Le prix des crédits téléphones et de la connexion internet est fixé après entente entre les opérateurs téléphoniques à Madagascar. Une sorte d’oligopole pour contraindre l’entrée d’autres opérateurs sur le marché. En général, à part le profit, les dépenses d’un opérateur téléphonique satisfont 4 grandes lignes : le marketing, la mise en place du « Data Center », le cout de la licence d’exploitation, et les équipements réseaux. Le prix de crédit téléphonique et de connexion internet est encore cher par rapport à ceux dans d’autres pays d’Afrique. L’économiste Zo Andriatsitohaina donne les détails dans l’émission.Â
Ny fandrafetana ny vidin’ny fahana sy sandan’ny aterineto eto Madagasikara dia fifanarahana eo amin’ireo orinasam-pifandraisana. Izany dia mba ahafahan’izy ireo manasarotra ny tsy fidirana orinasam-pifandraisana hafa. Misy dimy lehibe ny lalan’ny vola ho an’ilay orinasam-pifandraisana : ny saran’ny fahazoan-dalana misokatra, ny vidin’ireo fitaovana momba ny tambazotra, ny fananganana trano « data center », ny fanaovana dokam-barotra ary ny tombony ho an’ilay orinasa. Lafo ny vidin’ny fahana finday sy sandan’ny aterineto eto amintsika raha mitaha amin’ny firenena hafa eto Afrika. Manazava izany ato anatin’ny fandaharana ny mpahay toe-karena Andriatsitohaina Zo.
- Anôsy : célébration de la journée internationale de la sensibilisation à l’albinisme à Fort Dauphin.
- Haute Matsiatra, Menabe, Ihorombe : distribution d’alevins pour les coopératives de pisciculteurs.
- SAVA : concours de jeunes talents pour la célébration de la fête de la musique.
- Anôsy : fankalazana ny andro iraisampirenena momba ny varira any Fort Dauphin.
- Matsiatra Ambony, Menabe, Ihorombe : fizarana zanatrondro ho an’ireo fikambanana mpiompy trondro.
-SAVA : fifinanana talenta ho fankalazana ny fetin’ny mozika.
Une université numérique utilise les outils informatiques comme support dans l’enseignement et dans les activités administratives. Les cours peuvent se faire en ligne ou en présentiel. Cela nécessite à la fois des infrastructures d’accueil pour les cours en présentiel et des centres informatiques pour les échanges en lignes. Chaque étudiant est supposé disposer d’un ordinateur et d’une connexion internet pour étudier et participer aux échanges.
A la différence d’une université en ligne qui fait tout à distance, les inscriptions, les cours ainsi que les examens. Andrianaja Holy, responsable de la formation à distance d’une université à Antananarivo explique.
Ny atao hoe oniveriste nomerika dia ampiasana fitaovana informatika amin’ny fampianarana sy ny fomba fiasa ao aminy. Mety hampiasana aterineto ihany koa ny fampianarana ao aminy ary ny mpianatra tsirairay dia tokony hanana solosaina sy « connexion » ahafahany mifandray amin’ny mpampianatra sy hanaovany fampiharana any an-trano. Misy fampianarana sy fanadinana anaty efitrano ihany izany. Ny oniversite ampitain-davitra kosa dia tsy mifanatri-maso fa amin’ny aterineto avokoa ny fisoratana anarana, ny handefasana ny fampianarana ary ny fanadinana. Hanazava momba izany i Andrianaja Holy, tompon’andraikitry ny fampianarana ampitain-davitra amina oniversite iray eto Antananarivo.
Il n’existe pas encore des maisons d’éditions de livre qui s’intéressent particulièrement aux personnes en situation de handicap visuel à Madagascar. Mais une collaboration entre les associations ou les projets qui accompagnent les personnes non-voyantes et quelques maisons d’édition est déjà en cours. Haingo Ratobimiarana, coordinateur du projet Voatra asa, un projet travaillant pour les non-voyants nous donne des détails.
