COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

vendredi, 19 mai 2023 10:44

Rétention urinaire et fistule

On parlera de la difficulté d’uriner ou dysurie dans le programme de santé. La personne est pressée mais est incapable d'uriner ou attend un long moment. Qu'est-ce qui pourrait en être la cause et que faut-il faire. Il y a aussi des gens qui ont du mal à retenir leur urine. Quelle est cette maladie et qu’est-ce qui la provoque ? Le médecin nous donne plus de détails.

Loha-hevitra mikasika ny fahasarotana rehefa mamany indray no horesahin-tsika ato amin’ny fandaharana momban’ny fahasalamana. Poritra ilay olona nefa tsy mahavita mamoaka pipi na miandry fotoana maharitra. Inona no mety mahatonga izay ary inona no tokony hoatao. Misy koa nefa ny olona manana aretina mamany lava, izany oe mipipi isaky ny mihetsika na tsy mahatana izany mihintsy aza. Manazava ny mahakasika izay ny mpitsabo.

vendredi, 19 mai 2023 10:16

Qu'est-ce que le blépharospasme ?

Le sujet dont nous parlons dans le programme concerne la santé des yeux. Il y a des moments où nos paupières bougent. On appel ce phénomène Blépharospasme. Quelle pourrait en être la raison et que faut-il faire ? Dans la deuxième partie, nous reparlerons de la thyroïde avec le médecin.

Mahakasika ny fahasalaman’ny maso indray ny loha-hevitra resahin-tsika ato amin’ny fandaharana. Misy fotoana mihetsiketsika ny hodi-mason-tsika. Inona no mety ho anton’izany ary inona no tokony hatao ? Hiresaka momban’ny takodimena indray isika ao amin’ny tapany faharoa miaraka amin’ny mpitsabo.

Nous parlerons des causes du gonflement des pieds dans le programme sans se blesser. Selon le médecin, ce n'est pas une maladie mais un symptôme. Il y aura également des informations apportées par le médecin sur l’engourdissement du corps.

Ny antony mahatonga ny tongotra mivontovonto no horesahin-tsika ato anatin’ny fandaharana akoatran’ny oe folaka na voadona. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia tsy aretina akory ilay izy fa fambaran’aretina. Hisy ihany koa fanazavana entin’ny mpitsabo mahakasika ilay volivoly iny ny vatan-tsika.

L’exercice physique avant l’accouchement devrait se faire au 6eme mois de grossesse. A ce stade, la grossesse devient lourde à porter par la mère. Des douleurs peuvent subvenir au niveau du ventre et du bassin. Selon la sage-femme Henintsoa, spécialiste en préparation d’accouchement. Une femme enceinte ne doit pas pratiquer ces exercices sans ordonnance du médecin si elle présente une menace à l’accouchement, c’est-à-dire que le col est en train de s’ouvrir. Elle préconise également de fréquenter les lieux spécialisés pour effectuer ces exercices.

Eo amin’ny faha-enimbolana no tokony hatao ireo fanazaran-tena sy ny fanetseham-batanana ataon’ny vehivavy bevohoka. Eo amin’io fotoana io no manomboka mavesatra ny kibo sy ny fitombenana. Mety hahare marary ihany koa eo amin’ireo faritra ireo sy amin’ny lamosina. Araka ny fanazavan’ny Rasazy Henintsoa, mampianatra manokana ny fanoavana ireo fanetseham-batana ireo. Tsy avelan’ny dokotera manao io fanazaran-tena io ny vehivavy bevohoka rehefa mitady hisokatra ny vozon’ny tranon-jaza. Milaza ihany koa izy fa tsy maintsy manantona toerana manokana rehefa te hanao ireo fanetseham-batana ireo.

vendredi, 19 mai 2023 08:26

Boost énergie et ostéoporose

Avoir une bonne énergie pour toute la journée est vitale. Il est nécessaire et recommandé de la boostée par une bonne alimentation. L’activité physique aussi tient une place importante pour avoir la forme.

