COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

L’exercice physique fortifie le cœur. Ainsi, il pourra pomper plus de sang dans l’organisme : propage l’oxygène et draine le sucre. Grâce à cela des maladies telles que les diabètes, les maladies cardio-vasculaires, les arthroses ou l’obésité. Selon les explications du docteur du sport Jimmy Rakotoerison, les jeunes peuvent participer aux tâches ménagères : brosser le parquet par exemple ; faire du footing ; faire de la marche rapide. Ce sont les membres inférieurs qui doivent bouger le plus, le reste suit automatiquement le mouvement.

Manamafy ny fo ny fihetseham-batana. Amin’izay izy afaka manaparitaka tsara ny ra any anaty vatana : manaparitaka ny oksizena sy mitroka ny siramamy. Voasoroka noho izany ireo aretina toy ny diabeta, aretin’ny fo sy ny lalan-drà, aretin’ny vanin-taolana ary ny hatavezana be loatra. Araka fanazavan’ny dokoteram-panatanjahan-tena, Rakotoerison Jimmy, afaka mandray anjara amin’ny raharaha ao an-trano ny tanora amin’izany toy fiborosiana trano ohatra, mihazakaza, mandeha haingana. Ny tongotra no tena mila hahetsika, ary manaraka ho azy ny ambiny amin’izany.

mardi, 16 mai 2023 13:42

Le Journal du 16 Mai 2023

  • Concours interuniversitaire d’art oratoire : les équipes malgaches en quarts de finale ce jour
  • Campagne de vaccination contre la poliomyélite : le succès dépendra du taux de couverture
  • Jeunesse africaine face aux crises humanitaires et changement climatique
  • Consommation de drogues injectables : 8,4% des malgaches porteurs de VIH sont concernés

  • Fifaninana fahaiza-mandaha-teny : niatrika ny ampahefa-dalana androany ireo ekipa malagasy
  • Hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra : hiankina amin’ny isan’ireo vita vaksiny ny fahombiazana
  • Ady amin’ny loza voajanahary eto Afrika : mamolavola paik’ady ireo tanora
  • Fitsindromana zava-mahadomelina : 8,4 % amin’ny malagasy mitondra ny tsimok’aretina VIH no voakasika

  • Enseignants FRAM : 168 nouveaux fonctionnaires dans la région Bongolava
  • Paludisme : Hausse des cas dans le district d’Amboasary Atsimo
  • Recyclage des déchets : les collégiens de Toamasina s’initient à leurs transformations

  • Mpampianatra FRAM : miisa 168 ireo voaray ho mpiasam-panjakana any Bongolava
  • Tazomoka : niakatra ny tahan’ireo voa any Amboasary Atsimo
  • Fanodinana ny fako : mianatra mamadika izany ho azo ampiasana indray ny mpianatra ao Toamasina

La loi organique relative au régime général des élections et des referendums, définit que le vote se fait seulement pendant le jour de scrutin. C’est la CENI qui propose la date et au gouvernement de le valider.  Le scrutin est ouvert à six heures et clos à dix-sept heures. C’est au cours de ces quelques heures que les différents observateurs peuvent voir directement le déroulement du scrutin et contribuent au contrôle des bulletins de vote.

Une fois que le vote est terminé, le bureau de vote passe directement au dépouillement. Le dépouillement est ouvert public et doit être obligatoirement effectué dans un bureau de vote ouvert. 

  • Aux membrex de BV de dresser publiquement le PV incluant le nombre de votants ce jour qu’il faudra comparer avec le nombre de vote. Si les deux chiffres ne sont pas compatibles, on doit le mentionner dans le PV
  • Le PV doit etre signé au moins par 3 membres du bureau de vote avant de l’envoyer au SRMV
  • Le président du BV déclare publiquement le résultat et l’affiche au BV

Inona avy no atao mandritra ny androm-pifidianana ?

