La période post-électorale commence au moment où la Haute Cour Constitutionnelle annonce les résultats officiels de l’élection. De ce fait, nous sommes encore en ce moment en période électorale. Cette période de post-électorale inclut, à part l’annonce du résultat, l’étape où les contestations durant l’élection sont enregistrées et traitées. Après ça commencent les préparatifs pour la prise de pouvoir de l’élu. De ce fait, le gouvernement du nouveau dirigeant met en place leurs politiques pour ce mandat.
Durant cette période de post-électoral, la stabilité politique est plus fragile. C’est souvent au cours de cette période que les différends entre les partis politiques ou les candidats peuvent s’aggraver du fait que le régime actuel n’est pas encore bien établi.
Inona izany hoe fotoana aorian’ny fifidianana ?
Manomboka eo amin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ataon’ny Fitsarana Avo momban’ny lalam-panorenana na HCC no manomboka ny fotoana aorian’ny fifidianana. Izany hoe, mbola tafiditra anatin’ny fotoanan’ny fifidianana isika izao. Mandritra ny vanim-potoana aorian’ny fifidianana no hametrahana ny fitarainana izay hita nandritra iny fifidianana iny. Aorian’izay dia manomboka ny fiomanan’izay voafidy handray ny fitondrana. Manomana ny politikany ny governemanta vaovao ho an’io fitondrana io.
Marefo ny fahamarinan-toerana ara-politika mandritra izany. Satria mbola tsy tafapetraka tsara ny fitondrana vaovao dia eo no mety hihamafy ny tsy fifankazahoana sy ny fifandonana eo amin’ny samy antoko politika na kandida.
Selon la loi relative à l’élection présidentielle à Madagascar, on distingue deux résultats : le résultat provisoire et le résultat définitif. La CENI publie le résultat provisoire une semaine après que tous les plis fermés venant de tous les bureaux de votes ont été reçus. Quant à la proclamation officielle du résultat définitif, elle est effectuée par la juridiction compétente, c’est-à -dire la haute cour constitutionnelle dans un délai de 9 jours après la publication du résultat provisoire.
Pour ce faire, la HCC aura à spécifier par bureau de vote le nombre total des électeurs inscrits et des votants ; le nombre des bulletins blancs et nuls ; le nombre total des suffrages exprimés ; ainsi que le nombre des suffrages exprimés recueillis par chaque candidat. Selon les modalités fixées en conseil du gouvernement, la contribution de tout candidat ayant obtenu moins de 10% des suffrages, lors des résultats officiels du premier tour sera donc remboursé.
Inona avy no tsara ho fantatra momba ny valim-pifidianana filoham-pirenena?
Raha araka ny lalà na mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, dia misy karazany roa ny valim-pifidianana : ny valim-pifidianana vonjy maika sy ny valim-pifidianana ofisialy. Ny CENI no mamoaka ny valim-pifidianana vonjimaika, herinandro aorian’ny fandraisana ireo antontan-taratasy farany avy amin’ny biraom-pifidianana rehetra. Ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenanana kosa no manao fanambarana ofisialy ny valim-pifidianana ofisialy. 9 andro aorian’ny famoahana ny valim-pifidianana vonjimaika izy io no atao.
Mandritra izany fanambarana ofisialy izany, tanisain’ny HCC tsirairay isaky ny biraom-pifidianana ny isa totalin’ireo mpifidy voasoratra anarana, ireo tonga nifidy, ireo vato fotsy sy vato maty, ny isan’ireo vato narotsaka ary ireo vato azon’ny kandida tsirairay avy. Marihina fa averina amin’ireo kandida ny vola fandraisana anjarana nalohany raha toa ka nahazo vato latsaky ny 10% izy amin’ny valim-pifidianana fiodinana voalohany, araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny gouvernemanta.
Les observateurs surveillent l’ensemble du déroulement du scrutin dans un bureau de vote. Ils peuvent arriver à toute heure et peuvent se déplacer d’un bureau à un autre. A la fin, ils font des rapports de leurs observations sur le déroulement du jour du scrutin. Ils ont pour rôle de dénoncer les cas d’anomalie, et les mentionner dans un procès-verbal à la fin de leur visite.
Il peut y avoir jusqu’à 3 observateurs différents dans un bureau de vote. Par ailleurs ils ne doivent pas interférer dans l’organisation de celui-ci.
Ces observateurs peuvent être issus des organisations non gouvernementales, associations ou groupements, mais qui sont agréés par la CENI. Â
A noter qu’ils peuvent voter auprès des bureaux de vote où ils surveillent, en présentant leur carte d’électeur. Cela s’applique dans l’élection présidentielle et du référendum.
Inona no ataon’ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny CENI amin’ny andron’ny fifidianana ?
Manara-maso ny fizotran’ny fifidianana manontolo ao anaty birao fandatsaham-bato ny mpanara-maso. Afaka tonga amin'ny fotoana rehetra izy ireo ary afaka mifindra amin'ny birao iray hafa indray avy eo. Amin'ny farany dia mitatitra ny fandinihany ny fizotry ny androm-pifidianana izy ireo. Mitantara izay tranga-javatra hitany ary mitanisa izany ao anatin’ny tatitra ataony no tena andrasana aminy.
Mety ahitana mpanara-maso ny fifidianana miisa 3 ao amin’ny biraom-pifidianana iray. Ary tsy tokony hitsabaka amin'ny fandaminana ao izy ireo.
Mety ho avy amina fikambanana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ireo mpanara-maso ireo, na solontenan’ny kandida, fa kosa nankatoavin’ny CENI.
Marihina fa afaka mifidy eny amin’ny birao fandatsaham-bato niasany izy ireo, rehefa avy nampiseho ny karatra maha mpifidy. Mihatra amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy fitsapan-kevi-bahoaka izany.