Nous parlerons de la maladie des os ou ostéoporose dans un deuxième temps. Nous évoquerons les raisons qui provoquent cette maladie, quels sont les symptômes et quels sont les différents traitements possibles ?

Ilaina ary maro ny fomba hampitomboana ny hery hiatrehana ny tontolo andro. Voalohany amin’izany ny resaka ara-tsakafo. Eo ihany koa ny lafiny ara-batana.

Hiresaka ihany koa isika mikasika ny aritin’ny taolana na koa oe ostéoporose. Ho fantarin-tsika ny mety mahatonga izany, ny fisehon’ny aretina ary ny fitsaboana tokony arahina.

Les chouchoutes présentent de nombreux bienfaits. C’est l'un des légumes le plus riche en vitamine C. La chouchoute est à consommer régulièrement pour les personnes qui veulent perdre du poids car elle absorbe l'eau et l'huile dans notre corps. Elle est aussi conseillée pour les femmes enceintes et les personnes ayant un problème de santé des os grâce aux vitamines K qu’elle apporte.

La différence entre la médecine traditionnelle et la pharmacopée. Nous aborderons ces deux sujets dans notre émission Santénakà.

Maro ny voka-tsoa entin’ny sosety. Isaky ny fahavaratra no mahavokatra be azy ity. Isan’ny legioma manan-karena vitamina C. Tsara hoanina matetika ny sosety ho an’ny olona maniry hanena tena satria mitroka ny rano sy menaka anatin’ny vatan-tsika izy ity. Tena tsara ihany koa izy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka ary mety amin’ny fahasalaman’ny taolana izy.

Ny fitsaboana nentim-paharazana dia tsy mitovy amin’ny atao hoe pharmacopée. Ho resahintsika ireo loha-hevitra roa ireo atao anaty fandaharana Santénakà.

Un bulletin de vote unique veut dire qu’un seul bulletin de vote est utilisé durant l’élection, regroupant les candidats de différents partis politiques. Il s'agit d'un formulaire papier officiel qui contient les noms et les photos des candidats ainsi que les symboles de leur parti politique.

Ce système de vote est utilisé à Madagascar depuis les élections de 2013, pour remplacer le vote à bulletins multiples où chaque candidat avait son propre bulletin individuel.

Selon la loi sur les élections et les referendums, le modèle de bulletin unique avec ses caractéristiques est déterminé par la CENI pour chaque catégorie d’élection.  Les candidats aux élections sont tenus à verser une contribution aux frais d’impression des bulletins uniques, dont la quittance de versement doit être jointe au dossier de candidature. L’État rembourse la contribution des candidats ayant obtenu au moins dix pour cent (10%) des suffrages exprimés.

Inona no atao hoe bileta tokana ?

Ny biletà tokana dia fomba fandatsaham-bato izay vato tokana no ampiasaina amin'ny fifidianana ka mampivondrona ireo kandidà avy amin'ny antoko politika samihafa. Taratasy ofisialy misy ny anarana sy ny sarin'ireo kandidà tsirairay ary koa ny mariky ny antoko politika misy azy.

Tamin’ny fifidianana 2013 no nanomboka nampiasaina teto Madagasikara ny bileta tokana. Raha toa samy nanana ny biletàny avy ny kandidà tsirairay talohan’izay.

Araka ny lalàna momban’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka dia ny CENI no mamaritra ny firafitry ny bileta tokana arakarak’izay fifidianana hatao. Tsy maintsy mandoa latsakemboka amin’ny vidin’ny fanontana ireo biletà tokana, ny kandidà rehetra amin’ny fifidianana. Ampiarahana amin’ny antontan-taratasy fangatahana hirotsaka ho kandida ny tapakila nandoavana izany latsa-kemboka izany. Averin’ny fanjakana amin’ireo kandida ny latsakemboka raha toa ka nahazo vato folo isanjato farafahakeliny tamin’ny fifidianana izy ireo.

