A chaque début d’année, on est motivée à la prise de résolution. Cela créée un renouvellement intérieur pour chaque individu. Ce sentiment de renaissance influence ses décisions. Cela peut donner place aux nouvelles perspectives pour gérer la nouvelle année. Mais cette motivation peut disparaitre dès que l’on se plonge dans la routine de la vie. Pour le garder, il faut installer un système d’habitude, qu’on exécute petit à petit, quotidiennement, on a 365 jours pour le faire. La démotivation se manifeste dans plusieurs niveaux. Il y a une démotivation que l’individu seul peut surmonter de par lui-même. Dans un autre niveau, l’individu a besoin d’aide extérieur. Donc il ne faut surtout pas hésiter à contacter des spécialistes dans le domaine. Pour certaines personnes, elles décident tout simplement de ne pas prendre de résolution pour la nouvelle année.
Rehefa miandoha ny taona dia misy ireo mandray vina vaovao. Mamorona fanavaozana anaty ho an’ny tsirairay izany ka misy fiantraikany amin'ireo fandraisana fanapahan-kevitra. Afaka manome fomba fijery vaovao hihatrehana ny taona vaovao izany. Tsy maharitra anefa ilay fahazotoana niainana tany am-boalohany iny fa manjavona izany rehefa mandeha ny fotoana sy manomboka miaina ny fiainana an-davanandro ianao. Mba hitazomana izany, mila mametraka ny paikady mba hizarana ilay vina tianao hatao ianao, izay mandeha tsikelikely, isan'andro, manana 365 andro hanaovana izany ny tsirairay. Miseho amin'ny ambaratonga maromaro mantsy ny fahakiviana. Misy ny fahakiviana izay ny tsirairay ihany no afaka mandresy amin'ny tenany. Misy kosa ireo izay mila fanampiana avy any ivelany. Afaka mifandray amin'ny manam-pahaizana manokana amin'io sehatra io raha sendra an’izay. Marihina ihany koa fa misy ny olona misafidy ny tsy handray vina rehefa taona vaovao.
A l’ère des nouvelles technologies, les livres sont numérisés. Nous pouvons les trouver sur différents supports, plus accessibles comme les ordinateurs, les tablettes et même les téléphones. Les livres numériques aident à la préservation de l’environnement. Ces livres numériques permettent également l’inclusion des personnes malvoyantes, en activant la lecture automatique.
Quant aux livres papiers, ils reflètent ce qui est authentique pour les férus de la lecture, les puristes. Ils donnent lieu à l’existence même des éditeurs, surtout, dans un pays comme Madagascar où la fracture numérique est encore d’envergure. Les livres papiers permettent à ceux qui n’ont pas accès à ces supports numériques d’apprendre, de se cultiver ou de se divertir.
A la fin de ce débat, les intervenants : Njo, écrivain et créateur du site Lisy 1817, Fafy Iankinana Ratsimaholy, directeur général de l’Edition Lauréat Ratsimaholy Zanany et Holy Danielle, présidente de l’association de jeunes auteurs Opération Bokiko, ont constaté que le livre en papier et le livre numérique sont complémentaires.
Avadika nomerika ny boky, amin'ny vanim-potoanan'ny teknolojia vaovao. Azon-tsika jerena sy vakiana amina karazana fitaovana izany toy ny solosaina na « tablette » na finday avo lenta. Ny boky nomerika dia manampy amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Manampy amin’ny fampiatina ireo manana fahasembanana ara-pahitana ihany koa izy ireo, amin’ny alalan’ny fandefasana ny feon’ilay tantara.
Raha ny momba ny boky an-taratasy, ilay mahatsapa sy mamofona ilay boky mihitsy no tena tian’ireo mpankafy boky. Izy ireo ihany koa no tena antom-pisian’ny mpanonta boky. Ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara, tsy ny mponina rehetra no afaka mampiasa ny teknolojia vaovao, ka mbola ilaina ny fampiasana ny boky an-taratasy. Manome fahafahana ho an’ireo izay tsy afaka mampiasa ny nomerika, mba hianatra sy hiala voly ny boky an-taratasy.
Tamin’ny fiafaran’ity ady hevitra ity, hita fa mifameno ny boky an-taratasy sy ny boky nomerika ary samy nifandray tamin’izay hevitra izay ireo mpandray anjara tamin’ny ady hevitra : Njo, mpanoratra sady namorona ny tranonkala Lisy 1817, Ratsimaholy Fafy Iankinana, tale jeneralin’ny tranom-panontana Edition lauréat Ratsimaholy Zanany ary I Holy Danielle, filohan’ny fikambanana Opération Bokiko, fikambanana tanora mpanoratra.
