Tous les citoyens malagasy majeurs, sans distinction de sexe, jouissant de leurs droits civils et politiques, et qui sont bien sûr inscrits sur la liste électorale sont aptes à voter.
Par opposition, ceux qui ne remplissent pas ces conditions sont donc exclus du droit de vote. Il s’agit principalement des individus ne disposant pas de nationalité malgache, les personnes non inscrites sur la liste électorale à l’arrêtage définitive de celle-ci. Et ceux qui sont privés de leurs droits civiques et politiques, c’est-à-dire les personnes condamnées par la justice.
Le droit civique inclus le droit de vote, d'élection, d’éligibilité, droit de représenter ou d'assister une personne devant la justice, et la liste est encore longue…
Iza no afaka mandeha mifidy ?
Ireo olom-pirenena Malagasy tsy ankanavaka na lahy na vavy, feno 18 taona no miakatra, ary misitraka ny zo amin’ny maha olom-pirenena azy sy zo ara-politika no afaka mifidy.
Izay tsy mahafeno ireo fepetra ireo izany dia tsy manan-jo hifidy avokoa. Tafiditra ao anatin’izany ireo rehetra tsy mizaka zom-pirenena malagasy, ireo tsy voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy, ary ireo olona voaheloky ny lalàna ka tsy misitraka ny zo maha olom-pirenena azy. Voakasik’io zo maha olom-pirenena io ny zo hifidy sy hofidiana, zo hanatrika olona any amin’ny fitsarana, sns…
Nous sommes actuellement en période électorale. Les citoyens, la société civile et surtout les partis politiques ont un grand rôle à jouer à cet égard. Interview avec Livarijaona Tafita Toussaint, le secrétaire général du parti politique Antoko politika Madio ou APM. Il nous a parlé du rôle des partis politiques pendant la période électorale, l’éducation politique pour les membres. Et le travail des partis politiques pendant le jour de scrutin.
Efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny zotram-pifidianana isika amin’izao fotoana izao. Samy manana anjara goavana ao anatin’izany ny olom-pirenena, ny firaisamonim-pirenena ary indrindra ny antoko politika. Fanazavan’ i Livarijaona Tafita Toussaint, Sekretera Jeneralin’ny Antoko Politika Madio mikasika ny anjara andraikitry ny antoko politika mialohan’ny fotoam-pifidianana, ny fifampitaizana ara-politika ho an’ny mpikambana ao anatina antoko politika ary ny anjara asan’ny antoko politika amin’ny andron’ny latsabato sy ny mahasamihafa ny asa ataon’ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena.
Suivez l’échange entre Tharcisius Raherinandrasana Directeur de la RNM, Rakotoniriana Gérard ancien président de l’OJM, Hery Rasaona de l’ONG Ivorary, Rakotondratafika Henintsoa de la FDSP et Ramamonjisoa de Rary Aro Mada sur le thème de « rétrospective de la liberté de presse à Madagascar ».
Tharcisius Raherinandrasana talen’ny RNM, Rakotoniriana Gérard filohan’ny OJM teo aloha, Hery Rasaona avy ao amin’ny ONG Ivorary, Rakotondratafika Henintsoa avy ao amin’ny FDSP ary Ramamonjisoa avy ao amin’ny Rary Aro Mada no hiaraka hitafatafa amintsika amin’ny lohahevitra oe Jeri-todika ny lasa sy fibanjinana ny ho avy amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Araho ary ny fandaharana ‘Ndao hilaoeky eto amin’ny Feon’ny Tanora Maroloko.
Youth corner est un évènement organisé par le Ministère de la Jeunesse et des Sports qui offre beaucoup d’opportunités pour les jeunes, que ce soit au niveau local ou à l’international. Ça s’est passé le 7 et le 8 Juillet au Stade Barea Mahamasina. Plusieurs stands pour des pistes de travail, de formation, des études à l’international s’ouvrent aux jeunes. Selon les explications de Tsikitsiky Razanamasy, directrice générale de la jeunesse au ministère, il y a eu des partages d’expérience en live, comme la fabrication de savon ou de charbon écologique par exemple ou encore la fabrication de pâte alimentaire. A part cela, il y a eu également des speed recruting, c’est-à-dire que les jeunes passent un entretient directement. Des masters class vont également traiter des thèmes sur l’entreprenariat, l’employabilité des jeunes ou la santé des jeunes.
Youth corner, hetsika karakarain’ny ministeran’ny tanora sy ny fanantanjahantena izay manome fanararoatra ho an’ny tanora, na eto an-toerana na any ivelany izany. Natao ny 7 sy 8 jolay tany amin’ny kianja Barea Mahamasina izy io. Tranoheva maro no nitsangana nanome sehatra ho an’ny asa izay azon’ny tanora atao, misy ihany koa ireo fiofanana, vatsim-pianarana makany ivelany misokatra ho an’ny tanora. Araka ny fanazavan’I Razanamasy Tsikitsiky, tale jeneralin’ny tanora ao amin’ny ministera, nisy ny fifampizarana mivantana amin’ny fanamboarana savony, fandraisana miasa eo no ho eo, fizarana mahakasika ny lohahevitra manodidina ny fandraharana sy ny fampananan’asa ny tanora sy ny fahasalaman’ny tanora.
Bosco est l’un des fabricateurs de pirogues en fibre à Mananjary. Avec 25 mètres de longueur, une pirogue pesant environ 40 tonnes peut prendre jusqu’à 4 semaines pour la construire. Ces dernières sont destinées à transporter des passagers ou des marchandises tout au long du canal de Pangalanes. Une fois fonctionnelles, des convoyeurs et mécaniciens s’occupent de sa bonne marche pendant le trajet.
Iray amin’ireo mpanamboatra ireny lakana vita avy amin’ny fibre lehibe ireny ao Mananjary i Bosco. 25 metatra eo ny halavany ary mahazaka entana milanja hatramin’ny 40 taonina eo ny lakana iray vitany mandritra efatra herinandro na mihoatra kely. Natao hitaomana entana sy mpandeha mampiasa an’iny lakandranon’I Pangalana iny ireo lakana amboariny. Any anatiny any kosa indray misy ny mekanisianina manokna miandraikitra ny fampandehanana tsara azy ireo eny an-dàlana.
Tsiva et Faly ont pris la parole au Studio Sifaka pour exprimer leurs opinions sur les actualités marquantes de la semaine. Le premier sujet parle du somment pour un nouveau pacte financier à Paris, le deuxième concerne la participation des jeunes au processus électoral et le dernier parle de la famine dans l’Afrique subsaharienne.
Tanora roa lahy mianatra ao amin’ny departementa ny serasera eny amin’ny oniversiten’Antananarivo indray no haneho ny heviny anatin’ny fandaharana ndao hilaoky isaky ny zoma hariva. Ireto lohahevitra telo tamin’ireo vaovao nandeha tamin’ity herinandro ity moa no horesahana. Voalohany, ny fivoriana an-tampony amin’ny fifanarahana ara-bola vaovao maneran-tany. Manaraka izay ny tanora sy ny fanaraha-maso ny fifidianana, ary faranana amin’ny mosary aty Afrika Atsimon‘i Saharaha.