COVID-19 : Tous ensemble face au virus

ArticlesInterviews

Andrea Razafi

Andrea Razafi

mardi, 01 août 2023 13:48

Le Journal du 01 Août 2023

  • Poliomyélite : la deuxième campagne de vaccination s’est bien déroulée à Analamanga
  • Pacte d’industrialisation : la part du secteur privé dans la production d’énergie sous contrainte
  • Filière Å“uf : les clients se font rares alors que le prix est en baisse
  • Mémoire du Monde de l’UNESCO : Quels avantages d’inscrire nos patrimoines documentaires ?

  • Lefak’ozatra : nizotra tsara ny andiany faharoa tamin’ny fanaovana vakisiny teto Analamanga
  • Voatohintohina ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny sehatry ny angovo
  • Oniversite maty : manararaotra manao zavatra hafa ireo mpianatra mandram-piverin’ny fampianarana
  • Herinandron’ny fanokanana any Ankaramalaza Manakara : manararaotra mitady vola ny olona

  • La forêt des mangroves à Ankazomborona est devenue un site écotouristique
  • Nosy Be : wifi gratuit pour les lycéens à Hell Ville
  • Pont de Ranopiso : une limitation de charge à 10T pour les poids lourds

  • Navadika ho toeram-pizahan-tany ny ala honko ao Ankazomborona
  • Nomena WIFI maimai-poana ny mpianatra ao amin’ny lisea Hell-Ville
  • Tetezan’i Ranopiso : tsy azo andehanan’ny fiara mihoatra ny 10 taonina

Ambalakida dans la région de Boeny, un lieu naturel qui préserve la culture y compris la forêt d'Andriamisara. Il se situe à trente kilomètres de Mahajanga. La forêt sacrée d'Ambalakida a une superficie de 310 hectares. C'est un parc naturel protégé géré par COBA FISAMIA ou l'Association Sakalava pour la Protection de la Forêt. Au mois de mars, il accueille le rituel « Fanompoambem-pandrama » qui a lieu dans cette forêt d'Andriamisara. Il y a donc un lien entre la forêt d'Andriamisara et le Doany Andriamisara.

Manantany Daboany sera avec nous pour expliquer plus à ce sujet.

Ambalakida, valan-javaboahary iray izay mitahiry ny kolontsaina izay misy ny alan’Andriamisara ao amin’ny faritra Boeny telopolo kilometatra miala avy eo Mahajanga no hifantohan’ny fandaharana Sandrify. Manana velaran-tany 310 hektara ny ala masina an’Ambalakida. Valan-javaboahary arovana izy io izay tantanan’ny vondron’olona ifotony COBA FISAMIA na Fikambanan’ny Sakalava Miaro Ala. Isaky ny volana marsa no hanaovana ny Fanompoambem-pandrama any amin’io alan’Andriamisara io. Misy fifandraisana noho izany ny atiala masina sy ny Doany Andriamisara.

Manantany Daboany kosa no hiaraka hampahafantatra bebe kokoa an’io Doany io.

lundi, 31 juillet 2023 13:53

Le Journal du 31 Juillet 2023

  • L’association AMIS identifie un manque de compétence des intervenants sociaux
  • Recyclage : des jeunes chercheurs malgaches transforment des bouteilles plastiques en doudounes
  • Jeu des osselets ou Tsobato : enseignement pour la maîtrise de soit et l’habilité à compter

  • Fikambanana AMIS : ilana fahaiza manao ny fandraisana an-tanàna ireo olona marefo
  • Voka-pikarohana : tanora malagasy mamadika tavoahangy plastika ho akanjo mafana
  • Tsobato : mampianatra fifehezan-tena sy fianarana manisa
  • Tsikonina : nahandroandro kely hampiharana izay nampianarina tao an-trano

Il est interdit d’adopter certains animaux endémiques. Ces animaux sont en voie de disparition et devraient se multiplier naturellement dans leur habitat  naturel. Explication du maître Raharijaona Tombotsoa, un juriste environnementaliste.

Misy takelaka folo ny lisitry ny biby tsy azo ompiana ao an-tokatrano, araka ny voarakitra ao amin’ny lalàna mifehy izany eto Madagasikara. Antony : ahiana ho lany tamingana ireo biby ireo ary tiana hitombo taranaka ao amin’ny toerana ahafahany miaina malalaka, hoy ny fanazavan’ny Maître Raharijaona Tombotsoa, mpahay lalàna momba ny tontolo iainana.  

