COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Elysa Razafindrafara est une jeune femme de Fianarantsoa, au sud de Madagascar. Cette entrepreneure est à la tête de dix entreprises qu’elle a bâties. Pour Elysa, le plus important « c’est la passion, peu importe s’il y a des bénéfices ou pas », s’exclame-t-elle.



Tanora mpandraharaha avy any Fianarantsoa i Elysa Razafindrafara. Nanao ezaka mafy sy fahafoizan-tena betsaka izy ary nahatafatsangana orinasa folo. Ny fankafizana ilay zavatra atao no tena nanampy azy tsy hilavo lefona na misy tombom-barotra na tsia ilay orinasa hoy izy.

mardi, 10 mars 2020 07:56

SantéNakà : Les fourches

Les fourches ou la trichoptilose est une maladie capillaire. La directrice du Centre de Formation Professionnel de Coiffure et d’Esthétique Mendrika, Hanta Stephenson explique que l’origine des fourches est due à des colorations, des lissages, des permanentes, l’utilisation des fers à cheveux à répétition et le manque de soin. Selon la spécialiste en question capillaire, « pour revitaliser les cheveux, le mieux est de couper ces fourches et de donner aux cheveux les soins adéquats ».



Aretin’ny volo ny volo vakivaky hoy i Hanta Stephenson, talen’ny fampianarana taovolo Centre de Formation Professionnelle de Coiffure et d’Esthétique Mendrika. Manazava izy fa ny fandokoana, ny fanaovana permanente sy lissage ary fampiasana fitaovana fanatsorana volo matetika no tena maha vakivaky ny volo. Hanasitranana ny volo noho izany dia tsara raha tapahana ireo volo vakivaky ary asiana fikarakarana mifanaraka amin’ny kalitaon’ny volo.

mardi, 10 mars 2020 07:54

Kozio ahy : Mandrora mitsilany

« Mandrora mitsilany », en français cela se traduit par « cracher en étant allongé ». Selon les explications de l’académicien, Harilala Ranjatohery, cette expression signifie littéralement cracher sur soi-même. En effet, l’expression désigne alors la répercussion des propres actions d’une personne sur elle-même.



« Mandrora mitsilany », araka ny fanazavan’i Harilala Ranjatohery, akademisianina, dia ianao ihany no voan’ny roranao raha toa ka mitsilany ianao no mandrora. Midika fiverenan’ny zavatra ataonao amin’ny tenanao ihany io fomba fitenenana io hoy izy.

Les dénonciations des problèmes liés aux soins et aux comportements du personnel de santé dans les hôpitaux se sont multipliés ces derniers temps. Nous avons invité le Professeur Duval Solofomalala, Secrétaire général du ministère de la santé publique, et Rabetsara Lita, défenseur des droits des consommateurs pour en discuter.



Manoloana ny fitomboan'ny fitarainana azo mikasika ny fandraisana an-tanana eny anivon'ny hopitalinm-panjakana dia nanasa ny Professeur Solofamalala Duval, Sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka sy Rabetsara Lita, mpiaro ny zon'ny mpanjifa, izahay hifanakalo hevitra ny amin'ny hanatsarana ny tolotra.

lundi, 09 mars 2020 06:30

Revue de presse du 09 mars 2020

Fifidianana : La diaspora malgache à La Réunion revendique la démission de tous les membres de la CENI, de la Haute Cour Constitutionnelle et ceux qui ont été élus. Le Président de la République a affirmé qu’il n’y aura pas de nouvelles élections.

Echo du 8 mars : La première dame encourage l’insertion de l’éducation civique dans le programme scolaire.

Vanille : De nombreux opérateurs vendent encore ce produit à un prix au-dessous de ce que le ministère a mentionné pour des raisons de sécurité.



Fifidianana : Mitaky ny fialan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny CENI, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ary ireo rehetra izay voafidy ny Malagasy monina atsy La Réunion. Tsy hisy kosa ny famerenana ny fifidianana hoy ny Filoham-pirenena.

Akon’ny 8 martsa : Manohana ny fampidirana ny taranja fanabeazana olom-pirenena any anaty programam-pampianarana ny vadin’ny filoha, Mialy Rajoelina.

Lavanila : Mbola maro be ireo mpandraharaha mivarotra izany amin’ny vidiny ambanin’izay efa napetraky ny ministera, noho ny tsy fahandriam-pahalemana.

lundi, 09 mars 2020 06:23

Sifflet du 09 mars 2020

Tennis U12 Afrique australe : On connaît les participants au championnat pour les groupes.

Rallye : La Fédération Malgache de Rallye va sélectionner de jeunes pilotes de 17 à 25 ans.

Pétanque : Mauvaise nouvelle pour les fans de pétanque, Madagascar ne participera pas au Master Pétanque 2020.


Tennis U12 Afrique australe : Fantatra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena handray anjara amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’ny faritra atsimon’i Afrika eo amin’ny taranja tennis U12 ho an’ny sokajy isam-bondrona

Rallye : Hifantina mpanamory tanora 17 hatramin’ny 25 taona ny Federasiona malagasin’ny fanamoriana fiarakodia.

Pétanque : Vaovao tsy dia tsara ho an’ny mpankafy tsipy kanetibe kosa, mbola tsy handray anjara amin’ny master pétanque 2020 aloha i Madagasikara amin’ity taona ity.

lundi, 09 mars 2020 06:12

Journal des régions 09 mars 2020

Soanierana Ivongo : 8 « trano falafa » du fokontany Ambanany ont dû être démolie. Le mauvais temps a apporté avec lui beaucoup de pluies qui ont conduit à une montée du niveau de la mer.

Matsiatra Ambony Dans Les Hauts Plateaux : Le FIFAMANOR ou Fiompiana Fambolena Malagasy Norvéziana collabore avec  Le ministère de l’agriculture, de l’élevage et de la pèche pour offrir aux agriculteurs de 3 commune du district de Lalangina  une formation en production de patate douce à chaire orange.

Bemanevika - District Sambava - Region Sava : Le centre de formation professionnel de la commune rurale Bemanevika a sorti sa première promotion jeudi dernier, dans le cadre du projet SAVABE.



Soanierana Ivongo : Trano falafa valo manakaiky ny moron-dranomasina ao  amin’ny fokontany Ambanany no tsy maintsy narodana noho ny fiakaran’ny ranomasina.

Matsiatra Ambony : Nanome fiofanana fomba fambolena vomanga menalaingo ho ana kaominina telo  ao amin’ny distrikan’ny Lalangina ny Ministeran’ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono niaraka tamin’ny FIFAMANOR na Fiompiana Fambolena Malagasy Norvéziana any Antsirabe.

Bemanevika Sambava : Misy fiofanana natokana ho an’ny ankizy tany amin’ny Kaominina Ambanio-vohitry Bemanevika  any Sambava, tao anatin’ilay tetikasa SAVABE.

 

lundi, 09 mars 2020 06:10

Journal du 09 mars 2020

Projet RSIE mis en place pour prévenir les épidémies à Madagascar et la zone océan indien.

Dans le grand Sud de Madagascar, les conséquences du changement climatique se font plus ressentir par les femmes que par les hommes.

On va faire un petit tour du côté de la Mer d’Emeraude à Diego-Suarez. Le tourisme et l’écologie seraient menacés par l’algoculture.



Any Antsiranana, tandindomin-doza ny fizahan-tany vokatry ny fambolena lomotra amin’ny faritra misy ny Mer d’Emeraude.

Trano maromaro tsy manara-dalàna amina fokontany telo eto Antananarivo no harodana

Horesahina ato anatin’ny vaovao anio ihany koa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny zon’ny vehivavy.

Le collectif des candidats à la présidentielle 2018 a annoncé ses doutes quant à la crédibilité des résultats en déclarant dans un communiqué de presse, « A persister dans la situation de confusion actuelle, on ouvre la voie à une nouvelle crise ». Il en a profité pour  interpeller la  communauté internationale sur cette situation. De son côté, le Président de la république, Andry Rajoelina, a annoncé samedi, à Toliara, qu’il n’y aura pas de nouvelle élection.



Namoaka fanambarana ny fivondronan'ireo kandida maromaro, nandray anjara tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2018 fa miahiahy ny amin'ny fahamarinan'ny fifidianana atao, ary mangataka ny fidirana antsehatry iraisam-pirenena. Ny Filoham-pirenena ihany koa nilaza ny sabotsy teo, tany toliara fa tsy hisy fifidianana ho averina izany.

lundi, 09 mars 2020 06:08

Kozio ahy : Ny tany nahavokisana ...

“Ny tany nahavokisana, ny tsihy no tsy hijanonana ela”, nous restons longtemps sur la natte où nous avons été repus, en français. Selon les explications de l’orateur Barao Mikajy, les Malgaches d’antan n’avaient pas de table à manger, ils s’asseyaient par terre sur des nattes. Pour eux, c’est pendant les repas que les discussions se faisaient entre les familles et les amis. Et quand on est repu, on reste longtemps là pour discuter et digérer.



“Ny tany nahavokisana, ny tsihy no hijanona ela (na hoe ny tsihy no hipetrahana ela)”. Araka ny fanazavana nataon’I Barao Mikajy, mpikabary, fahiny ny Malagasy dia tsy nanana latabatra ka teo ambony tsihy no nisakafo sady manararaotra nifampiresaka. Rehefa voky dia mipetraka elaela eo ambony tsihy sady manala hamohamo. Avy amin’izay ilay fitenenana io. Ary noho ny fanamorana ilay teny no nahatonga azy niova hoe “ny tany nahavokisana tsy hijanonana ela”.

Le Reiki est une médecine complémentaire qui a recours à l’énergie pour apporter la santé. L’énergie est donc le pilier fondamental de la santé dans cette thérapie.



Ny Reiki dia fomba fitsaboana iray amin’ny alalan’ny « énergie ». Io “énergie” io hoy Rakotondrazafy Mamisoa dia azo adika amin’ny hoe “aina”. Ny aina izany no tena miantoka ny fahasalamana amin’ny alalan’ity fitsaboana ity, izay fitsaboana fameno amin’ny fitsaboana omen’ny dokotera.

Lova tsy mifindra

Pour garder l’héritage au sein de la grande famille, des personnes peuvent se marier entre eux. Cela ne relève pas de l’inceste car ils respectent les liens de parentés : à l’exemple des enfants né de deux sœurs, ils ne peuvent jamais se marier entre eux. A part cela, il y a aussi les « mpifady », qui respecte la hiérarchie naturelle de la vie et permet d’éviter des problèmes de consanguinité : les frères et sœurs, les parents et leurs enfants, selon les explications de Rasamoelina Maurice, orateur.


Ny lova tsy mifindra dia fomba fanao miavaka hoe mifanambady ny samy mpihavana mba tsy hiparitahan’ny lova. Misy nefa ireo mpihavana tena tsy afaka mifanambady mihitsy toy ny zanak’olom-pirahavavy ohatra. Ankoatra izay dia maro ihany koa ny olona atao hoe “mpifady”, toy ny mpiray tampo mivantana, ny zanaka sy ray aman-dreny ary indraindray miitatra hatreny @ fiarahamonina izany ka mila fitandremana rehefa haka vady araky ny fanazavan’I Rasamoelina Maurice, mpikabary.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter