A 200 km d’Antananarivo, le marché des zébus de Tsiroanomandidy approvisionne la capitale en viande. Ils viennent des régions Menabe, Melaky, Boeny ainsi que de la région Bongolava même. Plus de 7000 têtes se regroupent à chaque jour de marché et sont pour la plupart, vendus. Le principal problème pour les vendeurs et propriétaires de zébus, ce sont les fiches individuelles des bovidés qui apparemment, sont vendu à un prix plus exorbitant que ce qui est normal. Solo, vendeur de zébu nous raconte.
Any Tsiroanomandidy, 200 km miala an’Antananarivo no misy ny tsenan’omby izay mamatsy omby sy henan’omby hoan’Antananarivo. Avy any amin’ny faritra Menabe, Melaky, Boeny akry Bongolava ihany ireo omby hamidy ao. Isan’ireo olana goavana hatrehan’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny omby ny FIB. Amidin’ireo tompon’andraikitra amin’ny vidiny tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy izany. Manazava amintsika momba izany i Solo, mpandraharaha amin’ny varotr’omby eto Tsiroanomandidy.
Antsiranana : Retour en force du festival « I’TRÔTRA » après covid-19
Itasy: 9.000 Ha de forêt de Tapia devient « Aire protégée communautaire »
Moramanga: Le nombre de cas confirmés positifs au VIH ne cesse d’augmenter
Antsiranana : Hasongadin’ny I’TRÔTRA ireo talentan’ny dihy ankehitriny
Itasy: Ala tapia sivy arivo hektara havadika ho faritra arovana
Moramanga: Tsy mitsahatra mitombo ireo olona voan’ny VIH.
Changement Climatique : les calendriers agricoles sont perturbés.
Journée internationale de l’habitat : l’exode urbain massif favorise le phénomène bidonville.
Les jeunes du « Point focal » du projet OBSMADA progressent dans leurs engagements et responsabilités.
Responsabilité Sociétale des Entreprises : une action volontaire pour l’environnement.
Miova ny tetiandrom-pambolena vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro
Andro iraisam-pirenena ho an’ny toeram-ponenana : manome vahana ny fanamboarana trano tsizarizary ny fifindra-monina faobe aty an-drenivohitra.
Nitombo ny fahaizan’ireo tanora Point Focal mandray andraikitra anatin’ny tetikasa OBSMADA.
Hetsika an-tsitrapo ataon’ny orinasa ny tamberin’andraikitra ho an’ny fiaraha-monina.
La trouble bipolaire est une trouble mentale due à plusieurs facteurs tels que le stress, la prise de drogue et peut être héréditaire. Elle se manifeste par deux pôles d’émotions : le stade maniaque où le patient a une grande énergie motivante. Il est hyperactif et a du mal à maitriser ses actions. La période dépressive où le patient est très faible et découragé. La trouble bipolaire peut atteindre tout genre de personne, selon le Docteur Hajamanantena, un psychiatre de l’Association Psy Kozy Madagascar. Le traitement consiste à limiter la crise répétitive.
Ny « trouble bipolaire » na fikorontanan’ny fihetanam-po dia aretin’ny saina mety ho tarazo na vokatry ny fitaintaina sy ahiahy, na vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina. Miseho amin’ny endrika roa dia ny hafaliana sy fihetanam-po be loatra sy ny hakiviana miampy famoizam-po lalina tsy amin’ny antony. Azo tsaboina ny « Trouble Bipolaire » mba hisorohana ny fihetsehan’ilay aretina. Mety ahazo ny olona rehetra izy io araka ny fanazavan’ny dokotera Hajamanantena avy ao amin’ny fikambanana PSY KOZY Madagasikara mpandray an-tanana ny fikorontanan-tsaina toy izany.
La natation est un sport qui convient à tout âge, petits et grands. C’est une activité physique complète car tous les muscles, les membres, nerfs et le cœur sont bien travaillés. Les personnes présentant des problèmes cardiaques sont quand même conseillées de consulter un avis médical avant de pratiquer ce sport afin d’éviter une crise cardiaque en cas de choc perturbateur, selon le Docteur Jimmy Rakotoherison, médecin des sports au niveau de l’Académie Nationale des Sports.
Ny lomano dia fanatanjahan-tena azon’ny olona rehetra atao saingy mila fankatoavana avy amin’ny dokotera. Miteraka fitoniana sy fahaiza-mandrindra fihetseham-po io noho izy mitaiza ny vatana hahay mandanjalanja ny fomba fiaina. Fanatanjaham-batana ihany koa noho izy manetsika ny ratsam-batana rehetra. Nambaran’ny Dokotera Jimmy Rakotoherison, mpitsabo ara-panatanjahantena eo anivon’ny Académie Nationale des Sports, fa tsy tsara milomano ireo olana manana areti-po noho izy ireo mety ho taitra ka hikoropaka tampoka ao anaty rano ary ho sempotra.
L’Ictère Néo natale, communément appelé la jaunisse du nouveau-né, est un phénomène naturel qui touche les nourrissons quelques jours après sa naissance jusqu’au 15ème jour. Il se caractérise par l’apparition d’une coloration jaune de la peau et des yeux. Ce mécanisme est dû à l’adaptation du bébé au monde après la grossesse. Aucune prévention ni traitement particulier n’est donc pas nécessaire, selon le Docteur Fidy Bariniana. Il peut cependant être en rapport avec une maladie surtout s’il se rallonge jusqu’au deuxième mois du nourrisson.
Voajanahary eo amin’ny toe-batan’ny zaza menavava ny loko mavo mety hiseho eo amin’ny volon-koditra sy ny maso. Izany dia vokatry ny fakana volon-tany sy fiovan’ny toe-batana ety ivelan’ny vohoka. Tsy misy fisorohana na fitsaboana atao momba izany fa afaka ho azy eo amin’ireo zaza menavava izany, hoy ny Dokotera Fidy Bariniaina. Herinandro hatramin’ny tapa-bolana eo no faharetan’izany raha amin’ny antonony fa mety ho aretina hafa kosa raha mitarazoka hatramin’ny roa volana ohatra.
Madagascar est riche en sources d’eau. Cependant, de nombreuses zones font face à des problèmes d'approvisionnement et de distribution d'eau, notamment la région Amoron'I Mania. Par exemple à Ambositra ou encore dans à Ambatofinandrahana, le problème d’approvisionnement en eau survient pendant les sécheresses. Du mois d’août jusqu’au mois de novembre 2021, l'approvisionnement en eau des villages dans les quartiers de la colline a été interrompu. Le manque d'infrastructures en est la première cause, la plupart d'entre elles sont vétustes. L'impact du changement climatique provoque aussi des pénuries d'eau. De nombreuses organisations œuvrent déjà dans le reboisement, explique la jeune Hanitriniaina Fideline Rasoamananjara, mais il faut encore une stratégie de suivi, et la région a besoin de produire plus de jeunes plants. Elle propose en parallèle l’extension de la source d'eau à Ankazoambo. Le responsable de la distribution d'eau de la JIRAMA Ambositra, Alfred Randrianasolo confirme la possibilité d’envisager cette solution. Il y a aussi les forages de proximité. Chaque citoyen peut y contribuer à travers les « tagnamaro », suggère le directeur régional de l'eau, de l'assainissement et de l'hygiène, Andrianjafimaharavo Tantelisoa RAKOTOVAO. Il a cité quelques articles du code de l’eau lors du débat, notamment la priorisation de l'eau potable même s'il y a de nombreux utilisateurs comme les lave-autos, etc. L’accord avec les agriculteurs fait partie des démarches, selon lui. La gestion des infrastructures en eau peut être confiée à un secteur privé comme dans les communes rurales d'Ivato centre et d'Ilaka centre, pour que les infrastructures soient entretenues. Selon la jeune Faratiana Anicette Razafimandimby, l'eau est un bien commun et tout le monde doit participer à son entretien, à commencer par fokontany. Les jeunes peuvent sensibiliser leur pair sur l’économie d’eau et prendre des initiatives pour avertir la JIRAMA s'il y a une fuite dans les conduites d'eau.
Malaza ho toerana manankarena amin’ny loharano sy renirano i Madagasikara. Na izany aza misedra olana amin’ny famatsiana sy fitsinjarana ny rano ny faritra maro ary anisan’izany ny ao amin’ny faritra Amoron’I Mania. Ohatra ny ao Ambositra na ihany koa ny ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Tapaka matetika ny famatsiandrano amin’ny fotoanan’ny maintany. Ny volana Aogositra hatramin’ny volana Novambra 2021 ohatra , tapaka ny famatsian-dranon’ireo fokontany any amin’ny faritra avo ary voatery naka rano teny amin’ny faritra iva izy ireo. Antony voalohany ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa, ary na misy aza izany, efa antitra ny ankamaroany. Manampy trotraka izany ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro izay miteraka tsy fahampian-drano amin’ny faritra maro. Efa maro ireo fikambanana miroso amin’ny fambolenkazo hoy ny tanora Rasoamananjara Hanitriniaina Fideline, saingy mila arahamaso izany ary mila mamokatra zanakazo maro ny faritra. Mandroso sosokevitra izy ny hanitarana ny loharanon-drano ao Ankazoambo. Vahaolana azo ampiharina ny famoronana tahirindrano vaovao hoy ny ny tomponandraikitry ny rano avy ao amin’ny JIRAMA Ambositra, Randrianasolo Alfred. Eo ihany koa fanaovana “forage” na lavandrano ifotony. Azon’ny mpisehatra tsirairay hanaovana tagnamaro izany hoy ny tale rejionalin’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, RAKOTOVAO Andrianjafimaharavo Tantelisoa
Fananana iombonana ny rano hoy Razafimandimby Faratiana Anicette ka tokony hiray hina hikojakoja izany ny rehetra, eny manomboka eeo amin’ny fokontany. Azon’ny tanora atao ny mifanentana ihany koa amin’ny fitsitsiana izany. Na ihany koa mampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny JIRAMA ao antoerana raha misy fatsin-drano vaky.