Dans un bureau de vote, différentes personnes sont généralement présentes pour garantir le bon déroulement du processus électoral, qui sont :

- Le Président du bureau de vote : Il est responsable de la supervision générale du bureau de vote. Il s'assure que les procédures sont respectées, que les électeurs sont enregistrés correctement et que le vote se déroule de manière transparente.

- Le Secrétaire du bureau de vote : Il assiste le président dans ses tâches administratives, notamment la tenue des registres, la gestion des bulletins de vote et la rédaction des procès-verbaux.

- L’Assesseurs : Ce sont des représentants des différents partis politiques ou des candidats en lice. Ils sont présents pour surveiller le processus électoral et veiller à ce qu'il soit équitable. Chaque parti ou candidat peut nommer un ou plusieurs assesseurs.

- Le Contrôleur : Il est désigné par la Commission Électorale Nationale Indépendante (CENI) et veille à la régularité des opérations de vote dans le bureau de vote.

On y trouve aussi des Agents de sécurité qui sont chargés de maintenir l'ordre et la sécurité à l'intérieur et autour du bureau de vote.

Et Bien sûr, les électeurs eux-mêmes qui sont présents pour exercer leur droit de vote.

Amin'ny ankapobeny, iza avy ireo olona tokony ho hita ao anatin’ny biraom-pifidianana amin’ny andron’ny fifidianana ?

Tomponandraikitra samihafa no tazana eny amin’ny biraom-pifidianana izay miantoka ny fampandehanan-draharaham-pifidianana. Ireto avy izy ireo :

- Filohan'ny biraom-pifidianana : Izay miandraikitra ny fanaraha-maso ankapoben'ny biraom-pifidianana. Mijery hoe voahaja tsara ny fomba fiasa, voasoratra ara-dalàna ny mpifidy ary ao anatin’ny mangarahara ny latsa-bato.

- Ny Mpitan-tsoratry ny birao fandatsaham-bato izay manampy ny filoha amin’ny asany ara-pitantanana, indrindra ny fitahirizana ny rejisitra, ny fitantanana ny latsa-bato ary ny fandrafetana ny fitanana an-tsoratra.

Ireo mpandinika na assesseur : Solontenan’ny antoko politika na kandidà isan-karazany mirotsaka an-tsehatra ireo. Eo izy ireo manara-maso ny fizotran’ny fifidianana sy miantoka ny fahamarinan’izany. Ny antoko na ny kandidà tsirairay dia afaka manendry solontena iray na maromaro.

Ny Mpanara-maso : izay tendren’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) ary miantoka ny fampandehanan-draharaham-pifidianana ao amin’ny biraom-pifidianana.

Misy ihany koa ireo mpitandro ny filaminana miandraikitra ny filaminana ao anatin’ny biraom-pifidianana sy ny manodidina.

Ary mazava ho azy fa ireo mpifidy izay hita eny amin’ny biraon’ny fifidianana ihany koa ary mampiasa ny zony hifidy.

mercredi, 17 mai 2023 14:14

Le Journal du 17 Mai 2023

  • L’Ile Maurice à la présidence de la Commission de l’Océan Indien : les jeunes seront intégrés dans les programmes du nouveau président
  • Lutte contre la pêche INN : une nouvelle initiative de l’Union Africaine
  • A Madagascar, près de 40% des adultes sont hypertendus
  • Propagation de la drogue héroïne : la réinstauration d'une structure nationale de lutte est nécessaire

