D’où viennent les Malgaches ? Une des questions qui traversent souvent l’esprit de la plupart des Malgaches. Une exposition s’est tenue au Trano Sary Ambohidahy qui a donné un aperçu des recherches déjà faites pour répondre à cette question. Parmi les grandes nouvelles apportées par cette exposition est l’utilisation des tests ADN pour en apprendre plus sur nos origines. Les recherches ont été réalisées en 2016, les échantillons sont ensuite envoyés en Amérique. Le Docteur Rindra Rakotoarivony est l’initiateur de ce projet. Lui et son équipe ont conduit leurs recherches en Imerina, Betsimisaraka, dans la partie Ouest et Nord de l’ile. « On a choisi ses villes avec soin et a cherché une partie de la population qui présente des traces plus anciennes et qui ne sont pas susceptibles de contenir un métissage contemporain.» explique-t-il.
La plus grande découverte c’est la présence d’ADN chinois, en plus du gène austronésien et africain que la majorité des Malgaches possède.
Avy aiza moa isika Malagasy? Sarotra no hamahavaha izany ary matetika mizarazara ny hevitra. Misy anefa ireo teknika moderna izay azo hamaritana azy ity toy ny fikarohana araka ny foto-tarazo na Test AND izay navoitran’ny fampirantiana tetsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Anisan’ny nanaovana an’io fikarohana io teto amintsika, notarihin’i Ny dokotera Rakotoarivony Rindra sy ny ekipany.
Mponina tamina faritra vitsivitsy izay noheverina fa ela nisiana teto Madagasikara sy tsy mbola nifangaro tamin’ireo kolontsaina vahiny no tena nifantohan’ity fikarohana ity, izay natomboka ny taona 2016. Nalefa tany Amerika ireo singa nanaovana fizahana. Zava-baovao nanaitra tamin’izay ny hoe misy fiaviana sinoa ihany koa isika malagasy, ankoatry ny maha Aostroneziana sy Afrikana antsika.
« Mangez cinq fruits et légumes par jour pour être en bonne santé » On entend souvent cette sensibilisation passer à la radio et à la télé. Et si les fruits et légumes que les marchands nous vendent tous les jours ne sont pas sains ? Les pesticides, les engrais chimiques utilisés dans certaines cultures sont nuisibles même pour nous humains.
Selon l’OMS, un homme sur cent attrape une intoxication alimentaire à cause de l’utilisation d’apports chimiques dans l’agriculture et dans la façon de traiter les aliments. 420.000 personnes en meurent chaque année. Acheter local et directement chez les fermiers/agriculteurs ne garantit pas toujours que les produits sont sans danger. Andrianarivo Soamarharavo Judicaëlle, expert en éco-culture chez Écovillage nous apprend plus à ce sujet.
Araka ny fanambaran’ny dokotera sy ireo manam-pahaizana manokana mahakasika ny fahasalamana sy ny sakafo, ilaina ny mihinana voankazo sy legioma isankarazany sy maroloko isanandro. Ny indro kely anefa tsy voatery ho azo antoka avokoa ireo vokatra voankazo sy legioma izay hitantsika eny an-tsena eny. Isan’ny tsy voazava anatin’ny fanentanana mantsy dia mety hisy ihany koa ny vokadratsin’ny fihinanana voankazo na legioma raha toa ka misy vokatra simika, na zesika io, na ireo famonoana bibikely, lasa anatin’izy ireny.
Araka ny fanambaran’ny fikambanana maneran-tany momba ny fahasalamana, OMS, olona iray amin’ny zato eto an-tany no marary vokatry ny fihinanana sakafo misy poizina nohon’ny fomba fambolena azy ka roa alina sy efatra hetsy ireo maty. Misy fenitra arahina izany ny amin’ny famokarana sy fitandremana atao rehefa hanjifa eny fa na ny vokatra avy amin’ireo tantsaha malagasy aza. Eo no mipetraka ilay hoe “Bio”. Manazava misimisy kokoa mahakasika an’izany ny mpisehatra matihanina eo amin’ny fambolena mahakasika an’ity vokatra « Bio » ity, Andrianarivo Soamaharavo Judicaelle avy ao amin’ny Ecovillage.
