L'ergothérapie est une manière de soigner les personnes en situation de handicap physique ou mental à travers leurs loisirs habituels.
Sarobidy, une petite fille de 5 ans atteinte de trisomie 21. Depuis son premier mois, elle suit des séances d’ergothérapie à l'HJRA. Ses proches constatent des progrès, même si elle n’est pas complètement guérie.
Le nutraceutique de son côté, est une méthode de traitement par des aliments. C'est-à-dire qu’on utilise les ingrédients alimentaires courants pour guérir une maladie.
Les citrons stimulent à la fois le système immunitaire et peuvent également guérir la fièvre par exemple. Il y a aussi le moringa ou ananambo, utilisé comme complément alimentaire.
Chaque région de Madagascar dispose de produits nutraceutiques ou d'ingrédients alimentaires pour soigner des maladies, selon les chercheurs du département de recherche du CNARP.
Ny « ergothérapie dia fomba fitsaboana iray ireo olona manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina amin’ny alalan’ireo fialam-boly fanaony mahazatra.
5 taona izao i Sarobidy izay ankizy trisomie 21. Nanomboka izy vao iray volana dia efa notsaboina tamin’ny alalan’ny ergothérapie eny amin’ny HJRA. Amin’izao efa mahita fivoarana aminy ireo mpitaiza azy na dia tsy mbola sitrana tanteraka aza izy.
Ny nutraceutique indray dia fomba fitsaboana iray amin’ny alalan’ny sakafo. Izany hoe ireo akora fihinana mahazatra no ampiasana atao fanafody hanasitranana aretina iray. Ohatra hoe ny voasary mankirana izay sady manampy hery fiarovana no afaka manasitrana tazo ihany koa. Eo ihany koa ny ananambo izay ampiasana atao fanampin-tsakafo.
Samy manana ny produits nutraceutiques, izany hoe, ireo akora fihinana entiny hitsaboana aretina ny faritra tsirairay eto Madagasikara, hoy ireo mpikaroka tao amin’ny sampam-pikarohana CNARP.
La précipitation est encore insuffisante jusqu’ici. Par contre, la pluie sera en abondance au mois de Janvier surtout pour la partie Nord de Madagascar. Cela impacte sur la santé publique et l’agriculture.
Tout le monde a droit aux soins liés à la santé sexuelle. La femme qui a eu une fausse couche ou qui vient d’avorter a droit aux traitements.
Les investisseurs exigent quelques critères avant de financer un projet.
Franck, enseignant dans une école privé, Jonathan ex étudiant en Gestion et Manda, étudiante en Sociologie donnent leurs avis sur ces sujets.
Tsy ampy ny rotsak’orana hatreto saingy ho betsaka kokoa any amin’ny volana janoary any, indrindra fa ho an’ny ilany avaratr’i Madagasikara. Betsaka ny vokatr’izay eo amin’ny fahasalamana sy ny fambolena.
Manana zo ara-pananahana avokoa ny olon-drehetra ary anisan’izany ny zo hotsaboina aorian’ny fanalan-jaza na ny fahafahan-jaza.
Misy ny mason-tsivana takian’ny mpamatsy vola rehefa hitodika amina tetikasa iray.
Hiady hevitra momba izay i Franck, mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray, Jonathan avy nianatra momba ny fitantanana ary i Manda, mpianatra hay fiarahamonina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
La Zlecaf ou Zone de libre-échange continentale africain vise la création d’un marché unique pour les produits africains. Ce marché entrainera l’élimination progressive des barrières tarifaires et non tarifaires au commerce des marchandises. Komi Tsowou, conseiller commercial au sein du PNUD nous explique.
Ny Zlecaf na faritra malalaka hifanakalozana ara-barotra eto amin’ny kaontinanta Afrika dia mikendry hanangana tsena iray eo amin’ny kaontinanta afrikana amin’ny alalan’ny fanafoanana ireo sakana mifandray amin’ny ara-bola na ihany koa tsy ara-bola.
Le yoga prénatal peut être pratiqué dès que le bébé est dans l’utérus. Lors d’une séance, la sage-femme Henintsoa apprend plusieurs postures et exercices aux futures mamans pour réduire les différentes douleurs liées à la grossesse. Cela réduit également le temps de travail des mamans lors de l’accouchement et facilite l’accouchement en lui-même. Les exercices peuvent être réalisés avec leurs partenaires ou en solo, avec ou sans les matériels comme les ballons. Il est notamment déconseillé de suivre les tutos sur YouTube pour éviter les faux mouvements qui peuvent être fatal pour le bébé et pour la maman.
Vao mitsaika ao an-kibo ny zaza dia afaka manao « yoga prénatal » ny vehivavy iray. Fihetsika sy fanazaran-tena manampy ireo vehivavy hampihena ny fanaintainana isan-karazany mifandray amin'ny fitondrana vohoka no atao amin’izany. Mampianatra sy manoro ny fihetsika atao amin’izany ny rasazy. Mampihena ny fotoana hihetsehan’ny zaza izany ary manamora ny fiterahana hoy i Rasazy Henintsoa. Azo ataon’ilay vehivavy irery na miaraka amina olona hafa afaka manampy azy ireo fanazaran-tena ireo. Tsy azo atao anefa ny manaraka ny fampianarana ao amin'ny YouTube na hoe hampitain-davitra mba hialana amin'ny fihetsika tsy araka ny tokony ho izy ka mety hiteraka voka-dratsy ho an’ny zaza na ho an’ilay reny.
