Les musées malgaches sont en situation critique en ce moment. Des problèmes financiers, infrastructures et de trafic illicites. En plus de ça, près de 7000 de nos patrimoines culturels sont encore à l’étranger.
Le manque de formation au niveau des personnels des musées reste encore à soulever indique la présidente du Conseil international des musées à Madagascar, Bako Rasoarifetra.
Cependant, notre interlocutrice propose quelques solutions comme le réaménagement des musées, la création d’une plateforme dédiée au retour de biens culturels.Â
Â
Tandindomin-doza ny mozea malagasy amin’izao fotoana izao. Misedra olana ara-bola, fotodrafitrasa ary fanondranana an-tsokosoko tsy ara-dalà na izy ireo amin’izao. Ambonin’izany, efa ho 7.000 ireo vakoka malagasy taraiky any ivelany.
Etsy andaniny, eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fampiofanana an’ireo mpiasan’ny mozea hoy ny filohan’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny tranombakoka eto Madagasikara, Bako Rasoarifetra.
Na izany aza, manolotra vahaolana sasantsasany izy. Toy ny fanavaozana ny mozea rehetra, ny fananganana sehatra an’habaka natokana ho an'ny famerenana an’ireo vakoka ara-kolontsaina an-tsika malagasy.
Les jeunes qui ont participé au projet OBS MADA ont connu des difficultés pendant les activités de collectes d’informations.
Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement et le MutliSector Information Service TATAO, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
Roseline, Obs Mada Ihorombe a reçu des menaces par rapport au signalement des cas d’insécurité qu’elle a fait dans sa région. Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily a été expulsé par un responsable pendant le contrôle des services publics. Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily a été rabaissé par certaines autorités locales pour les actions de plaidoyer. Le Général de Brigade Ravoavy Zafisambatra, du Secrétariat d’Etat de la gendarmerie ainsi que le Général de Brigade, Razafitombo, de l’Etat-major éclaircissent certains points qui expliquent ces problèmes. Ils encouragent également les jeunes à collaborer avec eux dans la mise en place de la sécurité.
Isan’ireo tanora nanatanteraka ny fandaharan’asan’ny OBS MADA tany amin’ny Faritra misy azy i Rahavandrainy Johny Walker, Obs Mada Bekily; ary Roseline Obs Mada Ihorombe mikasika ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Ny tetikasa OBS-Mada izay fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar sy ny MutliSector Information Service TATAO, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.
Â
Mahatsiaro voasakatsakana ireo tanora ireo teo amin’ny fandinihana ireo endrika disadisa : mahazo fandrahonana sy valifaty rehefa mitoroka trangana tsy fandriam-pahalemana, voasivana rehefa manantona biraom-panjakana sy ny sisa. Mitondra fanazavana ny mety ho antony sy ny fepetra raisiny ny solotena avy amin’ny Fiarovam-pirenena : Ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, solotena avy amin’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Ny Jeneraly Razafitombo, solotena avy amin’ny Tafika Malagasy.  Mampirisika ny tanora hiara hiasa aminy hametraka ny fandriam-pahalemana ihany koa izy ireo.
3 travailleurs sur 10 sont mineurs à Madagascar. Ne connaissant pas les droits liés au travail, ils s’exposent aux pires formes de celui-ci. L’exploitation sexuelle en fait partie. Ambinina Raveloarison responsable au sein de l’ECPAT France, parle de la stratégie commune déployée par les défenseurs des droits de l’enfant pour lutter contre ce fléau. Entre sensibilisation auprès des communautés vulnérables et plaidoyer auprès des autorités locales. Ils offrent un soutien psychologique, financier et juridique aux enfants victimes et à leurs familles. Pour l’heure, près de 1000 enfants et 500 adultes ont été touchés par leur sensibilisation. Toutefois, la pandémie du coronavirus a été un défi majeur pour la protection des enfants.
Ankizy tsy ampy taona miisa 3 amin’ny 10 no miditra amin’ny tontolon’ny asa aloha loatra eto amin-tsika. Maro no tsy mahalala ny lalà na mifehy ny asa ka eo no manomboka ny fanararaotana samihafa. Anisan’izany ny herisetra ara-nofo. Nilaza i Ambinina Raveloarison, avy ao amin’ny ECPAT France fa anisan’ny fisorohana azo atao ny fampahafantarana eny anivon’ny fiaraha-monina. Omena tosika ara-tsaina sy ara-pitaovana kosa ireo efa niharan’ny herisetra. Manamafy izany ady izany kosa ny fanaovan’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy haitaky eny anivon’ireo manam-pahefana. Nanasarotra io ady io anefa ny fisian’ny valan’aretina coronavirus teto amin-tsika. Ankizy 1000 sy olon-dehibe 500 mahery no efa nofanina hiaro tena sy hitoroka ireo tranga hitany.
