La politique de gauche ou la politique de droite est un terme utilisé pour désigner une orientation politique. La politique de gauche associe généralement des valeurs comme l’égalité sociale, la justice économique, la liberté et tout autre changement social vers le progrès.
Tandis que la droite prône le conservatisme en véhiculant les valeurs traditionnelles comme l’identité nationale, la propriété privée, l’autorité etc.
Au milieu, les centristes qui essaient de dépasser cette structure.
En Europe, on utilise généralement le terme « de gauche » ou de « droite » mais aux Etats-Unis, on préfère dire « parti démocrate » et « parti républicain ». A Madagascar, la position des parties politiques, s’ils sont de gauche ou de droite, ne sont pas clairement définies ni prononcées explicitement.
Inona izany hoe politikan’an-kavia sa an-kavanana ?
Ny politikan’an-kavia de gauche, na politikan’an-kavanana, de droite, dia entina hamaritana ny firehan-kevitra politika iray. Ny politikan’an-kavia dia ireo mivoy ny fitoviana ara-tsosialy, ny rariny ara-ekonomika, sns, izany hoe makany amin’ny fivoarana ara-tsosialy kokoa sy mametraka ny fahafahan’ny tsirairay. Etsy an-daniny nefa ny politikan’an-kavanana dia mitazona ireo fomba amam-panao sy soatoavina, toy ny hoe maha izy azy ny mponina amina firenena iray, ny fanananao manokana, ny filaminana sns.
Eo anelan’elan’ireo anefa misy ny afovoany na centriste izay mihezaka ny tsy mijanona anatin’ny famaritana iray ny firehan-kevitra politika.
Any Eropa, amin’ny ankapobeny no tena ampiasana io hoe an-kavia” na “gauche” sy an-kavanana “droite” io. Any Etazonia kosa ny atao hoe “parti démocrate” sy ny “parti républicain” no ampiasaina kokoa. Eto Madagasikara dia tsy fantatra mazava tsara raha an-kavia na an-kavanana ny hevitra voizin’ny antoko politika iray.
La propagande est destinée à influencer l’opinion des citoyens à adhérer à une idéologie particulière afin qu’ils changent de comportement en faveur d’un parti politique ou d’un gouvernement de manière générale. Avec la propagande, les informations peuvent être biaisées ou déformées pour manipuler la foule. Elle peut être utilisée à des fins politiques ou sociales et même militaire. Quant à la campagne électorale, elle vise à organiser une série d’activité comme des débats, des discours, des publicités pour faire connaitre les idées ou les projets d’un candidat ou d’un parti en vue d’une élection. Avec la compagne, les citoyens sont libres de choisir contrairement à la propagande. Avec la propagande, ils sont forcés indirectement.
Inona no maha samihafa ny propagandy sy ny fampielezan-kevitra ?
Ny propagandy dia entina hitaritana ny sain’ny olom-pirenena hiandany amina hevitra iray ataona vondrona politika amin’ny ankapobeny. Mety ho fanahy iniana nodisoina na novaina ny vaovao haparitaka rehefa manao izay propagandy izay hametsifetsena ny olom-pirenena ary hitarihana azy hanaiky ny hevitra haparitaka. Azo hampiasaina amin’ny sehatra politika, sosialy ary miaramila izy ity. Ny fampielezan-kevitra kosa, araka izay anarany izay, ny hevitra no ahely. Ao anatin’izany dia manomana hetsika toy ny adi-hevitra, lahateny sy dokam-barotra hanaovana izany mba hampahafantarana ireo kandida na vondrona politika ao anatin’ny fifidianana. Malalaka ny safidin’ny olom-pirenena fa amin’ny propagandy kosa dia terena an-kolaka izy ireo amin’ny safidiny.
Reportage
Nous parlerons d'énergie mixte dans la première partie de l’émission Environnement. C'est un mélange de deux ou plusieurs énergies, provenant éventuellement de l'eau, du soleil, du vent, du pétrole ou des plantes. L'énergie issue du bois est la plus utilisée, suivie par le pétrole. L'utilisation des énergies renouvelables est inférieure à 1% selon le rapport du ministère de l'Énergie d'il y a 10 ans.
Interview
Nous aborderons de la baleine à bosse dans la deuxième de l’émission. Aina Ramanampamonjy de l'association Cétamada apportera plus d'informations sur ce trésor marin.
Actus
Nouvelle connaissance à connaître concernant l'environnement. La forêt de tapia dans la zone d'Itasy sera transformée en zone protégée communautaire et sera gérée par la communauté locale. Le premier Octobre à Andasibe a commencé la journée dédiée au plus gros singe ou babakoto, une race rare à Madagascar.
Reportage
Hiresaka isika momban’ny angovo mifangaro na mixte énergétique ato amin’ny fandaharana ato amin’ny tampany voalohany. Izy io dia fifangaroana angovo roa na maromaro, mety avy amin’ny rano, masoandro, rivotra, solika na zavamaniry. Ny angovo avy amin’ny kitay no be mpampiasa indrindra ary avy eo ny solika. Latsaky ny 1% ny fampiasana angovo azo havaozina raha ny tatitry ny ministeran’ny angovo 10 taona lasa izay.
Interiew
Hiresaka lohahevitra hafa mihintsy isika ato amin’ny tampany faharoa. Ny momban’ny trozona misy tafony na baleine à bosse no hasiantsika resaka. Hitondra fanazavana misimisy kokoa an’ity harena andranomasina ity i Aina Ramanampamonjy avy ao amin’ny fikambanana Cétamada.
Actus
Vaovao tsara ho fantatra mahakasika ny tontolo iainana. Havadika ho faritra harovana na aire protégée communautaire ny ala tapia any amin’ny faritra Itasy ka ho tantanan’ny vondron’olona ifotiny. Natomboka ny voalohan’ny volana oktobra tao Andasibe ny andro natokana ho an’ny varika lehibe indrindra na babakoto izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara.
Après l’accouchement, le corps des femmes change. Il y a par exemple le changement du muscle appelé Périnée. Il faut des activités pour y remédier grâce à l’exercice de Kigel. Sylvia, une mère de trois enfants qui pratiquait cet exercice durant plusieurs années en témoigne dans notre émission Santénaka. Amori, une coach sportive venant d’Afrique du sud va apporter plus d’explications à nos questions concernant l’exercice de Kigel dans la deuxième partie de l’émission.
Misy fihovana ny vatan’ny vehivavy rehefa avy miteraka. Isan’izany ny hozatry ny lalan-jaza izay ilaina hetsehina izy io amin’ny alalan’ny exercice de Kigel. Mijoro vavolombelona i Sylvia, renim-pianakaviana niteraka telo, izay nanao io fanatanjahan-tena io nandritra ny taona maro. Ao amin’ny tapany faharoa kosa no hamalian’i Amori, coach sportive avy any Afrika atsimo, ny fanontaniantsika mikasika io fanatanjahan-tena antsoina hoe exercice de Kigel io. Araho ary ny mombamomba izay ato anaty fandahara Santénaka.