Il est important de bien se préparer pour pouvoir prendre une bonne décision politique. Une stratégie politique n’est pas forcément adaptée à chaque localité.  Un échange avec la société, par exemple, aide à comprendre les problèmes afin d’avancer une solution. Explication de Dr Hanta Andrianasy, coordinatrice du programme Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar.

Mila fiomanana ny fanaovana politika mba tsy haka tahaka be fahatany ny fomba fitantanana raharaha iray. Isan’ny fiomanana ilaina ny fifanakalozana miaraka amin’ireo mponina mba ahafahana mandray ny fanapahan-kevitra sahaza. Fanazavan’ny Dr Hanta Andrianasy, mpandrindra ny fandaharanasa Friedrich-Ebert-Stiftung eto Madagasikara.

  • Manakara et Manajary : 10 écoles ravagées par les cyclones ont été réhabilitées
  • Certaines familles à Ikongo ont pu entreprendre grâce au Vatsin’akohonana
  • Le « Kianjan’ny hiragasy » a été bâti

  • Voaharina ireo sekoly 10 simban’ny rivo-doza tao Manakara sy Mananjary
  • Misy tamin’ireo fianakaviana ao Ikongo nahavita nampiasa ny Vatsin’akohonana ho loharanom-bola maharitra
  • Vita ny « kianjan’ny hiragasy »
  • Production laitière : des kits des productions pour les producteurs
  • Centre hospitalier Le Vinatier-Lyon va apporter leur soutien pour les acteurs en santé mentale à Madagascar
  • Electrification : des kits solaires ont été installés dans le District Manakara

  • Nozaraina fitaovana hentina mamokatra ny mpamokatra rorono
  • Hopitaly Le Vinatier-Lyon : hanohana ireo mpisehatra momban’ny fahasalamana ara-tsaina eto Madagasikara
  • Fahazoana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Lokomby distrika ny Manakara

Un doublon est la redondance du nom d’une même personne dans la liste électorale. C’est-à-dire qu’elle est inscrite deux fois ou plusieurs fois.

En général, ce problème est dû au déménagement de l’électeur, sans avoir supprimé son enregistrement à son ancien fokontany. Il s’est ensuite directement inscrit à son nouveau fokontany, entraînant ainsi le doublon. Par ailleurs, la dernière inscription est celle qu’on retient. Donc ce n’est pas une fraude comme on peut le penser, mais d’une erreur. Pour le cas des CIN, on y trouve 12 chiffres, il s’agit de codes qui déterminent s’il s’agit d’une femme ou d’un homme, si le citoyen vient de telle ou telle ville. Ce qui veut dire qu’aucune carte ne devrait contenir le même numéro. Là ce sont les responsables de la CIN, venant du district ou de la commune où elles sont récupérées qui n’ont pas pris l’attention de vérifier. Tous ses désagréments sur les données sont vérifiés par le logiciel de la CENI. En outre, le doublon et l’erreur de chiffre sur la CIN n’empêchent pas l’électeur de voter. D’où l’utilisation de l’encre indélébile après le vote sur le doigt, pour éviter toute tentative de fraude.

Inona no atao hoe doublon ao anaty lisitry ny mpifidy ?

Ny doublon dia fiverenan’ny anaran’ny olona iray ao amin’ny lisitry ny mpifidy. Izany hoe voasoratra indroa na intelo izy.

Amin’ny ankapobeny, dia avy amin’ny fifindrana trano no mahatonga izany. Tsy namafa ny anarany tany amin’ny fokontany nisy azy taloha ilay alona, nefa nisoratra indray amina fokontany vaovao. Izay no mahatonga ny fisian’ny doublon. Ilay anarana voasoratra farany no raisina avy eo. Tsy hosoka noho izany ny doublon, fa avy amina tsy fitandremana. Raha ny resaka karapandro indray izay misy tarehimarika 12, ho famantarana izy iny na lahy no tompony na vavy, na mamaritra ny toerana fonenany. Tsy tokony hisy olona hafa hanana laharana mitovy arak’izany. Eto dia ny tompon’andraikitra mpikirakira ny karatra avy amin’ny distrika na ny kaominina nangalana azy no tsy nanamarina na tsy nanao ny asany araka ny tokony ho izy. Ireny fahadisoana ireny dia hita amin’ny rafibaiko ampiasain’ny CENI. Fa tsy manakana ny olona iray tsy hifidy akory ny fisian’ny doublon na fiverenan’ny laharan’ny karapanondro. Antony nanasiana ny rano mainty ny lavotondro rehefa avy nifidy, ialana amin’ny fanaovana hosoka.

L’urne en boîte transparente et uniforme laisse apparaitre son contenu. Elle doit alors être vide avant son placement dans le bureau de vote, et n’avoir une seule issue ou ouverture à introduire l’enveloppe comportant le bulletin.

Ensuite, ce plastique translucide ou en plexiglas permet de voir si l’électeur a bien mis une enveloppe, et non pas plus. L’objectif étant la transparence lors du scrutin, et d’éviter toute tentative de fraude. C’est le président du bureau électoral qui se charge de vérifier si elle est bien verrouillée. Elle sera par la suite transportée dans un endroit sécurisée, avant le comptage des bulletins à l’intérieur. Par ailleurs, d’autres types d’urnes sont autorisés s’ils respectent les conditions de clarté.

Maninona no natao ho tazana ety ivelany ny ao anatin’ny vata fandrotsaham-bato ?

Mitovy avokoa ny endriky ny vata fandrotsaham-bato amin’ny ankapobeny, izay hahafahana mitazana ny ao anatiny. Tsy maintsy madio tsy mbola misy na inona na inona izany rehefa tonga eny amin’ny trano fandatsaham-bato. Ary iray ihany ny lavaka fanatsofohana ny vaton’ny mpifidy.

Manaraka’izany, iny vata plastika iny dia manampy amin’ny fitarafana na iray na maromaro ny valopy narotsaky ny mpifidy. Tanjona ny hisian’ny mangarahara, ary ialàna amin’ny hala-bato. Ny lehiben’ny biraom-pifidianana no manamarina raha mihidy tsara ny vata. Avy eo dia entina amina toerana voatokana, mialohan’ny fanisana ny vato ao anatiny. Marihana fa azo atao ny mampiasa karazana vata amin’ny endrika hafa raha toa ka manaraka ny fepetra takiana mba hisian’ny mangarahara izany.

  • Ankofafa Fianarantsoa : le réservoir d’eau est vide
  • Le squelette de la baleine échoué à Behinta sera exposé au musée de l’IHSM Tuléar
  • Université de Toamasina et Fénérive Est : la non maitrise de la langue française est un blocage pour les recherches et la publication des articles académiques

  • Tsy misy rano ny siniben-drano any Akofafa andrefana Fianarantsoa
  • Ho atao ao amin’ny Mosean’ny IHSM Toliara ny taolan’ilay trozona fefika tamin’ny talata
  • Fikarohana sy famoahana lahatsoratra akademika : tsy mahafehy teny frantsay sy tsy manam-paharetana no isany sakana ho an’ireo mpianatra ao Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana
  • La route vers Ampasinambo district de Nosy Varika est totalement détruite
  • Les médecins spécialistes en hépatite sont insuffisants
  • Toamasina : une formation pour les coachs en para olympique

  • Potika tanteraka ny lalana mandeha any Ampasinambo distrikan’ny Nosy Varika
  • Tsy ampy ny mpitsabo manokana momban’ny hepatita ao Toliara
  • Nampiofana ireo mpanabe ara-panatanjahan-tena ireo olona manana fahasembanana tao Toamasina

Les inspecteurs et contrôleurs semenciers jouent un rôle important dans le secteur agricole, même si on ne parle pas souvent d’eux. Garantir la qualité des semences agricoles relève de leur mission. Ils inspectent les champs, les entrepôts de stockage et les marchés de semences pour voir si les normes imposées par la loi sont respectées. Ils élaborent ensuite une base de données des semences certifiées disponibles par région. Étant donné que toutes les semences doivent êtres certifiées, ces inspecteurs et contrôleurs semenciers aident les agriculteurs à porter plainte s’ils sont victimes d’infraction. Ils dénoncent des ventes clandestines de semences non certifiées. Ce genre de fraude peut coûter une mauvaise récolte et un préjudice économique aux cultivateurs selon le directeur par intérim du SOC, Rakotondrafara Onjatiana.

Mitàna anjara toerana goavana eo amin’ny sehatry ny fambolena ireo mpitsirika masomboly na dia tsy voaresaka firy ary. Izy ireo no miantoka ny kalitaon’ny masomboly ampiasaina eto amintsika. Mitsirika ny eny an-tsaha, mitsirika ireo masomboly tahiry sy ireo eny an-tsena no ataony amin’izany. Mamolavola tahirin-kevitra momba ireo masomboly ihany koa izy ireo, ary manampy ireo tantsaha hitory raha misy manao hosoka. Misy mantsy ireo mivarotra masomboly tsy voamarina, izay manimba ny fiharian’ireo tantsaha raha ny fanazavan’ny tale lefitra eo anivon’ny SOC, Rakotondrafara Onjatiana.

Manana mpitsirika masomboly 118 isika eto Madagasikara. Vaovao ny 22 amin’ireo.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter