Mampionona Rabety, jeune membre du parti politique PSD, Miadana Fabien Privat de l'ONG Tolotsoa, ​​​​et Alexandre Denis Lahiniriko, analyste de l'histoire politique de Madagascar, échange sur ce sujet.
Les jeunes ne s'intéressent pas à la politique, et même les citoyens en général. Cependant, il semble que les jeunes prennent des responsabilités dans la société et au sein des sociétés civiles. En d’autres termes, ils sont intéressés à suivre de près les services publics, à surveiller, à faire des commentaires… Nous sommes par exemple de plus en plus habitués à exiger sans se rebeller. Qu'est-ce qui peut expliquer cela ?
Manao ahoana ny fandraisana anjaran’ny tanora anatin’ny tontolo politika eto madagasikara ?
Tonga niady hevitra mahakasika an’io lohahevitra io i Mampionona Rabety tanora mpikambana amina antoko politika PSD, Miadana Fabien Privat avy ao amin’ny ONG Tolotsoa, ary Alexandre Denis Lahiniriko, mpandinika ny tantara ara-politika eto Madagasikara.
Tsy dia mahaliana ny tanora ny politika. Ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy aza. Raha ny hita anefa ankehitriny dia mitombo ny tanora mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina any anatin’ireny firaisamonim-pirenena ireny. Izany hoe kinga sy liana amin’ny fijirihana ny asam-panjakana, fanaraha-maso, fanehoan-kevitra… Efa miha haintsika ihany koa izao ilay mitaky tsy mikomy ohatra.  Inona no mety fanazavana an'izany?
Un pèlerinage ou Fandroana Andrika a lieu chaque mois de décembre, une tradition Antemoro Anakara pratiquée à Vatomasina Vohipeno. Malgré que cette tradition vient des Antemoro Anakara, tout le monde peut participer, même les étrangers, s’il respecte les « Fady ».
C’est un moment de purification et repentance, pour passer une nouvelle année bénie. Nicole Rasoavololona, ​​​​présidente de l'association Tsiky Kely d'Emmy, nous explique ce qu'est le Fandroana Andriaka.
Tontosaina isaky ny volana desambra ny fivahinianana masina na fandroana an-driaka, fombandrazana Antemoro Anakara izay fanao any Vatomasina Vohipeno. Tsy mialonjafy izy ity fa dia azon’ny olona rehetra handraisana anjara, eny na tsy Malagasy aza, rehefa mahatandrina ny fady.
Midika ho fidiovana sy fibebahana io fotoana io, mba hiatrehana ny taona vaovao. Nicole Rasoavololona, filohan’ny fikambanana Tsiky Kely d’Emmy no hanazava an’izany atao hoe Fandroana Andriaka izany.
Le Réseau National des Femmes de la Pêche à Madagascar ou RENAFEP MADA est une organisation qui regroupe environ deux mille femmes impliquées dans la pêche dans 12 régions de Madagascar. L’objectif c’est d’améliorer la vie des femmes grâce à la pêche. Ils cherchent un moyen de commercialiser et de vivre de produits transformés qui seront exportés selon toutes les normes nécessaires à ce secteur d'exportation selon Ratiarainandrasana Virginie Gorette présidente du réseau.
Réseau National des Femmes de la Pêche à Madagascar - RENAFEP MADA dia fikambanana iray hivondronana vehivavy manodidina ny roa arivo misehatra amin’ny jono amin’ireo faritra 12 manerana an’i Madagasikara. Tanjona ny fampivoarana ny faripiainan’ireo vehivavy amin’ny alalan’ny jono. Mitady lalam-barotra izy ireo ary miaina amin’ny vokatra haodina izay haondrana manaraka ny fenitra rehetra ilaina amin’io sehatry ny fanondranana io raha ny fanazavan’i Ratiarainandrasana Virginie Gorette filohan’ny fikambanana.
 La Haute Cour Constitutionnelle statue sur les contentieux des opérations de référendum, de l’élection du Président de la République et des élections des Députés et Sénateurs. Si elle s’estime insuffisamment informée, elle peut rendre des arrêts ordonnant une enquête ou un supplément d’informations. Si elle déclare la requête recevable par la forme, elle examine par la suite le fond. Elle procède selon le cas : soit au rejet de la requête, soit à la réformation des résultats, soit à l’annulation des opérations des bureaux de vote concernés s’il a été prouvé que les faits ou les opérations contestées ont altéré la sincérité du scrutin et modifié le sens du vote émis par les électeurs. Ou encore, s’il y a eu violation flagrante des dispositions législatives ou réglementaires ou des prescriptions d’ordre public.
Toy ny ahoana ny fitsaran’ny HCC ireo fitoriana manodidina ny fifidianana ?
Ny fitoriana mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ary ny loholona no tsaran’ny Fitsarana Avo momba ny lalà m-panorenana sy amoahany didy. Raha hitan’ny HCC fa tsy feno ny porofo omena azy ireo dia afaka mamoaka didy hanaovana fanadihadiana misimisy kokoa izy ireo. Rehefa hitany fa azo raisina ny fitoriana, izany hoe mifanandrify amin’ny andraikiny dia miroso amin’ny fandinihana ny votoatiny amin’izay izy ireo. Misy didy maromaro azony raisina arakarak’ilay tranga. Toy ny hoe tsy mitombina ilay fitoriana, raha mitombina indray dia azony atao ny miroso amin’ny fanitsiana ny voka-pifidianana, na fanafoanana ny voka-pifidianana ao amin’ny birao fandatsaham-bato voaporofo fa manohintohina ny fahadiovan’ilay fifidianana na manova ny vokatra marina na mifanohitra amin’ny tokony ho izy ilay tranga.
Tout électeur qui a voté peut contester la manière dont la campagne électorale s’est déroulée dans sa région, ou remettre en cause le déroulement des opérations de vote dans le bureau de vote où il a voté. Les candidats, les listes de candidats, les représentants d’options et les délégués peuvent aussi exercer ce droit. Les contestations peuvent concerner l’irrégularité du processus électoral. Les observateurs nationaux ont le même droit de contester que les électeurs et les candidats dans les bureaux de vote pour lesquels ils sont mandatés.
Iza avy no afaka mametraka fitarainana momba ny fizotry ny fifidianana ?
Izay olom-pirenena ao anaty lisitry ny mpifidy ka nandeha nifidy dia afaka mametraka fitarainana mikasika ny fomba nanaovana ny fampielezan-kevitra tao amin’ny faritra misy azy, na momba ny andron’ny fifidianana tao amin’ny birao nandatsahany vato. Manan-jo hanao izany ihany koa ny kandià , ny lisitry ny kandidà ary ny solontenan’ny safidy iray amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, mikasika ny fahamarinan’ny zotram-pifidianana. Zon’ny mpanara-maso nasiônaly ihany koa izany, mikasika ny birao fandatsaham-bato nametrahana azy ireo.