Aujourd'hui, la jeunesse malgache commence à travailler avec la jeunesse africaine pour résoudre les différents problèmes auxquels l'Afrique est confrontée. Les catastrophes naturelles et leurs conséquences possibles pour l’humanité en sont un exemple. Interview avec Andrianina RAJOHARISON, Directeur de la coordination des mouvements des associations des jeunes auprès du ministère de la jeunesse et des sports Madagascar.
Efa manomboka misehatra sy miara-miasa amin’ireo tanora afrikana ny tanora malagasy ankehitriny, amin’ny famahana ireo olana samihafa atrehan’ny Afrika. Iray amin’izany ohatra ny loza ara-boajanahary sy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny olombelona. Resadresaka niarahana tamin’i Andrianina RAJOHARISON, Talen’ny fandrindrana ny hetsiky ny fikambanana tanora eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara.
Avant de commencer le dépouillement des bulletins de vote, il faut procéder à la clôture du scrutin.
Pour ça, les délégués des candidats peuvent désigner les scrutateurs, lesquels doivent être répartis autant que possible par table de dépouillement. Les noms des scrutateurs sont remis au président du bureau électoral une heure avant la clôture du scrutin, pour que la liste des scrutateurs par table puisse être établie avant le début du dépouillement.
Au cas où les délégués n’ont pas procédé à la désignation des scrutateurs, le bureau électoral désigne parmi les électeurs présents un nombre suffisant de scrutateurs sachant lire et écrire, lesquels se divisent par table de quatre au moins.
Les tables sur lesquelles s’opèrent le dépouillement sont sécurisées et disposées de telle sorte que le public puisse observer et circuler sans gêner en aucune manière le travail des scrutateurs. Le président du bureau électoral doit prendre toutes les mesures nécessaires pour procéder immédiatement et publiquement à l’ouverture de l’urne devant l’assemblée.
Ahoana no fizotran'ny fanakatonana ny latsa-bato amin'ny androm-pifidianana?
Alohan'ny hanombohan'ny fanisam-bato dia tsy maintsy mizotra amin’ny fanakatonana ny latsa-bato.
Afaka manendry ireo mpanara-maso izay tsy maintsy zaraina araka izay azo atao eny amin’ny latabatra fanisam-bato ny solontenan’ny kandidà . Ny anaran’ireo mpanara-maso dia omena ny filohan’ny biraom-pifidianana adiny iray mialohan’ny hifaranan’ny fandatsaham-bato, mba hanaovana ny lisitry ny mpanara-maso isaky ny latabatra alohan’ny hanombohan’ny fanisana.
Raha toa ka tsy mbola niroso tamin’ny fanendrena ireo mpanara-maso ireo ny solotenan’ireo kandidà , ny tomponandraikitry ny biraom-pifidianana dia manendry eo anivon’ny mpifidy tonga manatrika hanolotra mpanara-maso izay tsy maintsy mahay mamaky teny sy manoratra, izay mizara eny amin’ny latabatra efatra farafahakeliny.
Arovana ny latabatra misy ny fanisana ary apetraka mba ho hitan’ny besinimaro kanefa azo hivezivezena mba hahafahan’ny mpanara-maso manao ny asany. Ny filohan’ny biraom-pifidianana dia tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ilaina mba hirosoana avy hatrany sy ampahibemaso amin’ny fanokafana ny vata fandatsaham-bato eo anoloan’ny fivoriambe.
Les candidats peuvent voter dans un bureau de vote de leur choix situé à l’intérieur de la circonscription électorale du scrutin pour lequel il s’est porté candidat, sauf dispositions contraires prévues par les textes spécifiques à chaque catégorie d’élection.
Les renseignements le concernant selon les indications prescrites par la présente loi organique sont ajoutés sur la liste d’émargement de ce bureau de vote avec le numéro de sa carte d’électeur et l’indication exacte de son bureau de vote. Mention en est faite au procès-verbal des opérations de vote.
Les fonctionnaires, les magistrats, les agents de la force publique, les militaires ou les membres de la Commission Electorale Nationale Indépendante ou de ses démembrements au niveau territorial qui se trouvent, le jour du scrutin, en dehors de leur Fokontany de résidence, mais dans la même circonscription électorale, peuvent participer au vote.
Ils présentent à cet effet leur ordre de mission ou toute autre pièce en tenant lieu, leur carte d’électeur et leur carte d’identité nationale, au président d’un des bureaux électoraux de la localité où ils se trouvent en service ou temporairement affectés.
Ny kandidà iray dia afaka mifidy ao amin'ny biraom-pifidianana izay safidiny fa ao anatin'ny fari-pifidianana misy ny latsa-bato izay maha-kandidà azy ihany, raha tsy misy ny fepetra voalazan'ny lalà na manokana ho an'ny sokajy tsirairay amin'ny fifidianana.
Ny vaovao momba azy araka ny toromarika voafaritry ny lalà na fehizoro dia ampidirina ao anatin’ny lisitry ny mpifidy anatin’ilay birao fandatsaham-bato miaraka amin’ny laharan’ny kara-pifidianana sy ny famantarana ny birao fandatsaham-bato tokony hisy azy. Voatonona ao anatin’ny fitanana an-tsoratra ny latsa-bato izany.
Afaka mandray anjara amin’ny latsa-bato any ivelan’ny Fokontany misy azy kanefa ao amin’ny fari-piadidiam-pifidianana ihany, ny mpiasam-panjakana, mpitsara, mpitandro filaminana, miaramila na mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ireo sampan-draharaham-paritany izay, amin’ny androm-pifidianana.
Mila mampiseho ny taratsy fanamarinana ny dia aleha na antontan-taratasy hafa solon'izany izy ireo, ny kara-pifidianana sy ny kara-panondrom-pirenena, any amin'ny filohan’ilay biraom-pifidianana misy azy.
Ny rehetra momba azy ireo araka ny toromarika voafaritry ny Lalà na fehizoro dia ampidirina ao amin’ny lisitry ny mpanatrika ny fandatsaham-bato ao amin’io biraom-pifidianana io miaraka amin’ny laharan’ny kara-pifidianana sy ny famantarana ny birao fandatsaham-bato tokony hisy azy. Voatonona ao anatin’ny fitanana an-tsoratra izany latsa-bato izany.
Reportage :
Des centaines d’entreprises locales œuvrent actuellement dans le recyclage des déchets plastiques. STCV, une startup siégeant dans la capitale vient de trouver des idées plus originales, trier les emballages plastiques issues des emballages de biscuits, de bonbons et d’autres types pour en faire des sacs plutôt stylés. Découvrez comment …
Interview :
Le projet G3D, dont l’objectif est d’apporter des nouvelles techniques de recherche pour l’identification des bois précieux à Madagascar, prend fin cette année 2023. Les recherches se sont focalisées sur les deux catégories de bois précieux, le Dalbergia et la Diospyros. Une centaine de nouvelles espèces ont été identifiées au cours de ces 5 années du projet, affirme la responsable du département forêt de l’école supérieur des sciences agronomiques à l’université d’Antananarivo, Tahina Ramananatoandro.
DIYÂ :
Des tas de boites en cartons chez vous et vous ne savez pas quoi en faire ? Ne les jetez pas, il y a bien des idées faciles pour les transformer en belles boites de conserves, ou mieux encore, en placard !
Reportage
Orinasa an-jatony maro ankehitriny no misehatra amin’ny fanodinana fako plastika eto amintsika. Ho an’ny orinasa startup STCV manokana, nisafidy ny hanao izany amin’ny fomba miavaka izy amin’ny alalan’ny famadihana ireo fonin-tsakafo plastika rehetra ho lasa poketra. Araho ny fomba fanatanterahan’izy ireo izany…
Interview
Tapitra amin’ity taona 2023 ity ny tetikasa G3D. Tanjona ao anatin’izy io ny handrosoana fomba fikarohana ara-tsiantifika vaovao entina hamantarana ireo karazana hazo sarobidy misy eto Madagasikara mba ahafahana miaro azy ireo. Ny palisandra sy bois de rose, manana ny anarana siantifika Dalbergia, ary ny bois d’ébène na diospyros no sokajiana ho hazo sarobidy eto amintsika. Fomba fikarohana vaovao maro no nentina tao anatin’izay 5 taona izay hoy ny tompon’andraikitrin’ny sampana ala sy tontolo iainana, ao amin’ny école supérieure des sciences agronomiques an’ny oniversité an’Antananarivo, Tahina Ramananatoandro.
DIY
Raha betsaka an’ireny baoritra ireny ao an-tokantrano ao ka tsy hita izay hanaovana azy, dia aza ariana fa misy fomba iray azo atao tsara, hamadihana azy ho lasa fampirimana akanjo na zavatra hafa.
Madagascar a traversé plusieurs transitions politiques au cours de son histoire récente, notamment des changements de régime et des transitions démocratiques. En 2013, une transition politique s'est achevée, une transition qui a commencé en 2009, avec l'élection d'un nouveau président et la mise en place d'un gouvernement démocratiquement élu. La transition politique est un processus de passage d'un régime politique à un autre, généralement associé à des élections, à des changements constitutionnels ou à des réformes politiques importantes.
Nandalo tetezamita maromaro i Madagasikara, anisan’izany ny fiovan’ny fitondrana sy ny tetezamita demokratika. Tamin’ny taona 2013, nifarana tamin’ny alalan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny tetezamita teto Madagasikara. Tetezamita izay nanomboka ny taona 2009. Ny tetezamita ara-politika dia dingana fifindran'ny fitondrana politika iray mankany amin'ny iray hafa, matetika mifandray amin'ny fifidianana, fanovana lalà m-panorenana na fanavaozana ara-politika lehibe.
A Madagascar, 1 sur 10 députés est de sexe féminin selon une étude réalisée en 2021. Et d’ailleurs, la plupart d’entre elles subissent de la discrimination dans l’exercice de leur fonction. Cette discrimination se manifeste sous plusieurs formes. Ça peut concerner les apparences vestimentaires, ou corporelle comme le visage, les cheveux et surtout la couleur de sa peau. D’autres députées déclarent aussi être victimes de dénigrement en raison de leurs idées et surtout de leurs discours politiques. Interview avec la députée Masy Goulamaly, présidente de la Commission Genre au sein de l’Assemblée nationale.
Iray ao anatin’ny solombavambahoaka 10 eto Madagasikara ihany no vehivavy araka ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2021. Ny ankamaroan’izy ireo dia mahatsiaro voahilikilika eo am-panatanterahana ny asany. Io fanavakavahana io dia miseho amin'ny endriny maro. Anisan’izany ny fanilikilihina miseho amin’ny fomba fiakanjon’ilay solombavambahoaka, eo ihany koa ny fanalam-baraka mikasika ny vatana, ny tarehy, ny volo ary indrindra ny volon-koditra. Misy ihany koa ireo solombavambahoaka sasany no milaza fa iharan’ny fanalam-baraka eo amin’ny kabary politika ataony sy ny fanehoan-keviny. Fanehoan-kevitra nataon’ny solombavambahoaka Masy Goulamaly, filohan’ny vaomiera amin’ny maha lahy sy maha vavy eo anivon’ny Antenimierampirenena.