mahajanga. C’est un endroit où on fait des vœux à un lac transparent. Pour ce faire, Chris, notre guide nous montre ce qu’il faut faire. Il faut préparer 5 matériels : de la viande de zébu, une bougie, de l’encens, du miel et du pain. Apporter également de l’argent, des pièces de monnaies ou des billets de banque, mais il faut que la somme soit paire : 400 ariary ou 4.000 ariary ou 20.000 ariary. Les donner ensuite au Tangalamena qui se chargera de les mettre dans une assiette pour la donner en offrande au lac.
Any amin’ny 18km avaratry ny tananan’i Mahajanga no misy ny lac sacrée na matsabory any Mangatsa. Toerana iray fanaovana hataka amina matsabory mangatsakatsaka izy io. Mba hanaovana izay fangatahana izay, manoro antsika ny tokony hatao i Chris, mpitaridia ao an-toerana. Mila manomana zavatra 5 ianao alohan’ny akanesana any : nofonken’omby, labozia, agarbati, mofo dopaina ary tantely. Mitondra vola ihany koa ianao ary tsy maintsy ankasa ireo vola ho entina : 400 ariary na 4.000 ariary na 20.000 ariary. Omena ny Tangalamena ireo ary ataony anaty vilia omena ny matsabory.
Un référendum permet de consulter l’avis des citoyens sur une mesure que les autorités envisagent de prendre. Dans ce cas, les citoyens procèdent à un vote pour exprimer leur opinion. Ces mesures peuvent se porter sur une proposition de loi, qu’on appelle référendum législatif. Il y a également le référendum constitutionnel qui vise à modifier la constitution d’un pays. Dans un referendum, l’électeur a le choix de voter pour un « oui » ou pour un « non », ou peut choisir deux options proposées.
Une élection générale consiste à désigner un représentant politique, comme les députés ou les présidents de la république. Les citoyens sont également invités à voter leurs représentants lors de différentes prises de décision politique. Dans une élection, l’électeur est invité à voter pour un candidat ou un groupe de candidats.
Inona no mahasamihafa ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifidianana ?
Ny fitsapakevi-bahoaka dia natao hahafantarana ny hevitry ny olom-pirenena mahakasika fanapahan-kevitra kasain’ireo mpitondra ho raisina. Amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato no hanehoan’ireo olom-pirenena izany heviny izany. Mety mahakasika volavolandalana io fanapahan-kevitra io, ary antsoina hoe referendum législatif izy amin’izay fotoana izay. Mety ho fanovana ny lalam-panorenana mihitsy aza izany ka antsoina hoe referendum constitutionnel. Anatin’ny fitsapakevi-bahoaka, dia asaina misafidy ny mpifidy na hanao “eny” na “tsia” na koa misafidy iray amina hevitra roa na maromaro aroso.
Ny fifidianana kosa dia mba hanendrena ireo ho solontenan’ny olom-pirenena toa ireo solombavam-bahoaka na filoham-pirenena. Amin’ny alalan’ny latsabato ihany koa no hahafahan’ireo olom-pirenena manendry izay mpisolo tena azy ireo. Anatin’ny fifidianana izany, dia olona na vondron’olona no fidiana.
Du pus sortant de la verge, suivi d’une douleur ; ces signaux alarment David avant de consulter un médecin. Résultat positif, il a la Syphilis. Cette maladie qui touche encore près de sept millions de personnes dans le monde d’après l’OMS, se transmet même par la salive. On peut la guérir par injection, et pour les prochaines relations sexuelles, l’individu doit se protéger à tout prix, comme utiliser un préservatif. Une prise de sang est alors obligatoire pour savoir s’il s’agit bien de cette maladie sexuellement transmissible.
Tsiranoka mivoaka avy ao amin'ny filahiana, arahina fanaintainana ; ireo famantarana ireo no nanaitra an’i Davida, mialohan’ny nanantonany mpitsabo. Nivaly ny fitiliana nataony, voan'ny Solopiso izy. Io aretina io, izay mbola mamely olona efa ho fito tapitrisa maneran-tany, araka ny voalazan’ny OMS, dia mifindra na amin’ny alalan’ny rora aza. Azo sitranina amin'ny tsindrona izy, ary tsy maintsy mampiasa fiarovana toy ny fimailo amin'ny firaisana ara-nofo manaraka. Tsy maintsy manao fitiliana rà noho izany mba hahitana raha tena io aretina azo avy amin'ny firaisana io tokoa no mahazo na tsia.