Naela Andrianitsoa est une mère de famille. Elle s’est formée sur la méthode d'éducation Montessori qui stimule la motricité de l’enfant. Elle fabrique des jeux basés sur cette méthode.
Il faut laisser les enfants apprendre par eux même, découvrir le monde par son rythme. Pour développer cette motricité, on peut utiliser des jeux très simples qui consistent à lui apprendre à mettre ou à enlever des objets dans un panier, par exemple. Les enfants peuvent s’asseoir tout seul ou apprendre à marcher tout seul sans pour autant qu’on le force ou qu’on lui apprenne. Mais est important de savoir quand est ce qu’il faut consulter un spécialiste.
Mamorona kilalao miainga amin’ny fomba Montessori i Naela Andrianitsoa, renim-pianakaviana, nandalina manokana momba izany. Avela hianatra sy manao zavatra araka izay mahamety azy ilay zaza mba tsy hiankin-doha tanteraka amin’ny ray aman-dreniny. Tsy tokony hampianarina be ny zaza hahay hipetraka na hahay handeha fa mahay mandeha irery izy. Amin’ny ankapobeny, misy ihany ny zavatra tokony ho hain’ny zaza raha ny taonany no jerena. Raha mifanalavitra be loatra amin’ny tokony ho izy ny fitomboany vao ilàna fanatonana matihanina manokana.
Le diabète est un état et non une maladie. Elle se définit par le taux de sucre dans le corps humain. Tout le monde peut être diabétique, affirme le Docteur José Ratsitratrinihafa de l’AMADIA ou association malgache pour la lutte contre le diabète. A part les personnes qui doivent impérativement se faire dépister comme les familles ayant des antécédents, les personnes hypertendus ou hypotendus et les personnes obèses, toutes personnes présentant les symptômes du diabète doivent se faire dépister. Parmi ces symptômes: les plaies qui mettent du temps avant de se cicatriser, les personnes qui maigrissent même en mangeant beaucoup et les personnes qui se déshydratent facilement. Le diabète peut affecter les enfants également. Le Dr José Ratsitratrinihafa nous en dit plus.
Tsy aretina ny diabeta fa toe-batana. Ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà no hamaritana azy. Mety ho diabetika avokoa ny olona rehetra hoy ny Dokortera José Ratsitratrinihafa, avy ao amin’ny AMADIA na fikambanana miady amin’ny diabeta. Ankoatra ireo olona manana fianakaviana efa voan’ny diabeta sy ireo olona matavy na misy olana amin’ny tosi-drà dia tokony hanao fitiliana ihany koa ireo olona misy ny fambaran’ny diabeta. Fery tsy mety sitrana, misakafo be nefa miha-mahia, mangetaheta lava na dia efa misotro rano be aza. Ireo matetika no fambara. Tsy mifidy taona ny diabeta, na ny ankizy aza mety ho diabetika. Hanazava misimisy kokoa momba izany ny dokotera José Ratsitratrinihafa.
Pour les diabétiques de type 2, il est possible d’améliorer leur santé et de réduire les complications liées au diabète grâce au style d’alimentation. Ce régime est basé sur les légumes, les fruits mais également les aliments riches en protéine. En général, il est important de respecter une heure régulière pour le repas et pour les gouters. Il est conseillé de ne pas changer brusquement de régime mais de le changer petit à petit pour ne pas chambouler le taux de glycémie.
Le riz étuvé est aussi conseillé pour les diabétiques. Le sucre contenu dans ce type de riz ne provoque qu’une légère hausse du taux de glycémie dans l’organisme par rapport aux autres types de riz. Il est également riche en vitamine B. Anjarasoa Hoela Tiana, nutritionniste, explique le procédé pour l’étuvage du riz.
Hoan’ireo diabetika « type 2 », azo hatsaraina na koloina, amin’ny alalan’ny fandamaninana ny fomba fisakafoanana, ny fahasalamana mba tsy hihitatra ny voka-dratsin’ny diabeta ao amin’ny vatana. Mifototra amin’ny legioma, voankazo tsy dia be siramamy ary sakafo mitondra proteina izany. Tokony tsy miovaova ihany koa ny ora fisakafoanana mba tsy hampikorontana ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatana ary atao tsikelikely ny fanovana ny fomba fisakafoanana.
Ankoatra izay dia isan’ny sakafo mety amin’ny olona diabetika ihany koa ny vary nohatsaraina na « riz étuvé » noho ny siramamy mora levonina ao aminy. Maro ny vokatsoa entin’izany ho an’ny vatana toy ny vitamine B. Manazava ny teknika fanamboarana azy i Anjarasoa Hoela Tiana, matihanina manokana momba ny sakafo.
La briqueterie sur les rizières a des impacts négatifs sur la riziculture. Lorsqu’on enlève la terre argileuse, il ne reste que la terre sablonneuse, selon un technicien agricole Mamy Razanakolona. Il est donc nécessaire de redresser le champ : y ajouter plus d’engrais naturel comme les bouses de zébus, les cendre d’ossement d’animaux etc. Il est préférable de consulter des techniciens pour évaluer l’acidité du sol.
Misy fiantraikany eo amin’ny fambolem-bary ny fanaovana briky eny an-tanimbary. Rehefa alaina ny tanimanga eo ambony dia ny tany fasika sisa no tavela, hoy ny teknisian’ny fambolena Razanakolona Mamy. Mila totofana tany mitovitovy aminy na asiana akora natoraly hafa toy ny zezika na potipotina taolam-biby eo amin’ny tany mba hamerina azy amin’ny laoniny. Tsara raha manontany teknisiana hamantarana ny toetran’ilay tany.