Les dépenses électorales sont les dépenses engagées par un candidat, une liste de candidats ou un parti politique dont la finalité est l’obtention des suffrages des électeurs au sein de la circonscription électorale concernée.
Elles comportent deux catégories. D’abord les dépenses effectuées pendant la période de six mois précédant le premier jour du mois de l’élection jusqu’à la date du scrutin. Ce sont par exemple les dépenses liées à la production de divers supports de communication ou encore les indemnités des délégués ou autres membres de l'équipe du candidat.
Ensuite, les dépenses électorales engagées après le jour du scrutin jusqu’à la proclamation officielle des résultats. Il s’agit par exemple des crédits de communications, les dépenses liées aux déplacements ou le budget alloué à la surveillance des résultats.
A noter que toute dépense d’acquisition immobilière réalisée dans le cadre d’une campagne électorale ne constitue pas une dépense de campagne et ne peut être comptabilisée comme telle.
Inona no atao hoe fandaniana amin’ny fifidianana ?
Ny fandaniana amin’ny fifidianana dia ireo fandaniana rehetra ilaina mba handresena lahatra ny mpifidy hifidy kandida na lisitra na kandida iray. Mizara roa izany, ny voalohany dia ireo fandaniana natao enim-bolana mialohan’ny andro voalohan’ny volana amin’ny fifidianana mandra-pahatongan’ny datin’ny fandatsaham-bato. Anisan’izany ohatra ny fanontana ireo peta-drindrina na fitaovan-tserasera isan-karazany na koa ny tambin-karama ho an’ny délégué na mpikambana hafa ao amin’ny ekipan’ny kandidà .
Ny faharoa, dia ireo fandaniana atao aorian’ny andron’ny fifidianana mandrampivoakan’ny valim-pifidianana amin’ny fomba ofisialy. Ohatra hoe : ny vola ilaina amin’ny fifandraisana, ny fandaniana amin'ny fivezivezena isan-karazany ary ny tetibola natokana ho an'ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana.
Marihina kosa fa tsy azo isaina ho toy ny fandaniana amin’ny fifidianana ny fividianana trano mandritra ireo vanimpotoana ireo.
Le trésorier de compte de campagne est une personne physique salarié ou non. Il doit disposer de la capacité civile pour contracter librement, régler les dépenses et encaisser les recettes de la campagne.
La désignation du trésorier de compte de campagne se fait par une déclaration écrite. Celle-ci est signée par le candidat ou le représentant de chaque entité en faveur d’une option, et déposée auprès de la CENI. La déclaration est accompagnée de l’accord exprès du trésorier désigné. La désignation du trésorier prend effet le jour de la déclaration. Un même trésorier ne peut être désigné par plusieurs candidats, listes de candidats ou options.
Dans le mois qui suit la désignation du trésorier de compte de campagne, la déclaration établie à cet effet fait l’objet d’une insertion au Journal officiel de la République de Madagascar par les soins de la CENI.
Inona no asan’ny mpitahiry ny kaonty amin’ny fampielezan-kevitra ?
Olona mandray karama na tsia ny mpitahiry ny kaonty amin’ny fampielezan-kevitra. Tsy maintsy manana fahafahana sivily hifandray malalaka izy, handoa ny fandaniana ary hanangona ny vola miditra amin’ny fampielezan-kevitra. Ny kandida dia tsy afaka atao mpitam-bolan’ny kaonty amin’ny fampielezan-kevitra.
Ny fanendrena ny mpitahiry kaonty amin’ny fampielezan-kevitra dia atao amin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra, nosoniavin’ny kandida, ary apetraka eny amin’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Izy io dia miaraka amin’ny fifanarahana mazava amin’ny mpitahiry vola voatendry. Ary ny fanendrena ny mpitahiry vola dia manakery amin’ny andro anaovana ny fanambarana an-tsoratra. Ny mpitam-bola ihany koa dia tsy afaka tendren’ny kandida hafa ho mpitam-bolany fa mpitam-bola tokana ho an’ny kandida iray.
Ny volana manaraka ny fanendrena ny mpitahiry ny kaontim-pitantanana ny fampielezan-kevitra dia ampidirina ao amin’ny gazety ofisialin’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiahin’ny CENI.
Safidy, Tafita et Johary ont participé au débat Ndao hilaoeky au Studio Sifaka cette semaine. Ils ont exprimé leur point de vue sur les trois sujets d’actus diffusés cette semaine : travail des enfants : les quatre secteurs dangereux à éradiquer ; les électeurs ont jusqu’à 17 juillet pour s’inscrire dans la liste électorale ; les lasers peuvent entrainer des lésions oculaires.
Safidy, Tafita, Johary, izy telo mirahalahy ireo no hizara ny heviny sy ny fomba fijeriny mahakasika ireo lohahevitra telo naroso tamin’ny vaovao nandeha nandritra ny herinandro anatin’ny fandaharana Ndao hilaoeky. Ireto avy ny lohahevitra telo : misy asa efatra voasokajy ho mamoadoza ho an’ny zaza tsy ampy taona ; manana hatramin’ny 17 jolay indray ireo feno taona hisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy ; mety ahajamba ny Lasers.
Après plusieurs années de fermeture, l’université de Farafangana a enfin rouvert sa porte aux étudiants en 2021. Trois filières y sont disponibles pour l’instant dont la sociologie, la science et l’électricité. En parallèle, les étudiants ont mis en place une association pour mieux garantir leur réussite.
Naverina nosokafana indray ny sekoly ambony ao Farafangana ny taona 2021 teo, rehefa avy nakatona nandritra ny taona maro. Sampam-pampianarana telo hatreto no azon’ireo mpianatra ratovina, ny hay fiarahamoinina, ny siansa ary ny fianarana momba ny herinaratra.  Mampivondrona mpianatra manodidina ny 60 eo kosa ny fikambanan’ny mpianatra ao Farafangana amin’izao. Manampy ireto farany amin’ny fampandehanana ankapobeny ny fampianarana sy ny lafiny sosialy ny fisian’izy ity.
A Madagascar, quarante-quatre sur cent mille femmes sont atteintes du cancer du col de l'utérus selon une enquête menée par une organisation non gouvernementale dans l’Est de Madagascar.
Mais qu’est-ce qu’on peut faire pour prévenir le cancer du col de l'utérus ?
Se faire tester tous les trois ans quand on commence à avoir des relations sexuelles, utiliser un préservatif et éviter les partenaires multiples. Consultez immédiatement un médecin pour tout changements étranges ou inhabituels.
Cependant, le seul moyen de le traiter à temps est d’effectuer un diagnostic précoce. Il y a aussi la vaccination contre le virus du papillome humain ou HPV.
Ecoutons les explications du médecin Razafindrasendra Macrine.
Raha eto Madagasikara dia vehivavy efatra amby efapolo amin’ny vehivavy iray hetsy no voan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza araka ny fanadihadiana nataona fikambanana tsy miankina iray misahana ny fahasalamana tany amin’ny faitra Atsinanana.
Misy azo atao ary ve hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ?
Eny tokoa, ohatra hoe manao fitiliana isan-telo taona rehefa manomboka miditra amin’ny firaisana ara-nofo, mampiasa kapaoty ary tsara raha tsy miray ara-nofo amina olona samihafa. Manatona mpitsabo avy hatrany vao misy fiovana hafahafa na tsy mahazatra amin’ny fivaviana.
Hatreto anefa ny fitiliana mialoha be ihany no hahafahana mitsabo azy ity ara-potoana. Eo ihany koa ny fanaovana an’ilay vaksiny miady amin’ilay viriosy Papilloma humain na HPV izay mahatonga an’ity homamiadana ity.
Henointsika ny fanazavan’ny mpitsabo Razafindrasendra Macrine
La séance de pratique en langue anglaise a été exploitée pour faire une sensibilisation sur la vaccination. Pendant le Friday Talk à l’American Corner de l’Université d’Antananarivo, les jeunes passionnés de cette langue se sont échangés en anglais sur l’avantage de la vaccination de COVID19. Les jeunes malgaches, membre de l’Union African Bingwa initiative font des sensibilisations sur la vaccination, explique un membre Rajaonarivelo Faliarisoa. Ces jeunes profitent de chaque occasion pour parler avec leurs proches et voisinage.
Nampiasaina nentina nanentanana ho amin’ny fanaovam-baksiny COVID 19 ny teny Anglisy. Nandritra ny Friday Talk tao amin’ny american corner no nanaovana izany. Nifanakalo sy nifampizara ny voka-tsoa azo avy amin’ny fanaovana vaksiny ireo tanora nanatrika izany. Manentana ho amin’ny fanaovam-baksin’ny COVID 19 ho an’ny zaza sy ny olon-dehibe ny tanora mikambana ao amin’ny Union African Bingwa initiative. Ny fanelezana ireo tsara ho fantatra mba ahafahana mamonjy ny ain’ny hafa no tanjon’izy ireo. Ny sehatra rehetra ahafahany miresaka izany amin’ny mpiara-belona dia ataony avokoa.