Le festival des compétences est un lieu de rassemblement entre les entreprises et les prestataires de services. Les entreprises ont essayé d’identifier leurs besoins en compétences. C’est une plateforme de rencontre entre l’offre et la demande.
Ity hetsika ity dia natao hampihaonana ireo orinasa sy ireo mpitao raharaha na « prestataire de service » tany amin’ny Chambre de Commerce et de l’Industrie d’Antananarivo. Niezaka nitady ireo olona tadiviny ka mifandraika amin’ny asa misy ao aminy ireo orinasa nandritra ny telo andro. Sehatra iray mampifanena ny tolotra sy tinady izany ito festival ito.
Les femmes peuvent participer à la lutte contre l’insécurité, elles peuvent par exemple intégrer les forces de l’ordre. Mais pour apporter la paix dans les ménages ou dans la société, il existe aussi différents moyens que les femmes peuvent adopter. Les détails dans l’émission « Hono ho’aho ».
Afaka mandray anjara amin’ny fiadiana amin’ny tsy fahandriampahalemana ny vehivavy. Afaka miditra ho mpitandro filaminana na koa manao andrimasom-pokonolona. Fa na izany aza, misy fomba hafa ihany koa ankoatr’izay hahafahan’ny vehivavy mametraka ny filaminana eo anivon’ny fiarahamonina. Arahinao ao anatin’ny fandaharana « Hono ho’aho » ny andininy.
Après l’effondrement de son toit vendredi dernier, le fast food d’Ambodifilao, « Zaimaika », sera réhabilité cette semaine. Hier, une délégation de la Commune urbaine d’Antananarivo est descendue sur place pour constater les dégâts.
La région Diana s’est dotée d’un Atlas maritime. Au final, 13 planches ont été produites suivant les thématiques du territoire maritime de la région. Divers ministères, autorités locales et membres des organisations de la société civile ont participé à leur validation.
Les responsables du transport à Sambava se sont réunis hier pour discuter de l’assainissement du secteur. La sécurité des élèves abonnés aux taxis a été l’un des points forts de la discussion. Les propriétaires de ces véhicules feront désormais l’objet de prélèvement.
Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanarenana ny toeram-pivarotana hani-masaka « Zaimaika » izay nihotsaka ny zoma teo. Tonga nijery ny fahavoazana teny an-toerana omaly ny delegasiona avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.
Nahazo Atlas maritime ny faritra Diana. Fitambarana sarin-tany maromaro misy lohahevitra isanisany izy io. Ministera, tomponandraikitra eny ifotony sy teknisiana ary fiarahamonim-pirenena maro no niara-nandrafitra izany.
Niroso tamin’ny fandaminana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any Sambava. Isan’ireo zava-dehibe nodinihina tamin’izany ny fiarovana ireo mpianatra taterina, na ireo antsoina hoe abonnés.
Les vaccins depuis la naissance jusqu’au 9ème mois du bébé est gratuit. Les rappels sont payants.
Ny vaksiny manomboka eo @ vao teraka ka hatramin'ny faha9 volana no maimaimpoana. Ny famerenana kosa dia andoavam-bola.
Vakinankaratra : Mitaraina amin’izao fotoana izao ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly mampitohy an’Antsirabe sy Antananarivo eo amin’ny tobim-piantsonana Piste vatofotsy ao Antsirabe ao.
Ihosy : Misy amin’izao fotoana izao ny fiofanana omena ireo mpiasan’ny fahasalanama any Ihosy momba io fomba fitantanana na rafitra io.
Fianarantsoa : manomboka izao dia hiova ny fotona hiaingany sy hahatongavany ao Fianarantsoa. Fiovana izay hihatra manomboka ny voalohan’ny volana martsa ho avy izao.
Menabe : Tafiakatra manodidina ny 2080 amin’izao fotoana izao ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny ranomasina sy fiakaran’ ilay renirano kabatomena ao Morondava nanomboka ny lahady lasa teo.
Vakinankaratra : Les transporteurs routiers régionaux reliant Antsirabe Antananarivo de la station Vatofotsy Antsirabe grognent actuellement. En effet, les transporteurs illicites est la principale cause de leur mécontentement.
Ihosy : Une formation est dispensée aux agents de santé à Ihosy sur cette méthode de gestion et d'organisation.
Matsiatra Ambony : Il y a un changement de temps de départ et d’arrivée.
Menabe : On enregistre environ 2000 personnes sinistrées de l’inondation à Morondava suite à la montée de la mer et celle de la rivière de Kabatomena.
Peu de jeunes s’intéressent actuellement au théâtre. Pourtant, des scènes se produisent et cela commence à prendre de l’ampleur. Mais le fait est que les nombreuses prestations n’augmentent pas le nombre de jeune qui s’intéressent à cet art. Pourquoi ?
Vitsy ny tanora no liana amin'ny tantara andapihazo na « theatre. Inona no mety ho anton ‘izany ? Maro anefa ny fiakarana an-tsehatra sy andapihazo, ary efa miroborobo izany tato ho ato, saingy tsy mbola nampiova ny isan'ireo olona mpankafy ity fialamboly ity izany. Matetika, sokajiana ho an'ny olona manana fahaizana miavaka, manana farim-pahalalana ambony ny filalaovana azy.
Les premiers prix pour le gagnant du Challenge vanille 2019 sont 30 zébus et une voiture. Le Chanllenge Vanille est tournoi de football qui va se dérouler le dimanche 2 mars qui confrontera les AS Fuschia Antanifotsy et les Spartak Soavinandriana au Stade Antohomora Sambava.
L’équipe du GNBC, repésentant de Madagascar pour le macth du BAL2020 (Basketball Africa League) sera à la conférence de Sahara. L’équipe a pris 4 joueurs remplaçant pour aider les 14 membres permanant si ces derniers sont en retard.
Omby miisa 30 sy fiara iray no loka atolotra ho an’izay mandrombaka ny amboara @ lalao famaranana eo @ taranja Baolina Kitra @ ilay fifaninanana Chalenge Vanille 2019 @ alahady ho avy izao , hikatroahan’ny AS FUSCHIA Antanifotsy sy ny Spartak Soavinandriana ao @ Kianjan’ny Antohomora Sambava.
Ao @conference de sahara no misy ny ekipan’ny GNBC solontenan’I Madagasikara @ilay fifaninanana BAL2020 (Basketball Africa League). Naka mpilalao fiandry 4 izy hanampy an’ireo 14 miralahy izay efa nandrafitra ny ekipa raha sanatria misy ny faharatrana eo @ ireo mpilalao.
Sambo roa atreto no tsy nahazo alalana hiditra ny fari-dranomasin’i MAdagasikara nohon’ny fiarovana amin’ny coronavirus.
Vovonan’ny holafitry ny fahasalamana : tokony hifampahatoky ny mpitsabo sy ny tsaboina.
Tafiakatra dingana famaranana amin’ny fifaninana iraisam-pirenena Dubaï Got Talent i Fidiniaina Rabenorosoa, tanora malagasy iray monina any an-toerana.
Coronavirus : un seul étudiant a obtenu la dérogation spéciale pour rentrer à Madagascar.
Les Ordres de Santé à Madagascar appellent à ce qu’il y ait plus de confiance entre le personnel de santé et les patients.
Les vaccins : obligatoire ou pas ?
La médecine traditionnelle consiste à recourir aux plantes pour guerrir. Des fois, les plantes médicinales sont plus éfficaces. On peut les utiliser pour prévenir les maladies. Mais il faut toujours être vigilant concernant les dosages.
Tsy voatery hitodika amin’ny fitsaboana moderna foana rehefa marary fa eo ihany koa ny fitsaboana ara-boajanahary na “médecine naturelle”. Tsy mampiasa afa-tsy zava-maniry nanaovana fikarohana manokana izy io. Indraindray aza dia mahomby noho ny fanafody mahazatra mifanagaro amin’ny akora simika ny fitsaboana ara-boajanahary. Azo ampiasaina hisorohana aretina ihany koa izy io. Mila fitandremana hatrany anefa ny fampiasana izany.
Rabekoto Paul : Intercepté dans l’aéroport de Fascene à Nosy Be. On ne sait où il est actuellement.
Accident de route à Ambatolampy : Un grand camion d’entreprise et un taxi-brousse sprinté ont eu une collison à 8km d’Ampatolampy.
Culture : Sandrine Rajaofetra et Joro Rakotozafiarison, des stars du Jazz à Madagascar feront un spectacle au Kifa Mahamasina ce samedi.
Rabekoto Raoul : voasakana teny amin’ny seranam-piara-manidin’i Fascene ao Nosy Be izy raha nikasa ny haka fiara-manidina, ary tsy fantatra ny misy azy.
Lozam-piarakodia teny Ambatolampy : Kamion lehibe iray ana orinasa sy fiara taxi-brousse sprinter no nifandona 8km tsy hiditra an’Ambatolampy, avy any Antsirabe.
Kolontsaina : Hanao fampisehoana miavaka ao amin’ny Kifa Mahamasina ny sabotsy ho avy izao i Sandrine Rajaofetra sy Joro Rakotozafiarison, kintan’ny jazz eto Madagasikara.
Pour devenir doctorant en socio-démographe il faut avoir un thème bien précis en rapport avec la filière ainsi qu’une méthodologie bien établie. Il faut avoir également au moins une mention assez bien en Master.
Raha te ho « doctorant » na mpianatra manomana ny marim-pahaizana dokotoraha amin’ny lalam-piofanana « Hay fiarahamonina sy ny mponina », dia tsy maintsy manana lohahevitra mifandraika tsara amin’io lalampiofanana io aloha ary tsy maintsy manana fomba fitondrana fikarohana mazava manarak’izay. Tsy maintsy nahazo « mention assez bien » tamin’ny « Master ».
« Tompoko », un terme qui a pris ses racines durant l’esclavage. Les esclaves appellent leurs maîtres ainsi. « Tompoko » désignant l’appartenance de l’esclave au maître. Après l’abolition de l’esclavage, le terme est resté. Il marque actuellement le respect et ne sous-entend plus soumission et subordination d’antan.
Manazava i Ramavonirina Oliva, tompon’andraikitry ny fikarohana sy fandikana teny eny amin’ny foiben’ny teny fa voarakitra ara-tantara ny hevitr’io teny io. Nahazo vahana io fiteny io tamin’ny vanim-potoanan’ny fisianan’ny fanandevozana satria nisy ny « Tompo » ary nisy ny « Mpanompo ». Rehefa nandeha anefa ny fotoana, tsy nisy intsony ny fanandevozana, ka niova ny hevitr’io teny io. Lasa mari-panajana izy ankehitriry ary tsy misy intsony an’ilay hoe fahaverezan-jo, toy ny tamin’ny andron’ny fanandevozana.