La loi sur la cybercriminalité et la loi sur la communication sont souvent confondues. A l’origine, la loi sur la communication pénalise les journalistes pour des délits liés à l’exercice de leur travail. La loi sur la lutte contre la cybercriminalité, elle, s’applique à tous les utilisateurs d’internet qui commettent des infractions pénales au moyen d’un système informatique, tels les cyber-attaques, piratage, etc…
En cette Journée mondiale de la liberté de la presse, Gerard Rakotoniriana, journaliste et ancien président de l’ordre des journalistes de Madagascar nous explique les points à retenir sur ces deux lois, fréquemment utilisé à l’encontre des journalistes.
Hafangaron’ny olona matetika ny lalàna mifehy ny serasera sy ny lalàna mifehy ny heloka an’habaka. Amin’ny ankapobeny, ny lalàna mifehy ny serasera no hitsarana ireo mpanao gazety raha manao fandikan-dalàna ao anatin’ny fanatanterahana ny asany izy. Ny lalàna mifehy ny heloka an’habaka kosa dia mametra sy manasazy ireo heloka ao anaty aterineto. Mety hoe fangalarana kaonty, fanafihana rafitra an’habaka, sns…
Amin’ity andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity, hanazava ny tena mahasamihafa ireo lalàna ireo sy ny fampiharana azy amin’ny mpanao gazety i Gerard Rakotoniriana, filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha.
- MENABE : Morondava se prépare à faire face aux catastrophes naturelles dues changement climatique.
- Circoncision de masse : tour des communes et villages de Sambava et Mananjary.
- Construction de la route nationale : le pont de Maherivaratra sur la RN 6 est en cours de construction, les chantiers avancent sur la RN7.
- Atsinanana : des camions ont bloqué la circulation entre Mahanoro et Vatomandry hier soir à cause de la dégradation de la route.
- MENABE : miomana amin’ny fiatrehana ny loza vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro ny ao Morondava.
- Didimpoitra faobe : fitetezana ireo Kaominina sy fokontany ao Sambava sy Mananjary.
- Fanamboarana lalam-pirenena : amboarina ny tetezana ao Maherivaratra, RN 6, mandroso ny fanamboarana ao amin’ny RN7.
- Atsinanana : nikatso ireo fiara vaventy noho ny haratsian’ny lalana ka tapaka ny fifamoivozana mampifandray an’i Mahanoro sy Vatomandry alina.
- SAVA : élevage de concombres de mer à Andrantany, Commune de Sahantaha, District d'Antalaha.
- Amoron’i Mania : la rizipisciculture est une activité génératrice de revenus pour les agriculteurs.
- Routes nationales en mauvais état : la route reliant Antsirabe à Morondava et la route reliant Foulpointe à Toamasina sont endommagées.
- SAVA : fiompiana zanga na concombre de mer ao Andrantany, Kaominina Sahantaha, Distrikan’Antalaha.
- Amoron'i Mania : seham-pihariana mahavelona sy mampidi-bola ho an'ny Tantsaha ny fiompiana trondro antanimbary.
- Faharatsian’ny lalam-pirenena : simba ny làlana mampitohy an’Antsirabe sy Morondava sy ny làlana mampitohy an’i Foulpointe sy Toamasina.
- Centre de vaccin HJRA : peu de visiteurs.
- Journée internationale des femmes africaines : Gisèle Rabesahala, une femme marquante de l’histoire de l’Afrique.
- Antsohihy : Il n’y a pas assez d’espace pour se détendre.
- La convention internationale du travail maritime MLC 2006 doit avantager les femmes concernant les logements et l’hygiène.
- Fanaovam-baksiny Covid-19 HJRA : zara raha misy mpitsidika.
- Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina : isan’ireo niavaka indrindra teto Madagasikara i Gisèle Rabesahala.
- Antsohihy : Tsy ampy ny toerana hialana voly indrindra rehefa fialan-tsasatra.
- Manome vahana ny vehivavy eo amin’ny resaka trano hipetrahana sy ny fandiovana ny fifanarahana iraisam-pirenena amin’ny asa an-dranomasina.
- Fitovinany: il faut faire attention quand on se baigne dans la mer de la côte Est.
- Alaotra Mangoro : la production de Vanille atteint plus de 10 tonnes pour l’année 2022
- Sofia : concours miss ronde pour promouvoir les événements culturels locaux et donner une place aux femmes rondes.
- Fitovinany : mila fitandremana ny filalaovana ranomasina amin’iny faritra Atsinanana iny.
- Alaotra Mangoro : folo taonina mahery ny vokatra Lavanila avy any an-toerana tamin’ity taona 2022 ity.
- Sofia : fifaninana « miss ronde » ho fampandrosoana ny hetsika arakolontsaina ao antoerana sy fanomezana sehatra ireo olona botrabotra.
« Pourquoi vous ? Quels sont vos défauts ? Quelle est votre prétention salariale ? ». Pour les jeunes que nous avons interrogés, ce sont les questions les plus difficiles lors des entretiens d’embauche. Selon Jean Luc Ramamonjisoa, responsable des ressources humaines dans un groupement d’entreprise à Madagascar, le recruteur attend, en général, l’expression d’une pleine motivation chez les candidats. On devrait entendre dans leurs réponses qu’ils ont vraiment envie de faire le travail.
« Nahoana no ianao no raisinay ? Inona ny « défaut »-anao? Ohatrinona ny karama eritreretinao ? », ireo matetika no fanontaniana mipetraka any anaty « entretien d’embauche ». Ho valiantsika miaraka amin’i Ramamonjiarisoa Jean Luc, tompon’andraikitra ny mpiasa ao amina vondrona orinasa iray ny tena handrasan’ny tompon’andraikitra amin’ireo fanontaniana ireo.
Le khat et le cannabis entrent tous deux dans la catégorie des drogues douces. Mais selon les explications du Docteur Fenohasina Toto Jean Félicien, psychiatre membre de l’association PsyKôzy, une drogue est une drogue, elle conduit à l’addiction. Le cannabis et le khat n’ont pas les mêmes effets. Le cannabis a des effets relaxants. Le khat par contre stimule le cerveau, donc a des effets excitants. Mais le docteur Tahinarilafy Jocelyn, de la polyclinique d’Antsiranana nous partage les effets du khat sur l’organisme. Etant donné que le khat se mastique, il a des effets sur le tube digestif : de la bouche aux intestins. Il provoque alors des aphtes, des ulcères et même des cancers de l’estomac. Avec les produits qui dérèglent le fonctionnement de l’intestin, il peut provoquer des constipations. Outre les effets sur le tube digestif, il provoque la tachycardie, ce qui provoque une palpitation chez les jeunes. Ces drogues sont aussi à l’origine de divers troubles mentaux, ils dérèglent les éléments chimiques du cerveau selon toujours les explications du docteur Félicien. Mais cela peut s’ajuster à l’aide de médicaments.
Ny katy sy ny rongony na cannabis dia tafiditra ao anatin'ny sokajin’ny zava-mahadomelina malefaka. Araka ny fanazavan’ny Dokotera Fenohasina Toto Jean Félicien, mpitsabo saina ao amin’ny fikambanana PsyKôzy anefa, dia mitovy foana ihany rehefa zava-mahadomelina : miteraka fiankinan-doha ary misy fiantraikany amin’ny saina. Ny dokotera Tahinarilafy Jocelyn, avy ao amin’ny polyclinic Antsiranana, dia mizara amintsika ny vokatry ny katy amin’ny vatana. Satria tsakoina ny katy dia misy fiantraikany any amin'ny lalan-kanina: manomboka amin'ny vava ka hatrany amin'ny tsinay. Mampisy « aphtes » ao am-bava, « ulcères » sy homamiadan’ny vavony. Manelingelina ny fiasan'ny tsinay ny singa ao anatin’ny katy ka miteraka fitohanana. Ankoatra ny fiantraikany amin'ny lalan-kanina dia miteraka tachycardie, izany hoe mambidobodoboka be ny fo amin'ny tanora izy. Raha eo amin’ny saina dia tsy mitovy ny vokatry ny rongony sy ny katy. Ny rongony dia manana fiantraikany mampitony. Ny katy kosa dia manentana ny atidoha, noho izany dia misy vokany mampientanentana. Manome fikorontanana ara-tsaina ireo zava-mahadomelina ireo, manelingelina ny singa simika ao amin’ny atidoha araka ny fanazavan’ny dokotera Félicien hatrany. Azo tsaboina amin’ny alalan’ny fanafody anefa izany.
- Boeny : le secteur soie revient en force à Boanamary.
- Ambatondrazaka : la grande foire communale comme symbole d’union entre les districts voisins.
- Androy : les riverains lancent une alerte face à la déforestation accélérée des aires protégées de Dabolava et d’Andamoty.
- Boeny : le secteur soie revient en force à Boanamary.
- Ambatondrazaka : la grande foire communale comme symbole d’union entre les districts voisins.
- Androy : les riverains lancent une alerte face à la déforestation accélérée des aires protégées de Dabolava et d’Andamoty.
Comme tous les vendredis, le Studio Sifaka donne la parole aux jeunes pour échanger sur les actualités de la semaine. Aujourd’hui, Rakotoarisoa Fitahiana Jeanou et Lock Gillou Mananjara vont s’exprimer par rapport à la qualité de préparation des examens officiels, ils vont aussi donner leurs avis par rapport à la cherté des tests covid à l’aéroport et finalement ils vont partager leur vécu quant à la hausse du prix du carburant.
Isaky ny zoma, ny tanora no omena sehatra eto amin’ny Studio Sifaka, mba hahafahan’izy ireo maneho ny heviny mahakasika ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandro. Ho an’ny anio, i Rakotoarisoa Fitahiana Jeanou sy i Lock Gillou Mananjara no haneho hevitra mahakasika ireo olana mitranga manodidina ny fanadinam-panjakana, ny fahalafosan’ny saran’ny fitiliana covid eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hanome soso-kevitra manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika ihany koa izy ireo.
Gisements de mica dans le sud : le nombre d’enfants mineurs est en hausse.
Mananjary : la réhabilitation du terrain de l’indépendance et du marché d’Andovosira.
Protection de l’enfance dans l’Analamanga: les mineurs interdits d’accès aux boîtes de nuits, chambres de passe et casinos.
Fitrandrahana heladrano ao atsimo : mitombo isa ireo zaza tsy ampy taona manao izany.
Mananjary: narenina ny kianjan'ny fahaleovantena sy ny bazarykely ao Andovosira.
Fiarovana ny zaza amin’ny herisetra : Apetaka amin’ireo toerana voarara ireo takelaka famantarana.
- Hampiroborobo ny demokrasia sy hitondra fanazavana momba ny asan’ny mpanao lalana ireo tanora mandray anjara amin’ny « Parlement francophone des jeunes ».
- Tontolon’ny Digital: Tsy afa-miala amin’ny teknolojia intsony i Madagasikara.
- Fampahafantarana ny lalàna malagasy amin’ny alalan’ny rafi-baiko.
- Miandrivazo : ahianaho tafakatra 900 mahery ny kapoakan’ny vary.