Ny andro hanaovana ny fifidianana dia efa voafaritra mialoha, daty natolotry ny ceni ary nankatoavin’ny governemanta. Manomboka amin’ny enina maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny ora hanaovana ny fandatsaham-bato. Anatin’io fotoana io no ahafahan’ny mpanara-maso rehetra mahita mivantana ny fizotran’ny fandatsaham-bato.

Aorian’ny amin’ny 5 ora dia miditra amin’ny fanisam-bato. Azon’ny rehetra atrehina izany ary tsy maintsy hatao amina efitrano misokatra ny varavarana ary vakiana amin’ny feo mafy sy miadana tsara ny safidy anaty vato iray.

  • Ny mpikamban’ny biraom-pifidianana no manao ny fitanana an-tsoratra ny isan’ny mpifidy tonga tao izay tokony hitovy amin’ny isan’ny vato ihany koa. Raha sanatria tsy mifanandrify ireo dia tsy maintsy marihina ao anatin’ny fitanana an-tsoratra.
  • Ambaran’ny filohan’ny biraom-pifidianana amin’ny vahoaka tonga ao ny voka-pifidianana
  • Soratana eo imasom-bahoaka ny fitanana an-tsoratra, soniavin’ny mpikambana telo amin’ny biraom-pifidianana alefa any amin’ny SRMV

Oui cela peut se faire par tout le monde y compris les autorités administratives et judiciaires, aux organisations non gouvernementales, associations ou groupements agréés en matière d’éducation civique et d’observation des élections ainsi que les partis politiques, mais toujours dans les 20 jours après le dépôt de la liste électorale au bureau du Fokontany.

Les réclamations formulées verbalement ou par écrit sont reçues au bureau du Fokontany et inscrites sur un registre spécial.

Si les réclamations sont fondées, la Commission locale transmet sa décision au niveau du District.

En cas de rejet, la Commission locale de recensement des électeurs doit motiver sa décision.

L’électeur dont l’inscription a été contestée, est averti, et peut présenter des observations dans un délai de dix jours après l’avertissement, sous peine d’irrecevabilité.

Le réclamant peut saisir le Président du Tribunal de première instance par lettre ou déclaration dans un délai de cinq jours à compter de la notification de la décision de la commission.

Azo atao ve ny manala olona tsy ho ao anaty lisim-pifidianana ?

Eny, afaka manao izany na iza na iza, anisan’izany ny tompon’andraikitra ara-pitantanana sy ara-pitsarana, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, fikambanana na vondrona ankatoavina amin’ny fanabeazana olom-pirenena sy ny fanaraha-maso ny fifidianana ary koa ny antoko politika, saingy ao anatin’ny 20 andro hatrany.

Ny fitarainana atao am-bava na an-tsoratra dia aterina eny amin’ny biraon’ny Fokontany ary atao anaty rejisitra manokana.

Raha ara-drariny ny fitarainana, ny Vaomiera eo an-toerana dia mampita ny fanapahan-keviny any amin'ny distrika.

Raha misy ny fandavana dia tsy maintsy manamarina ny fanapahan-keviny ny Vaomiera.

Ampandrenesina ilay mpifidy kasaina esorina ary afaka manolotra fanamarihana ao anatin'ny folo andro aorian'ny fampahafantarana izy, tsy azo raisina intsony izany raha tara io fepotoana io.

Tout citoyen qui ne figure pas sur la liste électorale peut, dans un délai de vingt jours après l’affichage de l’avis de dépôt de la liste électorale au bureau du Fokontany, demander son inscription. L’absence de vérification dans le délai imparti entraîne la perte de tout droit à réclamation de l’inscription sur la liste électorale. Toutefois, l’électeur qui, auprès de la Commission locale de recensement des électeurs à laquelle il est rattaché, n’a pu vérifier son inscription, est admis à faire valoir son droit à réclamation.

Le citoyen dont la réclamation est rejetée par la Commission locale de recensement des électeurs dispose d’un délai de quinze jours à compter de la notification de la décision de rejet, pour formuler sa contestation devant le Tribunal de première instance du ressort qui est saisi par simple lettre ou déclaration déposée auprès de son greffe. Le Président du Tribunal de première instance statue par ordonnance dans un délai de dix jours au plus tard.

