COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Programme intégral

Andrea Razafi

Andrea Razafi

vendredi, 26 mai 2023 07:29

Infos vues par les jeunes

En tant qu’étudiants en Communication à l’Université d’Antananarivo, ces trois jeunes hommes ont beaucoup à dire concernant les évènements qui se passent dans notre pays. Rajaofetra Mitia Niandry, Rakotomanga Liantsoa Tsiva et Rakotoarisoa Faly ont partagé leurs points de vue sur l’Alumni Day, le changement climatique, et l’héroïne.

Amin’ny maha mpianatra Serasera ao amin’ny Oniversité an’Antananarivo azy telo mirahalahy, dia manana hambara betsaka momba ny zava-mitranga eto amin’ny firenentsika i Rajaofetra Mitia Niandry, Rakotomanga Liantsoa Tsiva ary Rakotoarisoa Faly. Naneho ny heviny momba ny Alumni Day, ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny héroïne izy ireo.

Chaque année, la Turquie organise une semaine pour promouvoir son art culinaire à travers le monde. A Madagascar, cet évènement en est maintenant à sa deuxième édition. Le Kefta au riz pilaf, un plat à base de viande de bœuf et du pain traditionnel turc est l’un des plats turcs les plus à la demande. La cuisine turque se fait remarquée à travers l’utilisation des fruits secs, de la semoule de blé, de l’huile d’olive et surtout de l’aile, un ingrédient qui l’unifie à la cuisine malgache. Tout comme les autres pays orientaux, la Turquie utilise aussi des épices orientaux, mais d’une façon modérée, c’est ce qui donne un goût unique à sa cuisine.

Mikarakara hetsika entina hampahafantarana ny nahandro avy any Turquie ity firenena ity isan-taona. Andiany faharoa amin’ny “semaine culinaire turque “izao no natao teto Madagasikara. Ny Kefta, sakafo mampisongadina ny hen’omby, ny vary ary ny mofo mampiavaka an’i Turquie no tena ankafizin’ny maro.  Mampiavaka ny nahandro tiorka ny fampiasany voankazo maina, varim-bazaha, menaka oliva ary indrindra tongolo gasy, isany mampitovy azy amin’ny nahandro Malagasy.

  • Toliara : hausse des personnes atteintes du VIH
  • Vohipeno : mauvaise vente pour les producteurs d’orange
  • Mandritsara : relance du « Sakoana » à travers un Festival

  • Toliara : mitombo isa ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH
  • Vohipeno : tsy misy mpividy ny voasary
  • Mandritsara : omena lanja ny « Sakoana » amin’ny alalan’ny Festival

Les ingrédients parfumés  extrait à partir des  plantes ou des animaux sont souvent utilisés dans les produits cosmétiques ou pour masquer les mauvaises odeurs. Certaines substances  peuvent être allergisantes. Il y a des rougeurs ou eczéma sur la peau. Les personnes qui sont sensibles aux odeurs des parfums peuvent avoir mal à la tête.

Ny hanitra na parfum indray dia hita amin’ireo vokatra ahosotra amin’ny vatana produits cosmétique, savony, na ranomanitra na ireo kojakoja hamonoana ireo fofona ratsy toy ny amin’ny toeram-pivoahana sy fidiovana. Misy no nalaina tamin’ny zava-maniry fa misy ihany koa ny akora simika. Misy amin’ny olona no tsy mahazaka io hanitra io. Misy fiatraikany amin’ny fahasalamana, miteraka tsy fahazakana na allergie ndao ary ho resahan-tsika.

Durant cette saison sèche et période de pluie, les rats longent les rivières, s’abritent dans les broussailles, et entrent dans les habitations. Anjozorobe n’en échappe pas, puisque cette commune a longtemps été une zone pesteuse. Dernièrement, des cas suspects ont été rapportés par les habitants. De ce fait, des prélèvements sont effectués sur les personnes inquiétantes, puis envoyés à l’Institut Pasteur pour des analyses. En attendant les résultats, le Médecin Inspecteur d’Anjozorobe, Docteur Lova nous rappelle les symptômes et les traitements de cette maladie. 

Amin’izao vanim-potoanan’ny main-tany sy orana izao, dia mandeha eny amoron-drenirano ny voalavo, mialokaloka ao anaty lobolobo, ary miditra any an-trano. Mbola voakasik’izany i Anjozorobe, satria efa hatrin’ny ela ity tanàna ity no nahitana tranga-na pesta. Re avy amin’ny mponina any an-toerana tato ho ato fa misy olona ahiahiana ho voany. Nanaovana fitiliana izy ireo, ary nalefa any amin’ny Institut Pasteur izany avy eo. Eo am-piandrasana ny vokatra dia mampahatsiahy ny soritr’aretina sy ny fitsaboana ity aretina ity ny Médecin Inspecteur ao Anjozorobe, Dokotera Lova.

Le « faosa », période entre le mi-février et le mi-mars est encore considéré comme mois maudit pour plusieurs communautés dans l’ethnie Betsileo d’Ambositra. Une période où l’on ne doit pas débuter les bonnes choses, telle que la construction d’une nouvelle maison, ou encore le mariage. Cette croyance est en lien avec des histoires survenues. Bien que certains n’y tiennent plus, beaucoup d’autres respectent encore les interdits pendant le « faosa »

Dans l’ethnie Antambahoaka, les femmes, surtout celles qui viennent d’accoucher suivent des règles particulières. La consommation des fruits de mers ne leur sont permise que deux à 3 semaines après l’accouchement.

Mbola omen-danja ao amin’ny vondron’olona maro ao amin’ny foko betsileo avy any Ambositra ny faosa na volam-padiana. Eo anelanelan’ny volana febroary sy volana martsa izy io, ary zavatra maro toy ny fanorenana trano vaovao na tokan-trano no tsy azo atomboka mandritra izany hoy ireo mpandala fomba malagasy ao an-toerana. Betsaka no efa tsy manaraka azy io intsony ankehitriny.  

Misy fomba maromaro hatao ny vehivavy tera-bao any amin’ny foko Antambahoaka any. Isan’izany, tsy azony atao ny mihinana hazan-drano mandritra ny 3 herinandro voalohany niterahany. Mila atao fomba manokana, hampandroina izy vao miala ny fady.

L’appauvrissement des victimes est la première conséquence des incendies. Pour y remédier les sapeurs-pompiers et la collaboration de tous les citoyens dans le combat des incendies est nécessaire. Chacun doit se responsabiliser face aux obligations de sécurité afin d'éviter les drames des incendies. Selon eux, il ne faut pas seulement se contenter d’appeler les pompiers et de les attendre. Il faut aussi essayer de voir si on peut éteindre le feu avec les moyens disponibles. Les détails avec Colonel RAZAFIMANAHAKA Tiana, chef de corps pompier d’Antananarivo

Fahatrana no ateraky ny fahamazaina trano. Mba isorohana izany, ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra hoy ny mpamonjy voina. Tsy ampy ny fiantsoana fotsiny ny mpamonjy voina, sy miandry ny fahatongavana’izy ireo eny an-toerana. Ilaina ny fandraisana andraikitra amin’ny famonoana afo avy hatrany mba tsy hiparitahan’ny loza. Mitondra fanazavana i Colonel RAZAFIMANAHAKA Tiana, chef de corps pompier d’Antananarivo.

mercredi, 24 mai 2023 13:48

Sifflet du 24 Mai 2023

  • Coupe du monde de basket 3x3 : l’équipe nationale Ankoay en stage en Serbie
  • Championnat d'Afrique de lutte : Madagascar décroche deux médailles de bronze
  • Football : le championnat régional Diana 2023 débutera dimanche prochain
  • Championnat régional de football : les clubs F.C.A et R.C.A vont représenter Fenérive Est pour le football masculin Fenerivo Atsinana tandis que les club F4 Fenerive-Est et R.S.C.E représenterons la catégorie féminine

  • Fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja Basketball 3x3 : manomantena any Serbie ny Ankoay
  • Fiadiana ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tolona : medaly alimo roa no azon’ny Malagasy
  • Baolina kitra : hanomboka amin’ny alahady ho avy izao ny championnat régional Diana 2023
  • Fifaninana isam-paritra ho an’ny baolina kitra : F.C.A SY R.C.A no isolon-tenanan’ny Fenerivo Atsinanana baolina kitra lehilahy raha ny F4 fenerive EST sy R.S.C.E kosa ny sokajy vehivavy

La ministre de l’éducation nationale est contre l’utilisation du Chatbot GPT par les étudiants. Dans une publication sur Facebook, elle insiste notamment sur la nécessité de penser par soi-même, et de ne pas être un produit de cette technologie en cours de perfectionnement. Or, de plus en plus de personnes utilisent cette technologie facile à utiliser, et capable de réaliser des synthèses. Nous sommes avec Mandresy et Tendry pour en débattre, deux lycéens d’Andohalo.

Manohitra ny fampiasan’ny mpianatra ny Chatbot GPT ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Nolazainy tamin’ny Facebook fa ilaina ny mampiasa saina avy amin’ny tena manokana, ary tsy tokony ho ampiasain’io teknôlôjia izay mbola eo an-dalam-pihatsarana io. Mihamaro hatrany anefa ny olona voasarika amin’io teknôlôjia mora ampiasaina sy mahavita manao famintinana io. Miaraka amin’i Mandresy sy Tendry isika hiady hevitra mikasika an’izany, mpianatra avy ao amin’ny lisea Andohalo izy ireo.

mercredi, 24 mai 2023 13:05

Le Journal du 24 Mai 2023

  • Lois électorales : la société civile a émis ses recommandations au parlement
  • Concours interuniversitaire d’art oratoire : profil des demi-finalistes
  • Lecture publique : familiariser les analphabètes avec les livres à l’aide des images
  • Semaine culinaire turque à Madagascar : 9 plats de la gastronomie de la Turquie à découvrir

  • Lalam-pifidianana : nametraka ny soso-keviny teny amin’ny antenimieram-pirenena ny firaisamonim-pirenena
  • Herinandro ho an’ny nahandro avy any Turquie : karazan-tsakafo 9 no omen-danja mandritra izany
  • Fifaninana momban’ny fahaizana mandaha-teny : ny mombamomba ireo mpifaninana amin’ny dingana manasa-dalana
  • Famakiam-boky ho an’ny daholobe : zarina amin’ireo boky ny olona tsy mahay mamaky teny amin’ny alalan’ny sary

mercredi, 24 mai 2023 13:02

Le Journal des régions du 24 Mai 2023

  • Amboasary Atsimo : délestage depuis quatre jours maintenant
  • Ambositra : renforcement de la lutte contre la malnutrition
  • Tsiroanomandidy : une semaine pour payer les impôts

  • Amboasary Atsimo : tapaka ny jiro efa efatra andro izao
  • Ambositra : fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
  • Tsiroanomandidy : herin’andro natokana ho an’ny fandoavan-ketra

La toilette sèche ou toilette est une latrine qui n’utilise pas de l’eau mais plutôt une litière. C’est pour récupérer les selles pour en faire du compost. Rajaoarifidy Vorihery utilise des poudres pins pour éliminer l’odeur. Certes, le déchet fécal humain en étant engrais biologique apporte beaucoup d’éléments nutritifs pour les plantes. Mais cela pose des grands risques : les microbes peuvent se transmettre pour ce qui va le préparer, des éléments nuisibles peuvent atteindre les aliments.

Ny « toilette sèche » dia tsy mampiasa rano na lavaka fa tatazana amina fitaovana ny maloto, totofana ary taterina atao zezika. Vovo-kazo no hampiasain’i Rajaoharifidy Vorihery mba tsy hampisy fofona mihitsy ilay lava-piringa. Mamokatra haingana be ny zava-maniry raha ampiasana zezik’olona. Tsy mety amin’ny fahasalamana kosa anefa izy fa mifindra amin’ny olombelona ireo mikraoba sy aretina ao anatiny eo am-pikirakirana ilay zezika. Afaka mifindra ao anatin’ny sakafo koa izany.

A Mandritsara, au Nord-Est de Madagascar, vivent Christophe ayant un handicap physique dû à la poliomyélite, et Méliane qui quant à elle, est née avec une malformation congénitale. Certes, des cas fréquents, mais leurs témoignages nous rappellent les difficultés quotidiennes auxquelles ils devront faire face. Avec le soutien de leurs proches, ils ont fini par accepter cette différence et continuent malgré tout de faire valoir leurs droits. Le médecin inspecteur SDSP Mandritsara Jackie Randrianarisoa nous fait découvrir les causes et les traitements du handicap physique.

Any Mandritsara, any Avaratra Atsinanan’i Madagasikara, no monina i Christophe, izay manana fahasembanana ara-batana noho ny lefakozatra, sy i Méliane, manana fahalemena amin’ny tongotra efa hatrany ambohoka. Tranga fahita matetika ireo fa ny fijoroana vavolombelona ataon'izy ireo dia mampahatsiahy an-tsika ny fahasahiranana lalovany isan’andro. Noho ny fanohanan'ireo olona akaiky azy ireo, dia nanaiky izany fahasamihafana izany izy ireo ary manohy ny fitakiana ny fanajana ny zony. Mampahafantatra an-tsika ny antony sy ny fitaizana vatana tokony atao manoloana ny fahasembanana ara-batana izay, ny médecin inspecteur SDSP Mandritsara Randrianarisoa Jackie.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter