05 jeunes sur 10 sont intéressés et actifs dans le sphère politique à Madagascar. Un Constat du Fondation Friedrich Ebert Stiftung ou FES Madagascar lors de la présentation du numéro 30 de sa revue Politikà  qui se penche largement sur l'implication des jeunes dans le processus électoral. Raoto Andriamanambe, le rédacteur en chef du magazine politikà nous a expliqué.
Tanora malagasy 05 amin’ny 10 no liana sy mavitrika amin’ny sehatra politika eto Madagasikara. Fanadihadian’ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung na FES Madagascar nambarany nandritra ny fanolorana ny laharana faha-30 amin’ny gazety boky Politikà . Mitondra fanazavana i Raoto Andriamanambe, tonian-dahatsoratry ny gazety boky politikà .
Plus de 30 000 tortues radiées ou sokake de Madagascar ont été exportés à l’international entre 2018 et 2021. 70% de ces tortues destinées à l’exportation sont capturées, selon le rapport publié par TRAFFIC, un organisme international de conservation, au mois de mars. Maitre TITA, Juriste environnementaliste de l’Alliance Voahary Gasy (AVG) nous a expliqué.
Maherin’ny 30 000 ireo sokatra malagasy voaondrana any ivelany vokatry ny tsy fanajana ny lalà na. Tamin’ireo sokatra kasaina ahondrana ireo, dia ny 70% no azo sy tafaverina eto amin-tsika, hoy ny tatitra navoakan’ny TRAFFIC, fikambanana iraisampirenena iray, tamin’ny volana martsa lasa teo. Mitondra fanazavana i Maitre TITA, mpahay lalà na momba ny tontolo iainana ao amin’ny Alliance Voahary Gasy (AVG).
Des nombreux jeunes ont été convoqués au service central de lutte contre la Cybercriminalité au cours des 10 dernières années, depuis la vulgarisation du réseau Facebook. En raison de mauvaises utilisations des réseaux sociaux et d'Internet. Commissaire Hassan MOUIGNI, le Chef de service central de lutte contre la cybercriminalité à Anosy nous a expliquer ce genre de cas.  Â
Tanora maro no tafiakatra eny anivon’ny sampandraharaha foibe miady amin’ny heloka an’habaka na ny cybercriminalité tao anatin’ny 10 taona. Antony mahatonga izany ny tsy fahafehezana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera sosialy sy ny ateriteno. Mitondra fanazavana mikasika izay ny Commissaire Hassan MOUIGNI, Lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka.
On parlera d'éducation inclusive dans le programme Ndao hilaoeky. Nous allons échanger ce thème avec nos invitées composées de Randriamampianina Rivo Henintsoa, ​​directrice de l'école AKAMA, Rasolofoarintseheno Hentsoa Tiana, vice-présidente de l'association des étudiants handicapés de l'université d'Antananarivo, Randriamanatsoa et Viviane étudiants mal-voyants. Ecoutez la conversation que nous avons eue ici au Studio Sifaka.
Hiresaka momba ny fanabehazana mampiaty isika atao amin’ny fandaharana ndao hilaoeky. Hitafatafa hiaraka amin-tsika i Randriamampianina Rivo Henintsoa, Talen’ny sekolin’ny AKAMA, Rasolofoarintseheno Hentsoa Tiana vice-président de l’association des étudiants handicapés à l’Université d’Antananarivo, Randriamanatsoa sy Viviane mpianatra manana fahasembanana ara-pahitana. Arahin-tsika ary ny resadresaka niarahana teto amin’ny Studio Sifaka.
On parlera de la difficulté d’uriner ou dysurie dans le programme de santé. La personne est pressée mais est incapable d'uriner ou attend un long moment. Qu'est-ce qui pourrait en être la cause et que faut-il faire. Il y a aussi des gens qui ont du mal à retenir leur urine. Quelle est cette maladie et qu’est-ce qui la provoque ? Le médecin nous donne plus de détails.
Loha-hevitra mikasika ny fahasarotana rehefa mamany indray no horesahin-tsika ato amin’ny fandaharana momban’ny fahasalamana. Poritra ilay olona nefa tsy mahavita mamoaka pipi na miandry fotoana maharitra. Inona no mety mahatonga izay ary inona no tokony hoatao. Misy koa nefa ny olona manana aretina mamany lava, izany oe mipipi isaky ny mihetsika na tsy mahatana izany mihintsy aza. Manazava ny mahakasika izay ny mpitsabo.
Le sujet dont nous parlons dans le programme concerne la santé des yeux. Il y a des moments où nos paupières bougent. On appel ce phénomène Blépharospasme. Quelle pourrait en être la raison et que faut-il faire ? Dans la deuxième partie, nous reparlerons de la thyroïde avec le médecin.
Mahakasika ny fahasalaman’ny maso indray ny loha-hevitra resahin-tsika ato amin’ny fandaharana. Misy fotoana mihetsiketsika ny hodi-mason-tsika. Inona no mety ho anton’izany ary inona no tokony hatao ? Hiresaka momban’ny takodimena indray isika ao amin’ny tapany faharoa miaraka amin’ny mpitsabo.
Nous parlerons des causes du gonflement des pieds dans le programme sans se blesser. Selon le médecin, ce n'est pas une maladie mais un symptôme. Il y aura également des informations apportées par le médecin sur l’engourdissement du corps.
Ny antony mahatonga ny tongotra mivontovonto no horesahin-tsika ato anatin’ny fandaharana akoatran’ny oe folaka na voadona. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia tsy aretina akory ilay izy fa fambaran’aretina. Hisy ihany koa fanazavana entin’ny mpitsabo mahakasika ilay volivoly iny ny vatan-tsika.
L’exercice physique avant l’accouchement devrait se faire au 6eme mois de grossesse. A ce stade, la grossesse devient lourde à porter par la mère. Des douleurs peuvent subvenir au niveau du ventre et du bassin. Selon la sage-femme Henintsoa, spécialiste en préparation d’accouchement. Une femme enceinte ne doit pas pratiquer ces exercices sans ordonnance du médecin si elle présente une menace à l’accouchement, c’est-à -dire que le col est en train de s’ouvrir. Elle préconise également de fréquenter les lieux spécialisés pour effectuer ces exercices.
Eo amin’ny faha-enimbolana no tokony hatao ireo fanazaran-tena sy ny fanetseham-batanana ataon’ny vehivavy bevohoka. Eo amin’io fotoana io no manomboka mavesatra ny kibo sy ny fitombenana. Mety hahare marary ihany koa eo amin’ireo faritra ireo sy amin’ny lamosina. Araka ny fanazavan’ny Rasazy Henintsoa, mampianatra manokana ny fanoavana ireo fanetseham-batana ireo. Tsy avelan’ny dokotera manao io fanazaran-tena io ny vehivavy bevohoka rehefa mitady hisokatra ny vozon’ny tranon-jaza. Milaza ihany koa izy fa tsy maintsy manantona toerana manokana rehefa te hanao ireo fanetseham-batana ireo.
Avoir une bonne énergie pour toute la journée est vitale. Il est nécessaire et recommandé de la boostée par une bonne alimentation. L’activité physique aussi tient une place importante pour avoir la forme.
Nous parlerons de la maladie des os ou ostéoporose dans un deuxième temps. Nous évoquerons les raisons qui provoquent cette maladie, quels sont les symptômes et quels sont les différents traitements possibles ?
Ilaina ary maro ny fomba hampitomboana ny hery hiatrehana ny tontolo andro. Voalohany amin’izany ny resaka ara-tsakafo. Eo ihany koa ny lafiny ara-batana.
Hiresaka ihany koa isika mikasika ny aritin’ny taolana na koa oe ostéoporose. Ho fantarin-tsika ny mety mahatonga izany, ny fisehon’ny aretina ary ny fitsaboana tokony arahina.
Les chouchoutes présentent de nombreux bienfaits. C’est l'un des légumes le plus riche en vitamine C. La chouchoute est à consommer régulièrement pour les personnes qui veulent perdre du poids car elle absorbe l'eau et l'huile dans notre corps. Elle est aussi conseillée pour les femmes enceintes et les personnes ayant un problème de santé des os grâce aux vitamines K qu’elle apporte.
La différence entre la médecine traditionnelle et la pharmacopée. Nous aborderons ces deux sujets dans notre émission Santénakà .
Maro ny voka-tsoa entin’ny sosety. Isaky ny fahavaratra no mahavokatra be azy ity. Isan’ny legioma manan-karena vitamina C. Tsara hoanina matetika ny sosety ho an’ny olona maniry hanena tena satria mitroka ny rano sy menaka anatin’ny vatan-tsika izy ity. Tena tsara ihany koa izy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka ary mety amin’ny fahasalaman’ny taolana izy.
Ny fitsaboana nentim-paharazana dia tsy mitovy amin’ny atao hoe pharmacopée. Ho resahintsika ireo loha-hevitra roa ireo atao anaty fandaharana Santénakà .
Un bulletin de vote unique veut dire qu’un seul bulletin de vote est utilisé durant l’élection, regroupant les candidats de différents partis politiques. Il s'agit d'un formulaire papier officiel qui contient les noms et les photos des candidats ainsi que les symboles de leur parti politique.
Ce système de vote est utilisé à Madagascar depuis les élections de 2013, pour remplacer le vote à bulletins multiples où chaque candidat avait son propre bulletin individuel.
Selon la loi sur les élections et les referendums, le modèle de bulletin unique avec ses caractéristiques est déterminé par la CENI pour chaque catégorie d’élection. Les candidats aux élections sont tenus à verser une contribution aux frais d’impression des bulletins uniques, dont la quittance de versement doit être jointe au dossier de candidature. L’État rembourse la contribution des candidats ayant obtenu au moins dix pour cent (10%) des suffrages exprimés.
Inona no atao hoe bileta tokana ?
Ny biletà tokana dia fomba fandatsaham-bato izay vato tokana no ampiasaina amin'ny fifidianana ka mampivondrona ireo kandidà avy amin'ny antoko politika samihafa. Taratasy ofisialy misy ny anarana sy ny sarin'ireo kandidà tsirairay ary koa ny mariky ny antoko politika misy azy.
Tamin’ny fifidianana 2013 no nanomboka nampiasaina teto Madagasikara ny bileta tokana. Raha toa samy nanana ny biletà ny avy ny kandidà tsirairay talohan’izay.
Araka ny lalà na momban’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka dia ny CENI no mamaritra ny firafitry ny bileta tokana arakarak’izay fifidianana hatao. Tsy maintsy mandoa latsakemboka amin’ny vidin’ny fanontana ireo biletà tokana, ny kandidà rehetra amin’ny fifidianana. Ampiarahana amin’ny antontan-taratasy fangatahana hirotsaka ho kandida ny tapakila nandoavana izany latsa-kemboka izany. Averin’ny fanjakana amin’ireo kandida ny latsakemboka raha toa ka nahazo vato folo isanjato farafahakeliny tamin’ny fifidianana izy ireo.
Dans un bureau de vote, différentes personnes sont généralement présentes pour garantir le bon déroulement du processus électoral, qui sont :
- Le Président du bureau de vote : Il est responsable de la supervision générale du bureau de vote. Il s'assure que les procédures sont respectées, que les électeurs sont enregistrés correctement et que le vote se déroule de manière transparente.
- Le Secrétaire du bureau de vote : Il assiste le président dans ses tâches administratives, notamment la tenue des registres, la gestion des bulletins de vote et la rédaction des procès-verbaux.
- L’Assesseurs : Ce sont des représentants des différents partis politiques ou des candidats en lice. Ils sont présents pour surveiller le processus électoral et veiller à ce qu'il soit équitable. Chaque parti ou candidat peut nommer un ou plusieurs assesseurs.
- Le Contrôleur : Il est désigné par la Commission Électorale Nationale Indépendante (CENI) et veille à la régularité des opérations de vote dans le bureau de vote.
On y trouve aussi des Agents de sécurité qui sont chargés de maintenir l'ordre et la sécurité à l'intérieur et autour du bureau de vote.
Et Bien sûr, les électeurs eux-mêmes qui sont présents pour exercer leur droit de vote.
Amin'ny ankapobeny, iza avy ireo olona tokony ho hita ao anatin’ny biraom-pifidianana amin’ny andron’ny fifidianana ?
Tomponandraikitra samihafa no tazana eny amin’ny biraom-pifidianana izay miantoka ny fampandehanan-draharaham-pifidianana. Ireto avy izy ireo :
- Filohan'ny biraom-pifidianana : Izay miandraikitra ny fanaraha-maso ankapoben'ny biraom-pifidianana. Mijery hoe voahaja tsara ny fomba fiasa, voasoratra ara-dalà na ny mpifidy ary ao anatin’ny mangarahara ny latsa-bato.
- Ny Mpitan-tsoratry ny birao fandatsaham-bato izay manampy ny filoha amin’ny asany ara-pitantanana, indrindra ny fitahirizana ny rejisitra, ny fitantanana ny latsa-bato ary ny fandrafetana ny fitanana an-tsoratra.
Ireo mpandinika na assesseur : Solontenan’ny antoko politika na kandidà isan-karazany mirotsaka an-tsehatra ireo. Eo izy ireo manara-maso ny fizotran’ny fifidianana sy miantoka ny fahamarinan’izany. Ny antoko na ny kandidà tsirairay dia afaka manendry solontena iray na maromaro.
Ny Mpanara-maso : izay tendren’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) ary miantoka ny fampandehanan-draharaham-pifidianana ao amin’ny biraom-pifidianana.
Misy ihany koa ireo mpitandro ny filaminana miandraikitra ny filaminana ao anatin’ny biraom-pifidianana sy ny manodidina.
Ary mazava ho azy fa ireo mpifidy izay hita eny amin’ny biraon’ny fifidianana ihany koa ary mampiasa ny zony hifidy.