Ahoana no atao raha tsy anaty lisi-pifidianana ny anarako?

Afaka mangataka ny hanoratana ny anarany anatin’ny lisi-pifidianana avokoa ny olona rehetra izay tsy ao anaty lisi-pifidianana ny anarany nandritran’ilay roapolo andro natao hanamarinana ny anarana eny amin’ny fokontany. Very kosa ny zo fahafahana mangatam-panitsiana sy hanoratana ny anarana amin’ny lisi-pifidianana raha toa ka tsy tonga nanamarina ny anarana nandritran’ny fepotoana voafaritra. Raha nisy kosa anefa tsy fahafahana nanao izany dia afaka manome alalana hangatam-panitsiana ihany.

Raha toa kosa ka nolavina tanteraka anefa ny fangataham-paintsiana dia manana 15 andro nanomboka tamin’ny fampahafantarana ny fandavana ny mpifidy iray hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ao anatin’ny folo andro fara fahatarany ny eny anivon’ny fitsarana no mamaly ny fangatahana.

À Mahajanga, les jeunes travaillent dans le secteur du transport en bajaj. 80% des conducteurs de bajaj sont des jeunes d’après le rapport de la commune. Nous allons parler de ce secteur d’activité dans l’émission Ketrika sy Kandra. Suivez le reportage auprès des jeunes conducteurs et le responsable de transport à Mahajanga.

Sehatr’asa isany mahasarika ny tanora eto Mahajanga ny fitaterana amin’ny bajaja. Tanora avokoa ny 80% ny mpitondra bajaja araky ny antontan’isa nomen’ny commune. Iresaka ny mahakasika izay isika ato anatin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra. Araho ary ny resadresaka nifanaovanay tamin’ny tanora sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitaterana any an-toerana.

lundi, 15 mai 2023 13:13

Le Journal du 15 Mai 2023

  • Filière black eyes : l’exportation sur le marché européen est menacée
  • Code minier : les propositions des organisations de la société civile sont acceptées
  • Accès au marché de l’emploi à Madagascar : les jeunes diplômés manquent de réseautage
  • Seuls les électeurs inscrits avant le 9 mars, devront être affichés dans de la liste électorale provisoire

  • Fanondranana lojy : ahiana ho voasazy eo amin’ny tsenam-barotra eropeanina ny vokatra malagasy
  • Lalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany : nekena ny tolo-kevitry ny firaisamonim-pirenena.
  • Fahazahoana asa eto Madagasikara : tsy ampy fanorenana tambazotra ireo tanora vao nahazo mari-pahaizana
  • Izay nisoratra anarana talohan’ny 9 martsa ihany no mbola anaty lisi-pifidianana amin’izao

  • Electricité : Androy et Anosy font parties des bénéficiaires du projet DECIM
  • Police municipale : 15 nouveaux recrus dans le district de Mananjary
  • Détérioration des routes : hausse du prix de l’ail à Mandritsara
  • Artisanat : distribution de carte professionnelle à Nosy be et Ambilobe

  • Herinaratra : hisitraka ny tetikasa DECIM ny faritra Androy sy Anosy
  • Polisy monisipaly : 15 no noraisina ao amin’ny distrikan’i Mandritsara
  • Fahasimban’ny lalana : niakatra ny vidin’ny tongolo gasy ao Mandritsara
  • Asa tanana : fizarana karatra maha matihanina tao Nosy be sy Ambilobe

Le village d’Ivavaka, commune urbaine Morarano, district Amparafaravola produit environ 6000 tonnes de riz sur 2 000 hectares de rizière par an. Dans ces derniers temps, les paysans ont rencontré des difficultés à arroser les rizières, faute d’eaux. Seul un quart de ces surfaces à cultiver ont de quantité d’eau suffisante. C’est pourquoi la fédération Miara Mirindra a été instaurée. Il œuvre donc sur la  gestion d’eau.