Un étudiant qui se focalise sur une seule filière à l’université devient spécialiste dans son domaine. Les matières lui sont toutes importantes dans son métier. Un étudiant qui suit une double filière peut être polyvalent mais certains cours peuvent lui être facultatifs, témoignent Damy Govina et Michael, qui partagent leurs expériences. Cela dépend des choix. Les étudiants scientifiques sont encouragés par exemple à maitriser d’autres filières comme les langues françaises et anglaises, explique Miarana Randria, enseignante à l’Institut Supérieur de Technologie de Vakinankaratra.
Mahatonga ny mpianatra ho matihanina tanteraka amina sehatra iray ny fifantohany amina sampana tokana eny amin’ny anjerimanontolo. Ilaina amin’ny asa atao aorian’ny fianarana avokoa ireo taranja ianarana ao anatiny. Ny fisafidianana sampam-pampianarana roa kosa dia mahatonga azy tsy ho very mandeha fa hanana fahaiza-manao maromaro. Misy taranja mety tsy ilaina amin’ny sehatry ny asa akory anefa anatin’izany, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Damy GOVINA sy Michael, nanaraka sampam-piofanana maromaro. Miankina amin’ny safidin’ny tsirairay io. Ny fianarana tenim-pirenena no mila ampiana indrindra ho an’ny mpianatra siantifika hoy i Miarana Randria, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, sampana Institut Supérieur de Technologie de Vakinankaratra.
Les grossistes de fruits de mer séchés dans le marché d’Isotry Antananarivo ont chacun des collecteurs dans différentes régions. Les bénéfices se complètent car des types de produits ont plus de rendements et d’autres sont vendus à bas prix, à cause de la perte de poids. Opérer dans les grands marchés exige une grande concentration et une rapidité pour ne pas perdre des clients. Il faut veiller aussi à la conservation des fruits de mer séchés.
Manana mpanangom-bokatra manokana any amin’ny faritra samihafa ireo mpivarotra trondro maina ao amin’ny Tsenaben’Isotry. Mifameno ny tombom-barotra azo satria misy ny hahazoana tombony betsaka ary ao ireo faty lanja mahatonga fatiantoka. Mila hakingana ny fivarotana mba hitazomana mpanjifa sy hampiodina haingana ny tsena, tsy ahasimba ireo vokatra. Ny hoe jono manaja ny tontolo iainana dia jono manaja ny fotoana ahafahan’ny hazandrano manatody, mba tsy ho lany tamingana.
60% des jeunes dans la région d’Anôsy utilisent les réseaux sociaux, surtout Facebook. Le constat est que : les jeunes femmes utilisent Facebook surtout pour trouver des « papasaosy », des hommes âgés à qui elles peuvent sous-titrer de l’argent. Kevin, Corine et Fabienne, des jeunes participants au Boot camp Rary Aro Madagascar à Fort Dauphin, vont débattre sur ce fait. Rary Aro Mada est un projet de l’Unesco, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, qui vise à renforcer l'engagement des jeunes dans la défense des droits de l’homme. Les réseaux sociaux, notamment Facebook, favorisent-ils les droits de la femme ? La discussion de ces jeunes tourne autour de l’usage de ce réseau social avec modération et les mesures nécessaires pour ne pas se faire abuser et rencontrer les dangers de Facebook.
60%-n’ny tanora any amin’ny faritra Anôsy no mampiasa tambajotra sosialy, indrindra ny Facebook. Ny tsikaritra : mampiasa Facebook ny tovovavy mba hitadiavana “papasaosy”, lehilahy be taona azon’izy ireo hakana vola. Kevin, Corine ary Fabienne, tanora mpandray anjara ao amin’ny Rary Aro Madagascar Boot Camp any Taolagnaro, no hifanakalo hevitra momba ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy, indrindra ny Facebook. Ny Rary Aro Mada dia tetikasan'ny Unesco, vatsian'ny Fonds pour la consolidation de la paix, izay mikendry ny fampandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy fametrahana fandrimpahalemana. Ny fampiasana ity tambazotra sosialy ity amim-piheverana, ireo fepetra ilaina hisorohana ny fanararaotana sy ny fiatrehana ny loza ateraky ny Facebook. Miompana amin’izay ny resaka ataon’ireto tanora ireto.