Avant de prendre ces médicaments, nous devrions être curieux et bien vérifier le nom sur la boîte, et les dates de fabrication et de péremption. Ils doivent aussi être mentionnés sur la plaquette. Ne pas oublier non plus de regarder s’il y a le nom du laboratoire de fabrication. Alors pour ne pas être victime d’un médicament contrefait, toujours acheter ces produits à la pharmacie. En cas de doute, rassembler toutes les preuves comme la boite ou la plaquette, et les ramener au centre national de pharmacovigilance, au sein du ministère de la santé publique, selon le Docteur Samson Ralaiarinosy.
Alohan'ny hihinanana ny fanafody, dia tokony ho liana hijery tsara ny anarana eo amin'ny boaty isika, sy ny datin'ny nanamboarana ary ny tsy azo hinanana azy intsony. Tsy maintsy hita ao amin’ilay fonosana anatiny na plaquette koa ireo. Aza adinoina koa ny manamarina raha misy ny anaran'ny laboratoara mpamokatra azy ao. Noho izany, mba tsy ho sendran’ny fanafody sandoka, dia eny amin’ny toerana fivarotam-panafody ihany no tokony mividy izany. Raha misy fisalasalana dia angony avokoa ny porofo rehetra toy ny Boite sy ny fonosany hafa, ary ento eny amin’ny foibem-pirenena misahana ny fanaraha-maso an’izay mety ho voka-dratsy ateraky ny fanafody, eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Dokotera Ralaiarinosy Samson.
Pour le tourisme national, les exigences sont élevées. Le mauvais état des routes décourage les étrangers qui séjournent à Madagascar affirme Eliane Andrianjatovo, Directrice de Ariane tour. Ici, on parle d’Antananarivo jusqu’à Toamasina. De ce fait, les agences de voyage de la côte Est sont aussi dans une mauvaise passe, mais offrent tout de même d’autres circuits prisés pour contrebalancer. Comme la RN7, reliant Antananarivo et Toliara, une destination aux profits des Malagasy et des étrangers à la fois.
Avo ny fepetra takiana amin’ny fizahantany eto antoerana. Mahakivy ny vahiny mandalo eto Madagasikara ny faharatsian’ny lalana hoy Andrianjatovo Eliane, Talen’ny Ariane Tour. Ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina no voakasik’izany. Vokany, misedra olana ny orinasa misehatra amin’ny fizahantany, fa kosa manome tolotra hafa hanarenana an’izany. Toa ny lalam-pirenena faha fito, mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, izay efa manomboka hironan’ny mpizahantany Malagasy sy vahiny amin’izao fotoana.
Tout candidat exerçant une haute fonction publique, civile ou militaire, n’ayant pas respecté le délai de démission exigé par la loi encourt la disqualification. Pareil pour ceux qui ont fait des déclarations publiques tendant à discréditer l’administration électorale, ou tendant à faire des pressions sur elle. Les électeurs inscrits dans la liste électorale ont pleinement le droit de demander la disqualification d’un candidat, en adressant une lettre de plainte au niveau du tribunal administratif. Mais la décision finale doit être prononcée par la Haute Cour Constitutionnelle, celle-ci ne peut pas faire l’objet d’un recours.
Rehefa inona ny kandidà iray amin’ny fifidianana no voasazy tsy afaka mifaninana na « disqualifié » ?
Ireo mpiasam-panjakana na miaramila ambony mirotsaka kandidà ka tsy nanaja ny fe-potoana napetraky ny lalà na tokony hametraham-pialana dia voasazy avy hatrany tsy hifaninanana. Voasazy toy izany koa ireo kandidà izay manao kabary na fihantsiana imasom-bahoaka, manohintohina sy manao tsindry ny vaomiera mpikarakara fifidianana na mivantana na an-kolaka. Ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy dia afaka mangataka io sazy io ho ana kandidà iray. Alefa any amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana izany ary ity farany no mandray ny teny farany aorian’ny fitsaran’ny tribonaly misahana ny raharaham-panjakana. Tsy azo ihodivirana intsony ny fanapahan-kevitra mivoaka eo.
Cette semaine, l’Alliance Française organise comme chaque année le carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi. A la différence des éditions précédentes, cette septième édition se concentre plus sur l’orientation académique et professionnelle. Pour quelle raison ? Et pourquoi l’orientation académique et professionnelle est-elle si importante ? Et comment savoir où aller dans la vie ? Hasina Rakotondrazanany, responsable de communication à l’Alliance Française répond à ces questions dans l’émission Question A.
Toy ny isan-taona, dia mikarakara ny carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi ny Alliance Française amin’ity herinandro ity. Miavaka ity andiany 2023 raha hoarina amin’ireo andiany enina teo aloha, satria dia hifantoka kokoa amin’ny fanoroana ny tanora ny lalana tokony alehany eo amin’ny fianarana sy ny asa ireo mpikarakara. Inona no mahatonga azy ireo hifantoka eo amin’io lafiny io ? Fa maninona no zava-dehibe no mahalala ny fianarana ho arahina sy ny asa ho atao ? Ary ahoana no fomba ahafantarana izany ? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Alliance Française, Rakotondrazanany Hasina, ato amin’ny fandaharana Hono Ho Aho.