Tanàna iray sompitry ny vary ny tananan’Ivakaka, ao amin’ny kominina Ambanivohitra Morarano disitrikan’Amparafaravola. Isan-taona dia mampiakatra vary maherin’ny 6000 taonina amina velaran-tany 2000 hektara ireo tantsaha ao an-toerana. Tato ato anefa dia misedra olana amin’ny fahazoana rano izy ireo ka ny ampahefatry ny tanimbary ihany no mahazo rano ara-dalana. Noho izany indrindra no itsanganan’ny federasiona Miara Mirindra mba ahafahana mitantana ny rano.

Même si Madagascar a été certifié exempt de polio en 2018, plus de 200 cas ont été recensé depuis 2020. Selon les explications du Docteur Damoela Randriatsimaniry, c’est le virus de la polio sauvage qui a été éradiqué. Ce virus qui fait ravage actuellement est le virus issu du vaccin contenu dans les selles, devenu plus fort une fois dans l’environnement. Etant donné que le vaccin de la polio s’ingurgite, il passe par le tube digestif et fini dans les selles. La défécation à l’air libre favorise alors la prolifération du virus. Pour cela une campagne vaccinale partout dans les 23 régions est de mise pour lutter contre ce fléau. Les explications de la technicienne en promotion de la santé au niveau du ministère de la santé, Diary Narindra Rasoanaivoniaina nous parle alors de 5 campagnes. Mais la première campagne, qui se déroulera du 16 au 19 mai 2023 ne concerne que les enfants de moins de 5 ans. Cette campagne s’accompagne d’une lutte contre la défécation à l’air libre.

Na dia efa voambara ary fa tsy misy polio intsony eto Madagasikara nanomboka ny 2018, tranga maherin’ny 200 no hita hatramin’ny 2020. Araka ny fanazavana nomen’ny Dokotera Randriatsimaniry Damoela, tsy ilay tsimokaretina voalohany intsony io na ilay antsoina hoe virus sauvage fa ilay tsimok’aretina avy amin’ny vaksiny hita ao anaty maloto, izay mihamahery rehefa eny ankalamanjana. Noho io vaksiny atete ao ambava io moa dia manaraka ny taovam-pandevonan-kanina izy ary tafavoaka any amin’ny maloto. Ny fanaovana maloto an-kalamanjana no tena mampihanaka ity aretina ity. Noho izany dia misy ny fanaovam-bakisiny faobe manerana ny faritra 23. Araka ny fanazavan’ny teknisianina momba ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo an’ivon’ny ministeran’ny fahasalamana, Rasoanaivoniaina Diary Narindra, misy fanaova-bakisiny faobe miisa 5. Ny andiany voalohan dia ny 16 hatramin’ny 19 may 2023 ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Miaraka amin’ny ady atao amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana moa ity fanaovam-bakisiny faobe ity.

Notre corps a besoin de vitamine E. Elle joue le rôle d’antioxydant. Dans quel aliment peut-on en trouver ? Britney Rasolonirina, responsable recherche auprès de l’office nationale de nutrition nous en dit plus.

Singa iray mahasalama ny vatana, ny vitamine E. Manampy ny vatana amin’ny fahanteran’ny sela izy io ka manolo izay sela efa simba antsoina hoe antioxydant araka izany. Hilain-tsika amin’ny fiainana andavanandro io vitamine E io. Hilaza ny tsara ho fatatra amin-tsika i Britney Rasolonirina, mpiandraikitra momba ny fikarohana eo anivon’ny ONN.

Les écrans envahis notre quotidien. Certains parents les choisissent pour divertir leur bébé. D’autres parents préfèrent plutôt que leurs enfants fassent des activités physiques. L’exposition du bébé aux écrans présente-t-elle un risque ? Dr Tovohery, pédiatre nous partage ce qu’il faut savoir et faire ?

Misy ireo ray aman-dreny misafidy ny ampijery ny zanany na ampilalao azy téléphone na tablette na ordinateur ankoatran’ny télé. Misy koa anefa no misafidy fomba hafa. Inona ary ny tsara ho fantatra momba izany, hamaly an-tsika Dr Tovohery, mpitsabo zazakely.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter