« Youth Corner », un événement organisé par le ministère de la jeunesse pour rapprocher les jeunes avec des opportunités de stages, d’emplois, de formations et de vie associative. Suite à cet événement, est-ce que le ministère a atteint son objectif ? Qu’est-ce qui est à améliorer ? Tsikitsiky Razanamasy, directrice de la jeunesse au ministère va répondre à ces questions dans un premier temps. Ensuite, découvrons ensemble l’Institut le Capricorne avec sa fondatrice, docteur Nina Iharimalala, c’est un institut de formation spécialisé dans le développement rural.
« Youth Corner », hetsika iray nokarakarain’ny ministeran’ny tanora, mba hanomezana ny tanora ireo soa fanararaotra mikasika ny fianarana asa, ny fitadiavana asa, ireo fiofanana ary ny fiainana anaty fikambanana. Tao aorian’io hetsika io, nahatratra ny tanjony ve ny ministera ? Inona ireo fanatsarana ho an’ny andiany manaraka ? Hamaly ireo fanontaniana ireo ao amin’ny tapany voalohany i Tsikitsiky Razanamasy, izay talen’ny tanora ao amin’ny ministera. Avy eo kosa isika dia hahafantatra bebe kokoa ny Institut le Capricorne miaraka amin’ny mpanorina azy, doktera Nina Iharimalala, toeram-piofanana misahana manokana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izy io.
Les images sont aussi importantes que les mots pour faire passer une information. Pour rendre des images fidèles à la réalité, les photojournalistes ont des techniques particulières à ce type de photographie. Comment y arrivent-ils ? Henintsoa Rafalia nous montrera comment dans un premier temps : les préréglages, la façon de prendre une photo, et tout ce qui suit. Ensuite, ce photojournaliste expérimenté donnera des conseils pour ceux qui veulent se lancer dans le même chemin que lui : ce qu’il faut apprendre, et comment les apprendre, à quel avenir se préparer. Tout cela dans l’émission Ketrika Sy Kandra.
Zava-dehibe toy ny teny sy ny soratra ihany ny sary amin’ny fampahalalam-baovao. Mba hakàna sary izay mampiseho ny tena misy marina, dia manana ny fomba fanaony manokana ireo mpaka sary ho an’ny fanaovan-gazety na photojournalistes. Ahoana no fomba havitan’izy ireo izany ? Mampiseho izany i Henintsoa Rafalia ao amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana : ny fanomanana ny fakan-tsary, ny fomba fakana sary, ary ny asa atao rehefa avy maka sary. Avy eo kosa dia hanoro hevitra ireo izay te hanaraka ny diany io photojournaliste manana traikefa io : ny tokony ianarana, ny fomba fianarana an’izany, ary ny ho avy mila omanina. Izay rehetra izay no ato amin’ny fandaharana Ketrika Sy Kandra.
Créer sa propre entreprise ou mener à bien son projet représente un défi énorme : en plus de la viabilité du projet, il faut aussi s’occuper des démarches administratives et de la promotion. Heureusement, des programmes existent pour accompagner les nouveaux incubateurs, c’est ce qu’on appelle une « incubation » et c’est ce que nous allons découvrir dans cette émission Ketrika Sy Kandra. D’abord, nous allons suivre le parcours d’une jeune porteuse de projet qui bénéficie d’une incubation, ensuite, nous allons apprendre les astuces pour bénéficier au mieux d’une incubation, avec un responsable dans la plateforme entrepreneuriale NextA.
Fanamby lehibe izany hoe manangana orinasa na manatanteraka tetikasa izany : ankoatran’ny fikononkononana ny fahombiazan’ny tetikasa, dia eo ihany koa ireo dingana ara-panjakana sy ny dokam-barotra. Soa ihany fa misy ireo tantsoroka natao manokana ho an’ireo izay vao hirotsaka eo amin’ny fandraharahana, « incubation » no fiantsoana an’izay, ary izay no ho resahantsika ato amin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra. Hanaraka tanora iray manana tetikasa anaty incubation aloha isika, rehefa vita izay dia ho fantarintsika ireo fikafika rehetra raha te hahazo ny tsara indrindra avy amin’izay incubation izay, miaraka amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny NextA, toerana natokana ho an’ny mpandraharaha.
A part les formations universitaires classiques, l’autoformation peut aussi déboucher sur des opportunités et des emplois. C’est le cas de Herindrainy Tantely Andrianambinina, il a maîtrisé le développement web en étant autodidacte, quel est son parcours et à quels défis doivent-il faire face ? Et pour ceux qui souhaitent s’engager dans le même chemin que lui, Tojo Yharimanana de chez Entreprendre à Madagascar nous donne les clés pour réussir en tant qu’autodidacte.
Ankoatran’ny fianarana arahana eny amin’ny oniversite, dia hazahoana misitraka soa fanararaotra sy mahazo asa ihany koa ny fampianaran-tena. Toy izany i Herindrainy Tantely Andrianambinina, fampianaran-tena no nahafahany nifehy ny développement web, ahoana no nahatongavany teo amin’io toerana io ary inona no fanamby mbola atrehiny ? Ho an’ireo izay te hanaraka ny diany kosa, dia manoro antsika ny tsara ho fantatra rehetra raha te ho tafita avy amin’ny fampianaran-tena i Tojo Yharimanana avy ao amin’ny Entreprendre à Madagascar.
Bienvenu dans Sandrify l’émission culturelle du Studio Sifaka. On voit souvent une variété de tissu, de pagne de couleur jaune, rouge, orange dorée ou violette, utilisée dans beaucoup de cérémonies religieuses ou de festivités culturelles. C’est le Sobahya, le tissu que l'artiste jaojoby porte toujours sur sa taille et son épaule lorsqu'il est sur scène.
Un « lamba » de grande valeur, signe de noblesse porté traditionnellement uniquement et occasionnellement par les souverains et qui a une grande place dans la tradition sakalava. Il a la même valeur que le « lamba arindrano » et le « lamba landy » portés par les souverains des Hautes Terres malgaches.
Mais quelle est vraiment l’histoire du « Sobahya » ? Nous allons en parler avec Cerveau Kotoson, enseignant chercheur à l’université d’Antsiranana.
Tongasoa eto amin’ny Sandrify, fandaharana ara-kolontsainan'ny Studio Sifaka.
Matetika isika no mahita lamba maroloko hisalorana hahitana loko mavo, mena, volomparasy milokom-bolamena na volomparasy izay ampiasaina amin'ny fomba ama-panao samihafa sy fety ara-kolontsaina ireny. Io ilay hoe Sobahya, ilay lamba matetika hitantsika sikinana sy lanjain’ny mpanakanto jaojoby isaky ny miaka-tsehatra izy.
Lamba manana lanja lehibe izy io ary mariky fiandrianana ka hanaovan’ireo ampanjaka amin’ny fomba amam-panao ireny ary manana toerana lehibe amin’ny fomban-drazana Sakalava. Mitovy lanja amin’ny “lamba arindrano” sy ny “lamba landy” fanaon’ny mpanjaka teto anivon-tany izy io.
Inona anefa no tena tantaran'ny “Sobahya”? Hiresaka momba an’izany i Cerveau Kotoson, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antsiranana.
« Boanamary sent mauvais ». Si on reste un moment à Mahajanga et qu'on interagit avec les habitants ou si on s’intéresse aux histoires d’antan de cette région, on entendra peut-être cette expression. Mais qui est exactement ce Boanamary ?
C'est l'un des lieux historiques longeant la baie de Bombey Toka, là où Betsiboka rencontre le canal du Mozambique. Il est lié à l'histoire des royaumes qui se sont établis dans cette région.
Suivez l'émission de Sandrify pour connaitre l’histoire de Boanamary qui nous est racontée par Mahefa Sosthene, responsable dans la commune de Boanamary.
« Maimbo tay Boanamary ». Raha mijanona elaela any Mahajanga any isika ka mifanerasera elaela amin’ireo mponina na hoe liana amin’ireo toerana manan-tantara an’iny faritra iny dia mety haheno an’io fomba fiteny io. Fa iza marina moa izany Boanamary izany?
Isan’ireo tanana manan-tantara manamorona ny elodranon’i Bombey Toka izay hihaonan’i Betsiboka amin’ny lakandranon’i mozambika izy io ary misy hifandraisany amin’ny tantaran’ireo fanjakana izay niorina tamin’iny faritra iny.
Araho ato amin’ny fandaharana Sandrify ary ny tantarany izay entin’i Mahefa Sosthene tompon’andraikitra iray eo anivon’ny kaominina Boanamary amintsika.
Ce Sandrify nous fera découvrir l'histoire entourant la rivière appelée Sambirano et la main d'Ambanja. Le Quatrième roi Tsiaraso apportera l'information.
Elle est très riche en termes d'histoire et de culture, mais elle sert souvent de point de transit lorsqu'on se rend par exemple à Nosy Be, vers la région SAVA ou vers Antsiranana. Elle est la capitale du cacao d'Ambanja et joue un rôle important dans l'économie de la région de Diana.
Hampahafantatra antsika ny tantara manodidina ilay renirano atao hoe Sambirano sy ny tananan’Ambanja ity Sandrify ity. Ny ampanjaka Tsiaraso Fahaefatra no hitondra ny fanazavana amin’izany.
Manankarena be izy io raha tantara sy kolontsaina kanefa matetika atao toerana fandalovana fotsiny ihany raha ho any Nosy Be ohatra na hihazo ny faritra SAVA na ny mankany Antsiranana any. Renivohitry ny kakao Ambanja ary manana anjara toerana lehibe amin’ny toekaren’ny faritra Diana.
Reportage :
La journée internationale de la jeunesse de cette année s’est focalisée sur la participation des jeunes dans la protection de l’environnement. Depuis sa création d’il y a quelques mois, la plateforme des jeunes malgaches engagés pour l’environnement AIKA lance comme principale stratégie le plaidoyer environnemental. Les parties prenantes, la bonne communication et les relations diplomatiques avec le gouvernement, sont les trois outils qu’elle utilise pour mener à bien cette mission.
Interview :
La Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental ou CNPE a fait son apparition depuis 2016. Les ressources naturelles et maritimes, les ressources minières et les aires protégées sont les principaux secteurs auxquelles elle travaille. Rahoeliarisoa Corinne, sa coordonnatrice nationale témoigne des points positifs, comme la diminution des trafics illicites et des exportations illégales de bois précieux au cours de ces dernières années. Elle précise néanmoins que le manque d’écoute au niveau des entités concernés est l’une des principaux blocages dans cette mission.
Reportage :
Nifantoka kokoa tamin’ny tanora sy ny fiarovana ny tontolo maitso ny lohahevitra nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora tamin’ity taona 2023 ity. Ho an’ny vovonan’ny tanora malagasy mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, AIKA izao, dia ny adisisika ara-tontolo iainana no tena ampiasainy. Vondron’olona soloiny tena sy porofo ary fifandraisana akaiky amin’ny fanjakana, no fitaovana entin’ireo tanora mivondrona ao rehefa manao izay adisisika izay.
Interview :
Natsangana nanomboka ny taona 2016 ny fivondronambe nasionaly ho an’ny adisisika ara-tontolo iainana na ny CNPE. Ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina ary ny harena an-kibon’ny tany sy ireo faritra arovana no tena hiantseharany. Manamarina ny mpandrindra nasionaliny Rahoeliarisoa Corinne fa nahitana fihenany be ny fitrandrahana sy fanondrahana harena voajanahary mankany ivelany hatramin’ny nitsanganani’ty fivondronana ity. Ny tsy fahaiza-mihaino eo amin’ireo sampan-draharaham-panjakana voakasika, no olana goavana tsy ampy amin’ny fanatanterahana ity asa ity.
Certains animaux sauvages tels que les lémuriens, les tortues ou encore certaines espèces de serpents sont classifiés interdits de domestication, dans la loi malgache 2006-400 sur les catégories de faunes sauvages à Madagascar. Pourtant, beaucoup de personnes aspirent à les avoir chez eux comme animaux de compagnie, les vendent ou les achètent illégalement. Quelle est la vraie origine de ces interdictions et comment faire respecter la loi sur la préservation de ces catégories d’animaux à Madagascar ? Le président de l’organisation de lutte contre le trafic de tortues, Tortule survival Alliance ou TSA Madagascar, Docteur Randriamahazo Herilala et le jursite environnemental Raharijaona Tombontsoa en discutent.
Voasokajy ho tsy azo trandrahana, tezaina na amidy ireo karazana biby dia maro toy ny gidro, ny sokatra na ihany koa ireo karazana bibilava sasany, araka ny lalàna 2006-004 mamaritra ireo sokajina biby dia eto Madagasikara. Betsaka anefa ireo olona mitaiza azy ireny, mamarotra amin’ny fomba tsy ara-dalàna na mividy azy ireny eto amintsika. Inona no tena antony hanasokajiana azy ireo ho tsy azo ompiana ? Ary ahoana ny fomba hamaparahana ny lalàna miady amin’izany eto amintsika ? Ny filohan’ny fikambanana miaro ny sokatra TSA Madagasikara, Docteur Randriamahazo Herilala sy ny mpahay lalàna ara-tontolo iainana Raharijaona Tombontsoa no miresaka mikasika izany.
A cause de leur position océanique et leur faible altitude, les îles et archipels sont explosés à l’érosion marine, l’acidification des océans, la dégradation des écosystèmes et des récifs coralliens, les phénomènes météorologiques. A cause de cela, les experts dans le monde entier cherchent à réduire les déchets plastiques et des produits chimiques toxiques dans l’océan. Ils vont chercher comment préserver la biodiversité marine à travers des solutions technologiques et innovantes à travers l’AIS forum à Antananarivo Madagascar le 29 aout 2023.
Interview avec MAHATANTE TSIMANAORATY Paubert, Ministre de la pêche et de l’économie bleue Madagascar.
Iharan’ny loza matetika ireo nosy sy vondronosy manerana izao tontolo izao. Noho ny toerana misy azy any an-dranomasina sy ny haavony (iva). Eo ihany koa ny fanariana solika an-dranomasina sy ny fahapotehan'ny tontolo iainana ary ny haran-dranomasina. Noho izany, mikasa ny hampihenana ny fako plastika sy ny akora simika misy poizina any an-dranomasina ny manam-pahaizana maneran-tany. Ho dinihin’izy ireo ny fomba fitahirizana ny zavamananaina an-dranomasina amin’ny alalan’ny vahaolana ara-teknolojia sy zava-baovao amin’ny alalan’ny forum AIS teto Antananarivo Madagasikara ny 29 aogositra 2023.
Resadresaka niarahana tamin’i MAHATANTE TSIMANAORATY Paubert, Minisitry ny jono sy ny toekarena manga eto Madagascar.