La capacité d’accueil des grandes villes ne suit plus. C’est aussi le cas pour la capitale de Madagascar, Antananarivo. Entre exode massif et exposition démographique, la qualité du niveau de vie de cesse de baisser. Le phénomène « bidonville » gagne du terrain. Cette situation crée des tensions sociales selon le directeur du projet PIATT, Jaona Andriamahazo. Pour y remédier, le projet PIATT a construit des infrastructures de normes et inclusives telles des bureaux de fokontany, des centres de santé, des routes etc. Les résidents ont aussi été formés pour leur bon entretien. Un projet qui continue son expansion dans d’autres villes de l’est de l’île.
Mitombo izay tsy izy ny mponina an-tanan-dehibe ka mahatonga ny fari-piainany ho tsy zarizary raha ny nambaran’ny tale eo anivon’ny Programan’asa Ifarimbonana hanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary (PIATT), Jaona Andriamahazo. Miteraka disadisam-piaraha-monina maro izany. Antony namolavolana ity tetikasa ity. Foto-drafitra iombonana maro (birao, tranom-pokonolona, toeram-pitsaboana, lalana sns) no namboarina. Ara-pahasalamana sy manaja ny zo maha-olona izy ireo. Nofanina ihany koa ireo mpisehatra rehetra eny ifotony, toy ireo tamin’ny fokontany efatra eto Antananarivo sy ao atsinanan’ny nosy. Tanjona ny ampaharitra ireo zava-bita.
REPORTAGE : Le coquillage peut être un ingrédient clé dans la construction, et remplacer le ciment conventionnel. Il est à la fois écologique et économique. On peut économiser 30.000 ariary pour seulement 15% de poudre de coquillage par mètre cube de ciment. C’est ce que prouvent des jeunes chercheurs dans la première partie de Hiakan’ny Tontolo.
INTERVIEWÂ :
Joelle Randriamiandrisoa, entrepreneure-écologiste, parle de ses produits cosmétiques « zéro déchet » dans la deuxième partie de l’émission. Du savon écolo à la serviette hygiénique réutilisable, en passant par la dentifrice solide, tout se récupère dit-elle. Basculer vers ce mode de vie serait facile pour les malgaches selon Joëlle.
DIY : Bien décorer sa maison avec des feuilles sèches et sans plastique, c’est à la portée de tous. À découvrir dans la rubrique « DIY » de Hiakan’ny Tontolo.
FANADIHADIANAÂ :
Azo anamboarana trano, asolo simenitra, ny vovoka tekateka sy akorandriaka. Manena ny fanimbana tontolo iainana ny famokarana azy raha ny voka-pikarohana nataon’ny mpianatra amin’ny sekoly ambony iray eto andrenivohitra. Raha mampiasa simenitra 1 metatra toratelo ka vovoka tekateka ny 15% amin’izany, dia afaka mitsitsy 30.000 ariary hoy izy ireo. Arahinao ao amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana Hiakan’ny tontolo ny antsipirihin’izay.
RESADRESAKA : Mampahafantatra ireo vokatra fikojakojana endrika amam-bika tsy miteraka fako kosa ny mpandraharaha mpiaro ny tontolo iainana iray ao amin’ny tapany faharoan’ny fandaharana. Io ilay antsoina hoe « zéro déchet ».
Mora hoy izy ny mampiitra io fahazarana io amin’ny andavanandron’ny malagasy.
DIY : Miresaka ny fanamboarana haingon-trano vita avy amin’ny ravin-kazo maina ary tsy mampiasa akora plastika.
"La vie dans sa forme numérique". Tel est l’intitulé de l’évènement "Novembre numérique" cette année. C’est un rendez-vous dédié aux amoureux du monde virtuel, et initié par l’Institut Français. À part les jeux-vidéo, il est question de développer la médecine, l’astronomie, l’art … autrement a déclaré Lanto Fehizoro, l’un des organisateurs. Il parle même d’une numérisation responsable et écologique. Depuis ses cinq ans d’existence à Madagascar, le mouvement touche d’autres villes comme Antsirabe, Fianarantsoa et Toamasina.
Fotoana izarà na ireo famoronana sy ireo zava-bita rehetra mahakasika ny nomerika ny « Novembre numérique ». Nampitondraina ny lohahevitra hoe « La vie dans sa forme numérique » na ny fiainana amin’ny endriny nomerika izy io tamin’ity taona ity. Ankoatra ny resaka « jeux video », maro no sehatra voakasiny, toy ny fikarohana momba ny haikintana, ny fitsaboana, ny zavakanto sns hoy i Lanto Fehizoro, mpikarakara. Manao fikarohana momba ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny nomerika koa izy ireo. Nandritra ny dimy taona nisiany teto amintsika, efa mahenika faritra maro ny hetsika « novembre numérique », anisan’izany Antsirabe, Fianarantsoa ary Toamasina.
Â
Â
Â