C’est un virus découvert chez des chauves-souris, près d’un parc national en Russie, en 2020. Il présenterait des caractéristiques communes avec le SRAS-cov-2 ou le coronavirus. C’est un peu son cousin lointain. Ce virus existe probablement depuis de très nombreuses années, rassure l’épidémiologiste Antoine Flahault, directeur de l'Institut de santé globale à l'université de Genève. On entend parler de lui aujourd’hui car des chercheurs américains ont repris l’étude récemment. Ils ont découvert que le virus khosta 2 pourrait se transmettre à l’homme. En effet, sa protéine est semblable à 60% à la protéine Spike de la covid-19.
Mais jusqu’ici, rien d’inquiétant car aucun cas n’a été confirmé chez les humains. La surveillance épidémiologique a été renforcée pour se préparer à une éventuelle mutation de ce virus.
Ny taona 2020 no nahitana io tsimokaretina io, tany amina ramanavy, akaikin’ny valanjava-boahary iray tany Russie. Mitovitovy toetra amin’ny SRAS-cov-2 izy ity na hoe coronavirus. Izany hoe iray fianakaviana aminy. Mety efa an-taonany maro no niforona io tsimokaretina io fa tsy hoe vaovao akory, hoy ny manampahaizana iray Antoine Flahault, filohan’ny l'Institut de Santé globale ao amin’ny oniversite an’ny Genève. Miverina resahana anefa izy ankehitriny satria nisy mpikaroka amerikanina nandinika bebe kokoa ny momba azy. Hita tamin’izany fa afaka mifindra amin’ny olombelona ny Khosta 2, satria ahitana fitoviana hatramin’ny 60% amin’ilay proteine Spike an’ny covid-19 ao aminy.
Hatreto anefa dia tsy misy tokony atahorana satria tsy mbola nisy tranga voamarina hita tamin’ny olombelona. Arahi-maso akaiky kosa ny fivoaran’ity tsimokaretina ity.
Madagascar est dans le groupe C de la CHAN 2023 qui se tiendra en Algérie.
Le COSPN représentera Madagascar au ROAD TO BAL au Palais des sports Mahamasina du 18 au 23 octobre.
Le grand open amical bouliste organisé à Ivato qui a débuté hier et se termine aujourd'hui est actuellement en quart de finale.
L'athlétisme est l'un des sports qui a fait rayonner la région Atsinanana.
Ao anaty vondrona C no misy an’i Madagasikara amin’ny CHAN 2023 atao any Algérie.
Ny COSPN no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny ROAD TO BAL atao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 18 hatramin’ny 23 Oktobra izao.
Eo amin’ny ampahefa-dalana amin’izao fotoana ny grand open amical bouliste na tsipy kanetibe atao eny Ivato nanomboka omaly ary mifarana androany.
Ny taranja Athlétisme no anisan’ny fanatanjahantena nampamiratra ny faritra Atsinanana.
Le microcèbe de Madame Berthe, connu sous le nom scientifique microcebus Berthea est maintenant classifié parmi 90% des primates en danger critique d’extinction. Cette espèce unique en son genre et classifié comme le plus petit primate dans le monde n’existant qu’à Madagascar. Le professeur Jonah Ratsimbazafy alerte qu’aucune trace de cet animal n’a été détectée lors de sa dernière visite dans le Menabe Antimena, le dernier habitat naturel du microcèbe.
Voasokajy ao anatin’ireo 90 isanjato amin’ny varika ahiana ho lany tamingana ny Tsitsidin’I Mme Berthe fantatra amin’ny anarana siantifika hoe microcebus berthea. Eto Madagasikara irery ihany anefa no ahitana io karazana varika kely indrindra maneran-tany io. Manazava ny profesora Ratsimbazafy Jonah fa tsy nahitana intsony na iray tamin’ity biby ity aza tao amin’ny toeram-ponenany ao Menabe Antimena rehefa saika haka santionany hanaovana fikarohana sy hanaovana fankan-taranaka ireo manam-pahaizana. Ahiana ho foana tanteraka ao amin’ny tontolon’ny siansa izy io araka izany.