Tsy mbola misy ny trano fanontana boky manokana ho an’ireo olona manana kilema amin’ny fahitana eto Madagasikara. Efa misy anefa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana na tetikasa miara-miasa amin’ny olona jamba sy ny trano fanontana boky sasany hanontana boky ho azy ireo. Manazava ny momba izany fiaraha-miasa izany i Haingo Ratobimiarana, mpandrindra ny tetikasa Voatra asa, tetikasa miasa ho an’ny jamba.
- Un nouveau pare feu de 1km a été installé.
- Sud-Ouest: Environ 500 tortues illégales ont été saisies en 2021.
- Lutte contre les criquets : l'IFVM appelle à s'entraider.
- Les étudiants de l'EPP Ivandry et Ankorondrano peuvent faire désormais des recherches sur internet.
- Aro afo mirefy 1km vaovao indray no napetraka.
- Atsimo Andrefana : Sokatra miisa 500 no tratra nahondrana na nohanina na nohazaina tamin’ny taona 2021.
- Ady amin’ny andiam-balala : Miantso ny vahoaka eny ifotony hifanome tanana ny IFVM.
- Analamanga : Efa afaka manao fikarohana amin’ny aterineto ny mpianatra ao amin’ny EPP Ivandry sy Ankorondrano ary Ambatobe.
La table ronde sur l’emploi, l’avant-projet de loi sur la participation de la femme dans les prises de décision et le changement de circulation à Ambohijatovo et andohan’Ananalakely ont été les actualités marquantes de la semaine au cœur du débat des jeunes invités de Studio Sifaka. Nantenaina Mihaja Ismaël, Rabemanantsoa Mirana Helinirina et Andriatahina Felana ont partagé leurs points de vue.
Latabatra boribory niresahana ny fampanan’asa ny tanora, ny volavolan-dalà na momba ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny sehatra hanapahan-kevitra ary ny fanovana amin’ny fifamoivoizana eo Ambohijatovo sy Andohan’Analakely, ireo no vaovao nisongadina nandritra ny herinandro hadian-kevitra sy hifanakalozan-kevitra amin’ity indray mitoraka ity. Vahinin’ny fandaharana Ndao hilaoeky I Nantenaina Mihaja Ismaël, Rabemanantsoa Mirana Helinirina ary i Andriatahiana Felana nizarazara ny hevitr’izy ireo momba izany.
Comme tous les vendredis, Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, trois jeunes étudiants : Lalaina, Tsiory Serge et Andoniaina vont s’exprimer sur la participation de la diaspora malgache aux élections à Madagascar. Ils vont aussi donner leurs avis sur le rapport des jeunes au musée. Le troisième sujet de discussion sera axé sur le silence de l’Etat quant aux demandes d’aide des jeunes malgaches participants à des compétitions intellectuelles au niveau international.
Â
Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba hahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio, dia tanora mpianatra eny amin’ny anjery manontolo telo mianadahy misy an’i  Lalaina, Tsiory Serge ary Andoniaina no haneho hevitra mahakasika ny fandraisana anjaran’ny malagasy any ivelany amin’ny fifidianana eto Madagasikara. Amin’ny maha tanora, hiresaka mahakasika ny tanora sy ny tranom-bakoka na ny Musée eto amintsika izy ireo. Tsy hadinoina ihany koa ny resaka mahakasika ny fanampian’ny fanjakana ireo tanora malagasy mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Andriamiarisoa Mandrindra Fitia, Razananivo Bakoliarisoa, étudiantes et Rafanomezantsoa Hasiniaina, membre du fan’s club Studio Sifaka, vont s’exprimer sur les questions liées à la commémoration du 13 Mai 1972. Ils vont aussi donner leurs avis sur les universités mortes et finalement ils vont débattre sur le forum des jeunes 2022.
Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba hahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio, i Andriamiarisoa Mandrindra Fitia, Razananivo Bakoliarisoa, mpianatra, sy i Rafanomezantsoa Hasiniaina, mpikambana ao amin’ny fan’s club Studio Sifaka no haneho hevitra mahakasika ny fahatsiarovana ny andron’ny 13 may 1972. Hiresaka mahakasika ireo anjerimanotolo maty ihany koa izy ireo. Amin’ny maha-tanora, tsy ho adino ny hiresaka momba ny fikaonan-dohan’ny tanora 2022.
Nikarakara hetsika speed recruiting sy tafatafa tamin’ireo mpandraharaha ho an’ireo tanora marefo ny Bureau pour l’emploi, niarahana tamina fikambanana am-polony misahana ny fandraisana an-tà nana ireo tanora marefo eto an-drenivohitra. Tanora telopolo teo no nofantenina orinasa misahana fanjairana, fanaovam-bolo ary ihany koa fanodinana menaka rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny taona maromaro.
Anisan’ireo fikambanana mpandray an-tà nana zaza sahirana eto an-drenivohitra, efa hatramin’ny taona 2007 ny Graine de bitumes. Isan-taona dia tanora aman-jatony latsaka, 16 ka hatramin’ny 22 taona eo no manaraka ny fiofanana. Misy mason-tsivana hisafidiana ireo tanora ireo, ary manaraka fiofanana ahafahany miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany izy ireo.
A l’issue des prises en charge des jeunes de rue en situation de précarité dans la capitale, le bureau pour l’emploi, avec une douzaine d’associations œuvrant dans ce domaine, se sont réunies pour organiser une journée spéciale speed recruiting et rencontre entre les entrepreneurs et ces jeunes vulnérables. Après quelques années de formation au sein de ces associations, environ 30 jeunes ont été accueillis par des entreprises de textile, de coiffure, de cosmétique ou encore de mécanique auto pour entretien d’embauche.
Graine de bitumes fait partie des associations qui prennent en charge les enfants et jeunes de rue depuis 2007. Chaque année, elle forme environ 80 jeunes de 16 à 22 ans. Sélectionnés selon des critères définis, ils suivent des formations professionnelles qui leur permettent de s’insérer immédiatement dans le monde du travail.
Koloina Juliana Rasoambolanoro avait des difficultés d’accès à internet lorsqu’elle était à l’université, à cause notamment du surcoût et de bien d’autres facteurs. Plus tard elle a initié le projet Tia karoka Ankadivato qui vise à donner un meilleur service de connexion à faible coût aux étudiants.
En effet, Koloina est consciente des opportunités offertes aux jeunes étudiants sur internet. Elle nous détaille son projet dans l’émission Hono Oa.
Tetikasa iray noforonina tanora malagasy ny Tia Karoka ao Ankadivato. Manana tanjona ny hanamora ny fahazahoan’ny tanora tolotra aterneto ity tetikasa ity. Fony mbola mpianatra teny amin’ny anjery manontolo dia nisedra olana maro tamin’ny fahafahana misitraka aterineto i Koloina Juliana RASOAMBOLANORO izay mpamorona ny Tia karoka, fantany nefa fa maro ny tombontsoa afaka sitrahana amin’ny fampiasana azy. Manazava misimisy kokoa mahakasika ity tetikasa ity sy ny tolotra omen’izy ireo ny tanora izy.
Ny 3 may no ankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. « Ny asa fanaovan-gazety eo ambany ziogan’ny teknolojia vaovao », izay no lohahevitra ho an’ny taona 2022. Mihazakazaka ny fampitam-baovao amin’ireo fitaovan-tserasera nomerika ka sarotra ny mifehy, ny misivana ary manamarina azy ireny ara-potoana. « Ny fanaraha-maso sy ny fanatevenana ireo sampana mpanao izany no tokony hatao, ary mandray anjara betsaka amin’izany ny mpitandro ny filaminana. Ilaina ny fikoloana ny olom-pirenena tsirairay mba hahay handanjalanja ny vaovao avoakany satria tsy mpanao gazety velively ny mpampiasa « facebook » sy ny  mpampiasa aterineto. Mahavoasazy ny famoahana vaovao tsy marina sy miteraka korontana » hoy i Faly Rabemanantsoa, mpanao gazety ao amin’ny 2424.mg. Na eo ary izany, azo lazaina ho hery amin’ny fikaroham-baovao ny fampiasana ireo teknolojia vaovao satria manampy amin’ny fikarohana sy manafaingana izany, fa indrindra manampy amin’ny fanapariaham-baovao. « Ao amin’ny haino aman-jery iasako ohatra, mampiasa tambazotran-tserasera foana izahay anapariahana mialoha ny vaovao sy ireo fandaharana handeha, izay mampitombo ny isan’ny mpanaraka izany » hoy i Ony Nasaina, mpanao gazety avy ao amin’ny kolo tv-fm.
Hatreto, ireo mpanao politika sy ireo mpandraharaha ara-toekarena no mità na ny 90%-n’ny haino, vaky, jery eto amintsika. Mamparefo ny asa fanaovan-gazety anefa izany. Very laharana 41 ihany koa i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Raha faha-57 izany teo aloha, lasa faha-98 ankehitriny raha ny tatitra navoakan’ny Reporters Sans Frontières.
La journée mondiale de la liberté de presse est célébrée le 3 mai. « Le journalisme sous l’emprise du numérique », tel est le thème abordé cette année. Face à la rapidité des technologies numériques, il est difficile de filtrer et de vérifier ces informations à temps. « Renforcer la modération et la surveillance au niveau des cellules anti-cybercriminalité seraient une solution pour mieux gérer la situation. J’insiste de dire que les utilisateurs de réseaux sociaux ne sont pas des journalistes  » souligne Faly Rabemanantsoa, journaliste en ligne à 2424.mg. Cependant, le numérique ne constitue pas toujours un problème pour le journalisme. Utilisé à bon escient, il peut être un outil efficace pour les recherches, les recoupements d’information et la publication. « A la station où je travaille, nous diffusons en simultanée le journal sur les réseaux sociaux. Cela nous aide à avoir plus d’audimat et ainsi étendre nos supports de publication » poursuit Ony Nasaina, journaliste à kolo tv-fm.
Aujourd’hui, plus de 90% des stations radio, des télévisions et des médias en ligne appartiennent à des hommes politiques et à des hommes d’affaires. Cette situation empêche le journalisme d’être neutre et indépendant. Madagascar a reculé de 41 places dans le classement mondial de la liberté de la presse selon Reporters sans frontières et passe de la 57ème place à la 98ème place.
- La région Menabe atteint l'objectif sur le reboisement 2022.  Â
- Région Atsinanana : Les canelles d'Anivorano sont aujourd’hui exportées vers Europe et Etats-Unis.Â
- Les travaux de rehabilitation de la RN13 commencera le 17 juin prochain.  Â
 - Le projet TAFITA redistribue des titres fonciers.
- Faritra Menabe : Tratra ny tanjona tamin’ny fambolen-kazo.Â
- Faritra Atsinanana : Manondrana kanelina any Eropa sy Etazonia ny tantsaha ao Anivorano Brickaville.
- Ny 17 jona izao no hanomboka ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13.
- Hiverina amin’ny fizarana kara-tany ny tetik’asa TAFITA.Â
- Asa tanana vita malagasy: sarotra tadiavina ny akora ampiasaina ka isan’ny mahalafo azy.
- Herisetra any anatin’ny fiara-fitateram-bahoaka : Manana zo hampidina ireo mpanao herisetra ny mpamily sy ny mpanampiny.
- Miseho kokoa ireo aretin-koditra aty Afrika noho ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny fitsaboana.
- Velon-tena: mampivoatra ny fari-piainan’ny reny tanora ao Bongolava ny zaitra.