La toilette sèche ou toilette est une latrine qui n’utilise pas de l’eau mais plutôt une litière. C’est pour récupérer les selles pour en faire du compost. Rajaoarifidy Vorihery utilise des poudres pins pour éliminer l’odeur. Certes, le déchet fécal humain en étant engrais biologique apporte beaucoup d’éléments nutritifs pour les plantes. Mais cela pose des grands risques : les microbes peuvent se transmettre pour ce qui va le préparer, des éléments nuisibles peuvent atteindre les aliments.
Ny « toilette sèche » dia tsy mampiasa rano na lavaka fa tatazana amina fitaovana ny maloto, totofana ary taterina atao zezika. Vovo-kazo no hampiasain’i Rajaoharifidy Vorihery mba tsy hampisy fofona mihitsy ilay lava-piringa. Mamokatra haingana be ny zava-maniry raha ampiasana zezik’olona. Tsy mety amin’ny fahasalamana kosa anefa izy fa mifindra amin’ny olombelona ireo mikraoba sy aretina ao anatiny eo am-pikirakirana ilay zezika. Afaka mifindra ao anatin’ny sakafo koa izany.
A Mandritsara, au Nord-Est de Madagascar, vivent Christophe ayant un handicap physique dû à la poliomyélite, et Méliane qui quant à elle, est née avec une malformation congénitale. Certes, des cas fréquents, mais leurs témoignages nous rappellent les difficultés quotidiennes auxquelles ils devront faire face. Avec le soutien de leurs proches, ils ont fini par accepter cette différence et continuent malgré tout de faire valoir leurs droits. Le médecin inspecteur SDSP Mandritsara Jackie Randrianarisoa nous fait découvrir les causes et les traitements du handicap physique.
Any Mandritsara, any Avaratra Atsinanan’i Madagasikara, no monina i Christophe, izay manana fahasembanana ara-batana noho ny lefakozatra, sy i Méliane, manana fahalemena amin’ny tongotra efa hatrany ambohoka. Tranga fahita matetika ireo fa ny fijoroana vavolombelona ataon'izy ireo dia mampahatsiahy an-tsika ny fahasahiranana lalovany isan’andro. Noho ny fanohanan'ireo olona akaiky azy ireo, dia nanaiky izany fahasamihafana izany izy ireo ary manohy ny fitakiana ny fanajana ny zony. Mampahafantatra an-tsika ny antony sy ny fitaizana vatana tokony atao manoloana ny fahasembanana ara-batana izay, ny médecin inspecteur SDSP Mandritsara Randrianarisoa Jackie.
Au début, 34 pays internationaux ont participé au concours interuniversitaire de La Haye en art oratoire. Ils sont 4 actuellement à affronter la demi-finale. Madagascar, représenté par l’Université Catholique de Madagascar et l’Université d’Antananarivo fait partir de ces équipes. Selon le comptage des points, les équipes malgaches sont considérées fortes parmi ces demi-finalistes. Tout au long du débat, la réactivité de l’équipe, ainsi que la qualité de raisonnement, et la qualité de l’éloquence ont été appréciées par les juges.
Oniversite 34 no nandray anjara tamin’ilay fifaninana momban’ny fahaiza mandaha-teny izay nataon’ny oniversiten’ny La Haye. Efatra sisa izy ireo amin’izao hiatrika ny manasa-dalana ary isan’izany ireo ekipa malagasy roa avy amin’ny Oniversiten’Antannarivo sy ny Univérsité Catholique de Madagascar. Raha ny isa azo hatreto dia voasokajy ho isan’ireo ekipa mafy ny ekipe Malagasy. Ny fahaizan’izy ireo mamaly ny mpifanandrina, sy ny fahaizany mandalina ary ny haiteny hoentiny anatin’ny ady hevitra no tena maharesy lahatra ny mpitsara.
De nombreuses personnes aspirent à un meilleur équilibre entre leur vie professionnelle et leur vie privée, ou veulent juste s’épanouir dans leur travail. Ce sont des raisons parmi tant d’autres qui poussent les professionnels à changer de poste, ou à vouloir travailler dans un tout autre domaine. Quelles sont ces raisons qui entraînent une reconversion professionnelle ? Quelles étapes pour y arriver et à quels défis doit-on s’attendre ? Réponse avec le témoignage d’une ancienne caissière dans une banque, reconvertie au commerce sur terrain, et d’un coach en développement personnel.
Maro ny olona te handanjalanja kokoa ny asany sy ny fiainany manokana, na te hivelatra kokoa eo amin’ny asany. Antony ao anatin’ny maro hafa mety mahatonga ny mpiasa hiova asa ireo, na hiasa amin’ny sehatra hafa mihitsy. Inona avy ireo antony mety mahatonga ny fiovana asa sy sehatr’asa na « reconversion professionnelle » ? Inona avy ny dingana arahina sy ireo fanamby mety ho atrehin’ireo izay te hirotsaka ao anatin’izany ? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny fijoroana vavolombelon’ny mpiasan’ny banky iray, izay lasa ao amin’ny tontolon’ny varotra ankehitriny, ary coach amin’ny resaka développement personnel iray.
Cela fait 10 ans que les agriculteurs des 7 communes de la régions Bongolava produisent des semences de bonne qualité : riz et haricot. Actuellement 450 agriculteurs travaillent dans le secteur alors qu’au début ils n’étaient que 6. Nous avons parlé avec un technicien en agriculture concernant les semences. Nous vous partageons également le témoignage d’un agriculteur qui utilise les engrais biologiques. Très peu des agriculteurs de la région de Bongolava utilisent les engrais biologiques.
10 taona mahery izao ny commune 7 ato amin’ny faritra Bongolava no namokaran’ny tantsaha ny masom-boly tsara kalitao toy ny vary sy tsaramaso. Misandrahaka amina tantsaha maherin’ny 450 eo ny asa ankehitriny raha 6 fotsiny izany tany ampiandohana. Hiresadresaka amina teknisianinan’ny fambolena isika atao anatin’ny fandaharana. Hiresaka ihany koa isika momban’ny zezika biolojika. Araho ato anaty Ketrika sy Kandra ary ny tafatafa nifanaovana tamina tantsaha.
Bebeto, Rudo et Dino sont des jeunes peintres d’Ambilobe mais qui travaillent à Nosy Be. Nous avons eu un entretien avec eux et ils nous partagent leur méthode de travail avant de produire une œuvre d’art. Ils exposent leurs œuvres dans leur cour. Nous tenons à préciser qu’ils sont autodidactes.
Dans la deuxième partie de l’émission, nous vous partageons l’entrevu avec Rafaly. Originaire de la capitale, il est à Nosy Be depuis près de 20 ans pour le travail. Il a actuellement un salon de coiffure et travaille à son compte.
Ny sehatr’asa hoso-doko indray no hiompanan’ny fandaharana Ketrika sy Kandra androany. Tanora mpanao hoso-doko aty Nosy Be ry Bebeto, Rudo ary Dino. Mampiranty ny asa-tanany eo antokon-taniny izy ireo. Tsy nianatra manokana momba ny sary izy ireo fa nampiana-tena. Avy any Ambilobe moa izy telo mirahalahy fa mila ravin’ahitra eto. Araho ary ireo dingana maromaro arahin’izy ireo mialohan’ny hamokarany ny hoso-doko ho zava-kanto azo amidy.
Hiresadresaka amin’ny Rafaly kosa isika ao amin’ny tapany faharoa, izay mpila ravin’ahitra ihany koa eto Nosy Be. 20 taona niasana teto izy ary efa nahasokatra trano fiheteza.
La chevelure constitue un symbole de beauté pour la majorité des femmes et aussi pour les hommes. Et depuis le début du 20ème siècle, la coloration a permis de la valoriser. Cependant, il faut bien connaître ce produit avant son utilisation. Il existe deux types de teintures pour cheveux : celle à base de produits naturels, et celle composées de produits chimiques. Des probables réactions allergiques peuvent donc survenir après son application, notamment chez les personnes âgées. Il est donc conseillé de consulter un professionnel. Le Docteur Tahiana Ramanantsoa nous apporte plus d’explication dans Santénaka.
Manamarika ny haingon’ny ankamaroan’ny vehivavy sy ny lehilahy ny volo. Ary nanomboka ny taonjato faha roapolo no nanomezana lanja azy be be kokoa tamin’ny alalan’ny fandokoana. Alohan’ny ampiasana ny loko dia mila fantarina mialoha ny vokatra ao anatiny. Misy karazany roa izy ireny, dia ny loko natoraly sy ny loko misy vokatra simika. Mety hiteraka tsy fahazakana na allergie izy, indrindra ho an’ny olona efa nahazo taona. Ilaina noho izany ny manantona matihanina momba ny lokom-bolo. Manazava ny Dokotera Ramanantsoa Tahiana ato anaty Santénaka.
Les participants dans la discipline karaté do se sont déjà préparés pour les Jeux des Îles de l’Océan Indien 2023 depuis novembre 2022. Selon les explications du président de la fédération karaté do de Madagascar, le docteur Ratefinanahary Emile, ils ont eu cinq regroupements, deux compétitions. Le nombre des participants, mixte – en groupe et en individuel, est de trente et un karatéka avec trois arbitres et quatre entraîneurs. Ces trente et un participants vont se battre pour avoir les seize médailles d’or dans cette discipline.
Efa vonona hatramin’ny novambra 2022 ireo mpandray anjara amin’ny taranja karate mandritra ny lalaon’ny nosy 2023. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasion karate an’i Madagasikara, ny dokotera Ratefinanahary Emile, efa nisy fifampivondronana dimy sy fifaninana roa izy ireo. Iraika amby telopolo no isan’ny mpandray anjara lahy sy vavy, mandeha tsy iray iray izany na vondrona. Manana mpitsara telo izy ireo ary mpanazatra efatra. Hiady ho an’ny medaly volamena enina amby folo ireo mpandray anjara iraika amby telopolo ireo.