  • Ny Nosy Maorisy no filohan’ny kômisionan’ny ranomasimbe indianina : ho tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoha vaovao ireo tanora
  • Fiparitahan’ny zava-mahadomelina rôrô : ilaina ny fametrahana rafitra nasionaly hiadiana amin’izany hoy ny fiarahamonim-pirenena
  • Ady amin’ny jono vaventy tsy ara-dalàna : nametraka paik’ady vaovao ny vondrona afrikana.
  • Ny 40 isan-jaton’ny olon-dehibe eto Madagasikara no tratran’ny fiakaran’ny tosi-drà

mercredi, 17 mai 2023 13:26

Sifflet du 17 Mai 2023

  • Football : le club du FC NISI représentera Madagascar pour le tournoi international de football U13 Mondial Pupilles
  • Rugby : Jeanne Marie Louise rejoint l'équipe malgache pour la CAN 2023
  • Football : le tournoi régional « coupe omby 20 » se tient dans la région de Sofia
  • Basket-Ball : Rémi RAMBELOSON, l'ancien président de la FMMB, s’en est allé

  • Baolina kitra : ny klioba FC NISI no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Mondial Pupilles
  • Baolina lavalava : anatevin-daharana ny ekipa malagasy i Jeanne Marie Louise ho an’ny CAN 2023
  • Baolina kitra : fanantaterahana coupe omby 20 ato amin’ny farita Sofia
  • Baolina baskety : nodimandry i RAMBELOSON Remi ny filohan’ny FMMB teo aloha
mercredi, 17 mai 2023 12:46

Le Journal des régions du 17 Mai 2023

  • Vaccin contre la Polio : baisse du taux d’intérêt des parents dans la région Amoron’i Mania
  • Construction de route reliant Maroantsetra et Mandritsara : environ 75km déjà terminés par l’initiative de jeunes citoyens
  • Bajaj : augmentation du frais de transport à Ihosy

  • Vaksiny miady amin’ny lefakozatra : nidina ny taham-paharisian’ny ray amandreny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania
  • Fanamboaran-dalana mampitohy an’i Maroantsetra sy Mandritsara : 75 km no efa vitan’ny tanora any an-toerana
  • Bajaj : niakatra ny saran-dalana ao Ihosy

La Restauration rapide, bouffe rapide, Zai-maika permettent aux clients de consommer les plats commandés ou de les emporter. Ils se distinguent par la rapidité des services. Chaque consommateur a leur point de vue concernant la restauration rapide. Le coach en nutrition Harimanga nous en dit plus sur ce qu’il faut savoir sur ces aliments et comment préserver la santé.

Restauration rapide, bouffe rapide, fast food, Zai-maika, samy ahitana tolotra sakafo na gouter tonga dia vonona afaka ho hanina eo avokoa ireo. Misy antony maro no mahatonga antsika mpanjifa manantona ireny. Maro ny hevitra momba ny fiatraikany amin’ny fahasalamana. Hanazava amin-tsika ny tsara ho fantatra sy ny fikajiana fahasalamana amin’ny fihanana azy ireny Harimanga, coach en nutrition.

Le TDI se caractérise par des pertes de mémoire et des flashs qui reviennent subitement. Même avec plusieurs identités, la personne atteinte est capable de les dissocier. Ces états de conscience se succèdent et s’échangent même entre eux, et sont surnommés par le personnage principal. Ils peuvent apparaître dans différents moment de la journée, comme rester à la maison, ou aller au travail ensemble. La psychologue clinicienne Holitiana Rajaonarivony nous éclaircit à ce sujet.

Amin’ny alalan’ny tsy fitadidina, sy fisian’ny tamberina tampoka matetika no hahafantarana ny olona voan’ny TDI na fikorontanana ara-tsaina. Na dia maromaro aza ny maha izy ao anatin’ilay miaina izany, dia afaka manavaka azy ireo ilay olona voakasika. Ireo toe-tena samihafa ireo dia mahay mifanaraka ary afaka mifampiresaka mihitsy aza. Ilay tompon’ny vatana kosa no manome ny anaran’ny tsirairay. Afaka miseho amin'ny fotoana samihafa mandritra ny andro iray izy ireo, toy ny mijanona ao an-trano, na miara-miasa. Holitiana Rajaonarivony Psychologue clinicienne no mitondra fanazavana momba izay.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter