ASCAM ou Association Sportive de Coopération des Aveugles Modernisés œuvre sur le bien-être sportif des personnes aveugles. L’association compose actuellement douze membres dont dix sont tous aveugles. Ils ont déjà participé au moins à 29 matchs de démonstration depuis 2019. Elle est actuellement présidée par Randriamananjatosoa Elsenne Son siège est à Antsirabe.
Ny « Association Sportive de Coopération des Aveugles Modernisés » na ny ASCAM dia fikambanana ivondronan’ireo olona manana olana ara-pahitana. Ny hampanaovana fanatanjahan-tena ireo olona ireo no tanjona amin’izany ka efa misy 12 amin’izao no mandrafitra izany. Efa manodidina ny 29 izao ny lalao nataon’izay ireo hatramin’ny 2019. Any Antsirabe no misy ny foibe ary i Randriamananjatosoa Elsenne no mitarika ny fikambanana.
La période hivernale a de l’impact sur la peau. Les femmes consacrent du temps à l’entretien de leur peau pour se protéger du froid comme le cas de Ravaka, elle a sa propre routine. Dr Lie, Pharmacien se spécialisant également dans le dermato cosmétique nous explique pourquoi notre peau est si fragile pendant l’hiver.
Miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoana ny ririnina isika. Anatin’izay ny hatsiaka sy ny fanala izay tena misy fiatraikany amin’ny hoditra. Ny vehivavy manokana dia isan’ny sarotiny amin’ny fikojakojana ny hodi-tava mandritry ny ririnina, ary efa samy manana ireo fikafika kely hikojakojany ny tarehiny amin’izany vanim-potoana izany. Hofantarin-tsika miaraka amin’ny DR Lie, mpivarotra fanafody no sady manam-pahazana momban’ny dermato cosmétique hoe maninona ary ny hoditra no miha makina rehefa ririnina.
Reportage
Les VOI ou Vondron’olona Ifotony sont les premiers responsables des forêts avoisinantes, qui abritent des plantes ou des bêtes sauvages endémiques de Madagascar. Ils assurent la sécurité avec les « polisin’ala » ou les policiers de la forêt. Ils peuvent exploiter la flore et la faune mais juste au premier niveau, c’est-à -dire dans la zone « zo nentimpaharazana ». Il existe deux autres niveaux plus éloignés des riverains : la zone de recherche et le noyau dur (là où se trouvent généralement les bêtes sauvages). Tera Fredo Gilbert et Randrianjaka Radolalaina, tous deux responsables de VOI nous expliquent comment ils vivent dans ces endroits-là .
Interview
Daniel Rafidimanana, enseignant-chercheur en biologie végétale à l’Université d’Antananarivo nous parle de l’importance de la présence de ces VOI dans le développement local.
Culture générale
Il existe 6 catégories d’aires protégées
Fanadihadiana
Ny Vondron’olona ifotony no tompin’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny ala manodidina, izay misy ireo zava-maniry sy biby dia tsy misy hafa tsy eto Madagasikara. Izy ireo no miaro ireo zava-manan’aina ireo amin’ny alalan’ny polisin’ala. Azon’izy ireo atao ihany ny mitrandraka ireo zava-manan’aina ireo fa misy fetrany ihany izany ary ao amin’ny faritry ny ala antsoina hoe zo nentim-paharazana, faritra akaiky indrindra ny olombelona. Misy anakiroa fanampiny io faritra zo nentim-paharazana io: ny faritra izay natokana hanaovana fikarohana fotsiny ary ny faritra izay anaty ala kitroka tsy azo aleha fa ao ireo biby dia no tena monina. Manazava ny fomba fianan’ireo VOI ireo i Tera Fredo Gilbert sy Randrianjaka Radolalaina, izay samy mpiandraikitra VOI avy.
Interview
Manazava ny maha-zava-dehibe ny fisian’ireo VOI ireo amin’ny fampandrosoana i Rafidimanana Daniel, mpampianatra mpikaroka momba ny haizavamaniry ao amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Fahalalana ankapobeny
Misy karazany 6 ireo faritra arovana
La corruption sexuelle dans le milieu scolaire est observée dès la classe de sixième ou au collège, rapporte l’ONG Tolotsoa et Transparency International Initiative Madagascar. Souvent, elle est utilisée dans le but d’avoir une meilleure note ou pour passer en classe supérieure. L’étude a démontré que sur les 8501 personnes questionnées, 62 % d’entre eux reconnaissent avoir su l’existence de la corruption sexuelle ou a déjà pratiqué ce type de corruption au moins une fois dans leur vie. Liantsoa Rakotoarivelo, responsable du projet de lutte contre la corruption au sein de Transparency International Initiative Madagascar, donne les détails dans l’émission.
Manomboka any amin’ny taona faha enina, eny amin’ny ambaratonga faharoa, dia efa isehoana trangana kolikoly ara-pananahana, araka ny fanadihadiana nataon’ny ONG Tolontsoa sy ny Transparency International Initiative Madagascar. Matetika dia mba hahazoana naoty tsara na hifindrana kilasy ambony no anton’izany. Fantatra ihany koa tamin’ireo olona 8501 nametrahana fanontaniana, ny 62% tamin’izy ireo dia nilaza fa efa naheno na efa nanao an’ity karazana kolikoly ity farafahakeliny indray mandeha tamin’ny fiainany. Hitondra fanazavana mahakasika izany ato anatin’ny fandaharana, i Liantsoa Rakotoarivelo, mpiandraikitra mahakasika ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar.
La CLRE, ou commission Locale de recensement des électeurs est une structure créée au niveau de chaque fokontany. Son rôle principal est d’établir les listes électorales qui vont servir pendant le scrutin.
En ce sens, elle se charge donc de recenser tous les citoyens ayant acquis les qualités exigées par la loi pour pouvoir voter.  La CLRE est composée du premier responsable du Fokontany, c’est-à -dire le chef fokontany et de deux à quatre autres représentants du Fokontany, chacun nommé par le démembrement de la CENI au niveau de chaque district.
Toujours sous la responsabilité du démembrement de la CENI, les membres auprès de cette structure font en sorte de recenser les électeurs en visitant chaque ménage pour collecter des données individuelles sur chaque électeur, comme son nom complet, date et lieu de naissance, date et lieu de délivrance de CNI, etc.
Mandritra ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana, inona no andraikitra sahanin’ny CLRE?
Ny vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy na CLRE dia rafitra iray apetraka eny anivon’ny isam-pokontany. Adidy lehibe hiandraketany ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izay hampiasaina mandritra ny fotoam-pifidianana.
Manisa ireo olom-pirenena rehetra mahafeno ny fepetra tokony hifidy izy araka izany. Ny tompon’andraikitra voalohany eny anivon’ny fokontany, izany hoe ny sefo fokontany, miaraka amin’ireo solontena 2 hatramin’ny efatra, tendren’ny rantsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika tsirairay no mandrafitra ny CLRE.
Eo ambany fiahian’ny CENI hatrany, midina ifotony ireo mpikambana ao amin’ny CLRE ireo mitsidika isan-tokantrano ary maka ny mbombamomba ny mpifidy rehetra, toy ny anarany feno, ny daty sy toerana nahaterahany, ny daty sy toerana nanaovana ny karapanondro sy ny sisa.