COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Dans la capitale, les auto-écoles ne suffisent plus à combler les besoins de ceux qui veulent conduire une voiture. Plusieurs ont maintenant recours aux services de « conduite accompagnée », un nouveau mode d’apprentissage qui consiste à faire appel à un professionnel de la conduite d’automobile pour l’assister dans un temps voulu et l’aider à devenir un conducteur autonome en un peu de temps. Bien que sa légalité soit encore remise en question, cette activité commence à se multiplier.

Tsy ampy ho an’ny ireo olona te hahafehy ny familiana fiara intsony ankehitriny ireo « auto-écoles » eto Andrenivohitra. Betsaka no mitady vahaolana hafa ka manatona ireny mpampiofana mpitondra fiara na ny mpanao « conduite accompagnée » ireny. Miantso ilay mpampiofana fotsiny izay te hianatra ary atrehin’ity farany sy omeny toromarika mandritra ny fotoana hitondran’ilay olona ny fiara. Ny fahafahana misafidy ny fotoana hianarana sy ny faharetany no tena mampiavaka azy amin’ny auto-école. Efa mihabetsaka ny mpanao ity sehatr’asa ity na dia mbola tsy misy filazana mazava ny maha-ara-dalàna na tsia azy aza.

REPORTAGE :

Depuis quelques années, les étudiants de l'Université de Toamasina ont pris l’habitude de mener une opération anti-crapauds venimeux ou « Radakaboka ». Pourquoi ? Parce que ce type de crapaud sévit, surtout pendant la saison de pluies, et nuit aux moyens de subsistance des paysans. Cette espèce importée déséquilibre aussi l’écosystème local en exterminant d’autres espèces. En raison du transport terrestre et maritime, ce fléau risque de se propager dans d'autres régions si l’on ne prend pas des mesures urgentes pour limiter leur multiplication. Ralaimaro Herison, membre du comité de lutte contre le radakaboka à Toamasina, lance l’alerte.

INTERVIEW :

Les récifs coralliens jouent un rôle important dans le milieu marin. Le quart des animaux marins en dépendent. Défendre cette cause est devenu la raison d’être de la Plateforme pour l'environnement et de développement ou PFED depuis 1988. Le coordinateur de la PFED à Nosy Be, Voca Dominique, rappelle qu'il est encore difficile de convaincre les citoyens de changer d’habitude. C’est pourquoi lui et son équipe mènent une campagne de sensibilisation continue auprès des gens de mer, en leur inculquant les gestes écologiques pratiques. L'objectif est de les former à la protection du milieu marin, qui est la base de leur subsistance. Plus de détails à ce sujet dans l'émission #Hiakan_ny_tontolo

DIY : Comment réutiliser le « polystyrène ? C’est Simple : Diluez le polystyrène dans du solvant. Il deviendra fluide et pourra remplacer la colle s’il est appliqué sur des ustensiles légers. Il deviendra dur en séchant. Essayez !

FANADIHADIANA :

Tafiditra ho fahazaran’ireo mpianatra ao amin’ny oniveriten’i Toamasina ny fanaovana hetsika famonoana radakaboka faobe isan-taona. Antony, mirongatra izay tsy izy ity karazana sahona misy poizina ity, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra, ka manimba ny fiharian’ny mponina. Mampitanila ny lamina voajanahary ao an’ala ihany koa izy ireo satria mihinana ny sakafon’ny biby sasany, izay mampihena be ny isan’ireto farany. Noho ireo fifamezivezena an-tanety sy an-tsambo, mety hiparitaka amin’ny faritra hafa ihany koa ireo radakaboka. Mampaneno lakolosy noho izany i Ralaimaro Herison, mpikambana ao amin’ny komitin’ny radakaboka ao Toamasina.

RESADRESAKA :

Manana anjara asa goavana amin’ny tontolo iainana an-dranomasina ireo vatohara na « corail ». Ny ampahefatry ny biby an-dranomasina dia miankina sy mivelona aminy avokoa. Anjara asan’ny vovonana PFED noho izany ny fiarovana sy ny fikarakara azy ireo nanomboka ny taona 1988. Sarotra hoy i Voca Dominique, mpandrindra eo anivon’ny PFED ao Nosy Be, ny mandresy lahatra ireo olona tsy hanimba. Misy ary ny fampianarana ireo mpiandriaka eny ifotony, mandritra ny fotoana maharitra. Tanjona ny hanazarana azy ireo hiaro ny tontolo iainana an-dranomasina, izay fototry ny fivelomany. Mampahafantatra misimisy mahakasika izay izy, ao anatin’ny fandaharana #Hiakan_ny_tontolo

DIY : Fomba famadihana ny « polystyrène » ho azo ampiasaina indray. Tsotra: Aepo amin’ny « dissolvant » ny « polystyrène ». Lasa marihitra. Mahasolo lakaoly izy raha ampiasaina amin’ireo kojakoja maivana ao an-tokantrano. Mafy tsara rehefa maina. Andramo anie e !

REPORTAGE :

Vohimana est une forêt primaire située près d'Andasibe, sur la RN2. C'est un lieu dédié aux chercheurs et aux amoureux de la nature. Il comprend un laboratoire de recherche et des infrastructures touristiques. Depuis des décennies, cette forêt est sujette à un défrichement sauvage et à des exploitations illicites. Depuis 2003, sept associations venant des VOI se sont regroupées au sein de « L'Homme et l'Environnement » pour lutter contre ce fléau. Pour ce faire, cette organisation a fait en sorte de donner des emplois décents issus du tourisme local et de l’artisanat à ses membres.  Aujourd’hui, ils demandent à l’état et aux acteurs du tourisme de s’investir d’avantage chez eux, confirme Lekamisy Justin, guide touristique.

INTERVIEW :

La détérioration des récifs coralliens de l'île aux pruneaux (Toamasina) s'accélère. Selon les explications du coordinateur de la région de l’ONG "Tany Ifandovana", Dauphin Mara, les humains et les catastrophes naturelles sont les premières causes de cette dégradation. Depuis 2019, l'ONG plante et réhabilite pas moins de 10 espèces locales des coraux. Plusieurs techniques sont utilisées, et les résultats sont palpables en 1 mois. Plus de 30% des coraux sont aujourd’hui réhabilités.

DIY : Comment fabriquer un arroseur automatique ? C’est Simple : percez le couvercle d’une bouteille plastique. Coupez la base de la bouteille. Coupez un tissu aussi fin qu'un lacet et glissez-le dans le couvercle. Couvrez la bouteille et renversez-le. Remplir d'eau. Puis l'eau s'infiltrera lentement dans le sol. Parfait pour le jardin.

FANADIHADIANA :

Tandavan’ala iray, akaikin’Andasibe, no misy an’i Vohimana. Toerana natokana ho an’ireo mpikaroka sy mpitia zava-boahary izy io. Ahitana fotodrafitrasa momba ny fikarohana sy toeram-pizahantany. Atahorana ho simba anefa io ala io amin’izao satria maro ireo fitrandrahana miompampana. Fikambanana 7 avy amin’izy vondron’olona ifotony no nivondrona tao anivon’ny « l’Homme et l’Environnement » nanomboka ny taona 2003 mba hiaro sy hanara-maso azy. Atsaraina amin’ny alalan’ny fizahantany sy asa-tanana ny fari-piainan’ireo tantsaha ao an-toerana. Mangataka anefa izy ireo ny mba hanatsara ity sehatra ity amin’ny lafiny maro, raha ny fanazavan’i Lekamisy Justin, mpisera dia.

RESADRESAKA :

Mihafaingana ny fahasimban’ireo vatohara na corail ao amin’ny île aux prunes ao Toamasina. Ny olombelona sy ireo loza voajanahary no antony voalohan’ny fahasimbana. Anoherana izany, namboly vatohara ao an-toerana ny fikambanana  « Tany Ifandovana » nanomboka ny taona 2019. Teknika maro no ampiasaina amin’izany, izay ahitam-bokany ao anatin’ny 1 volana monja.  Manodidina ny 30% no efa voaarina amin’izao raha ny fanazavan’ny mpandrindra ao amin’ny fikambanana « Tany Ifandovana » faritra Atsinanana, Dauphin Mara.

DIY : Fanamboarana fanondraham-boninkazo tsy ilàna olona. Tsotra : lavahana ny saronà tavoahangy plastika efa niasa. Tapahina ny vodiny. Hetezana manify toy ny tadin-kiraro ny lamba ary atsofoka amin’ny sarony. Fatorana mba tsy hitsaoka. Saromana ny tavoahangy ary aohaka haka toerana. Fenoina rano. Mitsiaka moramora ao amin’ny tany ilay rano avy eo. Mety ho an’ny zaridaina.

Le stéréotype social comme quoi l’éducation est faite seulement pour les garçons est l’un des blocages pour la scolarisation des filles. De plus, Il n’y a pas assez d’infrastructure dans les milieux ruraux et l’insécurité décourage les parents à envoyer leurs filles étudier dans des grandes villes. La sensibilisation des parents et les jeunes filles sur l’importance de l’éducation, la mise en place des infrastructures adaptées aux jeunes filles sont des solutions proposées par Tiavina, une mère de famille, Razafindrasoa Velohanta, directrice de l’Akany Avoko et Malala, Directrice d’une EPP à Mananjary.

Isan’ny manakana ny fampianarana ny ankizivavy hatrany amin’ny ambaratonga ambony ny fomba amam-piheverana fa ny lehilahy no hatao hamelona tokatrano any aoriana. Eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa manakaiky ny raiamandreny. Tsy mandry fahalemana anefa ny tanan-dehibe ka tsy maha tokatrano ny ankizivavy. Ny fampahafantarana ny fiarahamonina ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fananganana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka dia isan’ireo vahaolana naroson’i Tiavina renimpianakaviana, Razafindrasoa Velohanta, talen’ny akany Avoko ary Malala, talen’ny EPP any Mananjary.

Le réseau d’honnêteté et d’Intégrité est une plateforme des jeunes dans des lycées, universités et diverses associations. Un espace pour s’éduquer et s’échanger sur la lutte contre la corruption et le rôle des jeunes dans celle-ci. Ramalanjaona Marco, fondateur et président du RHI à Antananarivo donne plus d’explication.

Ny tambazotran’ny tanora mandala ny Rariny sy Fahitsiana dia vovonana iray azon’ny tanora hidirana eny amin’ny lisea, oniversite na fikambana izay misy izany. Afaka miditra mivantana koa anefa. Fifanabeazana sy fifanentanana amin’ny ady amin’ny kolikoly no atao ao. Manazava momba io tambazotra io ny namorona sady filohany eto Antananarivo, Ramalanjaona Marco.

vendredi, 09 juin 2023 12:43

Le Journal du 09 Juin 2023

  • Budget de la CENI pour les élections : les résultats seront à l’image de la somme octroyée
  • Décentralisation : les communes demandent plus de liberté et d’autonomie dans la gestion de ristournes minières
  • Electrification à Madagascar : aucune stabilité n’est envisageable même après la terminaison des travaux
  • Numérisation des archives, encore beaucoup d’effort à faire

  • Tsy asiam-panovana ny tetibolam-panjakana 2023 : mety tsy hisy fiakarana ny tetibolan’ny CENI
  • Fitsinjaram-pahefana : mangataka fahafahana sy fahaleovantena amin’ny hetra azo amin’ny fitrandrahana ireo kaominina
  • Herinaratra eto Madagasikara : tsy hisy fitoniana tanteraka na aorian’ny famahana ny olana aza
  • Mbola mila ezaka be ny fampidirana ireo arsiva ho nomerika

Arivonimamo est la capitale de la soie dans la région d'Analamanga. Cette localité a conservé un savoir-faire légendaire pour faire un bon tissu en soie. D’après Rasoanirainy Alice, propriétaire de la maison de la soie locale, il faut cuire les cocons pendant des jours, être méticuleux dans le traitement du fil, utiliser des colorants naturels. Il faut une main douce et une attitude zen pendant le tissage, dit-elle. Selon Alice, le « lambalandy » (tissu de soie) est un patrimoine à protégé face à la mondialisation.

Le marché de la friperie a augmenté de  de 10 % au cours des 5 dernières années à Madagascar. Les prix sont à la portée de tous et les tissus sont généralement de bonne qualité, a déclaré Rakotomalala James, vendeur. Cette situation crée de nombreux emplois, surtout pour les jeunes en quête de stabilité financière. Toutefois, il précise que ce métier n'est pas pour les paresseux. Les vendeurs doivent être à la pointe de la tendance et connaître les besoins du client. Suivez les détails dans l’émission #KSK

Arivonimamo no renivohitry ny lamba landy eto amin’ny faritra Analamanga. Maro ireo dingana atao raha te ahazo lamba tsara avy amin’io akora io. Ao ny fandrahoana ny akora, ny fomba famoliana azy, ny tsy fampiasana akora simika ary ny fahaizana mikirakira ireo kofehy rehefa manenona. Vakoka tokony ho arovana izy io manoloana ny fanatontoloana hoy i Rasoanirainy Alice, tompon’ny « Rindran-dandy », trano famokarana lamba landy iray ao an-toerana.  Tsy tsara kosa raha olona be korontana no manenona ny lamba landy raha ny fanazavany.

Asa manodidina ny lamba hatrany : Nitombo 10% ny tsenan’ny lamba friperie teto amintsika tato anatin’ny 5 taona. Manala olana ny maro izy io satria sady mora no mateza hoy i Rakotomalala James, mpivarotra. Maro koa ireo asa aterany hoy izy, ary ireo tanora no tena misehatra aminy. Tsy ho an’ny kamo anefa  io asa io satria mila maharaka lamaody sy  mahalala ny filan’ny mpanjifa, izay tsy mitsaha-mivoatra,  ireo mpivarotra. Ny andinindininy, arahinao ao amin’ny fandaharana #KSK

vendredi, 09 juin 2023 12:01

Infos vues par les jeunes

Vendredi, un moment pour les jeunes de s’exprimer au Studio Sifaka. Mahery, Maria et Hugues, étudiants à Ankatso, discutent des actualités chaudes de la semaine : le rôle de l’FFKM dans la vie politique, les solutions pour les déchets plastiques, la consommation des vraies marques ou des contrefaçons.

Zoma, fotoana iray hanehon’ny tanora hevitra eto amin’ny Studio Sifaka. Miresaka mikasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro i Mahery, Maria ary i Hugues, samy mpianatra eny Ankatso avokoa. Ireo voavao : ny anjara toeran’ny FFKM eo amin’ny fiainam-politika, ireo vahaolana manoloanan’ny fako plastika, ny fanjifana marika tena izy sa ireo fosika.

vendredi, 09 juin 2023 11:52

Le Journal des régions du 09 Juin 2023

  • Mananjary : la récolte de riz a été maigre cette année
  • Mandritsara : les clients des bajaj se plaignent du frais de bajaj
  • Atsinanana : les piétons sont valorisés et respéctés

  • Mananjary : nihena ny voka-bary tany Nosy-Varika tamin’ity taom-piotazana ity
  • Mandritsara : mimenomenona ireo mpandeha bajaj fa tsy misy saran-dalana bajaj tokana
  • Atsinanana : Omena lanja ireo mpandeha an-tongotra

En ce moments nous faisons face a beaucoup de stress et même la dépression. Dans cette nouvelle édition du Santénaka, nous allons essayer de proposer des solutions pour pouvoir faire face au stress mais aussi vaincre la dépression. Je parlerai également du Qi Gong qui est un art martial chinois qui utilise une technique de concentration et des respirations profondes pour se débarrasser du stress et de cette dépression.

Hiaraha-mahalala amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao ny rotorotom-piainana sy adin-tsaina samihafa. Miteraka rarin-tsaina ireny na Stress ary mety ho tonga any amin’ilay atao hoe Depression na fahaketrahan-tsaina lalina mihitsy aza.  Ho amin’ity Santénaka antsika androany ity izany dia hiezaka isika hanolotra vahaolana kely hahafahana mamehy io rarin-tsaina io. Hiresaka ihany koa mahakasika ny Qi Gong aho izay haiady sinoa iray mampiasa ny fifantohana lalina sy ireo teknika hahafahana mamehy sy miala amin’io rarin-tsaina sy fahaketrahan-tsaina lalina io.

Le secteur soie dans l’Itasy fait face à des défis dus à la destruction des forêts de tapia. Conséquences ? Les superficies couvertes de forêts ont diminué jusqu’à 3% tandis que la production stagne à 1% par rapport aux années précédentes. C'est pourquoi "Planète Urgence" a développé le projet TAPIA dans la région. Les vers à soie sont alors élevés à la « magnanerie » de la commune d'Ankalalahana, à Arivonimamo II, avant d’être relâchés dans leur habitat naturel. Car il faut les multiplier afin d’assurer la survie du secteur soie. Parallèlement, des hectares de bois de tapia ont également été plantés pour restaurer progressivement cette zone. C’est un métier qui demande amour et persévérance, avance Ranaivoson, premier responsable de la magnanerie.

Secteur menuiserie : Depuis une centaine d’années, la culture et l'exploitation des pins, des quinines et d’autres bois locaux ont beaucoup aidé le quotidien des malgaches. L’exploitation de ces types d’arbres a épargné les forêts primaires selon Andriamiharisoa Anthony, commerçant de bois à Antananarivo. Or, depuis 2 ans, les prix des arbres ont augmenté de 20 %. Il est de plus en plus difficile, dit-il, de couper et de transporter du bois. 

Misedra olana ny seha-pihariana landy ao Itasy noho ny fahapotehan’ireo ala tapia. Vokany, nihena ho 3% ireo faritra rakotr’ala raha 1% sisa ireo vokatra landy raha oharina amin’ny teo aloha. Antony namolavolan’ny « Planète Urgence » ny tetik’asa TAPIA. Tezaina ao amin’ny « magnanerie » ao amin’ny kaominina Ankalalahana, Arivonimamo II aloha ireo landibe mba hitombo isa, mialohan’ny amotsorana azy eny an’ala. Asa mitaky finiavana hoy Ranaivoson, mpikarakara. Ala tapia amin’ny hektara maro ihany koa no novolena mba amerenana ity sehatra ity tsikelikely.

 

Asa manodidina ny hazo hatrany : tato anatin’ny 100 taona, nanampy betsaka ny malagasy ny fambolena sy fitrandrahana ny hazo kesika, ny kinina sy hazo gasy hafa. Niaro ireo ala voajanahary tamin’ny fitrandrahana ny fisiany. Roa taona izay, niakatra 20% ny vidin’ireo hazo. Mihasarotra ihany koa ny fitrandrahana sy ny fanafarana azy noho ny antony maro hoy i Andriamiharisoa Anthony, mpivaro-kazo iray eto Antananarivo. 

Les femmes enceintes doivent faire du sport et ne doivent être trop paresseuses. Nous parlerons des sports adaptés à ces femmes dans la première partie de l’émission Santénakà d’aujourd’hui. Le sport est recommandé par les médecins pour que la mère et l’enfant soient en forme. Un médecin donne des conseils et astuces concernant les mouvements adaptés pour les femmes enceintes. En ce qui concerne les femmes sportives, elles peuvent continuer leurs activités jusqu’à un certain temps. Le médecin nous l’explique dans la deuxième partie de l’émission.

Ny fihomanana arabatana tokony hataon’ny vehivavy bevohoka indray no ho resahin-tsika ato amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana Santénakà anio. Voalaza matetika oe tsy tokony hipetrapetraka ny vehivavy mitondra vohoka fa tokony manao fampihetseham-batana hampatanjaka azy sy ny zaza ao an-kibony. Misy fanazavana entin’ny mpitsabo mahakasika izay miaraka amin’ny toro-hevitra maromaro. Ho an’ny vehivavy mpanao fanatanjahan-tena kosa no hitondran’ny mpitsabo iray toro-hevitra mandritran’azy mitondra vohoka ao amin’ny tapany faha roa. Araho atramin’ny farany ary ny fandaharana.

Nous allons aborder dans notre émission Santénakà d’aujourd’hui une maladie de la peau appelée furoncle. Ce n’est pas le résultat d’une blessure mais d’une infection bactérienne centrée par un poil. Il apparait surtout au niveau de l’épaule, de la gorge, de la fesse et du membre inférieur. Il peut être dangereux s’il apparait au niveau du visage. Un dermatologue nous explique les causes du furoncle, comment le soigner et quelles sont les précautions à prendre.

Hiresaka momban’ny vay indray isika ato anatin’ny fandaharana Santénakà anio. Mibontsina menamena kely eo amin’ny hoditra. Tsy vokatry ny ratra akory izy io fa baktery miparitaka any amin’ny taova hanirian’ny volo. Eny amin’ny soroka, ny tenda, ny fitombena ary ny tongotra no tena hisehoany matetika. Mety ampidi-doza ny vay raha eny amin’ny faritry ny tarehy no mipoitra. Mitondra fanazavana ny mpitsabo hoditra ny mahatonga ny vay, ny fitsaboany azy ary ny fitandremana tokony hatao.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter