- Lutte contre la dégradation climatique : le projet Mionjo fait de la reforestation intensive dans le sud.
- Ihorombe : des enfants tombent dans le tabagisme dès l’âge de 10 ans.
- Antsiranana : ouverture d’un hôtel des finances pour mieux gérer le denier public.
- Ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana : manavotra ireo toerana simba ao atsimo ny tetikasa Mionjo.
- Ady amin’ny fifohana sigara sy ny fihinana paraky ao Ihorombe : 10 taona no zandriny indrindra amin’ireo mifoka sigara.
- Tranoben’ny Fitantanam-bola ao Antsiranana : hanampy amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka.
- Fizahan-tany eto Madagasikara : azo lazaina ho maro ihany ireo mpitsidika nanomboka tamin’ny nisokafan’ny sisin-tany.
- Famokarana menaka voanjo : ampy tsara ny akora hahafahana misehatra amin’izany.
- Anisan'ny antony ifindran'ny olona any atsimo monina ny kere sy ny fitadiavan'asa.
- Andro maneran-tany hiadiana amin’ny hepatita, Sarotra hita ny vaksiny.
L’utilisation des produits chimiquement modifiés laissent beaucoup de séquelles sur nos cheveux et notre visage.
Une jeune Malgache a eu la bonne idée de lancer sur les réseaux sociaux la philosophie du « Retour au naturelle » pour soigner les effets néfastes des produits chimiques sur les cheveux et le visage. Ce concept s’est répandu et a permis à beaucoup d’autres de créer de petites entreprises qui sont devenu des endroits en vogue pour le fameux retour aux naturelles.
Ils sont plusieurs en ce moment. Il y en a qui préfère fidéliser un petit cercle de client sur les réseaux sociaux et d’autres sont devenus des professionnelles du métier comme « Beauté Verte » Analakely. Hasina va nous raconter la genèse de son entreprise.
Maro ireo olona tratran’ny olana eo amin’ny tarehy na ny volo no ny fampiasana vokatra voahodina misy akora simika.
Malagasy tia karokaroka iray, nanentana an’ireo tanora namany marobe manerana ny nosy no nanana hevitra hiverina amin’ny natioraly hitsaboana an’ireo olana nateraky ny vokatra simika tamin’ny vatany. Niteraka asa sy famoronana orinasa madinika izay efa fanta-daza eto amintsika izany ankehitriny.
Maro ireo orinasa niforona araka izany, ao ireo mbola somary menamenatra ka mizara sy mamarotra ny vokatra anaty tambajotran-tserasera, ao kosa ireo nanao izany ho matihanina toa an-dry Beauté Verte etsy Analakely izay tantarain’i Hasina amintsika ny niandohany.
La méthode kangourou consiste à tenir le bébé prématuré peau à peau sur la poitrine de sa mère. Cela va l’aider à prendre du poids. Les bébés prématurés sont ceux nés entre 4 mois à 7 mois, ou 22 semaines d’Aménorrhées (SA) à 36 SA et 6 jours. Ils pèsent moins de 2kg à peu près. Selon les explications de la Sage-femme Soa et la sage-femme Saintia, la méthode kangourou présente plusieurs avantages pour le bébé. Cette méthode peut remplacer l’entrée en couveuse. La chaleur augmente les calories du bébé du fait qu’il dort davantage et accumule l’énergie nécessaire à sa croissance. Pour ce qui est de la prématurité, la sage-femme Ny Avo, du cabinet d'accouchement Aro AMbohimamory, nous en explique les raisons : l’hypertension artérielle de la mère, le stress du quotidien, la béance cervicale due à la multiparité, les pertes non soignés, l’âge de la mère (moins de 17 ans et plus de 40 ans).
Ny « méthode kangourou » na trotro an-koditra dia fomba fitrotro ny zaza teraka tsy tonga volana eo amin'ny tratran'ny reny, hakasika amin’ny hoditra araka izay anarany izay. Hanampy azy hahazo lanja izany. Ny zaza teraka tsy tonga volana dia ireo teraka eo anelanelan'ny 4 volana ka hatramin'ny 7 volana ao an-kibo, na 22 herinandron’i Amenorrhe izay adika hoe « Semaine d’Amenorrhé) (SA) hatramin'ny 36 SA sy 6 andro. Milanja eo amin’ny 2 kilao eo ho eo ilay zaza. Araka ny fanazavan’i Rasazy Soa sy Rasazy Saintia dia hahazoan tombony maro ny fanaovana trotro an-koditra. Afaka mahasolo ny fampidirana « couveuse » ity fomba fanao ity. Ny hafanana dia mampitombo ny kaloria ny zaza satria matory bebe kokoa izy ary manangona ny angovo ilaina amin'ny fitomboany. Mikasika ny tsy fahaterahana tsy tongavolana, i Rasazy Ny Avo, avy ao amin'ny Cabinet d'accouchement Aro Ambohimamory, dia manazava ny antony: ambony tosidrà, miatrika rarintsaina amin’ny fiainana andavan’andro, ny fahagoragoran’ny ny vozon-tranonjaza noho ny hamaroan’ny zaza nateraka, ny « pertes » tsy voatsabo, ny taonan’ny reny (17 taona sy 40 taona mahery).
Hera Incubator est un programme lancé par l’Union Européenne en février 2021. Il a pour but d’étudier les mutations actuelles et les futures mutations possibles de la Covid-19. Ce programme réuni les laboratoires, les autorités sanitaires, les scientifiques et la Commission européenne.
L’Union Européenne a consacré 75 millions d'euros pour développer des tests spécifiques afin d'identifier de façon précoce les mutations possibles du virus.
Le programme se focalise également sur la recherche des vaccins de deuxième génération, pouvant faire face aux variants actuels et aux futurs variants de la Covid-19.
En parallèle, il appui la production de masse et rapide des vaccins contre la Covid-19.
Covis-19 : Inona ilay fandaharan’asa «HERA Incubator » ?
Ny vondrona Eoropeanina no nametraka azy io tamin’ny volana febroary 2021. Ny tanjon’ity fandaharan’asa ity dia ny hanao fikarohana mikasika ny fivoaran’ny tsimok’aretina Covid-19 sy ny mety ho fiovan’endriny. Mampivondrona ireo laboratoara, ireo tompon’andraikitra misahana ny ara-pahasalamana sy ireo siantifika maro izy io hanaovana izany.
Mitentina 75 tapitrisa Euro ny teti-bola natokan’ny vondrona eoropeanina hanamboarana fitiliana hahafahana mamantatra dieny mialoha ireo fiovan’endrika Covid-19 mety hiforona.
Mifantoka ihany koa amin’ny fikarohana vaksiny hiadiana amin’ireo fiovan’endriky ny Covid-19 efa misy sy ireo izay mety mbola hiforona izy io.
Ankoatra izay, manohana ihany koa ny famokarana betsaka kokoa sy haingana kokoa ireo vaksiny Covid-19 efa misy amin’izao ity fandaharan’asa ity.
- Ambato Boeny: les récoltes de “black eye” ont du mal à trouver preneurs.
- Moramanga: la hausse du prix du carburant impacte la scolarisation des enfants des transporteurs de bajaj.
- Lutte contre le coronavirus: coup d’envoi de la campagne “Vaksiny 100 andro” dans le Vatovavy.
- Melaky et Menabe: une invasion de rats ravage l’agriculture.
- Ambato Boeny : mitaraina ireo mpamboly fa tsy lafo ny vokatra lonjy.
- Moramanga: Miantraika amin’ireo mpitondra Bajaj mampidirana mpianatra ny fiakaran’ny vidin-tsolika.
- Ady amin’ny coronavirus ao Vatovavy: Natomboka ny fanaovam-baksiny mandritra ny 100 andro ao Vatovavy.
- Melaky sy Menabe : manimba ny voly ireo andiam-boalavo.
- Natao hisahanana ny andavanandron’ny mpianatra ihany koa ny vatsim-pianarana.
- « Carrefour de la formation et des métiers » : Hisy ny fanaraha-maso akaiky hatao aorian’ny hetsika amin’ity andiany ity.
- Angovo avy amin’ny herin’ny masoandro : manomboka amin’ny 5 alina ariary ny vidiny.
- Afrobasket U18, Efa vonona tanteraka ny ekipa Malagasy.
- Misy karazany valo ny Ala Honko misy eto amintsika izay miparitaka manerana ny nosy.
- Isany maha demokratika ny firenena iray ny fananana zo hanao fihetsiketsehana an-kahalalahana , saingy misy fepetra arahana.
- Ny fandraisana an-tanana ireo voafonja misedra tsy fahasalamana any am-ponja.
- Fialan-tsasatra : nahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina.
- Sud-Ouest: les travailleurs sociaux bénéficient de nouveaux vélos.
- Journée internationale des mangroves: Nosy Be accueille la célébration cette année.
- Soanierana Ivongo ouvre son nouveau centre de formation.
- Atsimo andrefana : nomena bisikileta ireo mpanentana ara-piarahamonina.
- Andro iraisam-pirenena ho an'ny ala honko : nankalazaina tao Nosy Be ny antsika.
- Soanierana Ivongo : nahazo ivontoeram-panofanana ara-teknika vaovao.
Le stylisme prend petit à petit sa place à Madagascar. L’événement annuel du ministère de la culture Mihamy Mada Fashion est l’un des leviers qui propulse les jeunes stylistes dans le monde professionnel.
Tous les ans, l’association Madagascar's Fashion designer est de la partie. Il aide les jeunes à trouver leur voie et les forme à devenir professionnelle. Actuellement cette association compte 24 membres et est ouverte aux intéressés. Lucka Andriamahavonjy, Secrétaire Général de cette association nous en apprend plus sur la mission de Madagascar's Fashion designer.
Efa miha mahazo laka tsikelikely ny Lamaody Malagasy tato ho ato. Nanome sehatra goavana hoan’ireo mpamorona Malagasy ny hetsika Mihamy Mada Fashion izay karakarain’ny Minisiteran’ny kolontsaina isan-taona.
Misy ny fikambanana izay mampivondrona ny mpamorona lamaody manerana an’i Madagasikara na Madagascar’s Fashion Designer. Efatra amby roapolo izao ny mpikambana ao aminy ary afaka miditra avokoa ireo liana rehetra. Hanazava mahakasika an’izany sy ny fandrosoan’ny Lamaody Malagasy I Lucka Andriamahavonjy, sekretera jeneralin’ity fikambanana ity.
À chacun ses ambitions. Pour Instase la promotion des artistes que ce soit professionnel ou ceux qui s’autoproduit dans la rue, c’est leurs vocations. Mirana, la fondatrice de cette association nous explique les détails de cette bonne action envers le monde culturel malgache. Instase donne à ses artistes l’occasion de se produire devant un publique et aussi de partager leur art à un large public dans les réseaux sociaux.
À part ses gens qui essayent de faire bouger l’art et la culture ici chez nous, il y en a qui ont des occasions de davantage approfondir leur connaissance et de partager internationalement leurs savoirs. Mampiray Solofoniaina va nous donner les détails du forum national « Entreprendre dans La Culture 2022 » auquel il a participé en France et les impacts que cela pourrait avoir à Madagascar.
Misy karazany maro ireo fikambanana miasa ho an’ireo mpanakanto. Ho an’ny Instase manokana, misy ny tetikasa izay fitrandrahana an’ireo talenta samihafa eny rehetra eny sy ny fanomezana sehatra ary fanapariahana ny kantony amina mpankafy sy ireo mety ho mpijery. Misy ireo efa matihanina, misy ireo izay mbola miana-mandady. Sehatra no omena azy ireo. Hazavain’i Mirana, filoha namorona an’ity Instase amintsika izany sy ny fanitatrana kasain’izy ireo atao amin’ity Instase ity. Maimaimpoana na antsitrapo ny asa ataon’ny Instase.
Ankoatran’ny fikambanana anefa misy ihany koa ireo fihaonana maneran-tany toy ny forum national « Entreprendre Dans La Culture 2022 » tany Frantsa izay hahafahantsika Manovo traikefa sy mampivoatra ny sehtara ara-kolontsaina. Manazva amintsika ny ambangovangony mahakasika an’izany ao amin’ny tapany faharoan’ny fandaharana kosa I Mampiray Solofoniaina.
Travailler dans le domaine de la « voix-off », c’est savoir être un caméléon avance Lillio, une voix connue du paysage médiatique malgache. Les spots publicitaires, dit-il, demandent une voix dynamique, contrairement à celle utilisée pour les film-documentaires qui demandent un air assez posé. Quant à la voix prêtée pour le cinéma, une notion en théâtre est de mise. C’est un métier qui couvre les petits frais à Madagascar, sauf si l’on est connu dans le domaine, explique-t-il. Pour entretenir la voix, Lillio suggère un repos suffisant et une alimentation saine, car faire de la « voix-off » demande de l’énergie. Les voix de personnes de plus de 40 ans occupent 38% du marché mondial contre 17% pour les voix jeunes de moins de 30 ans.
Partie de rien, Houssen Zahir Firoza a su imposer son style cinématographique sur le marché international, par ses films courts. Autodidacte et déterminée, elle est l’une des rares femmes cinéastes à raconter la grande île autrement. Après « Tetirano » et « Des Maux d’Elles », elle monte en créneau avec son troisième film en préparation, « Emina ». Elle pousse la gente féminine à s’intéresser au côté technique et à briser le cliché de la « femme-actrice ».
Mila manao toy ny tanalahy rehefa misehatra amin’ny tontolon’ny fampindramana feo hoy i Lillio, izany hoe mahay mamoaka ny fihetseham-po rehetra. Raha dokam-barotra, tsara raha ny feo mailamailaka no ampiasaina. Raha andravahana horonan-tsary fanadihadiana kosa dia mila feo somary milamina ary raha feo ampiasaina amin’ny horonan-tsary dia tsara raha manana traikefa amin’ny teatra hoy izy. Mila matory tsara, misakafo tsara ary tsy mifoka sigara raha te hikojakoja ny feo hoy hatrany i Lillio satria asa mampiasa angovo ny fanaovana « voix-off ». Ireo feon’olona mihoatra ny 40 taona no tena be mpitady raha oharina amin’ny feo tanora, izany hoe latsaky ny 30 taona.
Miavaka ireo horonan-tsary fohy vokarin’i Houssen Zahir Firoza, iray amin’ireo vehivavy malagasy mpanatontosa sarimihetsika. Antony nahatonga azy hisehatra amin’ny iraisam-pirenena. Tsy voatery ny fahantrana foana koa no azo tantaraina momba an’i Madagasikara hoy izy ary maro no mana-talenta eto amintsika. Taorian’ny « Tetirano » sy « Des Maux d’Elles » izay nahazoany loka, eo ampikarakarana ny sarimihetsika fahatelo antsoina hoe « Emina » izy amin’izao fotoana izao. Mamporisika ny vehivavy hitia ny lafiny teknika i Firoza. Tsy voatery ho mpilalao foana hoy izy ny vehivavy fa afaka miditra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika.
Rabemanotrona Lanto est un maquettiste pas comme les autres. Il est connu pour être le maquettiste du Palais de la Reine et celui du Premier Ministre. Ses œuvres sont exposées dans les Palais éponymes et dans les grands hôtels tananariviens. Pour lui, le respect des échelles et des détails est primordial, c’est ce qui fait la différence entre de simples maquettes artisanales et ce qu’il fait. Le palissandre reste son matériau de prédilection pour réaliser ses maquettes royales. C’est un matériau noble, insiste-t-il. De par son expérience, faire des maquettes de Palais ouvre beaucoup de portes et crée des relations. C’est pourquoi il conseille les jeunes à en faire une passion, voire un métier sérieux.
Selon Jacques Berthieux Ramananindriana, un architecte est celui qui imagine et dessine l’intérieur et l’extérieur d’une maison ou un d’un lieu. Ce n’est pas un ingénieur bien que les deux collaborent pour mener à bien un projet de construction. Le métier d’architecte est essentiel pour faire respecter le plan d’urbanisme et le bien-être du résident. C’est pourtant un métier négligé à Madagascar. Néanmoins, le domaine reste prometteur car le marché est vaste. Jacques Berthieux Ramananindriana, par son bureau d’étude Zac Architecture & Design, reçoit trois commandes par mois en moyenne.
Miavaka amin’ireo mpanao « maquette » mahazatra i Rabemanotrona Lanto. Ireo vakoka malaza toy ny rova sy lapa manan-tantara no tena ataony « maquette » ka izay no ahafantaran’ny maro azy. Ao amin’ny lapa malaza sy ireo trano fandraisam-bahiny lehibe eto an-drenivohitra no ahitana ireo sangan’asany ireo. Mila manao fikarohana ara-tantara hoy izy mialohan’ny hanaovana « maquette » iray satria mila hajaina ny refy sy ireo pitsopitsony rehetra momba ilay vakoka. Hazoala no akora fototra ampiasaina. Manokatra varavarana sy fifandraisana maro ny asa fanaovana « maquette » ireo vakoka hoy izy ary mamporisika ny tanora hitrandraka ity sehatra ity izy. Endrika iray azo hampitana ny tantara sy ny soatoavina ny fanaovana « maquette » ireo vakoka hoy izy, namarana.
Ny atao hoe mpanao mari-trano na « architecte » hoy i Ramananindriana Jacques Berthieux, dia ireo mpamorona ny endriky ny trano na toerana iray, na ny ao anatiny na ny ivelany. Misafidy ireo akora ampiasaina ihany koa ny « architecte ».Tsy injeniera izy ary tsy miditra an-tsehatra amin’ny fanamboarana ny trano fa mifameno kosa ireo fahaiza-manao ireo. Tsy azo ajoro ny trano iray raha tsy mahazo taratasy fanamarinana avy aminy. Io no ahalalana fa manaja ny fenitry ny fanamboarana ary voahaja sy ny fenitra ara-pahasalamana rehetra ilay trano. Manaja ireo fomba malagasy amin’ny fanamboarana trano ihany koa ny « architecte » eto amintsika.