Le chômage des jeunes dans la province d’Antananarivo est une grande source de conflit. Des cas sont révélés pendant le plaidoyer des jeunes de l’OBS MADA face aux autorités, fait à Antananarivo. Le projet OBSMADA ou Observatoire des jeunes engagés pour une gouvernance plus inclusive efficace et apaisée, du Programme des Nations Unies pour le développement, financé par le Fonds pour la consolidation de la paix, et mis en œuvre par l'ONG Action Intercoopération Madagascar, le MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, l'ONG Ivorary, l'ONG Ravitsara et le Studio Sifaka.
Isan’ny olana goavana mahatonga disadisa eto amin’ny Faritanin’Antananaravo ny tsy fisian’ny asa ho an’ny tanora. Hevitra maro no nivoaka nandritra ny ady sisika nataon’ny tanoran’ny OBSMADA teto amin’ny Faritanin’Antananarivo tamin’ireo tompon’andraikitra. Ny tetikasa OBS-Mada izay fadaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana PNUD Madagascar, vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix ary tanterahan’ny ONG Action Intercoopération Madagascar, MutliSector Information Service, Alliance Voahary Gasy, ONG Ivorary, ONG Ravitsara ary Studio Sifaka.
Le métier de dessinateur ne peut être acquis sans passion. C’est ce qu’explique Alain Rakotombelo dessinateur de plan, et Rindra Razafindrabe ou Riri caricaturiste. Des partages d’expérience avec d’autres concernés leurs ont permis d’exploiter leurs talents, et de partager à leur tour ce qui rend unique les travaux manuels. Alain reste fidèle aux stylos adaptés aux dessins, tandis que Riri opte à la fois pour les plumes et fait également des dessins sur ordinateur.
Firehetam-po no manosika ny olona iray hanao asana mpanao sary. Izany no fanazavan’i Alain Rakotombelo mpanao sarina drafitra trano, sy Riri na Rindra Razafindrabe mpanao sary itatra. Ny fifampizarana traikefa tamin'ny hafa no nahafahan'izy ireo nanandratra ny talentany, ary nizara indray avy eo ny mampiavaka ny asa tanana. I Alain dia mijanona amin'ny fampiasana penina natokana ho an’ny fanaovana sary, fa i Riri kosa sady mampiasa penina amin’ny rano mainty no manao sary amin'ny solosaina.
Nathan a maintenant 7 ans et souffre de la myopie ou l’incapacité de voir loin. Ici à Madagascar, environ 20% des enfants sont touchés par cette maladie des yeux. Selon l'explication de l’ophtalmologue, Hoby Lalaina Randrianarisoa, nombreux signes devraient alerter les parents si leurs enfants souffrent de cette maladie des yeux. L'un d'eux est sa difficulté à lire des livres, et aussi si l’enfant est un peu lent pour écrire lors d’une dictée en classe.
Selon elle encore, il existe de nombreux types d'infections oculaires chez les enfants. Il y a ceux qu’ils ont depuis leur naissance, il y a ceux qui sont héréditaires. Il y a des maladies des yeux que l’enfant développe en grandissant. Elle a également mentionné qu’il est nécessaire de faire un suivi systématique de la santé des yeux dès la petite enfance.
7 taona izao i Nathan zay tratran’ny areti-maso tsy mahita lavitra na myopie. Ho antsika eto Madagadikara dia eo amin’ny 20% eo ny ankizy no voan’ity areti-maso ity. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo manokana momba ny mason’ny zaza dia maro ireo soritra mety hitranga ahalalana hoe voan’ity areti-maso ity ny zaza iray. Anisan’izany ny fahasahiranany rehefa mamaky boky, somary miadana izy rehefa manoratra na manao sora-tononina any am-pianarana.Â
Raha ny nambaran’io mpitsabo io ihany, maro ireo karazana areti-maso mpahazo ireo zaza. Misy ireo efa hatrany am-bohoka no nahazoany an’izany, misy kosa ireo manaranaka, misy ihany koa ireo izay ny tontolo iainan’ilay zaza no mahatonga an’ilay areti-maso. Ilaina hoy izy ny fanaovana fizaham-pahasalamana ny mason’ny zaza dieny izy mbola kely.
La leucémie est un type de cancer qui détruit les cellules du sang. Dans le monde, 30 % des enfants de moins de 17 ans sont touchés par ce cancer du sang. Chez  nous à Madagascar, ce cancer touche plus de 3% des enfants de moins de 15 ans.
Selon le professeur Rakotomahefa Mbola, spécialiste des cancers du sang, il existe nombreux types de « leucémies ». Il y a ceux qui sont faciles à traiter et qui peuvent être traités ici. Et il y a le type de leucémie que les chercheurs du monde entier n’arrivent pas à traiter. Jusqu’à maintenant, la "chimiothérapie" reste encore le seul traitement de cette maladie.
Karazana homamiadana ny Leucemie, izay mamotika an’ireo sela ao anatin’ny rà . Maneran-tany dia 30% ny ankizy latsaky ny 17 taona no voan’ity homamiadan’ny rà ity. Ho antsika eto Madagasikara kosa indray dia, 3% eo ireo zaza latsaky ny 15 taona no tratran’ity homamiadan’ny rà ity.
Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo manokana momba an’ity homamiadan’ny rà ity ny profesora Rakotomahefa Mbola dia maro ireo karazana « leucemie ». Misy ireo izay mora tsaboina ary afaka tsaboina eto amintsika. Misy kosa ireo karazany izay tsy mbola nahitana fomba ny hitsaboana azy hatamin’izao maneran-tany.
Mbola ny « chimiotherapie » aloha hatreto no hany fitsaboana an’ity aretina ity. Â
Aina Rakotoarisoa utilise des copeaux de papier, des feuilles de palmier et des tissus recyclés pour fabriquer des paniers et des sacs à main. Elle a choisi ce métier pour maintenir la propreté. Son équipe trie les déchets en papier ou achète les vieux journaux et les livres. Les sacs en papiers recyclés durent environ 5 ans.
Moovmainty, artiste plasticien, se soucie également de l'environnement. Il transforme des cartons, des assiettes en aluminium et des canettes de boissons en tableau de peinture ou en œuvre d’art. Ses expressions en photomontage le distinguent facilement, car il s’inspire de la société, surtout des problèmes politiques.
Poti-taratasy, rofia sy ravim-damba tsy ampiasaina intsony, ireo no fitaovana ampiasain’i Aina Rakotoarisoa hanamboarana harona sy poketra. Hitandroana ny fahadiovana no nanaovany ity asa ity. Efa misy olona miara miasa aminy manangona ireo fako, na mividy azy eny amin’ireny mpitahiry gazety sy boky ireny. Maharitra 5 taona eo ny poketra vita avy amin’ny poti-taratasy.
Mitsinjo ny tontolo iainana koa i Moovmainty, mpanakanto an-tsary. Baoritra, vilia aluminium sy canette-na zava-pisotro no avadiny ho azo asiana sary. Fanambarana sary maromaro mba hamoaka hevitra iray no anisan’ny hahafantarana ny asa-tanany. Miainga amin’ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina, toy ny olana ara-politika misy eto amin’ny firenena. Arahanao ato anaty Fandaharana ketrika sy kandra.
Â