COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Passion, détermination, sens de la logique, concentration…Bref, ce sont entre autres parmi les critères au quotidien d’un développeur informatique comme Stéphan. Il a exercé dans un univers professionnel différent avant   de s’être baigné dans le monde du développement Odoo il y a 3 ans. Le du développement Odoo est une catégorie du secteur qui commence à prendre surface dans la capitale.

L’école 42 Antananarivo, une annexe de l’école internationale en code « 42 » aurait la capacité d’accueillir gratuitement 150 étudiants malgaches à chaque année scolaire, d’ici 2024.

Fifantohana, fahaizana mamaha olana…Ampahany kely amin’ireo fahaiza-manao tokony ho voafehin’ny développeur informatique iray toa an’i Stéphan. Efa ho telo taona izy izao no nisehatra tamin’ny développement Odoo, iray amin’ireo sokajy manomboka miroborobo eto andrenivohitra.

Mpianatra Malagasy 150 eo isaky ny taom-pianarana no afaka hianatra maimaim-poana ao amin’ny école 42 Antananarivo manomboka ny taona 2024. Anjeri-manontolo mampiofana maimaim-poana ny taranja codes informatiques izy io.

A Betafo, Antsirabe, Le culture du fameux cresson ou Anandrano a lieu presque toute l’année. La majorité des foyers vivent de cette activité. La récolte se fait tous les mois. Celle-ci pourrait être bonne ou mauvaise en fonction de la saison et de l’arrivée de l’eau. Vendus entre 4000 à 8000Ar le panier, les anandrano de Betafo voyagent dans plusieurs régions du pays, notamment dans la capitale.

Mandeha foana isan-taona ny voly Anandrano ao Betafo, Antsirabe. Tokantrano maro ao an-toerana no mivelona amin’ny fambolena sy fivarotana anandrano. Isam-bolana ny vokatra no miakatra ary miankina amin’ny vanim-potoana sy ny fahabetsahan’ny rano no mahatsara sy maharatsy azy. Varotana 4000 hatramin’ny 8000Ar ny iray sobika amin’ny Anandrano, faritra maro eto Madagasikara ihany koa no vatsian’i Betafo ny vokatra anandrano avy ao aminy.

Les activités des grandes entreprises peuvent causer des dégâts au niveau de l’environnement et de la communauté dans laquelle elles sont implantées. De ce fait, elles doivent entreprendre des projets pour combler ces dégâts, c’est ce qu’on appelle la Responsabilité Sociétale de l’Entreprise ou RSE. Une démarche qui ne fonctionne pas toujours, car certaines entreprises peinent à être acceptées par la population. Pourquoi la RSE peut-elle échouer ? Réponse avec Ulrichia RABEFITIAVANA, spécialiste en RSE et fondatrice du salon RSEIDD.

Mety hiteraka takaitra eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina itoerany ny asan’ireo orinasa vaventy. Noho izany dia manatanteraka asa izy ireo mba hanorenana izany fahasimbana izany, izay no antsoina hoe andraikitry ny orinasa ho an’ny fiarahamonina na RSE. Tsy voatery handaitra anefa izy io, satria misy ireo orinasa no tsy eken’ny fiarahamonina mihitsy. Fa maninona no mandamoaka ny RSE ? Mamaly antsika i Ulrichia RABEFITIAVANA, mpahay manokana mikasika ny RSE ary mpanorina ny hetsika RSEIDD.

En 1930, la première école d'art a été créée au palais du Premier ministre Rainilaiarivony, à Andafiavaratra. Mais il a cessé de fonctionner quelques années seulement après sa création. Depuis, nous n'avions plus d'école nationale des arts et de la culture, alors l'idée de créer l'Académie nationale des arts et de la culture ou ANAC à Ambohitsirohitra est née. Les travaux ont commencé en 2019 mais il y a eu une suspension pendant un certain temps. Maintenant les travaux se poursuivent et sont prévus s’achever en trois mois. L’académie va promouvoir la richesse et la diversité de la culture malgache. L'objectif est de professionnaliser les acteurs culturels.

Tamin'ny taona 1930, no niorina ny sekoly voalohany ho an'ny zavakanto tao amin'ny Lapan’i Praiminisitra Rainilaiarivony, Andafiavaratra. Nitsahatra tsy niasa intsony anefa izany taona vitsy fotsiny taorian’ny nanorenana azy. Tsy nanana sekoly nasionaly ho an'ny haikanto sy ny kolontsaina intsony isika ka teo no nitsirian'ny hevitra hanorina ny Akademia Nasionaly momba ny Kanto sy ny Kolontsaina na ANAC etsy Ambohitsirohitra. Efa natomboka tamin’ny taona 2019 ny asa ary niato kely izany ary mitohy indray ankehitriny. Ezahina ho vitaina anatin’ny telo volana. Hiasa ho fanondrotana ny harena sy ny fahasamihafan’ny kolontsaina mampiavaka ny malagasy ity sekoly ity. Tanjona ny hanaovana ho matihanina ireo mpisehatra ara-kolontsaina.

  • Les 8 passagers naufragés en mer, ramenés aux côtes de Maroantsetra
  • Amoron’i Mania : réhabilitation de la route reliant Andina et Ihadilalana
  • Distribution de cartes professionnelles pour les pêcheurs à Sampananefatra Amparafaravola
  • Amboasary Atsimo : hausse du taux de réussite aux examens CEPE

  • Avotra ireo olona valo rendrika teny an-dranomasina nandritra ny 3 andro
  • Amoron’i Mania : hamboarina ny lalana Andina-Ihadilalana
  • Nozaraina karatra matihanina ireo mpanjono ao Sampananefatra Amparafaravola
  • Amboasary Atsimo : niakatra ny tahapahafahana CEPE tamin’ity taona ity
jeudi, 29 juin 2023 13:21

Le Journal du 29 Juin 2023

  • Saison hivernale : un réel engouement vers le marché de vêtement de deuxièmes mains
  • Protection des lanceurs d’alerte environnementaux : les acteurs prévoient la mise en place d’une structure non-gouvernementale
  • Conflit lié aux activités extractives : le dialogue fait souvent défaut
  • Assemblée Nationale : 4 membres du bureau permanent menacés de destitution

  • Fiatrehana ny ririnina : mirona makany amin'ny varotra akanjo friperie ny ankamaroan'ny olona amin'izao
  • Fiarovana ireo mpampaneno lakolosy eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana : mieritreritra hiroso amin’ny fametrahana rafitra tsy miankina amin’ny fanjakana ireo mpiantsehatra
  • Disadisa mifandraika amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany : tsy ampy ny fifanakalozan-kevitra
  • Antenimieram-pirenena : mpikambana 4 ao amin’ny birao maharitra no mety ho esorina amin’ny toerany

jeudi, 29 juin 2023 13:03

L’addiction est une maladie

L’addiction aux drogues dures peut être liée aux problèmes sentimentaux tels que le manque d’image paternel, la mauvaise relation maternelle, la difficulté de s’exprimer, la peur de l’abandon etc, d’après un psychologue et psychothérapeute Mihaja RABENORO. La thérapie se fait en deux temps : un soin médical pour éliminer les toxines et une thérapie familiale. La durée du traitement dépend du degré d’addiction aux drogues chez le patient, d’après le Dr ANDRIAMIARINARIVO Miarintsoa, addictologue.

Isan’ireo mety ho antony mahatonga ny tanora iray hiankindoha amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika ny lafiny fihetseham-po. Eo koa ny fifandraisana amin’ny ray aman-dreny, ny tsy fahasahiana hamoaka ny ao anaty, ny tahotra ho irery sy ny sisa araka ny fanazavan’ny psychologue sady psychothérapeute Mihaja Rabenoro. Misy lafiny roa kosa ny fitsaboana ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Ny fitsaboana ara-medikaly hanesorana ireo poizina mahatonga ilay olona mitady zava-mahadomelina foana. Eo koa ny fitsaboana ara-moraly hamahana ireo olana ara-pihetseham-po eo amin’ireo marary hoy kosa ny dokotera ANDRIAMIARINARIVO Miarintsoa, Adictologue.

L’antibiotique est un type de médicament destiné à tuer des bactéries. La prise fréquente ou excessive des antibiotiques donne une réaction négative sur le patient. A ce stade, il est indispensable de passer à une dose plus forte. Certain patient est allergique à une famille de médicament. Cela peut être héréditaire ou due à un excès de prise de ce médicament dans le passé. Le médecin prescrit autre médicament qui n’a pas de même composant de ce qui provoque des allergies aux patients. 

Ny antibiotika dia karazam-panafody natao hamonoana ny bakteria. Raha hanina matetika ny antibiotika dia tsy mandaitra amin’ny vatana intsony, hany ka mitaky fatra mahery kokoa ilay marary. Misy karazam-panafody tsy zakan’ny marary ireo singa ao aminy. Mety ho tsy fahazakana nolovaina tamin’ny fianakaviana tany aloha izany na vokatry ny fihinanana be loatra io karazam-panafody io ary tsy zakan’ny vatana intsony. Omen’ny dokotera fanafody hafa tsy misy ilay singa tsy zaka ny marary iray tojo izay tranga izay.

Le magazine Karné a subi un an et demi de test avant sa sortie officielle. Il aborde des thèmes qui pourraient combler les connaissances des enfants de 8 à 14 ans selon les explications de son fondateur, Tahirimihamina Ravaka. Ils sont trois à travailler dans cette petite entreprise. En ce qui concerne les livres jeunesses, ceux de la librairie Saint Paul, les langues varient selon les besoins des consommateurs affirme sœur Isabelle, responsable de la librairie. Il y en a ceux en malgache, en français et même en anglais. Les prix varient de 1.500 Ariary à 50.000 Ariary.

Nandalo fanandramana nandritra ny herintaona sy tapany ny gazety boky ho an’ny ankizy, Karné. Miresaka ireo lohahevitra hanampy ny ankizy 8 hatramin’ny 14 taona izy ity hoy ny mpanorona azy, Tahirimihamina Ravaka. Tanora 3 izy ireo no ao anatin’ity orinasa kely ity. Ho an’ny boky ho an’ny ankizy koa, raha ny ao amin’ny fivarontam-boky Masindahy Paoly no resahina, isan-karazany ny teny hampiasaina araka ny filàn’ny mpanjifa raha ny nambaran’ny Masera Isabelle, tomponandraikitra ao amin’ny fivarotam-boky. Misy amin’ny teny Malagasy, amin’ny teny Frantsay, ary misy ihany koa amin’ny teny Anglisy. Eo amin’ny 1.500 ariary hatramin’ny 50.000 ariary eo ny vidin’ny boky ho an’ny ankizy ao.

Le certificat de chômage est un ticket numéroté avec lequel un recruteur peut identifier votre profil s’il correspond à ce qu’il cherche. Selon le chef de service de l’emploi Analamanga, Herimampianina Rakotoson, ce service n’est qu’un intermédiaire entre le candidat et le recruteur. Le certificat de chômage est surtout requis pour les dossiers de candidature des recrutements de fonctionnaires publics. Et à part cela, il est indispensable pour les bourses de 3e cycle à l’université ainsi que d’autres affaires administratives comme les ruptures de contrat d’abonnement ou pour bénéficier des aides sociaux.

Tapakila misy laharana hahafahan’ny mpampiasa miantso ireo mpitady asa mifandraika amin’ny tadiaviny ny « certificat de chômage ». Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha fampananan’asa Analamanga, Rakotoson Herimampianina, mpanelanelana ihany izy ireo amin’ireo mpampiasa sy mpitady asa. Ilaina amin’ny atotan-taratasy raha te hiditra mpiasam-panjakana izy ity. Ilaina ihany koa amin’ny vatsim-pianarana amin’ny ambaratonga faha-3 eny amin’ny oniversite. Mila azy ity ihany koa raha hanapaka fifanarahana na hisitraka fanampiana socialy.

  • Soanierana Ivongo : une pirogue transportant 8 est encore introuvable
  • Kinga Show Antananarivo : 700 enfants de 10 à 13 ont passés la phase éliminatoire
  • Betsiboka : introduction d’alevin pour la coopérative Mahasoa

  • Soanierana Ivongo : sambo nitondra olona valo mbola karohina atramin’izao
  • Kinga show Antananarivo : ankizy 700 teo niatrika ny dingana voalohany
  • Betsiboka : miditra amin’ny fandefasana zana-trondro ny fikambanana mpanjono « MAHASOA »
mardi, 27 juin 2023 13:27

Le Journal du 27 Juin

  • Examen officiel : divergence d’opinion sur les cours préparatifs
  • Femmes diplomates : plus de recrues mais moins dans la représentation diplomatique
  • Marché de capitaux à Madagascar : une nouvelle source de financement pour les entreprises malgaches
  • Période hivernale : il fera moins froid que prévu

  • Fanadinana ofisialy : mizarazara ny fijerin’ny olona ireo Faradoboka
  • Diplaomasia : betsaka ireo vehivavy mandray anjara fa vitsy kosa ireo tena manatanteraka ny asa.
  • Tsenam-bola eto Madagasikara : fomba famatsiam-bola vaovao ho an’ireo orinasa Malagasy
  • Vanim-potoanan’ny ririnina : hafana kokoa nohon’ny mahazatra izy amin’ity

  • Région Bongolava : des jeunes bénéficient d’une formation pour les ventes en ligne
  • Région Anosy : baisse du prix du riz
  • Région Haute Matsiatra : reprise de la ligne Fianarantsoa Manakara

  • Faritra Bongolava : mitady lalam-barotra amin’ny tambanjotran-tserasera ireo tanora
  • Faritra Anosy : mihena ny vidim-bary
  • Faritra Matsiatra Ambony : niverina nisokatra ny zotra an-dalam-by Fianarantsoa Manakara
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter