COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

vendredi, 17 novembre 2023 07:22

Le Journal du 13 Novembre 2023

  • Où en est la situation politique, trois jours avant la date de l’élection présidentielle malgache
  • Election présidentielle : le vote blanc est comptabilisé comme un choix
  • Cartons de vote pour les personnes malvoyantes : motivants malgré des failles en vue
  • Pêche aux poulpes : RENAFEP-MADA échange avec les pêcheurs de Rodrigues- Iles Maurice

  • Fifidianana : voaisa ao anatin’ny safidin’olom-pirenena ny vato fotsy
  • Fizotran’ny raharaha politika, telo andro mialohan’ny datin’ny fandatsaham-bato ny fifidianana filoham-pirenena
  • Fitaovana ahafahan’ireo olona manana olana ara-pahitana mifidy : mitombo ny taha-mpahavitrihana na dia mbola misy aza ny tsy fahatomombanana
  • Jono Horita : hifanakalo traikefa tamin’ireo vehivavy mpanjono tany Rodrigues, nosy Maurice ny avy amin’ny RENAFEP-MADA

vendredi, 10 novembre 2023 13:31

Le Journal du 10 Novembre 2023

  • Election présidentielle : tous les bureaux de vote seront équipés à la veille du scrutin
  • Les malgaches veulent un président riche et diplômé
  • Malgré de nombreuses contraintes, de plus en plus d’opportunités s’offrent aux jeunes dessinateurs et portraitistes malgaches

  • Fifidianana filoham-pirenena : ho hary fitaovana avokoa ireo biraom-pifidianana indray andro mialohan’ny fandatsaham-bato
  • Lehilahy manakarena, manana diploma sy be fahalalana, izay ny toetoetranan’ny filoha adrasan’ny malagasy
  • Efa miamaro amin'izao ny soa fanararaotra ho an'ireto mpanao sary sy hosodoko Malagasy na Dia eo aza ireo olana samihafa

vendredi, 10 novembre 2023 08:11

Le Journal du 09 Novembre 2023

  • "Carton à Braille" : une innovation pour permettre aux personnes malvoyantes de voter en toute confidentialité
  • Les organisations de la société civile réitèrent leur souhait de reporter les élections
  • Pollution dans la capitale : condition favorable à la prolifération du virus de la grippe intestinale
  • Harcèlement scolaire : les solutions d’accompagnement psychologiques seront proposées aux élèves

  • "Carton à Braille" : paikady vaovao hafahan'ireo manana olana ara-pahitana mandeha mifidy anaty tsiambaratelo tanteraka
  • Nanamafy ny fitakiany ny hanemorana ny fifidianana ny fiarahamonim-pirenena
  • Fahalotoan’ny rivotra eto andrenivohitra : mampihanaka ny grippe intestinale
  • Herisetra hatao eny anivon’ny sekoly : misy vahaolana mahakasika ny fanohanana ara-tsaina atolotra ny mpianatra

La Commission de contrôle du financement de la vie politique a pour mission de contrôler les opérations financières au cours d’un processus électoral. Notamment les dépenses que consacrent les candidats à la présidentielle, législative, sénatoriale ou encore communale. Cette commission a été mise en place depuis 2018 suite au fait que les candidats ont dépensé énormément de fonds pendant l’élection de 2013. Les candidats sont ordonnés par la loi électorale d’avoir un trésorier et rendre compte leur dépense.

Ny vaomiera mpanara-maso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika dia manara-maso ny fampiasam-bolan’ireo kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, solombavam-bahoaka, loholona ary ben’ny tanana. Tamin’ny taona 2018 no nananganana azy noho ny fahatsapana fa mihoa-pampana mihotra ny rariny ny vola ampiasain’ny kandida ka mampiahiahy, raha ampitahaina amin’ny isan’ny vato. Didian’ny lalàna hanao tatitra ny fampiasam-bolany ireo kandida. Tsy misy kosa anefa ny sazy na ho an’ny kandidà tsy manao ny tatitra na ho an’ireo izay mampiahiahy ny fampiasam-bolany.

L’ethnie d’Antambahoaka ne peut pas élever des jumeaux. Cela est issu d’une tradition orale. Les parents qui élèvent des jumeaux ne peuvent pas fréquenter le « tranobe » et effectuer les activités qui y sont affiliées. Selon les croyances, si on garde des jumeaux Antambahoaka, les personnes brillantes de la famille mourront. Par contre, si les jumeaux sont élevés par d’autres personnes, ils deviendront brillants à leur tour.  Actuellement, l’ethnie Antambahoaka reste flexible par rapport à cette pratique. Selon les explications de Ramose Vivy, notable Antambahoaka, si les parents choisissent de garder les jumeaux, s’il leur arrive des malheurs, ils sont les seuls à être responsables. Il tient aussi à notifier que les Antambahoaka ne tuent pas les jumeaux ni les jettent, ils les mettent dans des maisons d’accueil tout simplement.

Tsy afaka mitaiza kambana ny foko Antambahoaka. Lovan-tsofina no niaingan’ity finoana ity. Tsy afaka mikitikitika ny tranobe sy manao ireo asa rehetra ao ny ray aman-drenin’ny kambana raha nisafidy hitaiza kambana. Araka ny finoana hatrany, raha mitaiza zaza kambana ny ray aman-dreny dia maty tsikelikely ireo olona mamiratra ao amin’ny fianakaviana. Raha taizan’olon-kafa kosa ireo kambana dia ireo farany no lasa mamiratra any aoriana any. Efa tsy dia mandrara be loatra ny fitaizana kambana ny Antambahoaka amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’i Ramose Vivy, olobe Antambahoaka, raha misafidy ny hitaiza kambana ireo ray aman-dreniny ka misy mahazo azy ireo dia mijanona ho azy ireo ny tsiny. Manamarika ity olobe ity fa tsy mamono zaza kambana ny Antambahoaka na manary azy ireo fa apetrak’izy ireo any amin’ny toby mpitaiza zaza.

Dans la culture malgache, il faut voir chez un astrologue quel est jour meilleur avant de construire une maison. Les saisons et le temps qu’il fait est important. Il faut le faire durant les saisons sèches. Selon les explications de Andrianjatovo Henri, astrologue et président du “Trano Koltoraly Maladasy”. À cette époque, les terrains sont secs, les riz sont prêts à la récolte, les affaires vont bien pour tous. A part cela, l’orientation de la maison est d’autant plus importante. Le soleil doit atteindre l’intérieure de la maison, pour éviter l’humidité et ainsi les occupants de la maison seront en bonne santé. La maison ne doit pas être située dans un endroit où il y a des courants d’air. Ne pas mettre de porte à cet endroit pour que les rafales de la pluie ne pénètrent pas dans la maison. L’astrologie est la même pour les hautes terres et les côtes, selon toujours les explications de Andrianjatovo Henri. Nous avons le même soleil, la même lune et les mêmes étoiles.

Ao anatin’ny fomba malagasy, mila manatona mpanandro alohan’ny hanangànana trano hijerena ny andro tsara hanaovana izany. Zava-dehibe ny mijery vanim-potoana sy ny toetry ny andro amin’izany. Mila atao mandritra ny vanim-potoanan’ny main-tany izany. Araka ny fanazavan’i Andrianjatovo Henri, mpanandro sady filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy, maina ny tany amin’io andro io, vonona ho jinjaina ny vary ary manana ny ampy ny olon-drehetra. Ankoatra izany, zava-dehibe ihany koa ny fitodiky ny trano. Tsara raha hidiran’ny masoandro ny trano iray mba tsy ho lena, mahatonga tsy fahasalamana. Ratsy raha mitodika any amin’ny toerana be rivotra ny trano. Tsy asina varavarana any amin’iny faritra iny manjary hidiran’ny orana. Mitovy ihany ny fanandroana any amin’ny faritra sy ny afovoan-tany hoy hatrany i Andrianjatovo Henri. Masoandro iray, volana iray ary kintana iray ihany no antsika.

Pour suivre une mode éthique et durable, le principe est d’utiliser des matières naturelles comme le coton, le lin ou bien la toile de jute. Selon les explications de Andrianina Rasolomampionona Styliste fondatrice de Landihazo, une marque de vêtement éthique et durable, la matière idéale est le lin. Cette matière est très accessible à Madagascar. Pour Rija Andrianina, styliste et modéliste d’Antsirabe, il veut casser les préjugés selon lesquels la mode responsable n’est pas à la portée de tous les malgaches. Quant à Mickaella Kwan, lauréate du concours mode éthique et durable, elle affirme que suivre la mode éthique et durable est quelque chose de facile pour les malgaches vu que nous produisons presque toutes les matières premières.

Raha te hanaraka lamaody manaja ny tontolo iainana, ny tena tokony atao dia mampiasa ireo akora natoraly toy ny hasy, ny lin na ny gony. Araka ny fanazavan’i Andrianina Rasolomampionona, mpamorona haifitafy sady tompon’ny Landihazo izay manao akanjo manaja ny tontolo iainana izay, ny lin no tena mety indrindra ho an’ny malagasy satria mora hita izy io eto an-toerana. Ho an’i Rija Andrianina kosa, mpanao lamaody avy any Antsirabe, te hanaporofo amin’ny mpanjifa izy fa azo jifain’ny rehetra izany hoe lamaody manaja ny tontolo iainana izany. I Mickaella Kwan, nahazo volohany tamin’ny fifaninana famoronana lamaody manaja ny tontolo iainana, manambara izy fa mora ho an’ny malagasy ny manaraka izany lamaody manaja ny tontolo iainana izany satria mamokatra ireo akora natoraly hanaovana ireo lamba ireo isika.

jeudi, 09 novembre 2023 07:45

Le « fameux » koba de Faravohitra

Le « koba », une sorte de gâteau à base de cacahuètes, suit une recette typiquement malgache. Le « koba » de Faravohitra, un quartier de la Haute Ville d’Antananarivo est l’un des plus prisés par ceux qui envoie des portions à l’étranger ou ceux qui commandent des parts pour les faire entrer dans le menu durant des cérémonies tels que des mariages. Edmond Rabenandrasana, propriétaire et détenteur de la recette nous explique que cette préparation est dans sa famille depuis toujours. Le « koba » est en forme de petit canon, c’est pour cela qu’on l’appelle « koba tafondro ». L’un mesure 86 cm, pèse à peu près 13 kg. Et c’est à 60.000 ariary l’unité.

Manaraka fomba fahandro malagasy tanteraka ny fomba fikarakarana ny koba. Ny koban’i Faravohitra dia an’isan’ireo fakan’ny olona mpandefa any an-dafy na mpikarakara lanonana toy ny mariazy ohatra. Manazava i Edmond Rabenandrasana, tompon’ny koban’i Faravohitra, fa efa tao amin’ny fianakaviany hatrizay ity fomba fikarakarana ny koba ity. « koba tafondro » no fiantsotsika azy. Mirefy 86 sm ny iray, milanja 13 kilao ary 60.000 ariary ny vidiny.

jeudi, 09 novembre 2023 07:24

Le Journal des régions du 08 Novembre 2023

  • Pour cette récolte, le prix des tomates connait une chute extrême à Ambalavao
  • Election : les organisations sont déjà en place pour la tenue des élections
  • Toamasina : crainte d’une baisse de litchis à exporter pour cette année

  • Vokatra ny voatabia any Ambalavao nefa ny vidiny dia farak’izay mora
  • Fifidianana : efa mametra rindran-damina hirosoana amin’ny fifidianana ny ao amin’ny CENI
  • Toamasina : ahiana ny fihenan’ny litchis hahondrana amin’ity taona ity
jeudi, 09 novembre 2023 06:15

Le Journal des régions du 07 Novembre 2023

  • La célébration de la fête des morts dans les régions
  • Ambahy district de Manajary : les langoustes abondent, le prix en déclin
  • La prudence à l’intoxication due à la consommation de produits de mer est actuellement de mise

  • Ny fankalazana ny fetin’ny maty any amin’ny faritra
  • Tsara ny vokatra orantsimba fa ny vidiny nefa tsy arakarak’izay ao Ambahy distrika ny Manajary
  • Tafiditra ao anaty ny vanimpotoana mampisy fanapoizinana vokatry ny fihinana biby andranomasina isika izao
jeudi, 09 novembre 2023 05:56

Le Journal du 08 Novembre 2023

  • Les conditions pour une élection acceptée par tous et qui conduit à l’apaisement ne sont pas réunies selon le KMF/Cnoe
  • Circulation : les mesures prises ont été drastiques dixit le Préfet de la ville d’Antananarivo
  • L’Etat malagasy n’investit pas assez dans la protection du patrimoine
  • Intelligence artificielle : est-ce utile ou ça pourrait remplacer les humains ?

  • Tsy feno ny fepetra mba ho fifidianana ekena sy andraisan’ny rehetra anjara ka hitondra filaminana hoy ny KMF/Cnoe
  • Fifamezivezena : somary enjana ny fepetra hoy ny Préfet an’Antananarivo
  • Tsy ampy ny firotsahan’ny fanjakana malagasy an-tsehatra amin’ny fiarovana ny vakoka
  • Intelligence artificielle : tena ilaina sa mety hanolo ny asan’ny olombelona

Reportage :

Situé à 6km de la ville de Foulpointe, la réserve d’Analalava fait partie des 125 aires protégées de Madagascar. Elle est classée dans la catégorie réserve spéciale depuis 2006. Avec une vaste superficie de 229 ha, la visite peut prendre jusqu’à deux heures de temps. On y trouve des centaines d’espèces de faunes et flores, dont la majorité est endémique. Des plantes médicinales de toutes sortes sont surtout parmi les merveilles de ce lieu, à l’exemple du « tongo-borona » pour la guérison des maux de ventre.

Interview :

Nous sommes actuellement en période de compagne électorale. Parlant des programmes présidentiels, la politique environnementale est un volet non négligeable. D’après la 10è promesse présidentielle du précédant gouvernement, « Couvrir Madagascar en vert » était l’une des objectifs, atteint à 80%. Néanmoins, les moyens restent limités pour ce secteur, selon Nalimanitra Ravoson, de l’ONG Code Menabe. En tant qu’acteur environnemental, elle attend que le futur gouvernement ait une vision claire sur la politique du développement durable.

Reportage :

6 kilometatra miala ny tampo-tanànan’ny Foulpointe no misy ny réserve d’Analalava. Efa hatramin’ny taona 2006 no naha tahirin-javaboahary manokana azy ity, ary iray amin’ireo faritra arovana 125 eto Madagasikara. Ala midadasika hatrany amin’ny 229 ha izy ity, ary mahatratra adiny roa any ny fitsidihana manontolo ny toerana. Zavamanan’aina an-jatony ihany koa no hita ao, izay ahiana ho lany tamingana ny ankamaroany. Isany mampiavaka ity toerana ity ny fananany karazan-java-maniry fanao fanafody maro isan-karazany. Toy izany izao ny “tongo-borona”, ravin-kazo fampiasa amin’ny aretin-kibo.

Interview :

Ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra isika izao. Tsy azo hodian-tsy hita ny politika ara-tontolo hiainana rehefa miresaka ireo fandaharan’asa ny kandida. Ho an’ny fitondrana teo aloha, ny fandrakofana ala an’i Madagasikara aloha hatreto no hita fa tanteraka teo amin’ny 80%, araka ny tombana navoakan’ny ministera. Hita ho tsy ampy tohana sy enti-manana kosa anefa ity sehatra ity, hoy i Nalimanitra Ravoson avy amin’ny ONG Code Menabe. Amin’ny maha mpisehatra ara-tontolo iainana azy, isany andrasany amin’ny fitondrana ho avy eo ny fametrahana vina mazava momba ilay hoe “fampandrosoana lovain-jafy”.

En mois d’octobre dernier, après Toliara, l’équipe du Studio Sifaka était à Fianarantsoa. 22 femmes journalistes de la province de Fianarantsoa ont organisé un débat public sur le thème : « La situation sociopolitique actuelle face aux défis d’une élection libre, inclusive et acceptée par tous » dans le cadre de pratique de formation sur la couverture journalistique des élections et la réalisation d’un débat radiophonique.

Ramaroson Harisy, coordonnatrice régionale KMFCNOE Haute Matsiatra, ANDRIAMAHAINGO Marie Simon Joseph, membre de la plateforme régionale des organisations des société civile Haute Matsiatra, RAZAFINDRAMANANA Jean Marc, président Jeune TGV Fianarantsoa, RASOLOFOFENOMANANA Elysée, vice-président du parti Tiako i Madagasikara Fianarantsoa en étaient leurs invités.

Cette formation rentre dans le cadre du projet MANDA : « Projet d’Appui à la lutte contre les violences et le harcèlement sexuel envers les femmes journalistes à Madagascar », mise en œuvre par Studio Sifaka, en partenariat avec l’Ordre des Journalistes de Madagascar et soutenue par l’UNESCO à travers le Programme International pour le Développement de la Communication.

Tamin’ny volana oktobra teo, tao aorian’ny tany Toliara dia nikarakara ady hevitra ankalamanjana ireo vehivavy mpanao gazety avy ao amin’ny faritan’i Fianarantsoa, tao aorian’ny fiofanana nomena azy ireo mahakasika ny fikirakirana vaovao momban’ny fifidianana sy ny fanaovana ady hevitra amin’ny onjampeo.

« Azo heverina ve ny hisiana fifidianana madio, mampiaty sy eken’ny rehetra manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao » no lohahevitra tamin’izany.  Ramaroson Harisy, mpandrindram-paritry ny KMFCNOE Matsiatra Ambony, ANDRIAMAHAINGO Marie Simon Joseph, mpikambana ao amin’ny Plateforme régionale des organisations des société civile Matsiatra Ambony, RAZAFINDRAMANANA Jena Marc, filohan’ny Jeune TGV Fianarantsoa sy RASOLOFOFENOMANANA Elysée, filoha lefitry ny  antoko Tiako i Madagasikara Fianarantsoa no vahinin’izy ireo tamin’izany.

Ity fiofanana ity dia fanatanterahana ny tetik’asa MANDA, hiarovana ireo vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara amin’ny fanararaotana sy herisetra ara-nofo, tontosain’ny Studio SIFAKA, miaraka amin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara izay tohanan’ny UNESCO amin’ny alalan’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny serasera.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter