Bebeto, Rudo et Dino sont des jeunes peintres d’Ambilobe mais qui travaillent à Nosy Be. Nous avons eu un entretien avec eux et ils nous partagent leur méthode de travail avant de produire une œuvre d’art. Ils exposent leurs œuvres dans leur cour. Nous tenons à préciser qu’ils sont autodidactes.
Dans la deuxième partie de l’émission, nous vous partageons l’entrevu avec Rafaly. Originaire de la capitale, il est à Nosy Be depuis près de 20 ans pour le travail. Il a actuellement un salon de coiffure et travaille à son compte.
Ny sehatr’asa hoso-doko indray no hiompanan’ny fandaharana Ketrika sy Kandra androany. Tanora mpanao hoso-doko aty Nosy Be ry Bebeto, Rudo ary Dino. Mampiranty ny asa-tanany eo antokon-taniny izy ireo. Tsy nianatra manokana momba ny sary izy ireo fa nampiana-tena. Avy any Ambilobe moa izy telo mirahalahy fa mila ravin’ahitra eto. Araho ary ireo dingana maromaro arahin’izy ireo mialohan’ny hamokarany ny hoso-doko ho zava-kanto azo amidy.
Hiresadresaka amin’ny Rafaly kosa isika ao amin’ny tapany faharoa, izay mpila ravin’ahitra ihany koa eto Nosy Be. 20 taona niasana teto izy ary efa nahasokatra trano fiheteza.
La chevelure constitue un symbole de beauté pour la majorité des femmes et aussi pour les hommes. Et depuis le début du 20ème siècle, la coloration a permis de la valoriser. Cependant, il faut bien connaître ce produit avant son utilisation. Il existe deux types de teintures pour cheveux : celle à base de produits naturels, et celle composées de produits chimiques. Des probables réactions allergiques peuvent donc survenir après son application, notamment chez les personnes âgées. Il est donc conseillé de consulter un professionnel. Le Docteur Tahiana Ramanantsoa nous apporte plus d’explication dans Santénaka.
Manamarika ny haingon’ny ankamaroan’ny vehivavy sy ny lehilahy ny volo. Ary nanomboka ny taonjato faha roapolo no nanomezana lanja azy be be kokoa tamin’ny alalan’ny fandokoana. Alohan’ny ampiasana ny loko dia mila fantarina mialoha ny vokatra ao anatiny. Misy karazany roa izy ireny, dia ny loko natoraly sy ny loko misy vokatra simika. Mety hiteraka tsy fahazakana na allergie izy, indrindra ho an’ny olona efa nahazo taona. Ilaina noho izany ny manantona matihanina momba ny lokom-bolo. Manazava ny Dokotera Ramanantsoa Tahiana ato anaty Santénaka.
Les participants dans la discipline karaté do se sont déjà préparés pour les Jeux des Îles de l’Océan Indien 2023 depuis novembre 2022. Selon les explications du président de la fédération karaté do de Madagascar, le docteur Ratefinanahary Emile, ils ont eu cinq regroupements, deux compétitions. Le nombre des participants, mixte – en groupe et en individuel, est de trente et un karatéka avec trois arbitres et quatre entraîneurs. Ces trente et un participants vont se battre pour avoir les seize médailles d’or dans cette discipline.
Efa vonona hatramin’ny novambra 2022 ireo mpandray anjara amin’ny taranja karate mandritra ny lalaon’ny nosy 2023. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasion karate an’i Madagasikara, ny dokotera Ratefinanahary Emile, efa nisy fifampivondronana dimy sy fifaninana roa izy ireo. Iraika amby telopolo no isan’ny mpandray anjara lahy sy vavy, mandeha tsy iray iray izany na vondrona. Manana mpitsara telo izy ireo ary mpanazatra efatra. Hiady ho an’ny medaly volamena enina amby folo ireo mpandray anjara iraika amby telopolo ireo.
Les jeunes sont tombés dans la dépression quand ils ont surtout un avenir incertain ou une déception amoureuse. Le moral, tout comme le corps, peut être fatigué quand il subit beaucoup trop de choc, en plus des stress. Une intervention médicale auprès d’un psychiatre s’impose pour le remonter surtout quand les jeunes se tendent vers le suicide. On peut éviter la dépression en écoutant sans juger les jeunes en détresse, en éduquant les jeunes dès le jeune âge à être fort dans toutes les circonstances de la vie, d’après Randriamanana Kolo, un psychologue, Fy Indrafonjanahary de l’observatoire de la jeunesse et Evariste un père de famille.     Â
Fanahiana ny ho avy matetika no mahatonga ireo tanora tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina. Ny saina dia toy ny ratsam-batana rehetra ka mety ho reraka rehefa betsaka loatra ireo dona mahazo azy vokatry ny fitambarana rarin-tsaina, hoy ny mpahay toetr’olona Randriamanana Kolo. Azo tsaboina ara-medikaly io raha efa manana fironana te hamono tena ny saina mba hampatanjaka azy indray. Azo sorohina koa anefa amin’ny alan’ny fihainoana tsy mitsaratsara ireo tanora manana olana, fametrahana fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka ary fanabeazana dieny mbola kely mba hatanjan-tsaina hoy kosa i Fy Indrafonjanahary avy amin’ny observatoire de la jeunesse sy i Evartiste raim-pianakaviana.
Source de vitamine B12 et de Zinc, l’huitre au naturel est un fruit de mer très prisé. Britney Rasolonirina nous partage leurs bienfaits mais également les précautions en termes de préparation et de consommation de ce produit pour préserver notre santé. La pollution en mer comme les produits chimiques peuvent avoir des impactés sur la santé. Â
Samy mankafy huitre avokoa ny sokajin-taona rehetra na ankizy na tanora na lehibe. Vokatra alaina avy an-dranomasina izy io raha ny eto Madagasikara. Maro ny vokatsoa mety ho azo amin’ny fihinana azy fa ilaina ihany koa ny mikarakara azy tsara mialoha ny hinanana azy. Hanazava ny tsara ho fantatra amin-tsika Britney Rasolonirina, mpiandraikitra ny fikarohana eo anivon’ny ONN.
Appart les promenades au Bord de la mer et les brochettes, le grand baobab est l'une des endroits qui nous vient toujours à l'esprit quand on va à Mahajanga. Qui d'entre nous n'a pas été invité à faire sept fois le tour de ce grand Baobab en arrivant à Mahajanga. Mais quelle est sa véritable histoire ?
Andriantahina Mahafahana, directrice exécutive de l'office régional du tourisme de Boeny, a accepté d'être interviewée pour en dire plus à ce sujet.
Ankoatran’ny hoe fandehandehanana sy fihinanana kitonotono eny amin’ny Bord, vao hoe hihazo an’i Mahajanga dia isan’ny mby an-tsaina foana ilay Baobab lehibe ny amin’ny moron-dranomasina iny. Iza tamin-tsika no tsy efa nisy niteny hoe miodina im-pito eo amin’io Baobab lehibe io rehefa tonga any Mahajanga. Fa inona kosa anefa no tena tantarany?
I Andriantahina Mahafahana tale mpanatanteraka eo anivon’ny ofisim-paritry ny fizahan-tany Boeny no nanaiky hitafatafa hanazava misimisy kokoa mahakasika azy io.
Une autre urgence par rapport à la consommation de drogue par injection à Madagascar. Le plan stratégique national malgache rapporte que 8% des porteurs du VIH à Madagascar ont contracté l’infection par injection. Des pertes humaines considérables, des impacts sur la santé et l’économie, c’est à craindre, selon le Dr Edmond Razanajatovo, de l’association Ainga AIDES.
Isan’ny loza mitatao iray hafa ateraky ny fandraisana zava-mahadomelona atsindrona ny VIH SIDA. Araka ny drafitra nasionaly miady amin’io tsimok’aretina io dia 8% ny olona mitondra ny VIH no tratran’izany vokatry ny tsindrona. Ahiana ny hiakaran’io taha io sy ny fatiantoka maro, hoy ny Dr Razanajatovo Edmond, avy amin’ny fikambanana Ainga AIDES.
La lutte contre la propagation des drogues concerne la réduction de l’offre et de la demande de drogue. D’après le mouvement de la société civile, le deuxième volet, c’est-à -dire du côté réduction de la demande est négligé, car la structure nationale de lutte contre ce phénomène est absente dans le pays.
Mizara roa lehibe ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina : fampihenana ny tolotra sy ny tinady. Nanambara ny vondron’ny firaisamonim-pirenena fa mandringa io ady atao io satria tsy mandeha ny fampihenana ny tinady. Ny fananganana indray ny rafitra nasionaly no vahaolana amin’izany hoy izy ireo.