COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Dans la capitale, plus besoin de se rendre dans les grands restaurants pour gouter aux délicieux tacos, hamburgers et paninis.  Une société locale a ouvert ses portes aux street food lovers, il y a quelques années. Depuis, cette activité prend de l’ampleur dans presque tous les quartiers de la ville. Les vendeurs s’installent avec leur petit chariot et peuvent se déplacer d’un endroit à un autre à la recherche des clients.

Tsy mila miditra toeram-pisakafoana intsony akehitriny eto Andrenivohitra rehefa te hihinana tacos, na paninis na koa hamburger no sady mahazo amin’ny vidiny mirary. Taona vitsy lasa izay no tena nampiroborobo ny fivarotana azy ireny eny amoron-dàlana, na koa « street food ». Saika feno azy avokoa izao isaky ny tanàn-dehibe aleha. Mitondra sarety kely ireo mpivarotra ary afaka mifindra toerana arakaraky ny mpividy.

Nous parlons de l’enseignement dans l’émission Hono Ho Aho d’aujourd’hui. Nous entamons le deuxième bimestre. De ce fait, les programmes d’enseignement auront des changements. La responsable pédagogique au niveau de la CISCO, Lalaharinoro Njiva Linah, nous apporte plus d’explication.

Hiresaka momban’ny tontolon’ny fampianarana isika ato anatin’ny fandaharana Hono Ho Aho. Miditra ao anatin’ny roa volana faha roa ny mpianatra. Arak’izany dia miova ny lesona sy ny zavatra rehetra atao. Hiresadresaka amin’ny tompon’andraikitra ara pedagojika eo anivon’ny fari-piadidinam-pampianarana Analamanga, Lalaharinoro Njiva Linah, mahakasika izay.

Il existe plusieurs procédures pour tous projets de construction d’infrastructures publiques. Mais il y a également quelques barrages obligeant l’interruption des travaux. La Directrice de l’aménagement, Randriamananjara Sabrina, auprès de la Commune Urbaine d’Antananarivo nous apporte plus d’éclaircissement concernant cela dans l’émission Hono Ho Aho.

Misy maromaro ny dingana arahina rehefa manangana fotodrafitr’asa ho an’ny daholo be. Misy ihany koa ny antony mety ampihato ny asa. Hitondra fanazavana misimisy kokoa amin-tsika ny talen’ny fandrindrana ny tanana ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra, Randriamananjara Sabrina.

Nous parlerons d’un livre qui relate l’arrivée des colons à Madagascar dans l’émission Hono Ho Aho d’aujourd’hui. Un livre écrit par Michel Rakotoson, d’après des témoignages. Ecoutons l’entrevu avec l’auteur durant une conférence de presse au musée de la photographie à Andohalo samedi dernier.

Boky iray mitantara ny fomba nidiran’ny mpanjanaka teto Madagascar no horesahin-tsika eto amin’ny fandaharana Hono Ho Aho anio. Tantara noforonina nianga tamina fijoroana vavolombelona nosoratan’i Michel Rakotoson. Araho ary ny resadresaka niarahana tamin’ny mpanoratra nandritra ny valandresaka natao teny amin’ny mozeoan’ny sary teny Andohalo ny sabotsy lasa teo.

Nous parlerons de la maladie infantile durant la période des pluies dans notre émission Hono Ho Aho d’aujourd’hui. La maladie respiratoire s’attrape très vite comme la pneumonie ou la pneumopathie chez les enfants de moins de 5 ans. Mais c’est la bronchiolite qui est la plus à craindre durant cette période. Le pédiatre Razakantoanina Maminirina nous donne plus d’explication.

Mirongatra ny aretina eo amin’ny ankizy rehefa vanim-potoanan’ny orana. Mora miparitaka ny aretin’ny tavam-pisefoana toy ny pneumonie sy ny pneumopathie amin’ny zaza latsaky ny 5 taona, saingy bronchiolite no tena atahorana ahazo ny zaza rehefa vanim-potoana tahak’izao. Ny dokoteran-jaza Razakantoanina Maminirina no hanazava misimisy kokoa amin-tsika ny mahatonga izany.

mardi, 06 juin 2023 13:27

Le Journal du 06 Juin 2023

  • Charte de bonne conduite : à la conquête des partis politiques
  • Le FFKM a toujours était présent dans la période électorale à Madagascar
  • Réouverture du Canal de Pangalane : constat d’un manque d’infrastructures touristiques
  • Pêche illégale : la pêche industrielle est le premier facteur

  • Sata mifehy ny fitondran-tenan’ny mpanao politika : mifandresy lahatra amin’ireo mpiantsehatra ara-politika
  • FFKM : nanana ny andraikiny hatrany amin’ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara
  • Lakandranon’i Pangalana : ihena ireo saram-pitanterana raha mitombo ireo tolotra ara-pizahan-tany sy fotodrafitr’asa
  • Jono tsy ara-dalàna : ny jono atao-na orinasa lehibe no antony voalohany

  • Mananjary : 108 733 électeurs inscrit dans la liste électorale
  • Mandritsara : le BEPC blanc sert de simulation avant l’examen officiel
  • Diana : les femmes techniciennes solaires sont dans la région pour fabriquer des lampes

  • Mananjary : mpifidy miisa 108 733 hatreto no tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana
  • Mandritsara : ilaina hanomana ny fanadinana tena izy ny BEPC andrana
  • Diana : efa manamboatra jiro any an-toerana ireo vehivavy teknisian’ny masoandro

En cas de perte ou d’usure de sa carte d’électeur, l’électeur doit immédiatement prévenir le responsable du démembrement de la Commission Electorale Nationale Indépendante au niveau de la Commune qui en avise le président du bureau électoral intéressé afin d’empêcher un usage frauduleux de la carte perdue. Celui-ci délivre à l’électeur un récépissé de déclaration de perte servant à justifier de l’inscription sur la liste électorale et du droit de vote. Sur présentation du récépissé de déclaration de perte, un duplicata de la carte d’électeur est remis à l’électeur par la Commission locale de recensement des électeurs, pour la période de validité restante de sa carte d’électeur initiale.

Si un individu a perdu sa carte d’électeur et qu’il n’a pu obtenir ni un duplicata ni le récépissé prévu à l’article précédent en temps voulu, il lui suffit de justifier de son identité par la présentation de sa carte d’identité nationale et d’une attestation d’inscription sur le registre de recensement délivrée par la Commission locale de recensement des électeurs du Fokontany.

Tokony manana kara-pifidianana daholo ny olona rehetra voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy, fa ahoana anefa no tokony atao raha simba na very io karatra io ?

Raha very na simba ny kara-pifidianana, dia tsy maintsy manambara izany avy hatrany any amin’ny tompon’andraikitra misolo tena ny CENI eny amin’ny kaominina ny tompon’ilay karatra. Io indray avy eo no mampita izany any amin’ny filohan’ny biraom-pifidianana voakasika mba hisorohana ny mety ho fampiasan’ilay olona nahita an’io karatra very io amin’ny tsy ara-dalàna. Mahazo rosian’ilay fanambarana fahaverezana avy eo ny tompon’ilay karatra, ary iny rosia iny no manamarina fa voasoratra anarana sy manan-jo hifidy tokoa ilay olona. Iny rosia iny ihany koa no ahazahoana dika mitovy amin’ny kara-pifidianana izay omen’ny vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy, dika mitovy izay manan-kery mandritra ny fe-potoana mitovy amin’ilay karatra very na simba ihany.

Raha tsy nahazo dika mitovy ara-potoana kosa anefa ilay mpifidy, dia mbola afaka mifidy tsara izy, mila hamarininy amin’ny alalan’ny karapanondro fotsiny ny mombamomba azy ; ary ny taratasy manamarina fa misoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy tokoa izy. Taratasy izay omen’ny Vaomiera eo ifotony misahana ny fanisana ny mpifidy isaky ny fokontany.

Il existe 8 principes fondamentaux de la campagne électorale, selon la loi électorale. Voici 4 de ces principes :

  • Le respect de l’unité nationale et de l’esprit du Fihavanana Malagasy.
  • La neutralité de l'administration et l’impartialité des services publics ; c’est-à-dire que les fonctionnaires doivent faire preuve d'impartialité dans l'exercice de leurs fonctions, en prenant des décisions basées sur la loi, les règlements et les politiques établis, plutôt que sur des considérations politiques, partisanes ou personnelles.
  • L'impartialité du service public de la communication audiovisuelle assurée par les services de radiodiffusion et de télévision publics et les entreprises de radio et de télévision privées.
  • L'équité et l'égalité des chances entre tous les candidats.

Inona avy ireo foto-kevitra fototra amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ?

Miisa 8 ny foto-kevitra fototra amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, araka ny lalàm-pifidianana. Ireto misy 4 amin'ireo foto-kevitra fototra ireo :

  • Fanajana ny firaisam-pirenena sy ny Fihavanana Malagasy.
  • Ny tsy fiandaniana eo amin’ny fitantanana sy ny tsy fiandaniana ny asam-panjakana; izany hoe tsy miangatra ny mpiasam-panjakana amin'ny fanatanterahana ny andraikiny, ka mila mandray fanapahan-kevitra mifototra amin'ny lalàna, amin’ny fitsipika ary ny politika napetraka, fa tsy amin'ny fiheverana ara-politika, na miandany manokana.
  • Ny tsy fiandanian’ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny haino aman-jerim-panjakana sy ny haino aman-jery tsy miankina amin’ny fanjakana.
  • Ny tsy fiandanian’ny toeram-pivavahana. Izany hoe tsy tokony hiandany na hanohana kandidà, antoko politika na firehan-kevitra manokana ny fikambanana ara-pivavahana mandritra ny fotoam-pifidianana.

Chaque électeur reçoit une carte d’électeur, c’est cette carte qui justifie qu’il est inscrit sur la liste électorale. Cette carte est établie et signée par la Commission Electorale Nationale Indépendante à partir d’un modèle déterminé par un décret pris en conseil de Gouvernement après consultation de la CENI.

Sa validité est de cinq (5) ans à compter du premier janvier de l’année de délivrance sauf dispositions contraires dans le décret de convocation des collèges électoraux. L’électeur qui, pour quelque raison que ce soit, est radié de la liste électorale du Fokontany, doit rendre sa carte d’électeur auprès de la Commission locale de recensement des électeurs. Lors de la remise de sa carte d’électeur, il lui est délivré un certificat de radiation par la Commission locale de recensement des électeurs.

Inona avy ny tokony ho fantatra momba ny karatry ny mpifidy ?

Mahazo kara-pifidianana ny mpifidy tsirairay, io karatra io no manamarina fa misoratra ao amin’ny lisi-pifidianana izy. Io karatra io dia nosoritan’ny CENI avy amina môdely voafaritrin’ny didim-panjakana navoakan’ny Filankevitrin’ny Governemanta taorian’ny fifampidinihana tamin’ny CENI. Manan-kery mandritra ny dimy taona manomboka ny 1 janoary amin’ny taona namoahana izany io karatra io, hafa tsy hoe misy fepetra manokana. Ny mpifidy izay nesorina tao ao amin’ny lisi-pifidianana kosa, na inona na inona antony, dia tsy maintsy mamerina ny karatra mpifidiny any amin’ny vaomiera fisoratana anarana eo an-toerana. Omen’ny vaomiera eo an-toerana taratasy fanamarinana ny fanafoanana ny fisoratana anarany izy amin’izany.

Nous parlerons de musique dans l’émission de Ketrika sy Kandra d’aujourd’hui. La musique est une formation à part entière même si les jeunes malgaches ne s’y intéressent pas vraiment intéressés pour le moment. Un jeune qui a choisi cette formation en témoigne. Rasolofomamonjy Mahafaly, un professeur de musique, nous partage également son expérience en tant que professeur.

Mahasika ny mozika indray no resahin-tsika androany ato anatin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra. Lalam-pihofanana iray mihintsy ny sehatry ny mozika na dia mbola vitsy ary ny tanora no misafidy izany. Misy fizarana ataona tanora iray nisafidy izany lalam-pihofanana izany. Rasolofomamonjy Mahafaly, mpampianatra mozika kosa dia hizara ny lalana nodiaviny amin’ny maha mpampianatra azy.

Notre émission Ketrika sy Kandra d’aujourd’hui parle de la production de bio charbon et de savon dans la région Bongolava. L’association Sakaizan’ny Vohary forme les paysans dans la production de charbon écologique depuis 2 ans. Actuellement, beaucoup sont les paysans qui travaillent dans ce secteur. Naivo de son côté nous donne quelques détails sur son travail, qu’est la fabrication de savons. Suivez notre émission pour plus d’informations.

Famokarana harina sy savony any Bongolava indray no arahin-tsika eto amin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra androany. Nandritra ny 2 taona no nampihofana ireo tantsaha ny fikambanana Sakaizan’ny Vohary amin’ny fanamboarana saribao vita amin’ny bozaka. I Naivo kosa hitantara amin-tsika ny mombamomban’ny asany fanaovana sy fivarotana savony. Araho ary ny adinindininy eto amin’ny fandaharana.

La puberté est un moment de l’adolescence durant lequel le corps se modifie. Parfois elle peut engendrer des difficultés pour les jeunes. Certains peuvent avoir une fragilité psychologique. Quels rôles jouent les parents ?

Dingana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny vatan’ny tanora ny fahamaotina. Misy ny fiovana eo amin’ny vatana fa mety hiteraka fiovana eo amin’ny ara-tsaina ihany koa io. Manahoana ny fifampizarana eo amin’ny tanora sy ny ray aman-dreny makasika izany.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter